Kristianina sy ny mahaGASY ary ny GASY.Miaraka ve sa tsia ?

1. xxx ( 06/07/2007 13:01)

1- Havantiana tsy iaraha-monina
2- Ny vola tsy maha-mpihavana ( Taloha no hoe aleo very vola toy izay very havana )
3- Ny vinanto sy ny rafozana
4- Ny famadihana sy ny mpanandro
5- Tsy mahay mifanaja ny fiarahamonina( manao maloto etsy sy eroa, fako eran'ny tanàna ...)
6- Ny vahiny malaza ho tsy mpivavaka kanefa rehefa mijery fahita lavitra dia hita fa mahay miaramonina sy mifamonjy ry zareo; fa ny malaza ho mpivavaka lany andro mifampitsikera
7- sy ny sisa izay hitanao ho tanisain'é !
novalian'i marozevo ny 13/07/2007 17:39
2. ikaretsaka ( 06/07/2007 14:05)
ilay lohateny no ho valiako
miaraka rehefa hainao ny mandamina azy
3. mandrindra ( 06/07/2007 14:42)
ikarestaka, marina fa miaraka rehefa hay ny mandamina. fa ny fampihrana ny andaniny dia mandiso ny fomba fijerin'ny ankilany, ka ahoana no tokony atao, hijoro amin'ny hevitra tokana sa ho arahina daholo izy roa na dia mifanohitra aza?
4. karinah ( 06/07/2007 14:56)
xxx: fanandroana tsy fomba kritianina noho izanytsy miaraka mihintsy, fa na hanaraka ny fombafomba ny tany na hanaraka ny fombafomban'Atra.
Ny vahiny na misy tsy mino an'atra aza , dia mino kosa fa misy ny tody ny zavatra rehetra.
ceux qui sèment les vents...:?::^)
5. ikaretsaka ( 06/07/2007 15:00)
tsy voatery hifandiso ka, ohatra ilay resaka famadihana vao nodinihina tato:
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m466bd49090972
fa ny prejuges anao no mampifandiso azy
tsy tadidiko hoe iza no nilaza ity tany:
Ny maha kristiana dia tsy manafoana ny maha Malagasy velively. Toa an'i Kristy niditra tao amin'ny tontolon'ny Jody dia tsy nanafoana ny fomban'ny jody fa niaina tao anatin'izay fomba izay. Io fomba io no nohamasininy tamin'ny alalan'ny fanavaozana azy hahazoana aim-panahy. Noho izany dia azo atao tsara ny mamadika: mamindra ny razana, na mamono ny maty. Saingy ny fomba fanantaterahana azy no tsy mitovy intsony.

Ohatra: taloha rehefa hamadika dia maka dadarabe hamaritra ny andro sy ny sisa. Maro ny fombafomba atao tsy dia tena kristiana loatra aloha, ekeko izay. Ao koa ny fandanina be mihopapana sns... Ireo no esorina sy havaozina, hifanaraka amin'ny Evanjely. Izay no antsoina hoe: inculturation.

Fanamarihana:
- hahatarafana ny finoana ny FITSANGANAN-KO VELONA ny famadihana.

- Mampibebaka ny olona izy ary mampiray ny rehetra. Eo am-pahitana ny vatana zary vovon-tany sy taolana vitsivitsy eo dia maro ny sintom-panahy mahazo ny olona ka mitondra azy hitodika any amin'Andriamanitra.
6. pissoa ( 06/07/2007 15:43)
xxx:
Lohateny : Kristianina sy ny mahaGASY ary ny GASY.Miaraka ve sa tsia ?

Raha fifanarahana 100% no tadiavinao dia tsia, tsy miaraka. Ao amin'i Kristy ihany no ahitanao an'izay.

Raha toa kosa ka hoe "misy mifanaraka" ve, dia eny, boooooobaka be ka hadalan'izay tsy mahay manararaotra ny mahaMalagasy azy fa efa fanomezana lehibe ny fahitako an'io hivoaran'ny mahaKristianina. :-D:-D:-D

Ireo 7 ireo ve no Kritera mahagasy sa ahoana fa tsy azoko tsara ? :-w:-w:-w
7. vale ( 06/07/2007 16:18)
Ny kristianina manaraka ny teny ny soratra masina ka miezaka manaja izany araka izay mety (fa tsisy tonga lafatra ankory na dia iray aza.)
Ny maha gasy ahoana tokoa moa izany? fanandroana, famadihana ..? ireo aloha dia tena tsy mba araka ny voalazan'ny soratra masina satria voalaza ao fa Atra irery ihany no afaka mahalala ny andro hafatesana, tsy afaka manana alalana hafantatra izany isika(tsy tadidiko ny verset misy azy, fa miala tsiny:°)); ny famadihana koa dia tsy mety satria misy mangataka fitahiana avy @ razana, anefa ny Atra efa nilaza fa hoe: Aza manana Andriamanitra hafa afa-tsy izaho ihany!
Ny Gasy: tsy azo, tsy araka? fa tsy olombelona hoatry ny olona rehetra ve ny Gasy no hoe ny Gasy ve hifanaraka @ maha kristianina: rehefa manao ny tsara dia afaka manantena fiainana mandrakizay. Tsy voatery hoe kristianina ihany vao afaka manao ny tsara.

