gratin dauphinois

1. ravakamalala ( 22/06/2007 19:11)
ahoana kay ny fanaovanareo aan io gratin io?
mba nanandrana aho androany fa be rano be mahatsiravina avy eo, nefa efa nataoko 30mn à 180°
novalian'i hantakely ny 05/09/2007 18:31
2. kally ( 22/06/2007 19:45)
Ny ahy kosa tsy 180 fa 200° dia efa mafana izy vao atsofoka dia 40 na 45' eo.F'angaha rano fa tsy ronono no nanaovan'i Ravaka azy? Andrahoina kely @ ronono aloha fa atsofoka ange sa ahoana ny anareo?
3. fasaly ( 22/06/2007 21:14)
ny ahy koa otranzay an'i kally zay fa ny ahy aza crème fraiche mitsy no handrahoiko azy de apiko ronono kely fotsiny refa lay hoe alidanté iny izy vao atsofoka anaty four amzay asina fromage special gratin eo ambony, somary ovaiko asiko tongolo rondel eo ambony manova ny gout ny fa hummmmm....
ny crème sy ny ronona mitambatra juste mandrakotra ilay ovy rehefa mahandro azy tsy hatao afo mahery fa somary malefaka tsy hampirakitra sy maha may azy de aroina matetika....aza hadino ny sira sy ny epice hafa raha tina
4. miangalyandria ( 23/06/2007 01:02)
Izany arohina izany ve ry Fasaly tsy ho potika be sa ... Ny ahy crème no ataoko dia tsy misy fromazy fa mmhhh ihany !
5. ravakamalala ( 23/06/2007 07:56)
zao no nanaovako azy :
andrahoina miaraka am ronono sy sira sy poivra ary tongolo lay ny ovy efa voatetitetika, mandritra ny 10 mn eo, atao afo malefaka, sady aroroina!
asiana beurre ny plat d arotsaka lé ovy sy lé ronono
asiana creme liquide kely eo ambony , fromage, d atsofoka am zay!
efa no programmer-ko hoe 45 mn fa dila ny 30 mn d doré be ilay teo ambony, efa saika may aza!

ronono 1/2l no nampiasaiko fa juste manasarona an ilay ovy ilay izy

za koa anie mba gaga hoe inn koa ty rano b ty??????????
6. diamondra27 ( 23/06/2007 10:10)
f'anga tsy andrahoina mitokana à la vapeur aloha ny ovy de @zay tsy mitera-drano?
atao moitié cuite
de zay vao atao doly reo lazainareo reo
7. booboo ( 23/06/2007 10:14)
Ary raha ahena ny vol. n'ilay ronono ?

Ny ahy kounkou th7 ary any @ 50 min any ho any ny fahavitany. Rehefa doré aloha beee loatra ilay tampony dia saromana feuille allu...
8. kelly13 ( 23/06/2007 11:42)
ny ahy tsotra kely ===>mande mividy any @ traiteur, hihihi! tsy mahay manao lakozia ny tena e :oops:
9. bidagda ( 23/06/2007 13:32)
ty ny gratin dauphinoisko!!ny ahy fidina tsara ny ovy atao gratin satria misy ny ovy matsao, ovy volomparasy reny na ovy mbola somary mamovoka misy fotaka iny no tena tsara, andrahoina @ ronono fa tsy rano raha vao misy rano kely de simba , afo malefaka, aroroina matetika, arotsaka ny tongolo lahy ny tena mety dia le tongolo lay efa anaty tavoahangy kely ireny, jerena raha efa misy miparasaka le ovy de ajanona ny fandrahoana azy @ ronono, ny four efa nafanaina mialoha, arotsaka anaty plat à gratin, raràna fromage @zay eo ambony, araraka ny poivre avy eo dia izay, 20mn eo iny dia doré, na tsy asianareo beurre sy crème fr ary misy tsirony foana fa ialàna @ le gras be tsinona aleo lavitra aza be ronono toy izay asiana crème sy beurre
10. tess ( 23/06/2007 14:00)
miangalyandria:

Izany arohina izany ve ry Fasaly tsy ho potika be sa ... Ny ahy crème no ataoko dia tsy misy fromazy fa mmhhh ihany !


ka izy mbola mantamnta iny anie no aroina fa tsy avela malemy masaka be fa vao alidanté iny de atsofoka anaty four e!:-P


11. tess ( 23/06/2007 14:01)
dimaondra: sam manana ny fandrahoiny azy fa ny resultat no mi compte;-)
12. booboo ( 23/06/2007 16:14)
raràna fromage @zay eo ambony,


Bidagda > raràna fromage ? :-w...rarahana hoe...
13. xxx ( 23/06/2007 19:57)
Ny tena gratin dauphinois dia tsy mila fromage fa pitsopitsony taty aorina io!
Handrahoina @ rononony ovy sns....
Ny grand cuisinier tsy mila fromage izany!
14. fasaly ( 23/06/2007 21:30)
ka samy maninana ny tiany sy ny fiovoaran'ny fandrahoina ihany io:-P
15. xxx ( 23/06/2007 21:35)
fasaly:

ka samy maninana ny tiany sy ny fiovoaran'ny fandrahoina ihany io:-P


Ny tena izy ry fasaly dia tsy misy an! Hanontanio any frantsa fa ny tena gratin dauphinois tsy misy fromazy fa ilay eny @ aldi sy @ boaty ireny no hasiana na misy an! ny any aminareo aloha dia efa nasian'ny olona e! fa ny vrai dia tsy misy!
16. xxx ( 23/06/2007 21:36)
fasaly:

ka samy maninana ny tiany sy ny fiovoaran'ny fandrahoina ihany io:-P



fivoarany? Toa ilay pâty ve?
17. fasaly ( 23/06/2007 22:13)
ka ny nahandro ange mba mivoatra ihany koa e! otran'ny fivoaranny zavatra rehetra ihany , ka raha tsy nisy formazy ny gratin tamzany fotoana izany de nisy nanisy lay izy ary tsy ratsy fa matsiro ...
fa zany resaka paty zany tsy haiko klou:-P
18. bidagda ( 23/06/2007 22:15)
merci booboo! tsy mieritreritra orthographe aho refa manoratra fa izay ahazonareo azy fotsiny e! mandany andro ra mbola eritreretina daholo
19. tess ( 23/06/2007 22:25)
hihihi! itovizana ihany io...ny ahy zany zé hahavita ny soratra malaky no tandrona :-D
20. Rafotsy ( 24/06/2007 09:02)
Salut daholo !
Nareo reto koa tena mampihomé mihintsy !
Ny ahy izao rehefa miketrika miaraka @ ronono ilay ovy , dia avy ilay zanako lahy : mets un peu de lardons , maman , ! , dia tonga ilay zanako vavy : mets un peu de crème fraiche battue avec 1 ou 2 oeufs , dia tonga i baina : tsy tsara ve Rafotsy raha asinao rapé kely ? Dia ataoko daholo ireo ! Ny fantatro fotsiny dia matsiro ilay izy:miam::miam: fa asa na mbola azo antsoina hoe gratin dauphinois ? :-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1738