fanontanian a2 hoan'n mpin orehetra.

1. fijo ( 14/09/2007 22:45)
hoanareo mpino "kristianina ,na silamo ,na jiosy na sekta ino akoa tsy haiko"
_moa ve tsy hafaka hanao sy ahalala ny marin aiaareo raha tsy nisy ny baiboly na coran na asa izay boky hafa any.
_mahalala isika rehetra fa tamin'i abrahama no nanomboka ny finoana andriamanitra tokana.efa aman etsiny anefa ny olombelona maty talohan'io finoana andriamanitra tokana io.
ka ireo izay maty talohan'io ve,raha misy tokoa ny fitsarana araka ny finoanareo;atao ahoana izy ireo????sokajiana ho mpino sa avy dia afobe araka le finoana ihany??????aza hadino fa ireo olon ataloha ireo dia nino fa samy manana ny andriamaniny ny zavatra rehetra.
ary andriamanitra io ve hitsara ny mpino kristianin aihany sa mba hitsara ny indo sy ny silamo koa izy.
novalian'i tywa68 ny 25/09/2007 16:50
2. ikaretsaka ( 14/09/2007 23:15)
mamaly an'i fijo
1)eny, za aloha tsy t@ ny alalan'ny baiboly no nahalalako ny finoana kristianina sy nahatonga ahy Kristianina e, efa elabe taty aoriana aho nandalina ny baiboly, fa par tantara sy teny sy fomba hafa (efa nolazaiko teto aby) no nahalalako an'Andriamanitra.
Afaka manao ny marina tokoa aho, fa ny ahy tsy hoe bedy aho na tsy bedy sy hoe tsy maintsy nanaraka lalana voasoratra ao anaty boky aho na tsia, fa ny fahafantarako fa fanajako ilay mpiara belona amiko sy hitandrovako ny manodidina ahy ny anaovako ny marina aloha, izay vao mandeha ny baiboly! ny antony manko dia tsy nohon'ny maha olon'ny baiboly na olon'ny coran sy ny torah aby ny olona mifanerasera amiko.

2)Hitsara ny olon-drehetra Andriamanitra ka, fa tsy mbola izao aloha, fa any aorina any, izy ihany ny mahalala, donc amiko dia tsy mbola fantatra ny destin an'ireny olona ireny raha tsy rehefa tonga izay fotoana izay!
3. niryna ( 14/09/2007 23:37)
Voalohany aloha dia efa nisy kristy ary efa niaraka ny Ray (Jaona 1:1-4).efa nomena ny didy folo mba hamonjena ny olona kanefa na izany aza dia namorona atra hafa izy ireo.Vakio ny (mosesy 40 andro sy 40 alina nalefako).
Nanao izay namonjena ny olona Atra saingy ny olona no be siasia.Nalefany ny Zanany mba hamonjy izao tontolo izao,nalefany ny teny fa tsy misy na iray aza mankany amin'Atra raha tsy avy amin'ny alalan'i Kristy.Moa ve nanaraka izany ny olona? Tsia.
Ny maty izay teo ambanin'ny lalana dia ny lalana no hitsarana azy,ny maty izay tsy teo ambanin'ny lalana dia ny asany no hitsarana azy.
Efa nomena Fanahy masina ny rehetra izay mino an'i Kristy mba hitory ny teny kanefa moa mihaino ny olona?Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. Asa 1:8
Ny ataony ihany no ataony,ny hinoany ihany no hinoany,na dia fantatra izao aza fa mivavaka amin'ny tsy izy dia tsy manaiky izy ,tsy mino fa mivavaka amin'ny tsy izy.
Efa fantatr'Atra ny mino Azy sy ny tsy mino Azy fa mbola omeny chance ihany ny rehetra sao mba hanaraka Azy .Afafy fotsiny ny voa dia izay mandray mandray.

Ho tsaraina daholo na ny maty na ny velona.
Vakio: Mpt 9:5-6,Sal 6:5,Mat 10:28, IKor 15:51-53


Tantara 16:8-11
Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
^:^^:^^:^

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Ho amintsika rehetra anie ny fahasoavan'i Tompo mahery,Mpanavotra izao tontolo izao.

