trafikan'ankizy .... mampalahelo
1. rapala
(
14/06/2007 18:12)
Trafikan’olona. Ankizy 43 nisy nangalatra, ny 15 tamin’ireo lasa any ivelany
14-06-2007 / 15:37
Nahatratra 43 ny ankizy nisy nangalatra tao anatin’ny 3 taona, ny 28 tamin’ireo dia tafaverina any aminy, ny 15 kosa efa nisy nanondrana any ivelany. Nirongatra kosa izy tato ho ato satria efa manomboka mahita fikafika hafa indray ireo mpanondrana zaza any ivelany, araka ny fanadihadiana natao.
Malaza ny hala-jaza eto amintsika amin’izao fotoana izao. Misy ny milaza hoe hakana taova izy ireny, misy kosa ny manambara fa hamidy any ivelany satria maro ireo mitady zanaka. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny polisy miaro ny zaza tsy ampy taona, dia nahatratra 43 ny ankizy nisy nangalatra tao anatin’ny 3 taona (2004 ka hatramin’ny 2006), tamin’ny raharaha tonga teo am-pelatanan’izy ireo. Ny 28 tamin’ireo dia hita avokoa ary naverina tamin’ny ray aman-dreniny fa ny 15 kosa efa nisy nanondrana any ivelany.
Raha ny antontan’isa, dia nahatratra 11 ny ankizy nisy nangalatra tamin’ny 2004, olona 20 voarohirohy ka ny 18 tamin’ireo nidoboka am-ponja. Ny taona 2005 : 16 ny fitarainana, 22 ny olona voarohirohy ka ny 14 tamin’ireo nidoboka ihany koa. Nihena kosa tamin’ny 2006 satria tsy nisy afatsy fitarainana iray, izay nahavoarohirohy olona 2 ka nampidoboka ny iray tamin’ireo.
Nirongatra kosa izy tato ho ato satria efa manomboka mahita fikafika hafa indray ireo mpanondrana zaza any ivelany, araka ny fanadihadiana natao. Isan’ny nampihena ny fangalaran-jaza tamin’ny 2006 iny ny fisian’ny lalàna vaovao amin’ny fananganan-jaza iraisam-pirenena teto amintsika. Amin’izao, efa hitan’ireo tsy mataho-tody indray ny lalana hafa hahafahana manangan-jaza ka izay no mampirongatra azy io.
Tsy ny zaza ihany anefa, fa ny ankizy vavy ihany koa, no maro mpanondrana hamidy (hatao kilalaon’ny vatana) any ivelany any. Araka ny vaovao azo aza, nisy ankizy vavy maromaro tany Nosy Be naondrana atsy La Réunion mba hamidy toy izany. Efa mby an-koditra izy ity, ka tokony hamafisina indray ny lalàna mba hiarovana ny zaza malagasy.
Fy
©Gazetiko
novalian'i rapala ny 25/06/2007 15:29
3. fanantenana2003
(
15/06/2007 07:59)
efa misy miresaka an'io mpagala-jaza io ato
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4670d15b36e4a
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4670d15b36e4a
5. rapala
(
18/06/2007 14:12)
cutie: mampalahelo mihintsy e, akory atao :(
Fiffi: raha mbola mitohy ny toy izao dia tena tsy hay intsony, enga anie mba hihetsika ny tomponandraikitra ny momba io.... ea mivoaka gazety dia tokony hisy homailo amin'izay.
Fiffi: raha mbola mitohy ny toy izao dia tena tsy hay intsony, enga anie mba hihetsika ny tomponandraikitra ny momba io.... ea mivoaka gazety dia tokony hisy homailo amin'izay.
7. tess
(
25/06/2007 08:44)
izaho manokana efa saika nahodin'ny olona hangalarina tamin'ny taoana maro lasa izay....
ny resaka nataony tamiko raha nanenjika ahy teny andalana izy dia hoy ireto tovolahy roalahy sady bikàna no tsara tarehy nanao hoe azafady anie e! ianao tena tsara bika be hoy izy fa mba mahaliana nao ve ny hanao mannekin ho entina any amin'ny mpikarakara azy enao miaraka aminay misy fiara ao....
hoy aho hoe mbola avy niasa mitsy aho io fa mila misasa misolo akanjo, dia hoy izy hoe an a an, andao ary hanatona ny fiara fotsiny dia miresaka eny, tena hitako hafahafa be ilay resaka na ny fiehtsinjareo dia mahana aho, izaho koa nipetraka tao am toby gendarme... dia ny tao antsaiko hoe hitondràko gendarme eo ireo avy e!...de hoy aho taminy hoe aleo mitsy aloha aho hody fa endraso eto....dia novaina indray ny resaka hoe misy bavin'ny ry zareo hono manana blem passeport sns fa naka visa dia mba afaka ve hono aho mody hatao hoe izaho ilay izy, hitako tena tsy norme itsony ny resaka dia kôpy aho fa olona hanodina hangalatra sipa ry zareo , vonona aho ny hampandre gendarme, hoy aho hoe avy eo tsy ho ela aho fa andraso an! nony niverina teo aho tsy teo tsony ry zareo fa lasa...asa natahotra angaha....
domazy......efa ela ny fanodranana olona am asa ratsy io fa tsy vao izao....

8. rapala
(
25/06/2007 15:29)
tess: soa fa fetsy indry izany fa raha tsy izany d asa fotsiny. Tokony ho mailo ny tovovavintsika rehetra fa tisy hevitra be ry zalahy @ famitahana.