fanontanian a2 hoan'n mpin orehetra.

21. ikaretsaka ( 15/09/2007 18:12)
1 - Ilay hoe manao ny marina ! Ny azoko ambara fotsiny angamba dia hoe tsy mila baiboly izay vao afaka mitandro ny "moral" maha-olombelona sy maha-olombanona toy ny fitsinjovana ny aina sy ny fanajana ny hafa !

2 - Ilay hoe mahalala ny marina. Heveriko fa amin'ny lafim-piainana maro, raha te hahalala ny marina ny olona, dia mila manadihady zavatra maro. Raha resaka finoana dia ie, ilaina ny mamaky baiboly etc. Marihiko fa resaka fahalalana fotsiny mihitsy no resahiko fa tsy resaka finoana an. Rehefa hoe finoana indray dia zavatra hafa.

:wink:
22. tofic ( 17/09/2007 08:41)
-aminay dia tsy nanomboka teo amin'ny Abraham izany ny finoana an'Andriamnitra tokana,fa talohany,jereo fa Adam dia efa nampianatra ny zanany hanompo an'A/tra ary voalaza fa nanao sorona izy roa ireo ho ana'A/TRA araka ny voalazan'ny Coran,mino aho fa ny Baiboly koa milaza an'izany,
-ny mpaminany Nooh(Noe) koa dia efa nitory ny fisian'Andriamnitra io,fa kosa hoe tamin'i Abraham :rain'ny mpino rehetra izy satria izy no rain'i Jakoba(YaQOUB) izay razamben'ireo jiosy,ary Ismael,izay razamben'ireo arabo, ary A/TRA dia samy nanome promesse mikasika azy roa ireo fa samy hataony firenena lehibe!
-ka isaky ny fotoana dia nisy foana ireo mpaminany ,ary ny fitsaran'A/TRA dia mahakasika sy mahafaoka ny olombelona rehetra tsy ankanavaka fa tsy hoe kristianina na silamo fotsiny,ny rehetra no hotsaraina,na tamin'ny fotoanan'ny Davida izany na t@ fotoanan'ELIA SNS...
-ary Andriamnitra dia mitsara azy ireo araka ny zava-nisy sy mpaminany nisy t@ andro niainany,sy ny fampianarana azony ,satria ny fampianarana nentin'ireo mpaminany dia mifameno ,ary tahaka koa ny anomezan'A/TRA ny olombelona ny anjara-masoandrony no itsarany azy ireo ,zany hoe tsy olana Aminy Izy Tompo ny fitsarana azy ireo
23. tywa68 ( 18/09/2007 05:14)
Fijo : ka izay fahalalàna manao ny tsara na tsy mpino izay dia efa porofo fa misy Andriamanitra, satria nomeny an'izay fahasoavana izay ianao, ahafahanao miaina sy manantanteraka ny andrasany aminao : manantona azy, satria zanany. Na finoana inona io na t@ oviana, dia samy andrasany dhl, ary omeny fotoana hanaovana izany asa voatondro izany, mandra-piveriny.
24. fijo ( 18/09/2007 21:40)
hitsio kely aho ry zalahy,fa tsy abraham ve no talohan'i noe sy ry moise????
tywa,ka na tsy mahalala an'andriamanitra aza dia efa hafaka mahalala ny soa ka.tsy mil ahomeny izany akory
25. inhbrab ( 19/09/2007 07:10)
fijo:

hoanareo mpino "kristianina ,na silamo ,na jiosy na sekta ino akoa tsy haiko"
_moa ve tsy hafaka hanao sy ahalala ny marin aiaareo raha tsy nisy ny baiboly na coran na asa izay boky hafa any.

