zavatra hafahafa

21. mamzelkely ( 07/09/2007 06:25)
:{:{ za klou mbola ts nihaina ary ts te hiaina zvt ôtran'izany fa olona fôna no mitantara amiko fa le impression de déjà vu fôna no iainako de nofy efa tanteraka no efa niainako in-1 mande:

tam zny andro zany za decue be ara-pitiavana de pôtrany manofy lhl ts hitako ny tavana fa fatapatatro ftsn hoe ôtran sinoa endrika de lavalava de mande moto fotsifotsy de manofy hoe miaraka amin'io lhl io hono za de miofankatia be zay de 1an après anzay nofy zay za de niaraka tam ankizy miaraka amiko amizao ary ts mety afaka ao andohako zay nofy zay hoe fambara zvt le izy satri le ankizy miaraka amiko ami zao de olona metisy sinoa de en plus passionnée ana moto ary ny moto nanany vôlou tamza y vô niaraka de moto fotsifotsy 8O:? izay no ilazako hoe nofy le izy fa ôtrany fambara ny avenir-ko zany :wink:
22. menalamba ( 07/09/2007 09:20)
Izaho koa anie dia tsy mba mpinoino foana izany taloha sady nidohika mafy mihintsy fa tsy misy izany é! Fa rehefa sendra tranga hafahafa tsy haiko hazavaina aho taty aoriana dia lasa nirohirohy saina be ihany!Ny vadiko koa toy izany nidohika rehefa notantaraiko izany ,fa hoe tsy misy izany matoatoa izany,kanjo ny taona97 ,efa hivoaka ho mpitsabo izy t@ izany ,dia niaraka nanao garde tao @ hopitaly Befelatanana izahay,fa anjarany ny niandry raharaha tao@ sampana iray nandritry ny 3 volana..Afaka iray volana nanombohany dia niangavy ahy izy hiara-hiambina hanao \"garde\" aminy fa misy mandondona foana hono ny trano ,ka rehefa vohaina dia tsy misy olona akory.Matoatoa ve izany ho\'aho?Tsisy an\'izany hoy izy fa misy marary manadala angamba fa aleo tratrarina.Dia nandeha aho ary.Vao tonga izahay dia nantsoina ilay gardien tao ambany nolazaina fa misy olona misary gaigy manadala ny alina ka aleo hotratrarina,dia niakatra tany ambony niaraka t@ nay izy?Dia nanao ny asany aloha ramatoa ,ka tany @ 11h alina vao hatory ary izahay,ilay garien teo @ efitra iray mifanitsy @ misy anay no niambina.Marihiko fa misy lalantsara lava bé manasaraka ireo efitra ,ka sahabo ho 10 metatra ny elanelan\'ny efitra tsirairay.Ary any @ 20 m vao misy efitrano misy marary satria birao ny sisa teo ankaikinay ,ary mihidy lakilé daholo .Vao nidaboka folo minitra nipika ny jiro dia injao kdododo ,tao ambaravarana!Nitsamkikina avy hatrany aho namoha ny varavarana ,nijery niankavia sy avanana tsisy olona!Nantsoina ingahy gardien,resin-tory tsy nahare ninoninona!Hidio ny tranonao ry Ramosé hoy ramatoa dia avia ianao hiaraka hiandry @ nay eto am-baravarana.Nojerena daholo ireo birao rehetra aloha ka nihidy tsara daholo,ny efitra nisy marary any @ 20 m,ka raha olona avy any dia tsy maintsy ho tratranay satria tsy afaka hanidina hiala avy ao ambadiky ny varavaranay ao anatin\'ny 1segondra izy raha olona sady tsy maintsy hidodododo ny tongony ka ho tratranay eo,ary ny lalan-tsara dia mirehitra jiro mazava bé hoatry ny maraina.Dia nopihina ny jiro,ka nitampify tao ambadiky ny varavarana izaho sy ilay mpiambina..Dimy minitra raha ela dia injao kdododo!Tonga dia nibosesika nivoaka izahay roalahy,sady niaraka @ teny ratsy aho @ io ho famonoana vorona,ataoko man\'...;! kanefa koditra ihany! Tsisy n\'inoninona tao!,gina teo izahay telo,tsisy feona tongotra akory!Nosavaina ny trano rehetra tany @ marary ,olona tsy afa mitsangana daholo ny tany ,tao @ birao rehetra ,mihidy tsisy ninoninona é!Teo vao nanomboka niroiroy saina ramatoa,izaho moa tena koditra tanteraka ka tsy andriko ny naharaina ny andro,dia nangataka tsy hiasa alina intsony ny anao vavy fa natahotra .Kay teo vao nilaza ny ankizy sasany fa efa maro koa no tratra tao ka mandoro volo hono ry zareo rehefa alohan\'ny hatory dia tsy misy manakorontana.:-/:-/
23. sitlo ( 07/09/2007 09:58)
Raha tena mahafantatra toerana tena misy matoatoa ianareo dia tadiavo amin'ny google fa misy fikambanana siantifika manao fikarohana an'io. Dia vonona hanome vola (tsy tadidiko hoe ohatrinona) an'izay olona mahay mazia na mahita toerana tena misy matoatoa mihitsy ry zareo.
Tamin'ny rta na mbs no nahitako an'io. Fa efa imbetsaka ry zareo no nandeha fa tsy nahita mihitsy hafa tsy indray. Mitondra fitaovana isan-karazany.
Fa izay indray izay dia tena azo sary sy nalefa tamin'ny tele ilay matoatoa. Malaza hoe misy matoatoa ilay fasana. Ilay an'ny vazaha moa ilay manerana tampotanety ireny no fombany. Dia tonga ry zareo. Tsy misy ankiteny fa samy nitsikilo sy maka feo, tsy haiko hoe onde inona avy no alainy. Dia lao ny farany fa tsy nahita. Dia ilay iray izay mpaka sary. Dia nalailainy sary daholo ny fasana izay ahiahiany.
Dia nony nodevelopena ny sary dia nisy vehivavy tanora manao akanjo fotsy misy voaly nipetraka teo ambonin'ilay fasana iray. Nefa ry zareo rehetra tsy nisy nahita tamin-dry zareo tany.
Dia nanontaniana ny tompon-tanana dia nanaiky hoe io ilay matoatoa. Fa vehivavy namono tena koa ilay izy.