8. vale ( 06/07/2007 16:21)
fanintsiana : tsy hoe tsy afaka mahafantatra no izy fa tsy tokony hiezaka hafantatra satria Atra irery ihany no manana fahefana @ izany.
9. pissoa ( 06/07/2007 16:21)
Vale : jereo ary ambany fa efa misy resaka lava be le famadihana ! Ny fangatahana fitahiana amin'ny razana no tsy tsara ... fa rehefa esorina iny dia mbola famadihana foana ny famadihana :-D:-D:-D
10. vale ( 06/07/2007 16:35)
pissoa: ilay fangatahana @ razana no tiko notenenina kah !:lol:
11. marozevo ( 06/07/2007 17:47)
Fa nahoana ny fangatahana fitahiana amin'ny Razana sy ny famadihana no ataon'i Pissoa sy i vale fa tsy tsara na tsy mety ?

Fa ito voalazan'i vale ito kosa dia amafisko mihitsy :
Ny Gasy: tsy azo, tsy araka? fa tsy olombelona hoatry ny olona rehetra ve ny Gasy no hoe ny Gasy ve hifanaraka @ maha kristianina: rehefa manao ny tsara dia afaka manantena fiainana mandrakizay. Tsy voatery hoe kristianina ihany vao afaka manao ny tsara.

12. Kota ( 06/07/2007 18:03)
vale:

Ny kristianina manaraka ny teny ny soratra masina ka miezaka manaja izany araka izay mety (fa tsisy tonga lafatra ankory na dia iray aza.)
Ny maha gasy ahoana tokoa moa izany? fanandroana, famadihana ..? ireo aloha dia tena tsy mba araka ny voalazan'ny soratra masina satria voalaza ao fa Atra irery ihany no afaka mahalala ny andro hafatesana, tsy afaka manana alalana hafantatra izany isika(tsy tadidiko ny verset misy azy, fa miala tsiny:°)); ny famadihana koa dia tsy mety satria misy mangataka fitahiana avy @ razana, anefa ny Atra efa nilaza fa hoe: Aza manana Andriamanitra hafa afa-tsy izaho ihany!
Ny Gasy: tsy azo, tsy araka? fa tsy olombelona hoatry ny olona rehetra ve ny Gasy no hoe ny Gasy ve hifanaraka @ maha kristianina: rehefa manao ny tsara dia afaka manantena fiainana mandrakizay. Tsy voatery hoe kristianina ihany vao afaka manao ny tsara.




Miombon-kevitra aminao aho hoe tsy mifanaraka amin'ny mahakristiana ny fangataham-pitahiana amin'ny razana sy ny famadihana, izay fomba malagasy!
Fa inona ilay ataonao hoe "tsara" amin'ny hoe:"rehefa manao ny tsara dia afaka manantena fiainana mandrakizay". "Tsy voatery hoe kristianina ihany vao afaka manao ny tsara."?

13. karinah ( 06/07/2007 18:11)
:roll:inona ny atao hoe "tsara":?::-D:-D:-D:-D:oops:
14. marozevo ( 06/07/2007 18:21)
Efa nisy dinika lava be (sady matetika) momba ny Razana, ka heveriko fa tsy hiverenana eto... sady tsy tena foto-dresaka rahateo io. Na oviana na oviana koa dia tsy hitovy mihitsy ny hevitra momba io. Izaho ohatra, dia tena sahy milaza fa tena ilaiko ny mangataka fitahiana amin'ny Razana (Razana = Olona efa maty taloha.... Anisan'io izany i Dadabenay, ny dadan'ny dadabenay... ny Razanay ara-pinoana... Md Piera, Paoly, Maria.... Abrahama....).

Ny tsy ekeko fotsiny momba io, dia raha ilay Razana no iantefan'ny vavaka hatao. Ohatra : Md Paoly ô, mba ataovy Apostoly mahery fo toa anao aho. Raha io tsy ekeko satria i Md Paoly no ivavahana. Fa raha hoe "Andriamanitra ô, mba omeo fo mahery sy tia anao tahaka an'i Md Paoly aho"... io kosa tsy hitako izay maharatsy azy.
15. ikaretsaka ( 06/07/2007 19:07)
dia manampy azy koa ny hoe
Md Paoly :mivavaha ho anay mba. . .

fa tsy hoe mivavaka aminao izahay ry Md Paoly mba
16. marozevo ( 06/07/2007 19:15)
ie......

Inona no mahasamihafa an'i Md Paoly sy i dadabenay tamin'ny fotoana nahafaty azy tsirairay avy. Samy olona dia samy maty.

Ka raha afaka miteny aho hoe Md Paoly, mivavaha ho anay, dia tokony ho afaka milaza koa amin'i dadabenay hoe "dadabe ô... tahio izahay (izany hoe mivavaha ho anay)".