4. ikaretsaka ( 14/09/2007 23:52)
niryna> tokony mba ny fanontanian'i fijo kosa no valianao aloha nohon'ny toriteny lava
5. rabilabila ( 14/09/2007 23:55)

Ny ataony ihany no ataony,ny hinoany ihany no hinoany,na dia fantatra izao aza fa mivavaka amin'ny tsy izy dia tsy manaiky izy ,tsy mino fa mivavaka amin'ny tsy izy.
Efa fantatr'Atra ny mino Azy sy ny tsy mino Azy fa mbola omeny chance ihany ny rehetra sao mba hanaraka Azy .Afafy fotsiny ny voa dia izay mandray mandray.


Izao ange ilay tsy mety aminareo mpino mihitsy e!!
Fa nahoana ianareo no afaka miteny hoe "ny anareo ny izy fa na an'ny hafa tsy izy "????
Ny hita any amin'ny pejy hafa any anefa toa tsy fantatrareo akory ny fototra hijoroan'ny hafa ????

Ampy anareo ve ny didy folo??
Toa adinonareo ,na hodianareo tsy fantatra ,fa ny genre homo dia efa taona maro nahatongavan'ny mesianareo no efa nisy ?Sa tsipahanareo koa izany ? Raha toa izy ireo tsy nahay nandamina ny fiainany amin'ny alàlan'ny lalàna mifehy ny fiaraha-monina dia tsy nisy akory i Jesosy sy niryna8O
6. cutie ( 15/09/2007 00:02)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 15-09-2007 00:45:02
Lohateny : fanontanian a2 hoan'n mpin orehetra.
hoanareo mpino "kristianina ,na silamo ,na jiosy na sekta ino akoa tsy haiko"
_moa ve tsy hafaka hanao sy ahalala ny marin aiaareo raha tsy nisy ny baiboly na coran na asa izay boky hafa any

afaka na tsy mamaky baiboly aza.
za alou tsy ,mahavita mamaky fa afaka mihaino ra misy oul mamaky sy manazava:lol:
_mahalala isika rehetra fa tamin'i abrahama no nanomboka ny finoana andriamanitra tokana.efa aman etsiny anefa ny olombelona maty talohan'io finoana andriamanitra tokana io.
[quote]ary andriamanitra io ve hitsara ny mpino
kristianin aihany sa mba hitsara ny indo sy ny
silamo koa izy

ny Atry ny kristiana hitsara ny kristiana , de ny silamo sy ny sisa koa ohtr'zay ngamba

7. cutie ( 15/09/2007 00:03)
ka ireo izay maty talohan'io ve,raha misy tokoa ny fitsarana araka ny finoanareo;atao ahoana izy ireo????sokajiana ho mpino sa avy dia afobe araka le finoana ihany??????aza hadino fa ireo olon ataloha ireo dia nino fa samy manana ny andriamaniny ny zavatra rehetra.

tsy haiko ny valin'iny :lol:
8. ikaretsaka ( 15/09/2007 00:04)
ekena 100% ny an-drabilabila.. aiza ilay tolerance dradradradraina?

Fa nahoana ianareo no afaka miteny hoe "ny anareo ny izy fa na an'ny hafa tsy izy "????
Ny hita any amin'ny pejy hafa any anefa toa tsy fantatrareo akory ny fototra hijoroan'ny hafa ????
9. cutie ( 15/09/2007 00:07)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 15-09-2007 02:04:05
Lohateny : Re : fanontanian a2 hoan'n mpin orehetra.
ekena 100% ny an-drabilabila.. aiza ilay tolerance dradradradraina?

mbola ho lavitra ny lalana:-D
10. ikaretsaka ( 15/09/2007 00:34)
Ny hita any amin'ny pejy hafa any anefa toa tsy fantatrareo akory ny fototra hijoroan'ny hafa ????

