vady maditra

1. mioratsara ( 27/06/2007 14:30)
slt,aona ny atao ra manana vady maditra,efa manan-janaka 1,ary efa nisaraka 1an zahay,mety mbola hisy fanantenana iany ve?
novalian'i bazylou ny 03/08/2008 17:04
2. Fiffi ( 27/06/2007 14:39)
mioratsara:

slt,aona ny atao ra manana vady maditra,efa manan-janaka 1,ary efa nisaraka 1an zahay,mety mbola hisy fanantenana iany ve?
heu....miankina am firesahanareo hiany io....raha mba ny zaza tsy manan-tsiny no mba jerena de mba mety avotra hiany...samy mba mahay mamela heloka de mba mifona de mba ny ho avin'le zaza no dinihina......


3. Nirina1 ( 27/06/2007 15:10)
Diniho ihany aloha dia jereo tsara ny à long terme hoe tena misy fanantenana ve. Izy ve aloha mba mifona sy mihezaka mitalaho hiverina sy mampiseho hoe malahelo anao sy ny zanakareo? Marina fa eo ny pardon sy ny sisa fa ataonao ahoana koa anefa ny fanomezana azy pardon raha izy aza tsy mifona sy tsy miaiky hoe tsy mety ny nataony. Avelao izy no hanao effort hi reconquérir anao fa raha tsy manao izay izy dia karakarao ny ho avinao. Raha nahavita tena ianao izay herintaona izay tokony hahavita tena amin'ny ho avy.
4. Imahaka ( 27/06/2007 15:42)
Raha ny hitako sy fantako dia matetika tsy misy fanantenana raha efa ho 1 taona nisarahana izany. Afaka manandrana mifamerina sy miresaka ihany anefa
bon courage
5. mignone ( 27/06/2007 16:07)
:-D:-D
6. sylvain ( 27/06/2007 17:36)
sarotra ihany aloha é!raha indrindra ka hoe maditra t@ vhv izy,ka indrindra efa misy miaraka aminy koa,fa d zay hahaso ny zaza atao sy hitadiavana marimaritra hiraisana,ary vhv angamba enao é!
7. Ilaka ( 28/06/2007 10:53)

Tokony handinika tsara aloha eano e! fa matoa efa nisaraka ela toa izany dia misy ny antony, sady nandritra ny fisarahanreo ve mba nanao effort izy? Ny teniko aminao dia izao ny avenir ny zaza jerena.
8. zetamae ( 02/07/2007 11:55)
raha ny fanantenana aloha de tena mbola hisy fotoana mbola hampiaraka anareo roa satria araka io fanontanianao de ohatra ny mbola tia ianao ka le zananareo ihany no hampiverina anareo roa indray
9. arson ( 05/07/2007 07:36)
(tohiny)nefa anie ny tanana zatra mitsotra tsy afa mivokona intsony e!
10. ragabany ( 05/07/2007 07:37)
mbola tia anao ve nefa le vadinao ary ianao ve mbola tia azy?raha izay mantsy no zava misy dia le anao premier pas no blem aminareo,nefa rehefa tena tsy misy hevitra intsony satria efa eritaona zay dia mampidira divorce de izay ahatafita ny zaza atao e.mahereza e!
11. mirana5 ( 09/07/2007 19:29)
Tanana mitsotra tsy mahay mivonkona intsony, ny zaza no mampalahelo, fa kely finoana aho raha mbola avotra ny olona tahak'izany:cry::cry::cry:
Ny azonao atao koa dia maka médiateur familial, isan'ny programa amerenanao ny vadinao @ lalan-mahitsy! Aiza miandry ela loatra sao dia efa latsa-paka loatra ny fakany é

Mirary fahombiazana ho anao, tolona lavitrezaka tsy lavina:wink::wink:
12. bouny ( 10/07/2007 14:59)
slt, tsy misy ohatran'ny fifampiresahanaihany no tena vahaolana @zany fa rehefa tena tsy hita zay marimaritra iraisana dia samy miaina @ fiainany de tourneo la page e de va vers l' avenir
13. casanovah ( 13/07/2007 10:08)

Keski te fè rire! hein, c'est pas une histoire drôle tt de mèm.

14. sympa ( 14/07/2007 00:47)
8-)
15. rhina ( 31/07/2007 11:34)
fa nga ko d omby no fehezina e
zao no atoroko anareo

mahaiza mfampitaiza asio tsikitsiki s fandeferana ny zavatra rehetra mresaka mfanakalo hevitra d mba ento mandende n vadi fa aza alevina velina ao antrano ao na mande miasa d rehefa tonga ao antrano d mfanabe tarehy fotsiny ao
manao zavatra iraisana oh: sport sns
d mba miaraka matetitetika e na dia efa misy akizy aza a raha tsy misy ireo mantsy d manjary lasa le jour le jour e
ts mis tsirony

zay fa za mbola ts tena expera an fa efficasy io
16. mignone ( 03/08/2007 18:38)
casanovah > nisy namaly nampimé teo fa nisy namafa ok :°)
17. gasinamana10 ( 26/08/2007 17:46)
slt, apetraho tsara alo ny fanontaniana hoe tia mifankatia marina ve? sa ny bika, tarehy, vola, fahaizana, no itiavana. @ ankapobeny dia ny tsindrin'ny fianakaviana sy ny manodidina no tena olana. Ny fotoana koa tena manova zavatra, rehefa tsy mety dia mitotoa koba ho mandina, mahereza
18. rivochris ( 05/09/2007 12:48)
Slt daholo, ra mijery ny manodidina aho de maro tokoa ny sedran'io zava-misy io, nohon'ny fiainana ara-bola, rendrarendra, ary indrindra ny "solutions de facilité". Amiko, ny tena zava-dehibe de ny mandalina ny antony nahatonga an'io fisarahana io, ra toa ka mitsinjo ny hifamerina izy roa. Ny atao hoe "mifameri,a" mantsy de tokony hoe ;misy fanarahana @ lafiny fepetra vaovao isankarazany hitondrana ny tokantrano. Dacor tsara @ lay intérêts ny zaza koa aho, satria tsy fidiny hoazy izany situation izany fa matetika vokatry ny ambom-pon'ny lehibe, manadino ny tena adidy Masina, de ny fanabeazana sy fitsinjovana ny avenir-ny ankizy...

19. pink ( 13/09/2007 20:11)
io araka ny toerana misy anreo.Raha tsy miova mihintsy ny tontolo iainana dia sarotra ny hampiova ny mentalité nentiny.:!:
20. maum ( 16/12/2007 05:40)
Salut
Diniho tsara aloha oe, inona no important kokoa aminao, ny zaza sa izy, amiko manko tsy tonga2 fona izao zvtra izao, ary koa efa ho 1 an nareo no nisaraka,dia vita fomba aradalana teo @ fiangonana sy ny fanjakana ve anefa sa dia @zao fotsiny,ny zaza ange tsy naniry ny ho ety antany e,fa firy taona kay ilay zaza zao, ny hoaviny no banjino sy dia efa homano dieny izao @ herinao fa aza dia manntena azy loatra intsony, marina fa mety ho mbola tia azy enao fa mba manana ambompo e, ary tsy vitsy ny vehivavy tojo olana toa anao izao nadia eto Dago fotsiny aza,ka zao courage enao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8734