P. Urfer Tratran'ny immigration choisie

1. hery ( 14/05/2007 08:49)
Tsy amin'ny maha mompera an'i P. Urfer indray no resahiko fa amin'ny maha Frantsay azy. Vao voaroaka izy dia mitsaingotsaingoka ery ny Ambassadeur Frantsay any Dago manontany hoe nahoana no noroahina sns... fa angaha tsy mahazo manana politika toa izany koa ny Malagasy?
Rehefa tsy ilain'i Madagasikara dia azo foanana ny VISA-ny. Tahaka ireo Gasy sy Afrikana maro be izay tsy raisina ao Frantsa satria tsy ilainy.
Io ilay Immigration Choisie e...
Rehefa refusé ny VISA avy ao amin'ny Ambassade de France... mba misy ANTONY mazava ve? Na dia hianatra tsara izao aza no antondia dia tsy misy filazana hoe inona no antony. Koa tsy hitako izay anontaniana ny antony nandroahana an'i P. Urfer. Ary izy koa dia nangina fa ny spekta no mihoraka.

Aza matahotra Frantsay zany mihitsy :-)
novalian'i Fiffi ny 18/05/2007 20:43
2. Jeankely ( 14/05/2007 09:10)
Io ny Frantsay tsy miresaka an'io Betsaka noho ny Malagasy be resaka. rehefa tsy ara-dalana ny nadroahana azy dia samy mitaty izay vokany eo ary tsy mino kosa aho fa sotasota fotsiny no nanaovana azy. Fa naninona no izy irery f'angaha izy irery no Mopera vahiny. tsy ilaina ny miarobe fahatany fa ny mpanao lalana ireo ve tena olona iray izany tokoa no mibaiko azy e? izaho tsy mino izany.
3. malalatinasoa ( 14/05/2007 09:42)
Tsy maintsy ao raha raha toa ka voaroaka izy. 33 taona ve teo foana tsy naninona koa zao vao votsoka??
Ny vy tsy mikitrana irery, fa ao ra...
4. jefra ( 14/05/2007 09:50)
hery:

(...)Tahaka ireo Gasy sy Afrikana maro be izay tsy raisina ao Frantsa satria tsy ilainy.
Io ilay Immigration Choisie e...

Raha Gasy na Afrikanina nipetraka 30 taona mahery taty italie na eropa na USA kosa angamba, efa manana karatra folo fa tsary mila visa koa.
Indrindra moa fa raha gasy na afrikana manao soa ny toerana misy azy fa tsy misolelaka asa amin'ny fanjakana.

Fa manana zo tokoa ny Gasy handroaka azy. Ny aza hadino anefa dia Damopra izy, ka tsy mitady tombontsoa manokana, fa efa nanolo-tena hanasoa ny hafa.

Asa iza no voa mafy kokoa, ny fiaraha-monina nisy azy tany dago nizarany ny fijeriny sy ny idealiny ve sa izy voadaka? Tany mbola mianatra isika fa tsy lohany eo amin'ny fifampitondrana.

Tsy ampitoviako amin'ny vazaha touriste sac a dos i Mopera Urfer, na dia be taimbava sy tsy misalasala manitsoka izay heveriny ho tsy mety aza...


5. bozyboleta ( 14/05/2007 09:58)
Lohateny : P. Urfer Tratran'ny immigration choisie
Tsy amin'ny maha mompera an'i P. Urfer indray no resahiko fa amin'ny maha Frantsay azy.
Rehefa tsy ilain'i Madagasikara dia azo foanana ny VISA-ny. Tahaka ireo Gasy sy Afrikana maro be izay tsy raisina ao Frantsa satria tsy ilainy.
Io ilay Immigration Choisie e...
Rehefa refusé ny VISA avy ao amin'ny Ambassade de France... mba misy ANTONY mazava ve? Na dia hianatra tsara izao aza no antondia dia tsy misy filazana hoe inona no antony. Koa tsy hitako izay anontaniana ny antony nandroahana an'i P. Urfer. Ary izy koa dia nangina fa ny spekta no mihoraka.

