zavatra hafahafa

1. sakaizakely ( 06/09/2007 15:13)
iza nareo no efa mba nahita na niaina zavatra hafahafa ? Toy ny angatra, fanahy ratsy, vokatra, xtra terrestre na ovni, ny nilatsahin'ny fanahy masina na varatra (na mahay milalao varatra), ny efa nanao nofy fambara, manana fahaizana hahafantatra ny ho avy na ny lasa, mahay manasitrana @ fametrahantanana sns...

Isika malagasy dia mitonona ho votompinoana daholo ny ankabeazany. Kanefa betsaka no milaza ho vavolombelona nitranganjavatra ary any amintsika dia be toerana fady.

Misy ifandraisany @ finoana ve ny fitranganjavatra toy ireny ?
novalian'i mbaliana ny 14/09/2007 07:20
2. tsaramaso ( 06/09/2007 15:20)
http://www.google.com
3. ravakamalala ( 06/09/2007 15:20)
ny ahy ny zavatra efa hitako matetika dia misy zavatra iray nofisiko, dia tanteraka ilay izy avy eo, efa ela aty aoriana fa tadidiko ihany hoe efa nanofy an izao zavatra izao aho, ilay izy tena trangan - javatra lavalava ary misy olona maromaro fa tsy hoe zavatra tokana akory, ary tena mitovy amin ilay nonofisiko mihitsy!


4. sakaizakely ( 06/09/2007 15:33)
aleo zany atomboko ny dinika

vao 4 taona angamba izaho tam zay, dia tsy nalefa nianatra fa nanavy. Trano be misy rihana izay ny tranonay. Izaho sy Neninay irery no tao antrano, izy manao sakafo any ambany, izaho taty ambony natory. Sendra nitsangana kely ho any @ wc za de nandalo teo @ lavarangana. Misy tohatra avy any ivelany io lavarangana io. Dia nahita lhl manao komplé volontany sy milanja tehina @ sandriny, manao satroka volontany. Mikambana eo @ tratrany ny tanany 2, toa mivavaka izany. Mihorirana izy dia tsy nahita ahy, fa izaho mahita azy tsara. Dia lasa aho nankeo ambavatohatra tao antrano (intérieur) niantso an'i Neninay hoe misy vahiny Neny a ! Iza ouz ? Tsy fantako hoy aho, fa lhl manao ankanjo maintimainty io. dia niakatra ny tohatra izy. Niaranankeo andavarangana izahay mianaka, tsy hita ilay olona. Notadiavina eraky ny tokotany, nojerena ny manodidina tsy nahitana tamingan'olona iray akory. Neny koa moa sarotahotra rahateo dia nanomboka nitsangambolo. Tsy tapitapitr'izay, dia iny ny fiaran'i Dada nefa mbola tsy lera fodiany. Azon'i Neny antsaina avy hatrany fa misy zavatra tsy toy ny andavanandro. Zara Dada raha nahateny fa vao avy nahazo téléphone izy fa nodimandry ny rahalahiny. Notantarain'i Neny azy ny zavatra hitako.
Mazava ho azy moa fa namonjy ny fiandrasana tany antoerana i Dada. Nony nody izy 2 andro avy eo dia hoy izy hoe tena arakarakiny nahitan'i kala pitsana azy no nampiangantsoana ny razana. Ary ny tehiny dia nahantona t@ sandriny fa tsy napetraka fotsiny teo akaikiny.

Marihiko fa tsy mbola nahita razana aho t@ zany taonako izany. Vitsiana koa ny nahitako io dadatoako io ary tsy tsy mbola nahita azy nikomplé sy nitehina aho.

Mbola zendana foana aho hatramin'izao rehefa mahatsiaro an'io tantara iray io:^):^):^)
5. fasaly ( 06/09/2007 15:36)
sakaizakely:

iza nareo no efa mba nahita na niaina zavatra hafahafa ? Toy ny angatra, fanahy ratsy, vokatra, xtra terrestre na ovni, ny nilatsahin'ny fanahy masina na varatra (na mahay milalao varatra), ny efa nanao nofy fambara, manana fahaizana hahafantatra ny ho avy na ny lasa, mahay manasitrana @ fametrahantanana sns...

Isika malagasy dia mitonona ho votompinoana daholo ny ankabeazany. Kanefa betsaka no milaza ho vavolombelona nitranganjavatra ary any amintsika dia be toerana fady.