Fa raha izaho manokana indray. Trano misy matoatoa no nipetrahanay taloha. Fa izaho mbola tsy nahita fa naheno fotsiny. Misy olona miakatra amin'ny tohatra rehefa alina. Ilay tohatra hazo an sady ao an-trano. Dia misy feona olona manao talon miakatra. Efa hatramin'ny vao teraka aho no nisy ilay izy dia tsy nahataitra. Tamin'ny mamanay sy dadanay vao hipetraka tao koa moa dia efa notenenin'ny olona hoe misy matoatoa io fa ry zareo tsy natahotra. Dia indray andro koa, 4 taona teo aho, dia nankao ambony rihana izaho irery. Maizina be tao. Fa vao niditra aho tonga dia nisy tselatra nazava nisidina teny amin'ny plafond. Tonga aho dia nitsoaka nivoaka.

Dia taty aoriana dia kay nisy razana tao ambanin'ny tranonay. Tsy tena tao ambaniny tanteraka fa sombin'ilay fasana fotsiny no voatsindry. Dia nasorina ilay izy. Dia tsy nisy zavatra hafahafa intsony.
Fa talohanay hono tena kendain'ilay matoatoa mihitsy ny olona nipetraka tao. Izaho tamin'izany mbola spz an.
24. ikaretsaka ( 07/09/2007 18:40)
Tsy matoatoa ny ahy fa hafa mihitsy:

Izaho moa narary be t@ debut 2007 iny ary nisy fotoana aho dans le coma andro vitsivitsy mihitsy ( nisy 4 andro hono hoy ny nahita..misaotra fijo sy papoose:-*:*) dia velona kely dia dans le coma indray!

Fa ny tadidiko.. tsy haiko hoe inona no azo ilazana izay.. nofy ve sa inona!?

Fa tany @ subconscient ko tany ary tena tsaroako, dia nisy fotoana aho miady (manao epee) amin'izany olona bokona be tsy hitako endrika izany dia tsy mety resiko mihitsy lery, dia isaky ny mitady ho resin'i lery aho dia mahatsapa hery hoe ohatran'ny misy manampy ny tanako dia indraindray koa lasa mahatsapa fa lasa ohatran' manana tanana efatra aho.. resy ihany ilay bandy.. dia nony resy tsy nitsangana intsony dia nahatsiaro tena avy tao @ coma aho!
coma 1 iny!

Dia voa indray (coma aho) , dia ny tsaroako dia nisy fotoana aho nahatsapa hery anakiroa nisintona ny tanako sy ny tongotro.. ny 1 avy aty havia dia ny 1 avy aty havanana. dia izaho eo ampovoany ohatran'ireny tsy naha hetsika ireny.. Dia nifampisintona teo dia resy ilay hery anankiray (tsy tadidiko na ny havia na ny havanana, dia navotsitr'io ny tanako, dia ohatran'ny misy feeling le miodina be ny tany aman-danitra (asa ianareo raha efa nisaute para.. fa ohatran'ireny) dia taitra indray aho avy eo..
dia vao taitra aho dia nijery ny manodidina ... kay hono za ity nijanona hono ny foko?!? 8O dia mbola eo amin'ilay mametraka oxygene sy le fera fandefasana ny fo hitempo indray iny izany ry zareo no nifoha indray aho!

