ny baiboly sy ny loza voaomana nambarany!

1. vavahady ( 11/07/2007 09:34)
miarahaba antsika rehetra,
indrindra ianareo rahalahy ao amin'ny tompo!
zaho aloha de vao haingana aho no tafiditra ho mpikambana ato , fa rehefa nahita ity dinika ity ahako de misy fanontaniana tsy ahitahako valiny mintsiny angambany eto aho no ahita ,ary raha misy hamaly koa, izao ilay azy: voalaza aoamin'ny apokalipsy fa ny baiboly de tsy azo anampiana sy tsy azo analana, nefa misy tsy fitoviana ny baiboly katolika sy ny ankoatran'ny katolika,nilaza izay pasitera advantista izay fa ny advantista hono tsy manana baiboly fa baiboly protestanta no ampiasainy ,fa nohon'ny antony fandikana ny baiboly izay natao an de tsy voadika ny ny toko sasany. tobia, jodita , makabeo,,..sns misy eo amin'ny fito eo ho eo, fa tsy midika zany ho izy fa isika dia nanala toko sy andininy ao amin'ny soratra masina fa tsy voadika ilay izy, fa ny nanala ny andininy avy ao amin'ny soratra masina dia ny katolika(teneniny mazava io an)satria nofafainy hono ilay andininy amin'ny didy folo manao hoe : aza manao sarinjavatra voasikitra ety antanay atao hivavahana ... amin'ny baiboly protestanta no misy an'io rehefa mamaky didy folo ianao fa tsy misy kosa @baiboly katolika, ka izao no fanontaniako
-rehefa tsy voadika ary ny toko sy andininy tsy voadikan'ny protestanta maninona tsy naverina indray adika?
- raha ohatra misy ny fanalana na fanampiana ny andininy avy ao amin'ny soratra masina moa misy fiatraikany @ mpanaraka koa ve zany otran'ny antsika nefa tsy isika no nanapmy na nanala fa lay olona taloha tany?
-jereo ny apokalipsy fa mampitandrina fa izay olona manampny ny soratra masina dia ampian'A/TRA IREO LOZA VOASORATRA AO @ BAIBOLY HO AZY ARY IZAY MANESOTRA KOSA DE HESORIN'A/TRA NY TENANY TSY HO AO @ FANJAKAN'NY LANITRA!
2. ikaretsaka ( 11/07/2007 14:16)
samy manana ny fomba fi interpreteny azy araka izay itiavany azy sy ny firehan-kevitra tiana voizina aloha ny baiboly..
ao amin'ny baiboly misy tantarana olon'andriamanitra mamono olona sy mandainga(paoly, jakoba sy esao, piera nanda ny tompo) nefa ao koa ny misy hoe aza mandainga sy mamono olona...

dia manarak'izany, samihafa ny midera, miankohoka mitsaoka (worship) , sy manaja (venerer)
tsy nanala an'io ny katolika, ary efa voalaza teto fa tsy mivavaka amin'ny sary masina sy ny sary vongana ny katolika fa mampiasa ireny ho karazan'ny aide memoire hahatsiarovana ny oha piainana nataon'ireny olona ireny, sy mangataka ny fivavahan'ireny mba hanampy ny vavaka ataony!
ny an'ny katolika mantsy tsy natao ho an'izay mahay mamaky teny ihany ny famonjena fa natao ho hitan'ny maso rehetra!
3. pissoa ( 11/07/2007 18:47)
vavahady:

