N'inona n'inona ho androko,
Na finaritra aho na ory ;
Na ao na tsia ny masoandroko,
Ny hirahirako, ny hirako tsy hiato akory.
Angamba azo alaina amiko
Ny mety ho ahy rehetra rehetra,
Ny tiako, ny hariko, ny taniko,
Ny hirahirako tsy maintsy hitoetra.
Tsy toa angamba izay kinasa,
Ny fahatanorana ho lasa,
Ny fahanterana hanjokaiky,
NY fahafatesana hanakaiky,
Ny sakaiza mety handao,
Hihira aho lazaiko anao,
Ny sakaiza mety handao,
Hihira aho lazaiko anao (bis)
(2 fois)
N'inona n'inona...sns...