Andriamanitra no fahamarinana, raha misy Andriamanitra hahalala ny marina foana isika, tadidio fa i Kristy dia niteny hoe hain'Andriamanitra ny mampiteny ny vato. Zany hoe Izy afaka hampahalala ny marina amin'ny fomba maro.

fijo:

_mahalala isika rehetra fa tamin'i abrahama no
nanomboka ny finoana andriamanitra tokana.

i Adama de efa nino sy nahafantatra fa tokana Andriamanitra ary efa nanao fanompoana. Jereo ry Kaina sy Abela fa efa mahalala manolotra fanatitra ho an'Andriamanitra !!!!

fijo:

efa aman etsiny anefa ny olombelona maty talohan'io finoana andriamanitra tokana io.
ka ireo izay maty talohan'io ve,raha misy tokoa ny fitsarana araka ny finoanareo;atao ahoana izy ireo????sokajiana ho mpino sa avy dia afobe araka le finoana ihany??????aza hadino fa ireo olon ataloha ireo dia nino fa samy manana ny andriamaniny ny zavatra rehetra.
ary andriamanitra io ve hitsara ny mpino kristianin aihany sa mba hitsara ny indo sy ny silamo koa izy.

ry Andriamanitra Ray ô, raha azonay fantarina ny mikasika ireo olona ireo de ambarao^:^


26. fijo ( 19/09/2007 20:32)
tsy hisy hamaly eo ise satria zavatra tsy misy no hiresahan'ise.

adama sy eva.mino ve nareo fa tena ireo no olombelona valohany teto an tany????
27. prime ( 20/09/2007 12:10)
fijo> Noa r'ise no talohan'i Abrahama dia Abrahama talohan'i Mosesy a...

I Noa raha tena ara-tsoratra masina no raiben'ny olombelona taorian'ny safodrano satria avy tamin'ny taranany no nizohian'ny taranaka rehetra taty aoriana... Adama sy Eva no olombelona voalohany noforonin'Andriamanitra...
28. fijo ( 20/09/2007 21:54)
somary efa adinoko le chrono fa misaotra.

le resaka hoe adama sy eva no voalohany teto,olana io,satria tsy marina,raha fotsy ireo,naninona no nisy mainty ,raha mainty ireo avy aiza ny fotsy

ary raha hoe efa nino andriamanitra tokana ny olona hatr'izay,tsy nisy le fitenenana hoe "dieu d' abraham"
29. tywa68 ( 21/09/2007 05:19)
fijo : io fahalalàna ny tsara sy ny ratsy io dia avy @ Atra ary manana an'io dhl fa eo @ fampiarana azy @ fiainana andavanandro no samihafa hoe inona tsara moa no tanjona ? mikasa ny hahazo fiainana mandrakizay, sa tapitra eto an-tany satria tsy niezaka akory ? (misy aza hiteny hoe tonga d any @ afobe !:-D)
30. fijo ( 21/09/2007 21:35)
aleo ary aho avy dia hoany fa efa hiditra izao ny hatsiaka ko,fa aza miy mitad hafanana any raha mangitsy an
31. tywa68 ( 22/09/2007 08:17)
tss :lol:
32. naughtyboy ( 23/09/2007 11:25)
:-Dtonga de may otrany arendrina any fijo tsy fangalana hafanana zany ny afo any fa mandoro..
(vazivazy ) ny fanotan'i fijo matetika eto de tsisy hafa @ oe aiza daoly ny porofo maripototra sy mivaingana @ reo mikasika an'Andriamanitra sy ny fanjakany,hajaiko tanteraka
tsikaritro fa misy finiavana te hianatra ny spirituality nao manokana ao aminao ary itadiavanao valiny reo fanotaniana tsy mazavazava rehetra,mino aho fa ilay namorona izao rehetra efa mahalala ny valiny rehetra Izy no tsara anotaniana (tsy mahafaty antoka akory fa azo andramana maimaimpoana ato misy oul afaka hanoro ny atsipirihany @ reny ra liana fijo :)
33. prime ( 25/09/2007 11:13)
fijo> aza d atao vazivazy loatra r'ise izany fa loza anie izany fa tsy sangy e...:(
34. tywa68 ( 25/09/2007 16:50)
prime : io nosoratan'i naughtyboy io ny fanaon'i fijo (tia mamazivazy te hampiomehy e).:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2203