767

1. bazylou ( 20/06/2007 23:25)
io no avion vaovao novidin'ile8 hanaovany ny opérationny rehetra mankany sy avy any MAdagasikara.
Efa voaloa ny vola ary tsy hisalotra ny anarana air mad fa air tiko....:wink::wink:
novalian'i tsoraka ny 29/06/2007 02:49
2. Zazala ( 20/06/2007 23:41)
=D Io zao ny zava-bita fa tsy wawawawa. =)) Ma asehoy anay ny sary raha misy.
3. Jeankely ( 21/06/2007 02:13)
Izao ilay ataonareo sy hazavinareo hoe "FANOHERANA MAMPANDROSO". Omeo tehaka hatrany=D.
4. kally ( 21/06/2007 07:04)
Mhmm! manaiky aho fa tsara ny manana fiaramanidina SAINGY jereo ny fiatraikany eo amin'ny toe-karena.

- Ny vidiny efa voaloa : mba fantatrareo moa ny loza ao ambadik'io? Devises ny fividianana fiaramanidina fa tsy ariary : mihena indray izany ny devises gasy.
Ny olona na be vola be tahaky ny inona aza tsy mandoa zavatra cash izany fa trosa foana mba ialàna @ fatiatonka : hafa kokoa ny miala ariary 100 isam-bolana mandritry ny telo taona ( na misy zanany ariary 5 isan-taona aza) noho ny miala 300 indray mandeha.Vao mainka mampitombo ny fatiatonka efa misy eo @ toe-karena Malagasy ny tarehin-javatra ohatr'izao.

Dia izay tsy faly tezera fa aza manota:wink:
5. Jeankely ( 21/06/2007 07:11)
Fa tena izay mivoaka izany dia ny "President" daholo no manao azy fa tsy ny fitondrana akory an? Ny isan'ny Fiaramanidina ao Madagasikara dia anisany mampalahelo fa vitsy dia vitsy ary samy mahita ianareo andafy ireo fa firy ny Fiaramanidina miainga isaky ny 5mn any amin'ny misy anareo any? Na ampiana 40 aza mbola tsy ampy fa aleo hiampy=))
6. kally ( 21/06/2007 08:18)
Averiko ihany fa manaiky aho hanampy isa ny fiaramanidina na hipetra-potsiny aza fa ny fomba fividianana azy tokony asiana fandinihina kely.
7. Jeankely ( 21/06/2007 09:01)
Amin'ny fahitanareo azy izany dia tsy misy fandinihana daholo ny rehetra ato ao Madagasikara ao. Resak adala sa dondrona daholo izany? Miverina amin'ny resahan'i VINDINA ihany hoe izahay rehetra moban'i Madagasikara dia tsy misy izy. Dia mafy tokoa ny mahazo ilay Madagasikara raha izany foana no lazaina mampalaza azy.
8. kally ( 21/06/2007 09:43)
Jeankely:

Amin'ny fahitanareo azy izany dia tsy misy fandinihana daholo ny rehetra ato ao Madagasikara ao. Resak adala sa dondrona daholo izany? Miverina amin'ny resahan'i VINDINA ihany hoe izahay rehetra moban'i Madagasikara dia tsy misy izy. Dia mafy tokoa ny mahazo ilay Madagasikara raha izany foana no lazaina mampalaza azy.


Taiza ho aiza no nilazàko tamin'i Jeankely hoe resak'adala sy dondrona? Mba vakio tsara moa fa aza entikentim-po fahatany r'ise ity a!:-o

Tsy nilaza an'izany mihitsy aho ry Rajeankely, ary io nolazaiko io ambony io ny lafiny tokony nodinihina t@ io fividianana fiaramanidina io.

Izany hoe aminao izany dia tsy mba jerena mihitsy ny lafy ratsy izay azo hatsaraina ary tsy manakana ny fividianana ilay fiaramanidina fa dia mety daholo, oui m'sé, izay mitranga, bravo m'sé!! izay izany??

Raha izay tehaka izay no andrasanao dia omeko tehaka be ary e!