Misy ifandraisany @ finoana ve ny fitranganjavatra toy ireny ?



izaho aky efa tratra ary mbola baraingo be mitsy hatramzao ah!

raha nipetrakatam trano voalohany nipetrahako taty am misy ahy aho taloha efa elabe dia refa matory amin'ny alinay dia misy otran'ny zavatra manindry be ahy izany manarona ny vatako, miatomboka any am tanana de manindry manarona ny vatoka rehetra amin'izany....
zà mahatsiaro tena anefa an! dia na mikika aza tsy vita fa tsy mahavoaka feo....de rehefa hatory dia mitaitaina indray hoe hisy zvtr hanindry ahy ndray zao anio ka tsy hatory....8-)
fa rehefa niova trano dia tsy niverina tsony anefa izany:?
gaga foana aho hatramzao hoe inona aza ilay zvtr niseho tamreny:?

6. Rasiligaoma ( 06/09/2007 15:57)
ny ahy:
Nandeha moto @ iny route d'Andranomafana iny (vohiparara) manao Fianarantsoa- Ifanadina (SN tany Ifanadina aho t@ izany) , Nila niakatra alina tany Fianar aho, alina ny andro t@ izay, tampoka teo nahita endrika vehivavy lehibe miakanjo fotsy be aho (ohatran'ireny mpiandry ireny) ny andro amin'io @ 11 sasany alina,
Iny lalana iny moa malaza ho be matoatoa izay, ka tsy norarahiako fa lasa ihany aho! no sady nivavaka!
Vita ihany ny natao tany Fianar na somary natahotra ary!

Nony niverina aho dia tsy nandry ny saiko ka nony tonga teo dia nijanona mihitsy aho dia nojereko ny teo @ ilay toerana sy ny manodidina azy. Akory ny hagagako fa tao anaty ala tao nisy fatin'olona efa decompose tsy hay fantatra intsony ny endriny ary efa rotidrotika be ny akanjony (akanjo fotsy), dia nantsoiko ny zandary sy ny fokonolona teo amin'ny manodidina teo!

raha ny tombatombana nataon-dreo dia efa faty efa ho 1 volana io no efa tao, (izaho anefa niala alakamisy t@ izay dia niverina Talata)
ary lazain'ny olona fa Ramatoa mpamosavy tao @ tanana hono ilay faty! ary tsy hita efa ho 2 volana io ramatoa io!

nofonosin'ny Zandary gony moa ilay izy avy eo dia naleviny tao antsimon-tanana teo atsimotsimon'ny tobiny teo!

namonjy Fianarantsoa indray aho taorian'io dia teo @ io toerana io ihany, no nahitako ody sy tapakazo bedebe, marihiko fa tsy nisy ireo t@ ny fokonolona sy ny zandary nanao enquette teo!

Nony elabe taty aoriana dia nanao fanahy iniana niverina tany aho, fa tsy misy n'inoninona intsony teo @ ilay toerana, ary goavin-tsinahy no maniry eo @ izao!
7. fasaly ( 06/09/2007 16:13)
gay gay gay gay, kovitra aho raha izaho tam place nao ry rasili.....fa manomboka me tiko ity dinika ity fa tiko ny zvtr horera .....8-)
8. Rasiligaoma ( 06/09/2007 16:25)
rehefa hiainana ny zavatra horera no tena milay!
sady eo no ahitana hoe aiza ny finoanao, ahoana ny fihetsikao, lasan-ko vavany fotsiny ve?
9. fasaly ( 06/09/2007 16:30)
rasili: ka izaho mbol tsy tojo loatra fa mba tena tiko hoe tojo mihintsy an'io aho ahitako hoe tena misy ve izany resaka horera izany...
fa ilay ahy io aloha efa karazany ihany fa saingy tsy azo porofoina e!
izaho nanao hoe nisy matotoa ilay trano de manindry am alina....:?:{
10. mikavao ( 06/09/2007 16:57)

Pastora namako, tsy hotononiko anarana, no nijoro vavolombelona fa fony izy nianatra teolojia tany amin'ny Seminera Pastoraly iray (tsy hotononiko eto koa e!:wink::wink:) no niharan-javatra.
Faly sady serintseriny ery reto mpianatra pastora tranainy nampandroso azy sy nanoro ny toerana hisy azy tamin'ny fahatongavany!:°):°).
Teo amin'ilay fandriana naroso azy anefa no hitranga ny tantara fa tsy nomena fahatany ilay izy fa hay efa misy zavatra hain-dry zalahy fa hitranga eo!:}:-D:}:-D!
Inona tokoa! Iny variana nanao la sieste iny tsara le namako, nandrinandry teo ambonin'ilay fandriana no nanonofy nahita fiara miditra ny Seminery, dia misy tovovavy mivoaka avy tao 8O:D8O
Taitra tampoka ranamana dia niherikerika fa tsy nahita, ary nanontany iretsy mpianatra namany fa nodian-dry zalahy fanina fotsiny e sady nampiesoniny hoe, reradreraka ianao fa tsisy nininnn eo!
Hoy ianao??:°):°)! Hay moa rahalina vao tena hisy film eo!! :°)8-):°).
23:30 tany ho any, efa tena tafatory tsara le namako no :twisted::twisted::°) njay fa nisy nikitikitika ny faladiany, ny lohaliny ary ny tena loza dia nivantana avy hatrany tany amin'ny "CNAPS" le tanana mangatsiaka be nikitikitika sy nitazotanona (CNAPS?? sexe re e ):wink::wink:

Angano angano, arira arira hoe ?:?:wink:. Tsy mandainga ny pastora namako ka!;-):^).