io no tena mahagaga sy mahamenatra:oops:
Raha mba nandalina ilay hafa.. tsy naninona!
fa ilay tsy nandalina nefa mitabataba fotsiny
mahonena anga le akizy aaa
Nostra culpa:oops:
11. fijo ( 15/09/2007 00:41)
le valiny voalohany aloha dia tsara amiko,fa mino aho fa hisy kristianina hitsipaka an\'ialahy eto.
le valiny faharoa ksa ,somary valiny miala bala.
za izao ohatra dia sahy milaza , fa tsy hisy fitsarana izany satria tsy misy hitsara.ireny olona maty talohan\'i abraham aireny izany amiko dia efa lasa nanjavona fotsiny izao
12. fijo ( 15/09/2007 00:46)
amin'i cutie izany ,hisy andriamanitra kristianian hitsara kristianina ,dia hisy andriamanitra silamo hitsara silamo?????fa ngaha tsy tokana indray lery io????
ary niryna tsy namaly le fanontaniana mihintsy fa avy dia nanao toriteny be?????
mba ahoan akoa ny hevitry ny silamo???
13. ikaretsaka ( 15/09/2007 00:47)
fijo> le valiny faharoan'ialahy..
izay ny an'ialahy dia izay ny ahy ka
14. fijo ( 15/09/2007 00:50)
eny e,fa mba tiako ianareo,mba haminavina kely ny momba an'ireny ,fa tsy hiteny fotsiny hoe ,aleo andriamanitra no ahita azy.izay le mial abala
15. gasynamana ( 15/09/2007 08:07)
1- Izaho aloha dia Kristiana ary kristiana vao haingana ihany. Tsy Baiboly no nahatonga ahy hino fa ny fandinihana ny fiainana sy ny zava-misy. Ny baiboly dia amin'izao fotoana izao aho vao tena mamaky azy. Noho izany tsy voatery hamaky Baiboly sy boky hafa vao hahalala an'Andriamanitra. Azo atao tsara ny mahita sy mahatsapa ny fisian'Andriamanitra sy ny fitiavany amin'ny alalan'ny zava-boaary sy ny zava-misy.

2 - Raha mikasika ny fitsarana dia izao: tsy Andriamanitra isika ka hiambo hilaza fa mahalala izay ataony amin'ireo olona talohan'i Abrahama sy ireo olona tsy mba nitorina ny anarany. Ny zavatra tena azo antoka anefa dia izao: Ny hahasambatra ny olona no tadiavin'Andriamanitra noho izy fitiavana, ka horaisiny araka ny maha izy azy ny tsirairay. Ao amin'ny olona koa dia misy ilay hoe: fahalalana voajanahary. Io dia hery mitondra ny olona hino fa misy Andriamanitra eny fa na dia tsy Kristiana, tsy silamo, na sns... aza izy.

rabilabila:
Ny resaka homo dia izao: tsy ny kristiana ihany no manda an'io fa na dia ny fiaraha-monina aza. Raha ny natiora koa no jerena dia manohitra ny natioran'ny tsirairay io. Fampiasana ny taova ao amin'ny tena amin'ny tsy tokony hampiasana azy.
Raha somary alefa lavitra ny fandinihana dia izao: Moa misy olona afaka hanova ny maha izy azy ve? Izany hoe misy afaka hanova ny "etre"-ny ve? Raha lahy ianao moa afaka manova ny tenanao ho vavy?
Ny fandavana ny maha izy ny tena dia miteraka fikorotanana ao amin'ny tena manantolo.
Tsy mila miresaka finoana kristiana na finoana hafa dia efa afaka manda ny maha tsy ara-dalana ny homo.