miarahaba antsika rehetra,
indrindra ianareo rahalahy ao amin'ny tompo!
zaho aloha de vao haingana aho no tafiditra ho mpikambana ato , fa rehefa nahita ity dinika ity ahako de misy fanontaniana tsy ahitahako valiny mintsiny angambany eto aho no ahita ,ary raha misy hamaly koa, izao ilay azy: voalaza aoamin'ny apokalipsy fa ny baiboly de tsy azo anampiana sy tsy azo analana, nefa misy tsy fitoviana ny baiboly katolika sy ny ankoatran'ny katolika,nilaza izay pasitera advantista izay fa ny advantista hono tsy manana baiboly fa baiboly protestanta no ampiasainy ,fa nohon'ny antony fandikana ny baiboly izay natao an de tsy voadika ny ny toko sasany. tobia, jodita , makabeo,,..sns misy eo amin'ny fito eo ho eo, fa tsy midika zany ho izy fa isika dia nanala toko sy andininy ao amin'ny soratra masina fa tsy voadika ilay izy, fa ny nanala ny andininy avy ao amin'ny soratra masina dia ny katolika(teneniny mazava io an)satria nofafainy hono ilay andininy amin'ny didy folo manao hoe : aza manao sarinjavatra voasikitra ety antanay atao hivavahana ... amin'ny baiboly protestanta no misy an'io rehefa mamaky didy folo ianao fa tsy misy kosa @baiboly katolika, ka izao no fanontaniako
-rehefa tsy voadika ary ny toko sy andininy tsy voadikan'ny protestanta maninona tsy naverina indray adika?
- raha ohatra misy ny fanalana na fanampiana ny andininy avy ao amin'ny soratra masina moa misy fiatraikany @ mpanaraka koa ve zany otran'ny antsika nefa tsy isika no nanapmy na nanala fa lay olona taloha tany?
-jereo ny apokalipsy fa mampitandrina fa izay olona manampny ny soratra masina dia ampian'A/TRA IREO LOZA VOASORATRA AO @ BAIBOLY HO AZY ARY IZAY MANESOTRA KOSA DE HESORIN'A/TRA NY TENANY TSY HO AO @ FANJAKAN'NY LANITRA!


ndana teneno i Pasitera fa na izy tsy mahay n'inn n'inn na izy mpandainga :lol:
4. atmos ( 11/07/2007 21:24)
tsy dia mahafantatra loatra angamba ilay pasitera fa tsy izany no tian'io teny io ambara...

tsy hoe manaisotra teny na manampy mot iray no tiany hambara fa kosa lalindalina noho izany. Raha faohina @ fehezanteny iray dia "izay olona manova ny dikany ka mampiasa izany mba hitenenana ratsy na hanaovana ratsy sns..." fa tsy ara-bakiteny ohatr'io ambaran'ny pasiteranao io
5. niryna ( 13/07/2007 08:06)
pissoa:


ndana teneno i Pasitera fa na izy tsy mahay n'inn n'inn na izy mpandainga :lol:


:roll::roll:Maty atoka izy izany nandalina kanefa hanoro voana ny mpiangona ao aminy:cry::cry:

6. xxx ( 13/07/2007 17:00)
ka ry pasy sy ry mopra anie ka ahazoana asa sy voninahitra ary vola no nanaovany io asaio e! refa betsaka2 ny olona ao ampiangonana dia izay e! ny olona koa moa tsy dia tia mandalina fa efa nahazo ilay hoe rehefa mino dia izay
7. marozevo ( 13/07/2007 17:06)
Soa fa tsy Pasy na Mopr i xxx... Satria diso tanteraka io lazainy eo ambony io... sady mitsaratsara fahatany.

Jereo tokoa hoe Rey olona raha tsy ao amin'ny baiboly Katolika io voalaza io...

