fitia voarara

1. bossy ( 06/09/2007 09:10)
aona ny hevitrareo @ cousin sy cousine miaraka? voararan'ny lalàna malagasy ve zany? misy namako manko tian'ny cousiny, de mangataka hevitra avy aty amina izy? za nefa tsy manana valiny. ra ba afaka manazava nareo de ampitaiko any aminy ny hevitrareo
misaotra dieny mialoha e!8O
2. kallie ( 06/09/2007 09:47)
ny voarara sy tsia tsy aiko fa ny fiantraikany any am taranaka no fantatro, mahatonga fasamponana maro am zaza ny relation ôtran'io.
3. mandrindra ( 06/09/2007 09:47)
ho ahy manokana rehefa tsy misy ray na reny, na izy roa iraisana dia tsy asiko olana
4. majakely ( 06/09/2007 11:51)
Anaro ry zareo kooo!!!aza avela miaraka zany ireo rehefa mpihavana fa sampona be zany..ampandefero lay fitiavana hoe de mitadiava olona hafaa tsy misy hifandraisana aminareo resaka havana na otraotranizany fa olona bedebe io knooo ...ny cousin na cousine ngeh mitovy amin anadah na anabavy ihany amintsika ee!!!Aza manao anizany hoeee fa ampandefero ny fifankatiavanareo,de raha sanatria efa nataonizareo le izy de atsaharo dieny zao mihitsy hoe fa na ny azza aza mety ho sampona be !!
5. zoara ( 06/09/2007 12:06)
mbola fanao any mada ny mampivady cousin sy cousine,ary toa tsy voarara ny lalàna araka ny fahalalako azy,satria mitovy lenta ny "generation" (tsy haiko ny milaza azy @ teny gasy)fa tsy fanao kosa ny manpivady zanak'olona mpirahavavy,izany hoe ny zanaky ny mpirahalahy na mpianadahy mahazo mifanambady,satria kibo samy hafa no nivoahan'izy ireo,fa ny mpirahavavy kosa considere-na ho kibo iray ka noho izany dia tsy azo ampivadiana ny zanak'izy ireo.ny fahalalako azy dia toa misy lettre sahala @ lettre de consentement ny parent,ampiarahana @ dossier!!!!!!!
6. la ( 06/09/2007 12:19)
Ra eo amin'ny fiainana andevanandro, ny mahatonga ny cousin sy cousine voarara ivady dia lasa misy fasembanana eo amin'ny taranaka de mahatonga olana io avy eo, ary misy olona fanatatro tena mitovy amin'izany mintsy de zao ny tokatranony lasa mikorontana.
Ka ra mbola azo atao ihany de aleo tsy miaraka e!:)
7. sakaizakely ( 06/09/2007 13:34)
ataoko angamba fa mitombina tsara ny filazan'i zoara mikasika ny zanaka mpirahavavy, fa tsy dia haiko loatra ny fandehan'ny lalàna mikasika an'io any amintsika

ny lafiny sintifika no tiako ho soritana araky ny fantako. Tsy mitarika fahasamponana ho an'ny taranaka izany ny fanambadiana @ samy mpihavana misy ra iraisana, raha tsy hoe tena ilay fianakaviana iray mihitsy no efa manana ilay aretina dia samy mitondra gène misy aretina izy roa. La consanguinité ne créé pas de maladie et tare génétiques, elle les révèle si elles sont déjà présentes dans l'ascendance. Izany hoe raha samy mitondra allèle recessif na dominant izy roa avy. Mila porofoina koa anefa io. Azon'izy ireo atao ny manatona généticiens dia manao diagnostic prénatal rehefa tonga ny fotoana vonona hiteraka izy roa, ahafantarana ny riska mety hisy.

Aoka hazava tsara ny mikasika an'io. Misy risque de malformation doly na misy ra iraisana 7% na tsy misy eo @ mpivady 5%.

Fombafomba efa nisy hatry ny ela ny fanambadiana entre mpihavana. Indrindra ho an'ny mpanankarena te hiaro ny lova tsy hiparitaka.

Ny fiantraikany rehefa miverimberina loatra ilay consanguinité, dia mety mihena ny fertilité, dia mihena koa ny immunité. Mety hitranga izany raha toa ka generations maromaro no nifanambady tanaty fianakaviana iray.

