Fanandratana ho olo-masina

1. xxx ( 17/06/2007 08:30)
Tsy azoko tsara lay fanadratana ho olo-masina ataon'ny papa ireny e!Ny maty zay tsy hsandratra ho olo-masina zany de tonga de very any @:evil::evil::twisted: daholo?
Moa ve ao @ finoana katolika ihany no misy azy io?
novalian'i marozevo ny 23/06/2007 21:46
2. marozevo ( 17/06/2007 10:02)
Tsia... tsy very akory izay tsy asandratra ho olomasina na olontsambatra.
Ny ortodoksa koa misy olomasina sy olontsambatra, fa ny fomba fanandratana azy tsy haioko loatra.
Ny "canonisation = fanandratana ho olomasina" sy ny "béatification = ho olontsambatra" dia efa nisy talohan'ny fisarahan'ny tantsinanana sy tandrefana(11ème siècle). Izany hoe tamin'ny 16ème siècle izany (Luther), dia efa niombonana ny fisian'ny olomasina.
Ny Témoin de Jehovah toa tena tsy manaiky ny fisian'io mihitsy. Tsy haiko ny antony.
3. Fiffi ( 17/06/2007 10:28)
xxx:

Tsy azoko tsara lay fanadratana ho olo-masina ataon'ny papa ireny e!Ny maty zay tsy hsandratra ho olo-masina zany de tonga de very any @:evil::evil::twisted: daholo?
aiza kosa ? de hi-existe ve ny kristiana raha ho any am :evil::evil: ny olona rehetra afatsy zay nasandratra ?


4. ikaretsaka ( 17/06/2007 13:16)
misy antony betsaka koa ny fanandratana olomasina sy ny antony ilaina azy sy ny nahatonga azy ho izay!
fa inoako fa hiiha miseho ihany araka ny fandroson'ny dinika
5. rakaroka ( 17/06/2007 15:40)
xxx:

Tsy azoko tsara lay fanadratana ho olo-masina ataon'ny papa ireny e!Ny maty zay tsy hsandratra ho olo-masina zany de tonga de very any @:evil::evil::twisted: daholo?
Moa ve ao @ finoana katolika ihany no misy azy io?

Tsy ny katolika ihany no mihevitra io fa karazan'olona mmmmaaarooo nifanerasera tetsy sy teroa:
Raha ny fahazoako azy dia misy ambaratonga ny fiainantsika indrindra eo amin'ny lafiny ara-panahy:
Misy "niveau spirituel" isan-karazany izay tsy isika loatra no mamaritra izany fa ny akon'ny fisiantsika eo @ mpiara-monina, ny tontolo ary possible miantraika amin'ny extra-tsy ho voavinantsika akory!
Misy analogie ny fanajan'ny 'ntaolo ny zokiolona sy ny fampianaran'ny baiboly ny ray aman-dreny, ary tahaka izany koa ny :"raha ray aho aiza izay hajako?"
(bonne f^tes aloha ireo papa du monde e!:wink::lol:).
Raha eo amin-drizareo mino ny karma dia misy karazan'olona efa nahavita "évolution spirituel" efa "avancé" kokoa , donk izany no ahatarafana ny karazana "échéllon" maro samy tefena araka ny vita sy ny fahalalahany hanatratra ilay "endrik'Atra Ray".
Dia tsapa tokoa eo @ diavintsika fa misy olona masina kokoa mitaha @ sasany. Ny ampitovy ny rehetra tahaka ny nampianarana ahy fahiny : "TSIA dia TSIA amiko" satria miara-niaina @ ireo karazana olona samihafa aho, ary tsy afaka ny ampitovy ny rehetra mihitsy aho satria "TSY MITOVY" na ny fiaina na ny fisaina, na ny laharam-pahamehana, na ny fitodiky ny fiainana sns....ary eo no nahatsapako fa misy olona
matotra, mendrika, masina kokoa, donk mitombina ny fanandratana ny olona ho masina amiko satria efa hita taratra ny fiainan-danitra @ ireny olona ireny?:idea:

6. ikaretsaka ( 18/06/2007 05:42)
mitovy fijery @ rakaroka
namaste
7. hery ( 18/06/2007 07:01)
Ny fanandratana olontsambatra na olomasina eo amin'ny katolika dia tsy ho an'ilay olona nasandratra mihitsy fa ho an'ny kristianina. Tsy hoe nomena grady tahaka ny chevalier d'ordre national sns.

