6 Taona lasa izay!

1. ikaretsaka ( 11/09/2007 11:38)
6 taona lasa izay, t@ izao lera izao no nidona teo amin'ny "South tower" WTC ny fiaramanidina voalohany!
Mahatsiaro ireo namoy ny Ainy, indrindra ireo tapaka sy namana tsy hita popoka fa lasa lavenona, ireo mpiara mianatra, ireo mpifanolo-bodirindrina, ary ny Korontana teny NYC t@ io andro io.

"Forgive, never forget"
2. lemenakely ( 11/09/2007 17:00)
6 taona lasa koa izay no tsy mbola nahitàna an'ingahy BEN LADEN ....MAHERY ALOHA IZY E ...
3. mandrindra ( 11/09/2007 17:19)
tsy i ben laden no mahery fa ny tandrefana mihitsy no tsy te hisambotra azy.
4. ikaretsaka ( 11/09/2007 17:27)
Mbola ho avy ny fotoana e
5. xxx ( 11/09/2007 17:31)
ssss.
fa ahona ary ty ben ladn ty
efa hita fa lainga atoandro le izy
de mba mijery le document mikasika iny raha iny
6. ikaretsaka ( 11/09/2007 19:19)
fa na lainga na tsy lainga na misy na tsy misy dia ny fantatra tsy azo lavina dia lasa lavenona ny bandy akama ko!:cry: nefa vo 6 taona miampy 1 andro talohan'io no nihaona tany ampianarana! tssss
7. dadie ( 11/09/2007 19:39)
marina ny anao ary tena tsy mety maty mihintsy io tantara io ,io tantara io sy ny nahafatesan'i Diana no tsapako fa tsy adinoko mihintsy am tantara izay iraisana am ol eto amizao tontolo izao:-/
8. tywa68 ( 12/09/2007 07:27)
zàho koa ry dadie d ohatran'i toi ! tena nampalahelo mihitsy aloha reo évenements 2 reo e ! :cry:

9. mandrindra ( 12/09/2007 11:31)
izaho indray aloha tsy dia hoe namahelo izany. ny sivily foana moa no voa rehefa zavatra ohatran'izao. ny ahy ary toa mifanohitra amin'izany mihitsy ny zavatra tsapako mitodika amindry bekintana manontany hoe , manahoana izany voa??
10. naughtyboy ( 12/09/2007 16:07)
za kosa alo malahelo reo tsy manantsiny na de tsy malahelo ny bekintana aza , avy any vancouver tonga tao seattle herinandro monja no niseho io 9/11/01 tena tsy adino toko na de fery ela ihany aza tsy mety amiko ny manenjindresy fa mirary reo oul namoy oultiany t@ iny fiononana atrany
11. ikaretsaka ( 12/09/2007 17:18)
izay mantsy, nareo moa tany @ firinjato Km fa ilay izy teo andrefan-tranonay de...
za tsy miraharaha izay politika any, toy ny any M/kara ihany, na ny vahoaka matimaty foana t@ io andro io no rarahiako,

"toy ny vahoaka mitsindroka zoridira any @ P Pedro ihany" fa tsy raharahako izay any ambony any ..
12. xxx ( 13/09/2007 10:18)
zany ve,
faahona marina izy ty ,
refa olona hainao le izy de maharary anao,
tsy mba azonao eritreritra hoe ny manjo an'ireo olona tsy manantsiny ao irak!!!!, ataoko angamba fa efa 2fois ny olona maty tany [11 sept] ny isan'ny olona maty ao irak,
misaotra anareo gasy tsy manavaka2 mahatsapa mangidy,
ary iny resaka 11 sept iny anie tsy de maripototra lotra ,[mbola mipetrakany fanotanina hatramin'izao hoe:I BEN LADEN MARINA VE NANAO INY SA!!!!]
ireo tsy miangatra no mamaly io fanotanina io.

13. naughtyboy ( 13/09/2007 16:07)
reny no santionany valisoa azontsika @ mpifehy ny tontolony politika,tsy mahafehy fahefana sy hery fa tsy maintsy mibodo sy mietraketraka ..na ny toerana anjakany na any @ hafa ampivoarany ny toekareny .Izy reny tompon'andraikitra voalohany @ zvniseho satria tsisy hafa ny voina nahazo reo any Irak sy any N.Y
14. xxx ( 13/09/2007 16:59)
nenareo kosa , tsika gasy manana lay fampaherezana sy finoana oe: "tombondàlana ny azy" , tsy reo ihany zany no tokony hampalahelo, fa reo maty rehetra, ndrindra fa reo manana adidy am zanany, reo mbola tokony hibebaka, fa any ankoatra any zao ry zareo mahita antsika ô?
15. ikaretsaka ( 14/09/2007 02:01)
ka izay mantsy. za tsy miraharaha ny politika fa ny olona matimaty foana sy mijalijaly no jerevako.
raha tokony ho velona nefa nohon'ny antona firehana no nahafaty azy dia izay no tsy mety, na polifika io na ara-pinoana

16. mandrindra ( 18/09/2007 10:24)
ikaretsaka, izay ilay nolazaiko ery ambony hoe ny sivily foana no traboina. fa io dia vokatry ny nataony io ara-politika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1515