Kristianina sy ny mahaGASY ary ny GASY.Miaraka ve sa tsia ?

21. niryna ( 09/07/2007 02:12)
xxx:


1- Havantiana tsy iaraha-monina

Ara-piaraha-monina izany dia mifankahita foana ka lasa miady.Ara-pivavahana indray,tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

2- Ny vola tsy maha-mpihavana ( Taloha no hoe aleo very vola toy izay very havana )

Tsy mampihavana ny vola satria mazana ny fiainana ka raha misy ny hanararaotan'ny olona dia ireny tsy mena mivadika ireny ny sasany, misy ny manararaotra ary manao ny hoe hano fa adala tompo ihany koa.
Atao hoe tsy matahotra an'Atra izany ilay olona manararaotra sy mivadika ny havana.
Raha kristiana indray anefa ilay olona nataony dia tokony ho hampiarina ny hoe aza mamaly ratsy ny ratsy,aza mody hodiana tsy hita izay mangataka aminao,mitsinjova ny mahantra,ary aza manosy bori-tanana.
22. niryna ( 09/07/2007 04:10)
xxx:

3- Ny vinanto sy ny rafozana

Araka ny tsira1 io,raha kristiana anefa dia tokony hifankatia satria fianakaviana iray ihany ao amin'ny finoana sy ao amin'ny Tompo.

4- Ny famadihana sy ny mpanandro

Efa nolazain'ny namana fa efa lava ny fanazavana an'io,raha kristiana dia tokony tsy hino ny maty na hivavaka na hangataka aminy satria izy efa maty ary tsy misy mitaha izany intsony ny maty fa finoana ihany io,hajaina izy fa tsy afaka ny hangataka zavatra aminy isika fa manjary ny satana indray no mahazo vahana.Na ny herin'ny maizina aza dia misy tokoa ary mahavita fahagagana ihany koa.
Aza manana Atra hafa ny mivavaka na miankohoka amin'izany.Dia hajaina ny tiany fa anjaran'ny kristiana kosa no manazava raha mino izy,tsy mino moa izy dia izay izy izany afaka ny adidy.

5- Tsy mahay mifanaja ny fiarahamonina( manao maloto etsy sy eroa, fako eran'ny tanàna ...)

Io indray dia tsy fifanajana sy ny tsy fahaizana miara-monina no azoko lazaina.Indraindray dia mbola sarotra ny fanarahana an'i kristy ka ny fihezahana ny hanara-dia aminy dia efa ezaka iray lehibe ho an'ny tsirairay:Tiava ny fahavalonao,manaja ny rar-nao mba ho lava andro ianao,mifankatiava ihany raha mbola velon'aina,tsy misy toy izany ny mampifaly saina o^o.Raha madio ny fo dia madio ho azy ny saina.

6- Ny vahiny malaza ho tsy mpivavaka kanefa rehefa mijery fahita lavitra dia hita fa mahay miaramonina sy mifamonjy ry zareo; fa ny malaza ho mpivavaka lany andro mifampitsikera

Rehefa tany dia alin'ady hoy ny fitenenana,amiko na aiza na aiza alehanao dia tsy maintsy misy hindrokely foana ny fiainana fa tsy misy hidiran'ny vahiny. izany.Tsy maitsy misy foana ny ratsy ary misy koa anefa ny miezaka ny manao ny marina sy ny tsara hatrany,eny fa na dia tsy mpivavaka aza izy.Ny tsy fahalalany na ny tsy fanarahany na ny tsy finoany an'i Jesosy no mahasamy hafa azy.Fa ny didy folo aza dia fantany na mihoatra noho izany rehefa te-hanao ny tsara izy(mahafantatra ny tsara sy ny ratsy).Saingy eo amin'ny kristiana dia ny fampahafantarana fa Ata dia iray ihany ary tsy tokony hivavaka amin'ny hafa fa saro-piaro Izy,tsy azo vazivaziana,nanavotra ny aian'izao tontolo izao teo amin'ny ota ary nomeny ny zanany nisolo ny tambin'ny otantsika.

7- sy ny sisa izay hitanao ho tanisain'é !

Ny sisa dia efa lalam-piaianan'ny olona io ka misy foana ny manao ny tsara sy manaradia an'i kristy ary misy foana koa ny manao ny ratsy na milaza aza izy fa mpanara-dia an'i Kristy.Safidy io fa ny faniriana dia ny ahavonjy ny havana aman-tsakaiza rehetra.


23. marozevo ( 09/07/2007 22:33)
D'ac amin'i Nyrina aho eto, afa-tsy amin'ity paragrafy ity :

Efa nolazain'ny namana fa efa lava ny fanazavana an'io,raha kristiana dia tokony tsy hino ny maty na hivavaka na hangataka aminy satria izy efa maty ary tsy misy mitaha izany intsony ny maty fa finoana ihany io,hajaina izy fa tsy afaka ny hangataka zavatra aminy isika fa manjary ny satana indray no mahazo vahana.Na ny herin'ny maizina aza dia misy tokoa ary mahavita fahagagana ihany koa.