Matoa asandratra ho olontsambatra na olomasina ny olona iray dia ankatoavin'ny Fiangonana ho ofisialy hoe azo atao modely ny toe-piainana sy toe-panahy niainany. Izany anefa tsy mandà hoe tsy azo atao modely ireo niaina fiainana tsara tety an-tany.
8. rakaroka ( 18/06/2007 20:55)
Tsy @ ny katolika ihany no ahatsapana izany ka, ny tsapa sy tsaroako dia ilay teny hoe "ianareo no fanasin'ny tany: raha ny fanasina no tonga matsatso;inona no ahasira azy?".
Ka ilay "akon'ny "fahamasinana" dia tsy mijanona ho an'ilay olo-masina fa ny voahary manodidina koa no
indray mankamany sy mankasitraka izany! :idea::lol:
9. marozevo ( 18/06/2007 21:05)
Tandremo fa misy fitsaràna gravy be vao tonga olomasina na olontsambatra an. Tena Tribnaly ngeza be mihitsy, ary maharitra be. Mandritra izany dia ohatran'ireny Tribnaly ireny eh : Misy ny manamarina (manolotra hevitra hanandratana ilay olona), ary misy ny manakana (mandiso ilay hevitra). Dia eo aloha ka rehefa tsy mahita halahatra intsony iretsy faharoa, izay atao koa hoe "vavolombelon'ny devoly", vao azo aroso ilay fanandratana.

Eveka amerikana tatsimo izay no presidà mikarakara azy io ao Roma, raha tsy diso aho.
10. rakaroka ( 18/06/2007 22:23)
Dia tsy arako loatra indray ny voalazan'i Marozevo izany:roll::roll::roll:, Ny tsapako dia efa ao anaty loi d'évolution ilay fihamasinana. Tahaka ny hoe miakatra tohatra ianao dia arakaraka ny fahamendrehana toem-panahy, fitondra-tena, toe-tsaina,fomba fiaina no iakarana, mety misy tierce perso manome "note":?: fa ilay fahatomombanan'ny momba anao rehetra no maninteraka ilay fahamasinana, tsy ny hafa aty ivelany fa développement avy any anaty. Matoa napetraka hoe ianareo no fanasin'ny tany...efa misy kélké chose
napetrany ao @ tsi1/1 fa jereo,dinio,hevero,kolo:wink::idea:y,sns
11. marozevo ( 18/06/2007 22:29)
Marina dia marina izany, fa ny ahy ange ilay "canonisation sy béatification" no resahiko eh.
Mila averina ve fa tsy hoe rehefa tsy olomasina na tsy olontsambatra dia olom-bery.
12. rakaroka ( 19/06/2007 04:35)
marozevo:

Marina dia marina izany, fa ny ahy ange ilay "canonisation sy béatification" no resahiko eh.
Mila averina ve fa tsy hoe rehefa tsy olomasina na tsy olontsambatra dia olom-bery.


Ka eo indrindra no tsy hitovian'ny fijery "chrétien"
zatra ity "fahaverezana sy famonjena ity", ny an-drizareo mino ny karma sy ny lojika de base rehetra,
araka ny voalazako hoe misy ambaratonga: tahaka an'i Dox izao nanoratra hoe tsy hodinganina ny maty @ tohatoha-miakatra, ny an'ireo mino ny karma dia manohy ny fiainanao arakaraka ny niainanao ilay fiainanao teo aloha ianao...mitovy analogie @ hoe samy manana ny "parcours-ny ny tsi1/1 " manatratra
ilay "endrik'Atra ara-pahariana antsika" dia samy mihazo ny lalany avy: ny maha-izy =>IZY Azy,
nomena possibilité mitovy dans le même règlement
ao anaty liberté. Vokany hita eny an-dalana misy
Alpinisme efa presque tonga ery an-tampon-tendrombohitra, misy vao ery an-dohasaha.
Dia ho an-drizareo mino karma miverimberina manefa, tefena,@ alalan'ny fiverenana eto an-tany ihany ianao arakaraka ny nataonao, ka miantoka ny "chance-nao rahampitso foana ny efanao androany".
Ny olona efa nahatratra "tel niveau spirituel" no afaka ho iray amin'Atra: logique kosa izany e! fa ireo tsy mbola ao anatiny dia mila manao mise à jour
de différente façon izy vao afaka ho compatible @
"Fahamasinan'Atra":"Aoka ho masina isika fa masina ny Ray"8O
Misy "analogie" eo @ fiainana andavan'andro koa izany hoe: rehefa manala fanadinana, dia miverina manala izay tsy afaka fa tsy hoe i Jesoa no hanao izany à sa place : NON:roll:. Ary raha mizotra @ lalana iray ny rehetra , na mpihazakazaka na mpifaninana sns: ataoko ny ezaky ny tsi1/1 no mamaritra hatrany ny "position" hisiany: Dia ireny hitantsika misy différente classement dans notre vie!
13. rakaroka ( 19/06/2007 05:23)
Mikasika ny "canonisation" :
Raha ny marina tsy katolika sy tsy taiza katolika mihitsy aho fa efa nisy fotoan'andro nandehanako namangy monastère na nifaneraserana t@ olona izay tsapanao avy hatrany ho manana "HASINA" izany!
Bien sur mety nisy kilema sns araka ny fitenintsika hoe olona tahaka antsika fa ny hadisoana tsy nahy, mitaha @ finiavany miaina @ tsara no heveriko hoe "tsy ho isain'Atra ho helony izay "petit défaut tany".D'ailleurs ny olona MASINA efa nifanenako, tsy rizareo na andian'olona vitsy no manamasina ilay olona fa des milliards de perso no miara-miaiky fa "mendrika dia mendrika lé olona!" Tsy nananako intsony ny esprit "critique" hoe an!an, fa niara
niaiky toy ny rehetra koa fa ao @ ilay olona tokoa ny "Hasina" matoa "efany ny tahaka izao....sy izao.
Misy koa ny fanamasinana etsy sy eroa ataon'ny mpitandrina, sns, ...fa tsy "masina" tanteraka avy hatrany raha tsy miaina ara-pahamarinana am-pitiavana an'Atra sy ny mpiara-belona!
14. andry44 ( 19/06/2007 17:04)
Araky ny fanazavan'i Marozevo:Tandremo fa misy fitsaràna gravy be vao tonga olomasina na olontsambatra an. Tena Tribnaly ngeza be mihitsy, ary maharitra be. Mandritra izany dia ohatran'ireny Tribnaly ireny eh : Misy ny manamarina (manolotra hevitra hanandratana ilay olona), ary misy ny manakana (mandiso ilay hevitra). Dia eo aloha ka rehefa tsy mahita halahatra intsony iretsy faharoa, izay atao koa hoe "vavolombelon'ny devoly", vao azo aroso ilay fanandratana.

