Fiovana vitsivitsy hisy eto @ takelaka

1. hery ( 24/05/2007 15:39)
Hisy fiovana tsikelikely ny takelaka namana.serasera.org ato ho ato koa mety hisy olana madinidinika.
Ireto ny fanovana efa voavinavina sy efa manomboka tsikelikely ao amin'ny kinova faha 5.

- Ny mpikambana serasera rehetra dia tsy voatery ho hanana boatin-kafatra avokoa. Misy misoratra anarana amin'ny serasera kanefa tsy te hameno ny mombamomba azy sy hijery sary sns. Ohatra ireo izay avy ao amin'ny radiovazogasy.com na infogasy.net. Rehefa miditra eto amin'ny Namana izy ireny vao misokatra ny boatiny.

- Tsy afaka hiditra sy hampiasa ny site namana.serasera.org raha tsy mameno ny mombamomba azy. Afaka mampiasa ny site serasera hafa ihany anefa.

- Ho azon'ny namana fafaina ny mombamomba eto amin'ny namana. Mijanona ho mpikambana serasera (manana solonanarana sy tenimiafina) izay azony ampiasaina amin'ny site hafa izy avy eo. Ny hafatra, namana, sary kosa dia voafafa daholo.

- Endrika hiova kely. Amin'ny voalohany aloha dia hitovitovy amin'izay efa misy amin'izao fotoana izao fa hatsaraina miandalana. Ny fotoana no tena tsy misy... (ny mpandrebireby koa betsaka ;-))

Raha misy sosokevitra na faniriana anananareo dia afaka manararaotra izao fotoana fanavaozana izao.

Misaotra betsaka
Tsiky dia ampy.
Hery
novalian'i hery ny 21/02/2008 15:33
2. sitlo ( 24/05/2007 15:48)
Dia ny sary ve rehefa fafana dia voafafa tanteraka amin'izay sa mbola mijanona any am mem any ihany fa tsy mivoaka ao am sary fotsiny?

Raha izaho manokana aloha dia aleo voafafa tanteraka satria adalany no namafa an'iny koa. Aleo izy hitady fika handrindrana ny sariny any am blaoginy.
3. andry08 ( 24/05/2007 15:50)
misaotra!:)
4. Fiffi ( 24/05/2007 15:54)
- Tsy afaka hiditra sy hampiasa ny site namana.serasera.org raha tsy mameno ny mombamomba azy.
heu....zany hoe izay tsy nameno ny mombamomba azy de tsy tafiditra intsony ...de lasa mampihena ny isan'ny mpikambana ve io ? 18714 izy zao...de raha mba te-hiditra ry zareo mba hameno ny momba azy de tsy mety intsony ? fa voatery misoratra anarana vao2 njay ?

-de raha vao misoratra anarana zany tondé voalaza ao hoe raha tsy mameno ny momba de tsy ho raisina ?
"hery":
Ny hafatra, namana, sary kosa dia voafafa daholo.
de tsy hisy intsony zany ve ny sary ? sa vao hampidirina indray ?

-de mba ahoana ny momba ny hafatra voatahiry ? ho voafafa koh ve ?
5. Fiffi ( 24/05/2007 15:56)
ny hafatra voatahira mba ahoana ? (maika be fa andé alaina daholo raha sanatria ka ho voafafa)
6. tess ( 24/05/2007 16:03)
hoy i hery:


- Ho azon'ny namana fafaina ny mombamomba eto amin'ny namana. Mijanona ho mpikambana serasera (manana solonanarana sy tenimiafina) izay azony ampiasaina amin'ny site hafa izy avy eo. Ny hafatra, namana, sary kosa dia voafafa daholo.


tsy dia azoko loatra ity fehezanteny ity fa azo hazavaina kely ve azafady tompoko..... Misaotra anao.

raha ny fahazahoako azy dia raha tsy te ho membre intsony ve izaho dia izaho ihany no mamafa ny momba ahy rehetra dia tsy membre ato intsony????.....
7. xxx ( 24/05/2007 16:05)
azo ferana ve ny isan'ny sary azo ampidrin'i namana iray fa mamiza-maso be ilay sarin'olona iray mameno page voalohany, ohatra sary roa na telo ihany mba tsy mamizana, sosonkevitra io an!
8. xxx ( 24/05/2007 16:24)
Fangatahana.. Raha mba azo atao:
Esorina ilay "cliquer - droit" amin'ny sary
de tsy afaka halaina ny sarin'olona hafa .. fa mijery fotsiny na manao com's ...(afatsy ny tompony hiany...)
Misaotra
9. diamondra27 ( 24/05/2007 16:36)
de inona zany no tena niova e!
za koa tena tsy mahazo resaka
10. xxx ( 24/05/2007 16:41)
ireo ve dia tsy mazava e?avereno vakiana e!sa mila solomaso?vazivazy io fa mazava be ny voalaza ao e!
11. hery ( 24/05/2007 16:41)
sitlo> Ok, hodinihina io resaka sary io.