Ny tsy maha d'ac ahy, ankoatra ilay Litania voalazako ao ambony ao, dia izao : Tamin'izay mbola paps kely dia nisy katesizy nampianarin'i Mopera anay manao hoe :

Q : Moa tokony hajaina ve ny Razana ?

R : Eny tokony hajaina ny Razana satria nitoeran'ny Fanahy Masina ny vatan'izy ireny fahavelony, ary afaka mivavaka ho antsika izy nony nodimandry.
24. andrylahy ( 10/07/2007 05:43)
Marozevo :
Ny tsy ekeko fotsiny momba io, dia raha ilay Razana no iantefan'ny vavaka hatao. Ohatra : Md Paoly ô, mba ataovy Apostoly mahery fo toa anao aho. Raha io tsy ekeko satria i Md Paoly no ivavahana. Fa raha hoe "Andriamanitra ô, mba omeo fo mahery sy tia anao tahaka an'i Md Paoly aho"... io kosa tsy hitako izay maharatsy azy.

io hevitrao io dia tsy midika hoe mangataka fitahiana @ razana fa mangataka mba hanana ny heriny na hitovy aminy.
25. marozevo ( 10/07/2007 08:00)
hay !.... Tsy haiko fa io, na mitovitovy amin\'io no tiako holazaina.
26. piste ( 10/07/2007 08:53)
Ary raha ohatra atao an'izao indray: "Md Paoly ò mivavaha ho ahy mba ho tonga apostoly mahery fo tahaka anao aho".

Sa ianareo tokoa tsy mino ny fitsanganana @ maty ka izay heverina ho lasan-ko razana dia efa maty tsy mifoha intsony.
27. mimich ( 10/07/2007 09:13)
Kristianina sy ny mahaGASY ary ny GASY.Miaraka ve sa tsia ? >
eny rehefa fakafakaina ifotony ny nahavian'ny zavatra iray fa sty raisina an-tendrony na ara-bakiteny dia afaka mifandrindra tsar ny maha malagasy sy ny maha- kristianina.

Raisiko oh ilay hoe famadihana sy ny fanandroana???

Fantaro aloha hoe inona moa ny dikan'ny famadihana, ny tanjona sy ny zava-kendrena , fa raha tsy diso aho tsy mifanohitra amin'ny maha kristianina io, raha mifototra amin'ilay hoe fahatsiarovana , fanajana sns

Ny momba ny resaka fanandroana indray. inona moa ny tanjona sy ny zava_kendrena tamin'ny fanandroana, ataoko angamba fa ny hahazoana andro tsara sns, hahatomombana ny zavatra izay kasainana atao, ary tsy ny famadihana irery ihany no nila fanandroana fa saika ny zavatra rehetra natao : fanambadiana , fandevenana, famorana sns,
Raha zay ny tanjon'ny fanandroana teo amin'ny malagasy , ka nahoana moa raha soloina dia tadiavina ny zavatra mitovy lenta aminy amin'ny maha kristianina dia ny fitondrana am-bavaka ( lamesa na fotoam-pivavahana manokana na vavaka hasivian'andro ohatra) ho fangatahana mba hahatontosa soa aman-tsara izay kasaina.

Noho izany tsy voatery hifandrirotra foana akory ny famadihana sy ny fanandroana , raha tianao atao araka ny maha kristianina anao.

Nahoana no afaka nosarahina ny fanandroana sy ny fanambadiana , na ny fandevenana, fa nosoloina fotoam-pivavahana , na Sorona Masina, ko nahoana moa ny famadihana (izay fomba malagasy nefa tsy manohitra ny maha kristianina araka ny fahitako azy) no tsy ho azo sarahina amin'ny fanandroana ka soloina toy izany koa am maha kristianina.

(asa raha azonareo ny tikao lazaina !!!)

Ny tiako hotsipihina fotsiny dia ilay famaritana ilay famadihana no tsy mitovy ka mahatonga ilay tsy fitoviam-pijery angamba. (momba ady hevitra hafa indray io angamba fa aleo tsy idirana lalina)


28. ikaretsaka ( 10/07/2007 14:33)
ary tadidio fa manandro anie ny mpanao calendrier mamaritra hoe amin'izoa ny paka dia amin'izao no manomboka ny lavenona zy ny karemy dia amin'izao no zoma masina dia amin'izao no ascencion e!

na ny andro isan-kerinandro aza! naninona no natao heo talata androany fa tsy Alahady ohatra?
29. marozevo ( 13/07/2007 17:39)
ie.... tena izay mihitsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1657