Taty aoriana, rehefa natao ny fanadihadiana dia hay moa ka teo amin'ny hitsin'ilay fandriana natorian'io namako io mihitsy hono ny misy ny "fasan'izany tovovavy namono tena noho ny fitiavana izany, efa ho 10 taona talohan'ny nanorenana ny efitrano fatorian'ny mpianatra pastora, ka izay "nouveau venu" dia fanahy inian-dry zalahy ampatoriana eo hahitana izay hitranga indray!! Ka tena "kitikitihan-drakala mihitsy, sans exception... :°):°).
Nony niditra an-tsehatra anefa ny mpiandry sy ny asan'ny fifohazana dia tsy niverina intsony rakalakely fa azo atoriana tsara amin'izay eo amin'ilay fandriana e:!:wink::D:^).

p.s: lasa professeur ao @ io Seminery Pastoraly io ange le pastora namako amin'izao fotoana izao e!!:D:lol::lol::D
11. xxx ( 06/09/2007 17:03)
extraterrestre http://www.dailymotion.com/relevance/search/ufo/video/xftvp_ufo-sighting-at-wtc-japanese-tv_news
12. fasaly ( 06/09/2007 17:04)
kay kay kay kay tiko hita be izany zistoire izany:-P
13. menalamba ( 06/09/2007 18:04)
Ririnina be nangatsiaka ny andro t@ izay ,sady diavolana mazava ,dia niandry taxi-be hody ny hariva izaho sy ny namako telo lahy ,fa avy nanao fanazaran-tena tany Tana.Tara anefa izahay ka tsy nisy fiara intsony ,dia nanapa-kevitra ny handeha an-tongotra,izaho tsy dia nazoto fa efa trotraka anefa tsy nanam-pidiny dia nandeha ihany.Sahabo ho lalana 1h30 no haleha vao tonga any @nay.Rehefa nandeha sahabo ho iray ora izahay dia nisy zazavavy iray teo alohanay mandeha irery ,izahay moa somary nandeha mafy fa may ny hijery baolina t@ tele fa \"coupe du monde\" t@ izany,dia rehefa tonga nifanitsy t@ ilay zazavavy izahay dia nanomboka nanadala ilay antsoina hoe Faralahy!Dia nitsiky rakalakely mody saro-kenatra aloha fa niresaka bé rehefa nandeha kelikely,dia nanontanianay izy hoe aiza no mipetraka dia nolazainy anay,dia samy tsisy tonga saina fa samy nidedadedaka fa misy sipa ka!Tonga teo @ ilay sampanana manasaraka ny any aminay sy rakalakely @ izay dia nanao veloma aho fa hody aho ho aho fa reraka sady hijery baolina ,dia nanapa-kevitra koa ilay atao hoe Ialy hanaraka ahy,dia izy roalahy izany no nirotsaka hanatitra an-drazazavavy,Ilay atao hoe Doné sy Faralahy izany.Teo apanolorana tanana @ ilayy kalakely aho dia toa nitsangam-bolo bé tampoka izany tsy haiko hoe nahoana,ny andro moa ririnina dia noheveriko hoe mangatsiaka aho,lasa sahabo ho valo minitra izahay roalahy dia ity ilay atao hoe Doné niazakazaka nanaraka anay,dia hoy aho hoe fa ahoana? An ! an,hoy izy aleoko nanaraka anareo hijery baolina sady izaho ve ho tian\'iny sipa iny fa aleo ho @ lery é!Dangy ny hehy izahay fa somary lava-nify bé manko Ra-Doné!Tonga tao aminay dia niara nijery baolina teo izahay telo lahy,ka afaha adiny iray latsaka teo dia injao nisy nidobodoboka mafy tao am-baravarana nandona dia novoaiko,hay ny renin\'ilay Faralahy!Avia faingana ianareo telo lahy hoy izy fa marary mafy nedala fa taiza ianareo?NIvandravandra teo fotsiny tsy nahateny izanhay!Dia lasa nankany @ ndry zareo,nedala efa ao an-gaboné mivalana tsy mijanona no novantaninay!Dia rehefa nivoaka tao nedala lahy dia nitantara fa nanjavona tampoka ilay sipa rehefa tonga teo @ ilay toerana nolazainy fa tranony!Teo izahay vao samy tonga saina fa hay tokoa tsy misy tanana moa teo @ ilay natorony anay fa fasana daholo sy ala kely!Nirifatra hoatry ny tsy nandia tany izy ary in-telo nitsinkasina vao tonga tany an-tranony.Nanavy niboretaka tao am-pandriana nandritry ny telo andro iléry vao sitrana,fa ny nahazendana ahy dia tena tanan\'olona no noraisiko anefa t@ ilay nanao veloma ilay zazavavy!Iray volana maninjitra tao aorian\'izay aho tena lasa mody aloha foana ao an-trano fa koditra raha vao manomboka maizimaizina ny andro ....8-)8-):-/