Aza matahotra Frantsay zany mihitsy


M'lay Hery a!
Fanintelony @ frantsay malaza voaroka io tato anatin'ny 2 taona (mpanao gazety ny 2 ary ny 1 avy @ RFI).
Tsy voatery koa ny fanjakana milaza @ besinimaro ny antony. Fa matoa tsy manankambara ny frantsay sy ny Vatican hatr@ zao de antony tsy mahakasika an-dry zareo mivantana izany fa tena le môpr @ maha-olon-tsotra azy mitsy no nahatonga izao.
Mbô voa indray ny frantsay t@ ty ka akory atao! Fa ny mpino katolika ndray zao no lasa japin'ireo mpanao polifika.
6. Jeankely ( 14/05/2007 10:06)
Ya, manaiky aho fa tany mbola mianatra isika fa tsy lohany na izany aza manana ny lalana sy fiandrianany ny firenena. Raha resaka filazana ny marina no nandroahana azy dia tsy maintsy tafaverina izy raha manaiky miverina saingy ny loza dia ny Malagasy tsy mahay manaja Malagasy izany. Rehefa tia hiresaka ny Malagasy dia milaza ho manampahaizana daholo ary avo-lenta daholo ary rehefa misy tiany ambara dia samy mahafantatra indray fa mbola vizana ary mirefarefa ny Malagasy. Aleo samy mandray ny andraikitra sahaza azy ka ny fitsarana no voasoketa amin'izay fanapaha-kevitra diso ataony. Andraikitry ny lalana izany. Ny zavatra tsara vitany marina ary hiaraha-mahalala saingy raha tratran'ny sasany amin'ny Lalana dia tratra izay tsy misy azafady io.
7. Fiffi ( 14/05/2007 10:22)
bozyboleta:
Tsy voatery koa ny fanjakana milaza @ besinimaro ny antony.
sady misy ny atao hoe secret d'état......


8. sonwin ( 14/05/2007 10:46)
hery:

Koa tsy hitako izay anontaniana ny antony nandroahana an'i P. Urfer. Ary izy koa dia nangina fa ny spekta no mihoraka.




K'ita wa, ny mpanao gazety amin'izany dia mandeha daholo izao "interpretation" sy sira rehetra izao!
9. Jeankely ( 14/05/2007 10:54)
Samy mandray ny andraikiny. Rhefa ny fitsarana no milaza hoe noteren'ny fitondrana izahay hamorona lalana handroahana azy dia zavatra hafa koa izany. Io Fitsarana Malagasy io dia sarotiny raha kitihana izany resaka izany ka azy ny baolina momba izany. Ny mpivavaka Katolika tsy miditra lanina amin'ny zavatra tsy fatany izany fa aoka koa isiaka tsy hiditra resaka finoana.
10. rakaroka ( 14/05/2007 13:52)
Dia "hafakely" tokoa ilay "choix" knou,ary angaha hono"mbola" manaraka ny ataon'ny aty Frantsa indray ihany? Mbola voazanaka ihany angaha?...:roll::roll:
11. malalatinasoa ( 14/05/2007 15:03)
rakaroka:

Dia "hafakely" tokoa ilay "choix" knou,ary angaha hono"mbola" manaraka ny ataon'ny aty Frantsa indray ihany? Mbola voazanaka ihany angaha?...:roll::roll:


F'angaha "hono" ny any "frantsa" ihany no mandroaka vahiny?
Tsy maintsy manaja ny tany sy ny lalana @ toerana hivahiniananao ianao, fa tsy ianao indray no andeha hidingin-drambo etsy sy eroa. Toy izany koa, ny gasy sy ny fanjakana malagasy tsy tokony hanaiky lembenana sy tsinontsinoavina satria masina an-taniny.
12. rakaroka ( 14/05/2007 15:35)
malalatinasoa:

rakaroka:

Dia "hafakely" tokoa ilay "choix" knou,ary angaha hono"mbola" manaraka ny ataon'ny aty Frantsa indray ihany? Mbola voazanaka ihany angaha?...:roll::roll:


F'angaha "hono" ny any "frantsa" ihany no mandroaka vahiny?
Tsy maintsy manaja ny tany sy ny lalana @ toerana hivahiniananao ianao, fa tsy ianao indray no andeha hidingin-drambo etsy sy eroa. Toy izany koa, ny gasy sy ny fanjakana malagasy tsy tokony hanaiky lembenana sy tsinontsinoavina satria masina an-taniny.