Fiffi> Ireo isa hitanao ireo 18714 dia isan'ny mpikambana serasera rehetra, na dia ireo tsy mampiasa hafatra sns aza. Ohatra, handahatra hira ao @ RVG izy, na hanoratra ao amin'ny Infogasy.net izy, na hanoratra ao @ forum izy. Misy amin'ireo olona ireo tsy mila namana... noho izany tsy hampiasa site namana.serasera.org izy. Hihena ny isan'ny namana (ireo izay tena mampiasa ny site namana), fa tsy mihena ny isan'ny mpikambana serasera amin'ny ankapobeny. (sady manazava amin'i lanto @ chat ihany aho dia azony hono :lol: )

Fiffi> momba ny sary. Rehefa miala tsy ho namana dia fafaina ny sary (mitovy @ izao ihany)

tess> Afaka miala tsy ho namana (izany hoe tsy hampiasa ny site namana) dia voafafa ny mombamomba sy ny sary... Fa mbola manana solonanarana sy tenimiafina serasera ihany hampiasaina @ site hafa (forum, tononkira, radiovazogasy sns).

xxx> Momba ny famerana sary. Voaray ny sosokevitra.

xxx> Momba ny click-droite @ sary. Azo atao io... fa rehefa halain'ny olona ny sary na dia hanaovany Impression d'ecran aza dia azo foana.

12. Fiffi ( 24/05/2007 17:00)
hery:

xxx> Momba ny click-droite @ sary. Azo atao io... fa rehefa halain'ny olona ny sary na dia hanaovany Impression d'ecran aza dia azo foana.
misaotra anao ry Hery .

Fa momba an'io sary io heu....raha mampiasa logiciels Proxomitron na GreaseMonkey ve de tsy mety ?


13. MTN ( 24/05/2007 17:00)
Oups, kay mbola tsy mety fafana fa mbola atsy ho atsy. :°)
14. xxx ( 24/05/2007 17:49)
xxx:

Fangatahana.. Raha mba azo atao:
Esorina ilay "cliquer - droit" amin'ny sary
de tsy afaka halaina ny sarin'olona hafa .. fa mijery fotsiny na manao com's ...(afatsy ny tompony hiany...)
Misaotra



hevitra tena mety nefa......


15. andrea ( 24/05/2007 19:00)
hery:

xxx> Momba ny click-droite @ sary. Azo atao io... fa rehefa halain'ny olona ny sary na dia hanaovany Impression d'ecran aza dia azo foana.


Ok.. marina izany, misaotra
16. xxx ( 24/05/2007 19:00)
hery:

xxx> Momba ny click-droite @ sary. Azo atao io... fa rehefa halain'ny olona ny sary na dia hanaovany Impression d'ecran aza dia azo foana.


Ok.. marina izany, misaotra
17. lanto ( 25/05/2007 06:13)
hery:

Fiffi> Ireo isa hitanao ireo 18714 dia isan'ny mpikambana serasera rehetra, na dia ireo tsy mampiasa hafatra sns aza. Ohatra, handahatra hira ao @ RVG izy, na hanoratra ao amin'ny Infogasy.net izy, na hanoratra ao @ forum izy. Misy amin'ireo olona ireo tsy mila namana... noho izany tsy hampiasa site namana.serasera.org izy. Hihena ny isan'ny namana (ireo izay tena mampiasa ny site namana), fa tsy mihena ny isan'ny mpikambana serasera amin'ny ankapobeny. (sady manazava amin'i lanto @ chat ihany aho dia azony hono :lol: )



andramana amin'i d... aloha ny fanazavana ve ? tsss....:(

18. Fiffi ( 25/05/2007 15:42)
Lanto: :wink: :-D:-D:-D zah aloha efa nahazo an ! :-D:-D:-D
hery: Fa momba an'io sary io heu....raha mampiasa logiciels Proxomitron na GreaseMonkey ve de tsy mety ?
19. pissoa ( 26/05/2007 13:05)
Hi hi ! za ve no taraiky be sa vao androany io hoe sary farany isaky ny mpikambana io ?! :oops::oops::oops:
http://serasera.org/namana/index.php?rub=namana/sary
20. Fiffi ( 26/05/2007 13:23)
pissoa: heu...tsy azoko akia an ! le eo am page voalohany toa tsy misy sarin'olona 1 maro2 ohatran'le taloha ? sa inona no jerena ao akia ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2118