9. Jeankely ( 21/06/2007 10:01)
Ka efa aza ary ve sa tsy mbola? Ary inona no maha-mpitondra azireo rah hindry ny hevitra sy fitsikerana foana. Na mety io an'ny mpitondra tsy mety azy ary izy no hiantefany any aoriana. Inona no zavtra mitranga ao Madagasikara no tsy tsikera no tonga aloha. ary araka ny teninao misy ve koa zavatra tonga lafatra. Ny resaka "efficence", tsy haiko fa amiko misy mba nianatra ao ary ny sampana rehetra amiko samy mandray anjara amin'ny fanapaha-kevitra fa tsy misy izany hoe ny "President" daholo no manao izao rehetra izao.
10. ramorafr ( 21/06/2007 10:14)
Efa mba mandreraka koa ity fitsikerana lava tsy ma ahita solution ity marina.ireny be tsikera ireny indrindra rehefa mahazo toerana de tsy mahavita ninoninona akory.
11. Jeankely ( 21/06/2007 10:24)
Mampiomehy izy ity fa nahazo akama indray aho ity. Ok "ramorafr" a. Tsikera tsikera nefa tsy hanao fa hisakana fotsiny izao. Avy eo nefa milaza hoe tsy misy fivoarana ialahisany ao Madagasikara sady mbola PMA no tsisy saina daholo. tena mahasosotra fa aza tamin'ny andro nahatanora tokoa fa misy vaky vava betsaka tokoa. ity "bazylou" ity dia tiako esorina amin'y daka ny nifiny=))=))=))
12. bazylou ( 21/06/2007 11:33)
nivaralila mihitsy ilay tany mena nandihizako marina!! alefaso dia ho hita eo ny daka nifinao e!! tony le andevo lahin'ilay 8 mpisolelaka etsy sy eroa:: tsy mahita lavitra fa ny akihikeliny ihany no hitany!!
TONGAVA E§§:-P:-P
13. Jeankely ( 22/06/2007 02:00)
Ialahy tsy maintsy mbola ho azo fa aza taitra. Kapaho fa manimba ny tany.
14. xxx ( 23/06/2007 19:08)
tsy dia mahay politika ny tenako ka @ mahadondrona ahy no ilazako hoe naninona tokoa moa ny vola nandoavana izany 767 izany raha natao hi-developper-na ny tourisme,ohatra. raha tsy diso ny fitadidiko dia efa nividy fiaramanidina hafa ny filoha, dia hatao inona indray ity iray vaovao ity? sady raha tena marina ny source an'i bazylou dia payé cashilay izy. ary ilay 747 iny moa izany nanao ahoana ny fiafarany? ny henoko farany dia lasa tranon'akoho ao CDG ao izy.
15. Jeankely ( 24/06/2007 02:23)
Tongava dia ento Madagasikara raha mahay fa tsy mety ny "Pilotage à distance". Miandry ny vahoaka reraka.
16. kally ( 24/06/2007 09:07)
Jeankely:

Tongava dia ento Madagasikara raha mahay fa tsy mety ny "Pilotage à distance". Miandry ny vahoaka reraka.


Dia izany ve sisa no tsoa-kevitra hita? Nankaiza ny hevitra mivaingana mba azo raisina amin'ny adihevitra ohatr'itony?
17. Jeankely ( 26/06/2007 01:58)
Averiko manana "Presiddent" sady misy "Governemantra' i Madagasikara ka raha hiandry ny "Pilotage à distance" dia na izahay koa aza tsy faly aminy. Rehefa mahay dia tongava fa sady faly mitanisa ny fahantranay no be resaka. Donc donc donc=))=))=))
18. kally ( 26/06/2007 07:29)
:?::?::roll:
19. Jeankely ( 26/06/2007 08:31)
Inona no mahagaga fa mbola ampiana aza ireo sa tsy izany ry donc donc donc=))=))=))
20. mionona87 ( 26/06/2007 15:11)
aza mitabataba lesy fa mba milatsà filoha koa de mividy sambo ndray an:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084