Misaotra betsaka
16. mbaliana ( 15/09/2007 08:31)
FIjo> isika tamin'ny mbola kely dia tsy nahalala na inn na inn fa ny fiaraha-monina sy ny efa nataon'ireo Zoky ray amandreny no narahintsika...
Izy ireo no no namolavola ny saintsika hoe zao no mety na zao no tsy mety atao...mety tao na tsy tao ny baiboly na ny coran ecc...
Rehefa lehibe isika vao afaka mandinika ny izay efa nianantsika taloha sy ny mety ho fandehany dia mifidy hoe zao no ataoko ary zao kosa no tsy ataoko...nony afaka namaky baiboly aho ary hitako fa mifanaraka tsara amin'ny hevitro ny teny voambarany ao dia nifidy aho hoe raidìsiko mpanoro lalana ahy ny baiboly...niaina niaraka tamin'ny baiboly ihany ao zany na dia tsy mbola namaky ny baiboly aza...
17. mbaliana ( 15/09/2007 08:37)
ka ireo izay maty talohan'io ve,raha misy tokoa ny fitsarana araka ny finoanareo;atao ahoana izy ireo????sokajiana ho mpino sa avy dia afobe araka le finoana ihany??????aza hadino fa ireo olon ataloha ireo dia nino fa samy manana ny andriamaniny ny zavatra rehetra.

sarotra aloha ny hamaly an'izay e... fa zao fotsiny no mba hevitro... nahalala ny ratsy sy ny tsara koa ny olona taloha.. ary nisy ny tsara fanahy dia nisy koa ny fanahy ratsy...sur koa za fa nanana ny conscience izy...matoa mbola nijoro hatramin'izao ny ataontsika hoe tsara ifampizarantsika dia mbola niasa tao koa zany lay Hery lehibe nitazona izany ho antsika...
Asa aloha na misy na tsy misy fa za mbola tsy nahita ary tsy te hahita hoe any hono misy boky manamafy ny asan'ny fanahy ratsy...
18. mbaliana ( 15/09/2007 08:59)
ary andriamanitra io ve hitsara ny mpino kristianin aihany sa mba hitsara ny indo sy ny silamo koa izy.


Raha valiana io fanontanianao io dia ohatry ny hoe hitsara an'Atra ve isika...nisy zay fanoharana iray zay tao amin'ny baiboly hoe nisy lhl iray nanantona an'i Jesoa dia niteny hoe hatramin'ny nahakely ahy hatramin'izao dia nanaja Ray amandreny sy tsy nangalatra sns ...fa mba mety ho azoko ve ny fanjakan'Atra? dia nijery azy i jesoa ary hitany fa nilaza ny marina ilay olona ka tiany avy hatrany, dia novaliany hoe ilaozy izay rehetra anananao dia avy manaraka ahy..
Fitiavan'Atra dia gladiny be, mino aho fa zay rehetra manao ny tsara nahalala azy na tsy nahalala azy dia tiaviny daholo
19. kalina80 ( 15/09/2007 16:58)
Raha ny tantarako angamba dia mety hanampy hamaliana io fanontanianao io ry fijo.
Tsy tia namaky ny baiboly aho raha tsy vao haingana: 2 taona angamba izay.Tsy nanana fahazotoana ny hamaky mihitsy mantsy aho taloha nefa nino tanteraka ny fisian'Atra.

T@ fahakeliko mantsy dia betsaka nyzvt nitranga t@ fiainanay tena tsy takatry ny saina mihitsy.Toy ny fanasitranana t@ aretina, ny nahitana vola tampoka nefa tsy nisy mihitsy teo am-pelatanana sns..........
Izany zvt izany dia efa nahatsapako fa mis force tsy takatry ny saina manampy anay mianakavy ao.Tsy noteizana t@ fomba kristianina be otrin'ny ankizy gasy aho fa mino fa tsy pratiquant mantsy ny RARko.
zo atao hoe miracle ny zvt nitranga teo @ fiainanay ao jour le jour eh!!!!!!
Io no milaza fa tsy voatery namaky baiboly aho vao nahalala ny fisian'Atra.

