fifadian-kanina, ramadan

1. diamondra27 ( 08/09/2007 07:23)
Misy afaka manazava bebe kokoa ve hoe:inona no tena antony ampiasaina an'io?
Ahoana ny fipetrany sy azo hanaovana azy?
merci^:^
novalian'i tywa68 ny 13/09/2007 10:35
2. diamondra27 ( 08/09/2007 07:27)
misy hono ny sasany manao ramadan de ny olona mpiara-miasa aminy koa tereny tsy hanatono hena fa mifindra toerana hanaovana izany.

Misy indray ny sasany hoe: manao ramadan nefa toa kizitina nefa we : fandinihin-tena le izy ???
3. mignone ( 08/09/2007 10:33)
misy manao ramadan ne fa mangalatra pdt ny ramadan ...
4. fahamarinana ( 08/09/2007 11:15)
diamondra27:

misy hono ny sasany manao ramadan de ny olona mpiara-miasa aminy koa tereny tsy hanatono hena fa mifindra toerana hanaovana izany.

Misy indray ny sasany hoe: manao ramadan nefa toa kizitina nefa we : fandinihin-tena le izy ???


:arrow:Kizitina fa noana kouh,hitandry ve lay vehivavy manao régime dia reraka be dia moindre contrariété dia kizitina be e, mazana io kah,mila finoana toy ny rehetra ihany e rehefa tena atao sy mandini-tena dia vita ihany fa matoa mangalatra na manao tsy mety pdt ny ramadan dia mbola tsy izy e.Mitaky fanoloran-tena be,fandavan-tena,etc...(l)
5. ikaretsaka ( 08/09/2007 13:21)
Maro tokoa ny tsy mahafantatra ny anton'io ka aleo azavaina
1)Ara baiboly sy ara-Q'ran aloha io

2) Ny tena tanjona dia ny fahafehezan-tena, sy ny famoizantena, rehefa misy cas tianao hiadiana mafy (ohatranao manao greve de la faim ihany io, tsy ny mahanoana ho tanjona, fa ny hevitra ambadik'ilay izy)

Misy ny Kizitina @ ramadan? iny tsy haiko satria tsy nohalaliniko be ny finoany
fa inoako fa misy tokoa le sasany manao toetran'ny Mpiantsaravelatsihy. satria mety tsy voasoratra ao amin'ny Q'ran izany ilay lazain'i Jesoa hoe: "rehefa mifady hanina ianareo dia izao atao fa aza manjombon'endrika sns... (jereo ao @ Lioka ao)"

hatreo ihany aloha..
6. diamondra27 ( 08/09/2007 17:00)
fahamarinana, ika: marina aloha fa refa noana indraindray de lasa kizitina e!

rehefa mifady hanina de inona ny fadiana eo @ Xna, toy ny silamo de mahazo mihinana ry zareo refa dila ny masoandro
ny an'ny Xna ny fahalalako azy aloha de misy we: mifady hanina une journée selon ilay vavaka atao
7. menalamba ( 08/09/2007 20:13)
Ny tsy manan-kohanina aza efa tsy fidiny ko hifady @ ahoana ?hé hé..soa ihany aho fa tsy silamo:^):^)Tsy manan-kambara re aho ny marina fa satria tsy silamo é:-D:-D
8. diamondra27 ( 08/09/2007 22:26)
menalamba: tsy silamo ihany no manao an'io fa ny Xna koa ka
9. fahamarinana ( 09/09/2007 08:16)
diamondra27:

menalamba: tsy silamo ihany no manao an'io fa ny Xna koa ka

:arrow:oui,tena confirmer-ko,tsy silamo ihany fa na xna koa aza rehefa misy zavatra tena angatahana mafy iny!(l)

10. ikaretsaka ( 09/09/2007 11:46)
ny Hindou sasany koa manao...
11. diamondra27 ( 09/09/2007 13:21)
eny e! fa indraindr ange de ny mpitarika no miteny we : hanao fifadiankanina isika e
de misy koa le fiangonana hafa efa lasa rituel le izy de oh we isaky ny jeudi tsy misakafo fa miara-mivavaka
12. soanja ( 11/09/2007 04:29)
Diams ity misy tantara nosoratako momban'i Ramadan/karemy sao mahaliana andry. Tam mbola kely io an. Bizo be njy.

Pejy 25 - Malilo zahay Zagnahary!

Araka ny fomba fitadidiako ny fahakeliko dia betsaka ny zavatra somary hoe nasesika tao an-tsaiko ka izao lehibe izao aho vao tena mandinika azy hoe nilaina daholo ve izany sa tsia: anisan'izany ny fampatsiahivana fa manota lalandava isika olombelona ary mila mifona amin'Andriamanitra ary midera ny fitiavana lehibe omeny.