14. mbaliana ( 06/09/2007 19:34)
za koa efa nisy nitantara ohatrohatr'io ...vhv tsara tarehy sady mihaingo be nanao autostop dia raikitra ny raikitra fa tonga ny maraina teny ambony ny fasana le lhl no taitra nifoha...:?::?::?:
15. fasaly ( 06/09/2007 19:39)
mbaliana: ka raha tantara sy honohono zany aho tsy mino aloha fa ny efa niaina tam lay izy no tena ok! ohatra izaho miitsy no niaina tam trangan-javatra vao mino aho:°)
16. mbaliana ( 06/09/2007 19:48)
fasaly> tena tsy haiko na hihino na tsia.. i menalamba miteny fa izy no nahita... le io teneniko io ndray zokin'ny ankizy niara-nianatra tamiko...
17. Rasiligaoma ( 06/09/2007 21:25)
io raha io dia izay niaina azy ihany no mety mino azy
18. majesty ( 07/09/2007 04:47)
Nisy fotoana aho niasa teo @ immeuble cnaps vaovao le eo 67ha io,tokony tamin'ny 1999 teo,marihina tamin'izay fotoana izay fa tany @5é sy 6é ary 7é étage tsy mbola nisy mpanofa fa birao vide fotsiny ny any,fa ny toerana niasanay dia aty amin'ny rez de chaussé,ary ny cnaps sy ny sodiat petro no miasa any @ 1é ka hatramin'ny 4é étage.Nisy korana kely tao ampiasana tamin'izay ary tokony ho t@ 12 ora alina teo ho eo vao nifarana izany lanonana izany.Alohan'ny nandehanana nody anefa dia nanao fisafoana kely tany @ 6é sy 7é étage ny tenanay satria efa misy installation éléctrique mipetraka any ka sao dia misy birao tsy mihidy sns.No-vérifieko tsara ny poignetn'ny birao tsirairay (marihina moa fa tsy mbola tongan'ny jiro tany tamin'izay ka ry zalahy namana tsy misy makany mintsy fa dia ny tenanay foana no mazoto miakatra any)rehefa vita ny fisafoana dia andeh handray ny ascenceur hidina amin'izay fa hody,no injao fa nisesy niverina daholo ny poignet tsirairay avy isam-baravarana,toy ireny misy manandrana mamaha ireny dia avotsotra fotsiny avy eo dia mipoapoaka.
Tao amin'io toerana io ihany rehefa miasa alina ka le miandry fiara manatitra iny dia mipetraka eo amin'ny reception miaraka amin'ny gardien eo izahay,no indro fa mivoha ho azy ny porte principale ary miverina mihidy avy eo,dia avy eo misokatra ho azy koa ny ascenceur dia miakatra any @ 6é étage,kanefa izahay tsy mahita olona akory ary rehefa kelikely avy eo dia miverina midina ny ascenceur dia mivoha ho azy indray ny varavarana eo amin'ny porte principale,izahay moa amin'izany dia tsy misy miteny fa dia mifampijery fotsiny dia samy mangina.Ary ireo gardien tao ireo koa efa nilaza fa tena nahita olona mihitsy makany amin'ny 7 é étage any rehefa amin'ny alina ka izay koa no mahatonga anay tsy maintsy manao fisafoana any foana isak'izay mihetsika.
Vita tompoko!
19. fasaly ( 07/09/2007 05:42)
majesty koa raha mba tojo raha hafahafa an!
mbo tena te ho any aho ahita anzany :?
de lay gardien ve de mahavita miajanona ao fa tsy matahotra....:?:
20. Fiffi ( 07/09/2007 05:45)
majesty: ary matetika misy zavatra ohatran'zany any an ? tadidiko le tantara notantarain'toi hoe nisy sipa manja be iny nefa narahana de najavona avy eo ! :{:{:{:{
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575