hirahirako

1. fanoly ( 21/05/2007 06:18)
Mba mangataka ny tononkiran'ilay hira mitondra ny lohateny hoe " hirahirako" an'i RAMAROSON Wilson izay mba mahay e, misotra mialoha o!

novalian'i booboo ny 21/05/2007 09:27
2. lancia ( 21/05/2007 07:07)
miala tsiny fa tena tsisy hapoaka,
3. booboo ( 21/05/2007 09:27)
N'inona n'inona ho androko,
Na finaritra aho na ory ;
Na ao na tsia ny masoandroko,
Ny hirahirako, ny hirako tsy hiato akory.

Angamba azo alaina amiko
Ny mety ho ahy rehetra rehetra,
Ny tiako, ny hariko, ny taniko,
Ny hirahirako tsy maintsy hitoetra.

Tsy toa angamba izay kinasa,
Ny fahatanorana ho lasa,
Ny fahanterana hanjokaiky,
NY fahafatesana hanakaiky,
Ny sakaiza mety handao,
Hihira aho lazaiko anao,
Ny sakaiza mety handao,
Hihira aho lazaiko anao (bis)
(2 fois)

N'inona n'inona...sns...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0128