Ny Apokalipsa dia genre litteraire hafa mihitsy raha oharina amin'ny boky rehetra ao amin'ny Baiboly. Tsy zavatra tsotsotra sy tandrametaka ohatr'izany ny fomba fandalinana azy.
8. ikaretsaka ( 13/07/2007 19:35)
toa tsy nahita aho hoe nesorina tao izany io ko!
momba ireo boky sasany: tsy hoe tsy voadika ilay izy fa fanahy iniana tsy nadika mihitsy satria natahoran'ilay olona nandika ny baiboly sy ilay nivoy ilay foto-kevitra fa mety nandiso tanteraka ny hevitra tiany hovoizina sy hitaritany olona (purgatoire, vavaka ho an'ny maty, fiombonan'ny olomasina)
9. marozevo ( 13/07/2007 22:16)
ie....
10. xxx ( 14/07/2007 02:41)
Ny Exegese na ny haihay momba ny Soratra Masina(na Baiboly) no taranja anisan`ny sarotra indrindra @ teolojia. Mila mahafehy ireo Langue morte izay nanoratana azy tamim-boalohany: Arameana, Ebrio, Grika ary Latin). Tsy vitan`izany koa fa mila arahina ihany koa ny fivoaran`ilay lahatsoratra nandriry ny taona maro satria mazava ho azy fa nisy nanovonana izy ireny. Izay ny etude diacronique.
Fa misy ihany koa ny etude synchronique izay mamantatra tsara ny tian`ny mpanortra hahatongavana( fa tsy izay ao an-tsain`ny pasitera). Eo koa ny genre litteraire efa voalazan`ny Ika eo ambony, sns

Fehiny, tsy izay pasitera na izay mitonona ho Baiboly akory izy. Mianara aloha ary angataho ny Fanahy Masina hanazava ny saintsika hahafantatra ny Tenin`Andriamanitra.
Farany : ary mba vakio tsara ny Baiboly katolika ry Niryna sy ilay mpametraka ny sujet fa aza entin`ny fankahalana fotsiny.
11. niryna ( 14/07/2007 06:36)
xxx:

ka ry pasy sy ry mopra anie ka ahazoana asa sy voninahitra ary vola no nanaovany io asaio e! refa betsaka2 ny olona ao ampiangonana dia izay e! ny olona koa moa tsy dia tia mandalina fa efa nahazo ilay hoe rehefa mino dia izay

xxx a ireo pasy sy mopra ireo aloha voantson'Atra sa tsia ? Araka ny fiheveranao?
Sa toy ny dokotera nandalina ny maha-dokotera azy fotsiny?

12. marozevo ( 14/07/2007 06:48)
Nyrina > Aza apetraka amin'i xxx io fanontaniana io fa valiany boribory fotsiny eo ianao. Hita amin'io lazainy, izay cite-nao io, fa tsy misy fahalalàna mikasika io taranja io ra xxx na iray aza. Na mahalala ihany fa gejain'ny fankahalana sy fialonana. Ny tena atahorako aza, enga anie tsy marina ny ahiahiko, dia mety ho olona mba nikasa ho Pasy na Mopr ra xxx io, nefa tsy tafita... dia io no nanohizany ny fiainany. Eritreritra ihany... mety ho diso tanteraka.
13. xxx ( 14/07/2007 17:54)
Nyrina a! anjaranao ny mandinika azy raha mahafeno tanteraka ny zavatra tian'Atra lazaina @ olona no lazainy , ary olombelona ireny fa ianao dia nomen'Atra saina ahlala ny tsara sy y ratsy ka anjaranao no mandinika izay voalazany , Marozevo a ! sanatria amiko mitsy ny hanao mopra satria na ny anarany aza dia efa miteny ratrsy ny anaran'Atra
14. marozevo ( 14/07/2007 21:13)
Fa ianao angaha ilay xxx voalaza io ? misy maromaro manko nareo ao. Protestant ve ra-xxx sa TJ sa mpanenjika fivavahana ?