Mitahia daholo izy ireo, sy izay efa nialoha làlana rehetra, fa efa lasan-ko Razana.
17. gasynamana ( 07/07/2007 11:20)
Fanamarihana: Hoy ilay hira katolika izay:
Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihana... somambisamby ihany....

Somambisamby ihany an'ny razantsika hendry, fa i Kristy no tena nanazava ny zavatra rehetra.

Aoka kosa aloha marihana fa samy hafa be mihitsy fa aza afangaro ny tiana holazaina raha milaza ny mpino hoe: "I Md Paoly mivavaha ho anay" sy raha milaza ny gasy hoe: "Dadabe tahio izahay".
Aza ampitoviana ireo fa samihafa. Ny iray fangataham-bavaka, ny iray fangataham-pitahina. Na samy misy finoana ny tsy fahataperan'ny fiainana eo amin'ny fahafatesan'ny nofo aza ireo dia tsy mitovy mihitsy.

Ny hoe " dadabe, tahio izahay" dia miantefa mivantana amin'ilay dadabe ny fangatahana ary izy mihitsy no inoana fa mitahy avy eo. Izany hoe manome izay tadiavina, miaro, mikapoka raha manota fady, hanaovana joro (na ny sahala amin'izany) mba hitahy, sns...

Ny hoe: "ny olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, mivavaha ho anay" kosa dia tsy sahala amin'izany. Raha manonona an'io ny kristiana ny inoany dia hoe: avy amin'Andriamanitra ny fahasoavana rehetra, saingy ilay olon-tsambatra na olo-masina, na havana nialoha lalana... kosa dia miaraka amin'ny tena mivavaka amin'Andriamanitra. Manmpy ny tena amin'ny vavaka ataony. Ny fitahiana dia avy amin'Andriamanitra ihany, fa ny fangatahana izay no anampian'ireo olo-masina sy ireo havantsika efa eo anilan'Andriamanitra antsika.
18. ikaretsaka ( 07/07/2007 14:34)
azo atao koa hoe dadabe o mivavaha ho anay, dia avy eo ianao manolotra lamesa de requiem sy vavaka ho an'i dadabe!
19. soanja ( 08/07/2007 03:16)
Ity misy lalao fanisana fanaon'ny ankizy tamin'ny andron'ny Ntaolo mahalaza tsara ny fitoviana marindrano ara-pisainana ny toe-tsaina maha-Malagasy sy ny toe-tsaina Kristianina.
Zany hoe na tsy nahalala izay atao hoe Kristy ny Malagasy tamin'izany fotoana izany, dia nahalala kosa ny atao hoe tsara sy ny ratsy amin'ny fitandrovana ny fihavanana sy ny fifankatiavana teo amin'ny samy mpiara-monina ary ny fitsinjovana izany ao anaty fandriam-pahalemana sy fivoarana amin'ny mahafanahy ny olona.


"Isa ny amontana
Roa ny aviavy
Telo fangady
Efa-drofia
Dimy emboka
Eni-mangamanga
Fito paraky
Valo tanantanana
Sivy rongony
Folo fanolehana.

Andriamaintibe ny papango
Kely mpitsoka farara ny takatra
Kely mpandatsaka aina ny varatra
Lava tanan-tsy miasa ny foza
Bodokely matavy ny toho.

Kely matsilo loha ny patsa
Ny fangaraka no kely andilana:
Ny isan-jato no mafy;
Ny takatra no fisa-doha:
Matory amorom-parihy.
Ny sorohitra no kely fingotra:
Sendra ny tao-mihodivitra.
Ny goaika no fotsy tenda:
Nangala-boanjo ririnina.
Ny akoho no tsy nanidina:
Tsy nahandry ny andro maraina"

Mila manadihady an'io kilalao io sy ny dikany tian'ny Ntaolo resahina ny olona iray vao hahafantatra tsara ny hasin'ny Maha-Malagasy ary ny maha -tsy mena mitaha amin'ny fomba fisainana novoizin'ny Kristianina momba ny fifankatiavana eo amin'ny mpiarabelona.

"Sambatra aho fa mikoriana ato anatiko ny ra Gasy" Soanja.






20. marozevo ( 08/07/2007 19:51)
Eny eh... marina tokoa fa samihafa ny hoe "Md Paoly mivavaha ho anay" sy ny hoe "Dadabe ô, mitahia anay". Md Paoly Olomasina fa dadabenay tsy olomasina, ary inoako fa tsy ho voasandratra ho olomasina mihitsy izy.

Nefa indray andro izay nanatrika fanamasinana Pretra aho. Mandritra ilay Pretra miankohoka amin'ny tany dia misy vavaka lava be atao hoe LITANIA. Dia notononina tao daholo izao karazana olomasina rehetra izao, manomboka amin'i Masina Maria, ka tonga hatrany amin'ndry Md Basile, Mb Agnès sns.... Fa ny tena nanaitra ahy dia nisy toy izao koa tamin'io Litania henoko io : "Ianareo rehetra Razanay efa nialoha làlana anay.... mivavaha ho anay". Hatramin'io fotoana io dia tsy nisalasala intsony aho fa azo atao tsara ny mangataka ny Razana hivavaka ho antsika. Izay ilay fitahiana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3057