Source: http://www.flickr.com/photos/colloidfarl/64778614/in/set-1373907/
Tamin'ny fotoana nipetrahako tao amin-dry Sitiny dia ny Ramadany no nanehoako an'izany na dia tsy dia azoko tsara aza ny antony ampiasaiko azy amin'ny ara- panahy satria tsy nisy ilay fivavahana eo ampanaovana azy, moa izaho koa mbola kely dia mety tsy mahita ny fanaondry zareo na dia misy fivavahana ataony aza any ho any.

Mazava moa izany fa misy ifandraisana amin'ny Silamo ny finoany saingy ry zareo tsy mba nandeha tany amin'i Mosquee. Matetika dia ampifangaroako ny hoe fomban-drazana ve ny tsy finanana hena-kisoa sy Amalona ary atody akoho sa amin'ny maha silamo azy. Ny marina dia tena mandray roa ry zareo satria sady mino ny tromba izy no koa manaraka ny fomban'i Silamo.

Ny tena tsaroako tamin'izany mahaSilamo izany dia ny "mifehy" amin'ny fotoanan'i Ramadany.
Rehefa feno 14 taona eo ny olona Silamo iray raha tsy diso aho dia afaka mifehy tsy mihinan-kanina na mifady hanina mandritra ny tontolo andro. 26 ka hatramin'ny 30 andro eo no tanjona kanefa afaka manao izay vita ny olona iray miankina amin'ny fahafahana sy ny finoany. Izahay moa izany zaza mbola 10 taona mahery dia afaka manao na 1 ka hatramin'ny 5 andro dia efa tsara ao anatin'io fe-potoana io. Tsy voatery nifehy akory aho fa saingy mba te hanao hanampy an'i Sitiny aho dia mba nazoto koa. Faly be i Baba sy Niny vao naheno hoe hifehy koa aho. Tamin'ny 11:30 alina alohan'ny hifehezana dia nofohazina izahay, dia nihinana izay lany tamin'ny sakafo izany vita tao, sakafo nokarakarain'i Niny sy ny zokin'i Sitiny vavy rehetra. Misy fiteny Arabo ilazana an'io fa tsy tadidiko intsony. Mila misotro rano tsara. Ny tena fanaonay azy moa izany dia ny asabotsy mifoha alahady. Tsy voatery mifoha maraina ianao ary tsy voatery manao n'inona n'inona fa dia matory mandrapa-harivan'ny andro. Ny ahy moa izany dia tsy maintsy mifoha ihany aho satria mila mandeha miangona. Nahatsapa kosa aho tamin'izany fa na dia mbola kely aza dia afaka nivavaka tsara any ampiangonana rehefa foana ny vavony. Elabe ny fandehan'ny fotoana rehefa eo akaikin'ny amin'ny 3 tolakandro eo ka izay sakafo jerena dia te hoarapaka daholo. Ny tena olana tamiko dia mila nanampy tamin'ny fikarakarana ny sakafo amin'ny 6 hariva milentika masoandro izahay ka eo ampanamboarana azy eo dia tena milendalenda tokoa. Hoy aho anankampo hoe "Aleo ihany tsy mihinana hena toy ny an'ny Katolika fa sady mba Zoma fotsiny, ity sady eo ambany maso ny sakafo no tsy afaka kitihina na misotro rano aza." Amin'ny 4:30 afaka misasa tarehy sy misotro rano. Vao tonga ny amin'ny 5:30 hariva dia afaka mihinana kelikely izahay ankizy. Amin'ny 6 hariva no sakafo be. Ireto avy ny sakafo tadidiko nohanina tamin'izany: Vary Jaune (vary mifangaro curry sy coco), vermicelle amin'ny tantely na caramel, Obs (mofo ohatra ny tapon-tsatroka amboarina menaka semoule) na naan ny karana io, Mokary godrogodro, bengy na ondry natsatsika, sambosa, crevette a la sauce tomate sns. Voky mila tsy ho afa mamindra vao afaka eo. Dia fohazina indray ny amin'ny alina izay hifehy ny ampitso dia tahak'izay hatrany. Rehafa akaiky ny fotoana ahatongavan'ilay Idy. Misy karazany roa ny Idy: ide be sy Ide kely fa ilay Idy be no tena fety be dia somary mivoaka ao alatrano izany ny olona rehetra, mijery ny filetikin'ny masoandro ary ny fipetrahan'ny volana eny amin'ny lanitra. Izaho moa tsy maharaka izay antony sy inona no zavamisy dia mba mijery ambony fotsiny dia miala rehefa avy eo. Tadidiko fotsiny hoe vao miantomboka io fijerena lanitra io dia miantomboka ny mifehy ary rehefa mijery an'io koa dia hifarana ny mifehy ary tsy ho ela ny Ide be. Fety anisan'ny tena nalaza indrindra tamin'ny fotoana nipetrahako tany amin-dry Sitiny io Idy Moubaraka io ka tsy hadinoko satria rehefa tonga io andro lehibe io dia mahazo akanjo vaovao izahay ankizy ary misy lehilahy be dia be silamo tonga manao diabe tonga ao an-trano, aroso sakafo isan-karazany ireo olona ireo, mivavaka miaraka eo izy rehetra dia rehefa afapo dia lasa mifindra trano hafa indray.