Raha mpanenjika ianao dia tsy mahagaga ahy ny voalazanao ao ambony ao. Raha TJ koa dia torak'izany, fa raha Katô na Protestant dia mahavariana. Tsy voatery hamaly ianao, fa mandiniha fotsiny dia ampy...
15. niryna ( 15/07/2007 06:23)
xxx:

Nyrina a! anjaranao ny mandinika azy raha mahafeno tanteraka ny zavatra tian'Atra lazaina @ olona no lazainy , ary olombelona ireny fa ianao dia nomen'Atra saina ahlala ny tsara sy y ratsy ka anjaranao no mandinika izay voalazany , Marozevo a ! sanatria amiko mitsy ny hanao mopra satria na ny anarany aza dia efa miteny ratrsy ny anaran'Atra

xxx a,ny baiboly manambara amintsika fa na isika miaraka Aminy na isika tsy miaraka Aminy.:arrow:Mino ny baiboly sy izay voalazany isika :arrow:miaraka amin'Atra izany isika.Tsy mino sy manohitra izay lazain'ny baiboly isika :arrow:Tsy mino an'Atra izany isika.
Ity ihany koa misy teny kely,tsy ny olona manantsaina,nandalina fianarana ,matsilo saina be anie matetika no antsoin'ATra hitory ny filazantsara e,satria matetika ireny olona ireny mitopi-teny fatratra ,miantehatra amin'ny tenanany.Ny olona izay tsy hoeritreretintsika sy nohamavontsika ary heverintsika fa tsy mananana ny maha-izy azy no antsoin'ny Tompo hitoriteny.


16. vavolombel ( 15/07/2007 07:34)
miarahaba ny mpandinika rehetra, rehefa hitako ity dinika ity de tsy namaly avy hatrany fa niverina nankany antrano ary namaky ny bible satria zaho katolika taloha de misy baibly katolika ao amiko de nojereko ilay izy fa tsy voasoratra mihintsy ao amin'ny baiboly katolika le we aza manao sarin-javatra voasokitra hivavahana...le we teny faminaniana fito izay tsy misy ao amin'ny baiboly protestanta io koa de marina io, fa tsy haiko ny antony? de sanatria ve nanaisotra ny protestanta!!!hita aloha fa tsy mitovy ny baiboly roa tonta e! ny an'ny katolika matevina kokoa, satria misy an'ny makabeo1-2sns.. ny azy fa tsy azoko ny fandehany! ny mompera sy pasitera ihany no tena mahay ny tsy ambaratelo n'io! ny mpino kristianina koa moa variana tsy dia mijery na mandalina zavatra toy ireny , nefa grave ilay izy! de inona ary no hatao???
fa amiko aloha tsy tokony hisy fiatraikany amin'ny mpino ilay izy we hafa ny nanao hadalana(nanampy na nanaisotra) de samy ho voa daholo, otran'ny tsy ekeko zany,tsy misy ny mihinana zavatra maharikivy ka ny zanany no hadilo nify, ny zanaka tsy atao maty nohon'ny ataon'ny rainy,ny ray tsy atao maty nohon'ny ataon'ny zanany samy mijinja izay nafafiny io zaho manokana ny antony nandehanako any am-piangonana de handeha hitady an'Andriamnitra , ary tsy anatin'ny eritreritrako mihintsy ny hoe hila loza na mila ho esorina @ fajakan'ny lanitra izany, ary ny rehetra koa sahala amzany zaho mino!
fa asakasak'izany nanisy fiovana amin'ny bible izy no hijinja izay nafafiny!
fa ny iangaviana de izao: raha misy pretra ato na pasitera aoka izy mba hanazava ny tena marina ny nahatonga an'io de tt facon zah mbola hanontany pasitera nay!
17. marozevo ( 15/07/2007 12:17)
Misaotra an'i vavolombel nikaroka fatratra.

Momba io lazain'i Nyrina io, dia amafisiko amin'ilay voalazan'i Paoly hoe : "Mba jereo ange ry rahalahy ireto ianareo voaantso e...." I kor 1, 26-31.
18. pissoa ( 15/07/2007 19:51)
niryna:
:roll::roll:Maty atoka izy izany nandalina kanefa hanoro voana ny mpiangona ao aminy:cry::cry:

Ie ... otran'i Niryna koa ohatra :oops::-D:-D:-D
19. ikaretsaka ( 15/07/2007 20:05)
izay mantsy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551