Taty aoriana efa tonga saina dia nandinika ny manodidina, ireo finoana maro samy hafa mi-éxiste dia naka décision ny ho chrétienne satria tena rean'ny fanahiko fa tao ilay nanampy ahy h@izay.Ny tena nahatsapako ny fisiany dia rehefa mangataka ny fanatrehany aho rehefa mivavaka iny dia tsapako tanteraka fa eo Izy ary ny teniny izay efa manomboka nohalaliniko dia mitranga sy marina tokoa eo @ fiainako sy eo @ izao tontolo izao.
Ao @ kristianisme no misy ahy ary aho no hahatsapako ny fitiavan'Atra sy ny fahatsarany rehetra.Tsy fantatro ny any @ silamo na ny jiuf na ny sasany fa ny miaraka @ kristy no mahatsara ahy dia izay.

Atra dia fitiavana araka ny voalaza teo ka Izy irery ihany no mahafantatra izay ataony @ireo izay tsy nahalala.Ho anireo izay mahalala nefa minia tsy te hahafantatra dia efa fantatra izay hahazo anizy ireo @ andro farany.

fijo, mety te hino ve ianao fa mitady ny racine mihitsy vao hino? izany no mahatonga anao mametraka io fanontaniana io sa ahoana??????

Araka ny efa nolazaiko foana dia : "sambatra izay mino nefa tsy mahita".
Je parle en tant ke chrétienne et diciple de Jésus (Atra, Jesosy kristy ary ny Fanahy masina)





20. pissoa ( 15/09/2007 17:17)
Fijo:

hoanareo mpino "kristianina ,na silamo ,na jiosy na sekta ino akoa tsy haiko"
_moa ve tsy hafaka hanao sy ahalala ny marin aiaareo raha tsy nisy ny baiboly na coran na asa izay boky hafa any.

Tsy haiko ... hafahafa amiko koa le fanontaniana hoe "hanao sy hahalala" ! Ilay hoe hanao ny marina mantsy toa karazana moral izany, ilay hahalala ny marina kosa indray dia ohatra hoe marina ve fa misy i Jesoa ... Ka zavatra roa samihafa izany.

1 - Ilay hoe manao ny marina ! Ny azoko ambara fotsiny angamba dia hoe tsy mila baiboly izay vao afaka mitandro ny "moral" maha-olombelona sy maha-olombanona toy ny fitsinjovana ny aina sy ny fanajana ny hafa !

2 - Ilay hoe mahalala ny marina. Heveriko fa amin'ny lafim-piainana maro, raha te hahalala ny marina ny olona, dia mila manadihady zavatra maro. Raha resaka finoana dia ie, ilaina ny mamaky baiboly etc. Marihiko fa resaka fahalalana fotsiny mihitsy no resahiko fa tsy resaka finoana an. Rehefa hoe finoana indray dia zavatra hafa.

Fijo:
_mahalala isika rehetra fa tamin'i abrahama no nanomboka ny finoana andriamanitra tokana.efa aman etsiny anefa ny olombelona maty talohan'io finoana andriamanitra tokana io.
ka ireo izay maty talohan'io ve,raha misy tokoa ny fitsarana araka ny finoanareo;atao ahoana izy ireo????sokajiana ho mpino sa avy dia afobe araka le finoana ihany??????aza hadino fa ireo olon ataloha ireo dia nino fa samy manana ny andriamaniny ny zavatra rehetra.
ary andriamanitra io ve hitsara ny mpino kristianin aihany sa mba hitsara ny indo sy ny silamo koa izy.

Eto dia samy manana ny marina-ny indray. Na inona holazainay na inona, rehefa ozizy i Fijo hoe tsisy izy donc tsy hitsara dia tsisy azonay ambara. Eo koa angamba dia tsy ny Baiboly intsony no afaka hiteny ny marina ka hampahalala an'i Fijo na izaho fa ... any isika mahita izy :wink::-D:-D:-D

Ny hevitro fotsiny mikasika ny fitsarana dia mitsara antsika araka izay mikasika antsika rehetra Andriamanitra. Araka ny fahalalana na ny tsy fahalalana, ny finiavana na ny fidongiana, araka ny hita sy ny tsy hita etc.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4248