Ka ny "titre" anie hoe "immigration choisie". Toa
réf Sarkozy io, tokony tigetra "gasy" no napetraka!
fa angaha koa hono nisy fandikàna lalàna tany ?:-D
Ny andininy sy andalana fahafiry @ hitsivolana inona?...:roll::roll:
13. hery ( 14/05/2007 16:06)
ny ambassadeur frantsay no nikiredy... dia tenenina azy hoe ny anareo aza immigration choisie tsisy mikiredy... ka avelao izahay mba hanao izay tianay hatao amin'ny firenenay. Azo antsoina hoe VVS fotsiny tsotra izao koa.
14. lapino ( 14/05/2007 16:17)
P. Urfer Tratran'ny immigration choisie
Laure Manaudou koa :roll:
15. rakaroka ( 14/05/2007 16:29)
Ny blem am'toa itony mantsy. Fiheverako :raha ilay "Ambassade" nanamerde tsy nilaza ny "cause"n'ny refus-n'ny "visas" izay tena fototry ny alahelo na i Sarko en personne, raha rizareo no itotonan'ny
théorie-ny dia "manja"!
Dia tahaka izany koa maharary ihany raha ireo mpianatra maro te handrato fianarana noho ny fetra ara-matérialy maro anefa mahafehy ny fiteny na "shakespire" na ny "gaulois" sns...dia ho voafetran'ilay hetsika "bing-bang" toa izao fotsiny!
Et dire que hoe mahavita tena isika...:-D:-D:-D:roll:
16. ikalamako ( 14/05/2007 20:52)
f'angaha any Madagasikara kosa rehefa mipetraka mihoatra ny 7 na 10 taona, na relijiozy aza, toy ny ao Italie sy ny France, tsy mba afaka mangataka citoyenneté e? Amin'izay tsisy kalaokalao kle !:?:
17. Jeankely ( 15/05/2007 03:01)
Tsy mila izany izy matoa tsy nangataka e. Tsy mitovy ny filana ry "ikalamako" o. Ny Malagasy maika ny hivoatra haingana ary mahita fa ny ahalasa "Citoyen" no mahamaika azy, tsy mitovy amin'ny vazaha mandeha any Madagasikara. Malagasy mandeha andafy tsy hanao asa soa fa hitady ny ahasoa. Izy hampita finoana no tena tanjona fa tsy hitady soa na vola na harena fa hanome aza. Koa raha mibilioka tsy manaraka izay tanjony izay no ataony dia mazava fa mody izy. Vaky ny damozana.
18. xxx ( 15/05/2007 08:55)
Amiko antony manokana mahakasika an'io Damopra io io nandrohahana azy io fa tsisy resaka politika!!
Ny mpiangona ao @ paroasy Anosy Be angamba no afaka manomé antsika ny mety ho antony????
Asa raha misy mandeha eto ry zareo
19. Jeankely ( 15/05/2007 09:31)
Tsy mandeha eto ry zareo fa izy ity koa toa sahala ny resaky ny olona andafy kano. Rehefa tsy hampivavaka i Mopera dia mody fa tsy misy akotran'izay e. Hitondra fivavahana izany Damopra izany e sa hanao bizina sa hitady ny mahasoa sahalan'ireo mpila ravinahitra =))
20. xxx ( 15/05/2007 13:25)
Efa nolazaiko tary ambadika tary aloha fa mila mahalala ilay olona sy ny zavatra nataony vao afaka milaza an'izao sy izao.

Faharoa: efa nangataka fanazavana mivantana tany amin'ny mpitondra fanjakana malagasy ny nonce sy ny lehiben'ny fikambanana sj fa tsy nahazo fanazavana mahafa-po

fahatelo: tsy natao hampivavaka fotsiny ny pretra sy reljiozy fa ampivoatra ny mahaolona ny olona mantolo. Tsy misaraka ny fanahy, saina, vatana

Fahaefatra: ny zezoita dia olona miady amin'ny fampanjakana ny marina sy rariny, ka tsy afaka mangina manolona ny zavatra tsy mety.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2736