Fa gravy ka! soa fa sitrana!
25. menalamba ( 07/09/2007 19:40)
Gay marina;isaorana Ingahibe fa mbola avotra ianao ry Ika ...:roll:!
26. ikaretsaka ( 07/09/2007 19:51)
mety ny zanak'Ingahibe koa no manampy ahy ato ambafika fa tsy hay tsy hay ry menalamba an..
27. fasaly ( 07/09/2007 20:11)
ika: nisy couzin ko voadonan'ny ny fiara koa dia dans le coma nandritra ny telo na efa-bolana izy...
de nifanena tamin'ny marins tsambo tany dia nandeha samboa nedala....tsy haiko koa na nofy izany na efa saika ilay antsoina hoe fiainana any ankoatra:?
28. menalamba ( 07/09/2007 20:32)
ikaretsaka:

mety ny zanak'Ingahibe koa no manampy ahy ato ambafika fa tsy hay tsy hay ry menalamba an..


Eny é manampy koa izy fa Ingahibe no tompon'ny teny farany...:lol:
29. ikaretsaka ( 07/09/2007 21:27)
izay.. ts'isy manao fanadianna raha tsy tonga ny convocation!
30. ikaretsaka ( 07/09/2007 21:28)
za koa rehefa mitantara an'io ry fasaly dia lazain'ny olona hoe Efa teo ambavahady hono aho fa tsy mbola tao anaty rezistra ny anarako
31. fasaly ( 07/09/2007 21:48)
toa otraotranzay ilay izy koa!efa somary nitsidika key ny fiainana any ankoatra tany ianareo ....fa niverina taty ihany:?
32. majesty ( 10/09/2007 05:08)
fasaly:@za le tia film horera angamba no mahatonga an'zany e hi hi h i.Izany any Ankatso zany hono toerana tena henjana amin'io resaka io fa tsy haiko na marina na tsia.
Fiffi:ilay tany ivato iny kosa aloha ka gravy e,fa efa ela za no tsy niasa tany intsony ka tsy haiko na mbola misy ilay izy na tsia
33. fasaly ( 10/09/2007 05:41)
majesty: zà kou tena tia film horera io...tena mba tiko raha zà no tojo anreny karazana zavtr hafahafa ireny.....fa tsy manakenda anàh fotsiny an!:wink:
34. sakaizakely ( 10/09/2007 12:46)
sitlo> tsy ny fikarohana any @ google fa tena ny zavatra niainan'ny namana eto mits no mi intéresser ahy, hoe betsaka ve ny efa nahita sa tsia ?

Ika> de arahabaina tsy maty fo aman'aina fa kay saika tsy nahafantatra karetsaka serasera izany kou :cry: Fa inn no nahavoa ? Askidà, sa narary ?

fasaly> :{:{:{
za mbola tsy voan'izany, touche du bois, touche du singe. Fa ny mahavoa ahy matetika te hifoha mafy iny nefa tsy mahahetsika de ohatran'ny sahirana be vao taitra.

Ndremandé zay kou nanonofy hoe naika maty andrano efa sempotra be, de hay le allergie tam zay nanentsina be ny oroko de tsy afaka niaina aho saika asphyxiée mits, de taitra ihany farany dia naka rivotra niaina mafy be mits...

menalamba> tsy ho nijanona tam zany trano zany aho ka :°)

nenà ato antrano ndraindray nisy poignée izay miverina ho azy foana de otran'ny hoe misy mitady hamoha, fa nosoloina fotsiny de vitaaaaaaa ;-)

mamzel> za akia manofy an'i Robbie Williams matetika, de mety prémonitoire ve ouz njy :-D:-D:-D:-D
35. sitlo ( 10/09/2007 14:27)
efa fantatro ka
36. tess ( 10/09/2007 17:51)
sakaizakely: ilay manofy mi pipi eo ampatoriana ampandrina no loza fa ndriandray latsaka pipi pitsy vao taitra tonga saina:?
37. ikaretsaka ( 10/09/2007 18:31)
sakaizakely:

Ika> de arahabaina tsy maty fo aman'aina fa kay saika tsy nahafantatra karetsaka serasera izany kou :cry: Fa inn no nahavoa ? Askidà, sa narary ?

Fo (lany pile)!


38. mbaliana ( 10/09/2007 19:56)
charger-na foana zany ny fon'i Ika? :roll::roll: arabaina aloha fa tafaverina eto amin'ny tain'ny mbola velona
39. sakaizakely ( 10/09/2007 20:08)
mbaliana:
tafaverina eto amin'ny tain'ny mbola velona


dain kosa mbaliana ? mba ivereno vakina tsara ny zavatra soratana am sisa, sao mampi-pika ny piles-n'i Ika eo :-D:-D:-D
40. ikaretsaka ( 10/09/2007 21:35)
hahahaha!
sakaiza> ny maty kosa tsy mik.... tsony ka!:-D
mbaliana> ni decharge ka..sady nisy olana ara-teknika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081