Misy aty Italie ve ireto ry M.Hery sy nynamana aty?

1. khoto ( 16/07/2007 11:24)
M. Hery a:
Mba miangavy raha azonareo hatao ny hanamarinana ho ahy ireto adresy ireto :

REGISTRATION COMMITTEE(OFFICE 1)
Vaile Lucina 1454
Rome-Italy
E-mail : registrationitaly@yahoo.it
Attn : Donald MacAlister
Name (Accountant): THOMAS PETERS
Address : Largo degli Osci, 63,Napoli-Italy
Telelephone/Fax Number:00393348063937,00390660513446


REGISTRATION COMMITTEE(OFFICE 2)
Via Brindisi ,km 103
Rome-Italy
E-mail : registrationitaly2@yahoo.it
Attn : Professor David Hughes


Fa misy hilako azy ireo mikasika seminaires(mikasika ny lutte contre la pauvreté sn zon'ny ankizy) karakaraina “association” any Canada any izay hatao (conditionnel) any sy eto Italie koa, izay manana ity siteweb ity: 3w.quebecassociationforglobaldevelopment.20m.com.

Mba valio, M. Hery, raha azo hatao a!
Misaotra betsaka ny namana rehetra izay afaka manampy e.Maika be!:)
novalian'i khoto ny 17/07/2007 04:35
2. hery ( 16/07/2007 14:30)
Mamofompofona zavatra hafahafa ilay adiresy email sy ilay site web.

Ifandraiso aloha dia rehefa tena mangataka vola inscription izy izay vao alefaso aty amiko ny adiresy.
3. khoto ( 16/07/2007 16:10)
Faly miarahaba indray;:)
Ilay association any quebec no voalazany fa mpikarakara ny séminaires ary ireto "offices" any Italie ireto indrindra no handefasana vola US$255, fa ry zareo ireo ,hono, no mandefa aty @ "Participants"izany "registration receipt" izany alohan'ny hanaovany ny visa mankany Canada, sady @ izay "par Western Union" fa tsy nanome kaonty @ banky ry zareo ireo!(sao hita ny RIB-ny?)
Io "OFFICE1" io izao no miandry izay handefasana ny vola @ izao!
(Efa nalehako tany @ "Consulat de Canada" aty Dago fa tsy nanome valiny mahafa-po io)
Miala tsiny fa tsy mahay manao "investigation" momba ny "internet "aho dia izao mila fanampiana izao e!
Koa manantena ny fanampianareo indrindra e!Misaotra betsaka dia mazotoa!Aza ela.:)(raha azo hatao!).
4. kally ( 16/07/2007 16:19)
Torohevitro aminao : raha vao resaka mandoa vola amin'ny western union dia ajanony.Fisolokiana be tsy misy adihevitra izany fa ho very vola ianao.Raha tena mpikarakara ara-dalàna izy dia tsy ho menatra ny hanome kaonty sady tokony hanome kaonty mihitsy raha araky ny lalàna fa tsy hoe safidy ny tsy fanomezana kaonty.
5. sitlo ( 16/07/2007 18:05)
Voaloha aloha ilay page web feno pop-up. Site officiel izany tokony tsy hisy an'ireny "cute girl in your area" ireny.
Faha-roa, tsy avelany mi-contact embassade ianao.
Faha-telo, hoe 10 taona nisiana izy nefa tsy misy trace amin'ny net mihitsy.
Faha-efatra, ny contact yahoo.
Faha-dimy, tsy hita ao amin'ny yellow pagen'ny canada quebec, nefa hoe association mitsangana nandritra ny 10 taona.

Ny vola koa moa izany mbola alefa western union.

Ary farany, Site officiel izany tsy tokony hisy diso tsipelina.

Somary halahelo kely ianao hoe efa nandaniana andro fa saingy ho faly ianao rahaveo hoe soa ihany fa tsy natao. :wink:
6. khoto ( 17/07/2007 04:35)
Salama e!
Misaotra betsaka indrindra "Sitlo" & "Kally" ary "Hery" fa izay mihitsy no maha mpinamana e: tsy maninona mihitsy hoe miandry kely fa aleo izay toy izay vola very maina eo!
Mandra mpanoratra eto indray e!Mirary soa anareo dia mazotoa aby!:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1561