Source: http://www.flickr.com/photos/colloidfarl/64778614/in/set-1373907/
Ny an'i Katolika indray dia rehefa niverina nipetraka tany amin-dry mamanay indray aho dia faly ery nony feno 11 taona fa afaka handeha hanao lalan'ny hazo fijaliana any "La montagne". Fotoana hanomboan'ny Karemy na ifaranany tsy tadidiko fa indray alahady ao anatin'ny taona iray no andehanana any ka eo amin'ny lalana 12 km miala ny Diego mankany Plage Ramena ny misy azy. Montagne des Francais no fiantsoana ilay toerana ka amin'io tendrombohitra io no misy ny fijanonana Voalohany ka hatramin'ny faha 12 angamba izy iny toa tsy tadidiko intsony, fa eny antampon-tendrombohitra vao vita ny fitetezana stations. Manelanelana eo amin'ny 1km eo isaky ny fijanonana ary misy miampita rano na mianika fiakarana sns vao tonga eny antampony.

Lamesa be ny hiafarany ary tokony hatsapa aho fa anisan'ny namantsika an'i Zezo teny ambony hazofijaliana ka mila mahatsapa maharary sy manenina tokoa.
Tsy izay anefa no tena tsapako tamin'izany fa fientanentana ny fifohazana amin'ny 2 maraina mikarakara ny sakafo ho entina any, vao vita io dia lasa miaraka amin'ny ankizy namana eo antanana.. Tamin'izaho vao 11 taona satriko hoe hiaraka amin'ny Ray Aman-dreniko ho any fa nony lehibebe feno 15 taona dia tena tiako hoe izahay ankizy ihany no ho any satria malalaka tsara ny fivezivezena miaka midina amin'ilay tendrombohitra sady tsy voatery hivavaka fa hijerijery ankizy namana. Ny lalana mankany moa izany dia arabe vita godirao ary manaraka ny sisin-dranomasina no sady mitazana ny Nosy Lonjo mandrapahatonga any.

Dia tongotra eo amin'ny adiny 4 eo izany ary vitsy ny nandeha fiara mankany fa isan'ny fampijaliana tena daholo izany. Na dia nampazoto ny ankizy ho any aza ny ahafahana mampiaraka any dia izaho kosa mbola mba tsy nampiaraka tamin'izany fa dia nijery fotsiny hoe iza no sipan'iza sns. Rehefa vita ny fivavahana eny ambony eny amin'ny 1:30 tolakandro dia maika ny olona hamonjy picnic sy hipetrapetraka eny ambany lamonty sy hazo hafa feno any. Ny ranomasina moa any tsy tsara ilomanosana dia aleon'ny ankizy mankany anaty ala miafinafina eny ambony tendrombohitra eny. Misy an'izay La grotte izay any. Satriko mihitsy ny mba hijery an'izany tamin'ny fahakely satria feno fanihy hono ilay toerana sady mampatahotra fa mety misy lolo. Nony efa lehibe 14 taona anefa aho dia tonga tany tokoa saingy tsy nanaitra ahy loatra ny zavatra hitako fa toa ankizy nampiaraka daholo no be tany. Tamin'izay aho vao nahatsapa fa tsy hivavaka no tena antondian'ankizy any ny ankamaroany fa hilalao sns, hitako tany daholo na ankizy Protestanta, Silamo na tsy mivavaka rehetra io.

Soa fa nisy ny herinandro masina tany ampiangonana nanome ahy ilay tena fahatsapana fa nijaly sy maty ho ahy tokoa i Kristy ka hitsangana amin'ny maty indray amin'ny Paka.
13. majesty ( 11/09/2007 05:12)
diams:ny ramadan eo amin'ny silamo dia karazana fotoam-pivavahana manokana,fanao isan-taona,ary amin'ny maha-fotoam-pivavahana azy izay dia maro no tsy te hanao nefa voatery donc betsaka no lasa kizitina lol.Fa ny an'ny Kristiana indray tsy dia misy daty voafetra fa rehefa misy ady mafy ilaina fitolomana am-bavaka iny dia efa raikitra:D
14. diamondra27 ( 11/09/2007 05:27)
soanja, majesty: misaotra be de be erampo nanazava
^:^^:^
15. Rasiligaoma ( 11/09/2007 05:36)
majesty> misy ihany ka..:-D
16. fijo ( 11/09/2007 22:48)
le mampalahlo anie dia efa fomba sisa io fanarahana ramadan sy karmy io ny ankamaroany e
17. soanja ( 12/09/2007 00:57)
Tsy misy fisaorana Diamondra!
18. tywa68 ( 12/09/2007 05:04)
misaotra an'i Soanja nizara ny tantarany :-*
19. soanja ( 12/09/2007 15:49)
tywa68:

misaotra an'i Soanja nizara ny tantarany :-*


tywa68>:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*


20. fijo ( 12/09/2007 20:33)
melsy melsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1135