Fa raha ry zareo no voalohany dia tsy misy olana. Ny vavambahoaka no mety ho sarotra iatrehana, miampy tsy fahalalàna koa etsy andaniny :-o
8. fasaly ( 06/09/2007 16:20)
tsy voarara ,ny lalàna kosa angamba...na ny fiaraha monina aza tsy maharara izany fa ny saina mihintsy indraindray no mandrara sy tsy manaiky an"izany kouzin kouzine miaraka izany:-P amiko manokana aloha tsy tiko e!8-)
9. diamondra27 ( 06/09/2007 18:10)
de aleo manao cousin cousine ny tavaratra zany e!
ze hitanao retra lazainy fa cousin cousine doly

de ny an'ny afrikana ndray: salut mon frère
10. fasaly ( 06/09/2007 19:04)
diam: :-D:-D:-D manao anzany slt mon frère zany ve ny maizina ???in no dikanzany?????
11. Kwasi ( 07/09/2007 02:32)
Tsy voararan'ny lalana malagsy aloha ny cousin cousine mivady izany e. Ary misy koa ny fiaraha-monina tsy mandrara velively fa tena fombandrazana mihitsy aza ilay izy, ka tsy hita izay maharatsy azy. Fa araka ny voalazan'i zoara tery aloha hoe ny zanaky ny mpirahavavy dia tsy tokony hivady. Dia ny zafin'ny mpirahavavy ihany koa.

Fa raha ny hevitro aloha dia izaho tsy dia pour @ io e. Betsaka ihany ny complicite @ cousine fa ny mikitika ilay zavatra iray ary tena tsy nalehan'ny saina mihitsy. Resaka moral ilay izy e.
12. majakely ( 07/09/2007 06:51)
sakaizakely ko maninona ary bedebe kokoa ny zaza sembana rehefa mpihavana ny ray aman-dreny?? sa ny saina ve?? na mety hoe ny morale lay vevavy mihitsy rehefa bevoka de mitondra fiantraikany amle zaza ?? fa tena kozy fa refa mpihavana reny de matetika sembana ny zaza ...any amintsika aa,,asa aty anfinda aty aloha tsy haiko!!!
13. kallie ( 07/09/2007 07:25)
resaka gène io majakely fa tsy saina na morale a, ary valable am rehetra, jereo fotsiny ny snou lé tsy mifanambady afatsy entre zareo, bedebe sembana, mongol sns
14. Jeankely ( 07/09/2007 12:09)
Ny loha-teny tokony hoe FANAMBADIANA HAVANA fa tsy fitia voarara. Araka ny teniko somary nanintsy izay nahatezitra ny sasany nefa marinabe dia hita eto daholo ny MIMASTA FOANA e, TRAIKEFA AMIN'NY FIRAISANA e, LAHY SAMY LAHY NA VAVY SAMY VAVY e, PELAKA E, MANAMBADY HAVANAsns. Ny lova tsy mifindra hatr'izay nisy fa amin'izao taona 2007 izay afaka manambady eran'izao tontolo izao dia mamely akaiky amin'ny havana no lazaina fa olana saro-bahana fa latsaka lalina. Mahavariana fa mandrosobe. Efa nahita lehilahy mpanenjika aho ary ny farany ny havany no notsiriritiny. Tsy nanaiky ilay sipa fa nanana miaraka kinanjo voadona nilaozan'ny sipany koa ka nanaiky ny talahon'i cousin ny farany. Nanararaotra ra-cousin ary bevohoka, dia nesorina farany hoy ra-cousin hoe aleo misaraka fa mpihavana isiaka. Tsy nanaiky intsony Ra-cousine fa hoe efa vitanao daholo ny havia sy havanana ve vao hoe mpihavana. Amin'izao roa ny zanak'ireo. Tsy misy smpona aloha fa tsy haiko ny any aoriana. Fa ny sangy @'ileiry dia hoe ela nitoratorahana ialahy, tsy mandalo katsa-maina hany ka nanambady havana.=))=))=))
15. Kwasi ( 07/09/2007 12:19)
mila mamaky ny lesona genetique t@ terminale momba ny allele recessive dia hazava aminao ny resaka. T@ io manko drosophile no nampiasana dia nampifanambadibadiana tao daholo ny rehetra dia misy rapport mivoaka ary @ farany ary.:^):^)
16. imeva ( 07/09/2007 16:06)
Dadabenay sy bebenay aloha cousin cousine eh. Fa tena lamban'akoho mihitsy ny an-dry zareo.
17. Jeankely ( 08/09/2007 04:18)
Manantsaina be ve ny taranaka vadin'havany? =))=))
18. imeva ( 08/09/2007 14:30)
Tsy manan-tsaina be izy fa tsy manambany olona.
19. sakaizakely ( 08/09/2007 16:49)
Jeannekely > ny pelaka hoà hafa ihany, tsy mahay mampandroso dinika fa mitsikanikany fotsiny
20. menalamba ( 08/09/2007 20:06)
:^):-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0101