Eveka amerikana tatsimo izay no presidà mikarakara azy io ao Roma, raha tsy diso aho.

Eo mihitsy no mipetraka ny olana kely angaha,ahoana moa no hahafahan'ny olombelona mamaritra hoe i ranona atao olotsambatra nefa io olona resahana io efa maty?Izy ireo angaha mahita ny misy ny fanahin'iny ilona iny tsony?
Ny tsy azoko angamba de zao hoe:makaiza marina zany ny fanahin'ny olona iray refa maty izy no mila benatification na canonisation??:roll::roll:
Misaotra
15. ikaretsaka ( 19/06/2007 18:41)
dia miverina amin'ilay lazain'i hery ary aloha aho
mamaly io fanontanian'i andry44 io
hery:
Ny fanandratana olontsambatra na olomasina eo amin'ny katolika dia tsy ho an'ilay olona nasandratra mihitsy fa ho an'ny kristianina.
Matoa asandratra ho olontsambatra na olomasina ny olona iray dia ankatoavin'ny Fiangonana ho ofisialy hoe azo atao modely ny toe-piainana sy toe-panahy niainany.

Resaka momban'ny maha ofisialy azy no ataon'io eveka io, mandinika hoe mendrika ny hataon'ny kristianina ho fitaratra tokoa ve ny oha piainana nasehony fony fahavelony?
16. marozevo ( 19/06/2007 18:45)
O rakaroka ah... Ny ahy zava-misy no lazaiko anie e... na inona iheverantsika azy dia io no zava-misy, fa tsy interpretation-ko akory io.
Tsy notohizako manko ilay izy, satria efa voalazan'ny hery ao ambonin'izay nolazaiko ny sasany.
17. xxx ( 20/06/2007 18:57)
Ho an'ny Andry44 :
tsy maintsy fotopotorana tsara ny momba2 ny fiainan'ilay olona hasandratra. Moa nanana fiainana mendrika tokoa izy. De toute façon, @ alalan'ny tantaram-piainana sy ny vavolombelona eo no hahafantarana izany. Toetra mendrika @ maha-olona sy toetra mendrika @ maha-kristianina.
Eo koa ilay vavaka atao @ alalan'ilay olona iny mba hahazoana fahagagana, indrindra moa ny fanasitranana.
Cas Jean Paul II ohatra : nisy masera iray nararin'ny maladie de Parkinson( nahazo an'i Papa koa io t@ faramparan'ny fahavelomany). Sitrana tanteraka anefa io aretina io @ izao rehefa nangataham-bavaka t@ alalan'ny Papa teo aloha ity.
Natao ny vérification medicale rehetr dia nanjavona tanteraka tokoa ilay aretina.
Porofo fa fahagagana no nahasitra an'ilay aretina, ary azo t@ alalan'ny fanelanelan'ilay olona ho asandratra.
Fehiny : azo lazaina am-pahibemaso izany fa olo-masina tokoa ity olona ity, ary mendrika alain-tahaka ny fiainany.
18. marozevo ( 20/06/2007 19:17)
Oay... azafady fa diso aho eo ambony eo... Kay tsy ho an-dRakaroka io fa ho an'i Andry44.
19. rakaroka ( 20/06/2007 20:22)
marozevo:

Oay... azafady fa diso aho eo ambony eo... Kay tsy ho an-dRakaroka io fa ho an'i Andry44.



:lol: Tsy misy olana re ry Marozevo an!
20. marozevo ( 20/06/2007 21:07)
Misaotra e... izany ka olona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1264