Mba mangataka torohevitra, inona no hatao mba

1. zizi ( 05/05/2007 13:37)
Salama daholo e. Misy ilay teny hoe ny torimaso no itovizana amin'ny mpanan-karena. Izaho dia somary manana olana amin'ny torimaso(efa volana vitsivitsy izay) tsy fantatro hoe ahoana, sakafo sa tension sa ??? Tsoriko anefa fa tsy hoe be eritreritra na sahiran-tsaina zah, tsy marary koa(nisy kely ihany ilay eritreritra teo aloha fa nohezahiko), ka ilay rendremana mihitsy no tsy mety tonga ara-dalàna sy haingana(alina be foana vao mba mahita tory kely dia in-1-1 taitra vao maraina be dia sarotra ny mahita tory indray). Efa niresaka tamin'ny dokotera aho fa tsy dia mamporisika ahy hividy comprimés avy harany izy (zah koa aloha raha azo ialèna tsy dia tiako io)fa dite camomilla no natorony atao be daozy fa mbola tsy dia nahitako vokany misongadina nefa 17 andro aho nisotro io maraina sy alina, ataoko koa ilay hoe mandefa mozika mandrotsirotsy fa hehe tsy dia hahitana vahaolana loatra. Efa nisy tratran'izany ve nareo ? Sao mba afaka manome torohevitra nareo na vahaolana amin'izay ? Misaotra mialoha.
2. Stretch ( 05/05/2007 14:27)
andramo ndray ary ty fa nety tamiko

alona ao anaty rano mafana zay tanty ny tongotra ,
orina(massage) ny ankihibe ary ny eo anelanelan'ny faladihy.

misy point 2 mila orina koa eo am tanana fa tsy hitako zay anazavana azy ra tysy manao sary , fa eo ambonin'ny poignet avy ao anatiny ny 1.
3. sitlo ( 05/05/2007 14:57)
Ny ahy ny akihibe no orina, amin'ilay lafiny akaiky ny fanondro iny. Amin'ny fanondro ihany no orina (ohatra ny kilikilihina moa izany eh). Hitako tamin'ny gazety io. Hoe mandefa calcium hono. Fa ohatra ny mety an.

faharoa:
Afindrao toerana ny fandriana. Mety leo ilay "polarite" ny vatanao. Ohatra hoe avaratra foana hatramin'izay, dia mba ataovy andrefana indray. Tandremo fotsiny ny mianatsimo loha.

fahatelo:
aza manao zavatra hafa eo ambony fandriana rehefa atoandro. Ohatra hoe mianatra eo ambony fandriana, mijery tele...

izay ihany angamba no tadidiko fa jereo any amin'ny net any ny sasany.
4. zizi ( 05/05/2007 15:25)
Misaotra aloha amin'ireo e, andramana indray aloha. Sao mbola misy mahita hafa ?
5. malalatinasoa ( 05/05/2007 17:03)
Jereo sao decalcifie ianao.
Dia afaka misotro ronono koa ianao alohany atory (asio tantely ). Aza dia zatra misotro dite misy caffeine loatra koa fa zavatra misy polyphenol sotroina (chocolat...) na the decaffeine.
Dia miezaha matory aloha foana, na tsy atory aza dia mitsotra eo am-pandriana farafahatarany @ 10h30 alina.
Zay fa dia bonne nuit e :D.


6. anouck78 ( 05/05/2007 20:51)
zizi: alohany hatory de fenoy rano faran'izaymafana zakanao ny baignoire de mitsofoa ao ataovy hatreo @ soroka ny rano (@ ilay ianao efa ao anaty baignoire ) de asio quelques goutter na huile essentielle (aroma yves rocher ) ao @ ilay rano mihainoa en meme temps music douce, labozia arehitra ao @ io salle de bain io fa tsy electricité.
ary farany aza hadino ny manisy reveil au bout de 10 minutes
7. booboo ( 05/05/2007 21:27)
Ankoatra ny efa notenenin'ny namana :
-Mamizan-tena @ sport dia mandro @ rano mafana antonontony avy teo.
-Miotra (massage relaxante) miaraka @ huile essentielle ireny. Ny homéopharma-tsika manana karazany bobaka fa jerijereo zay tiatianao ...
-Atao féculents(vary, pâtes ...) ny motika hariva fa tsy lay mavesatra be lôtra reny raha sendra ampiarahana @ laoka
-Ampiana goutte kely dia kelina huile essentielle lavande ny ondana.
-Mihinana paoma alohan'ny hatory dia asiana paoma ao @ efitrano fatoriana. Namako chinoise izay no nanoro ahy an'io fa ny fofona paoma iny hono mi-"apaiser" ...

Soava mandry ê !




8. dokotany ( 06/05/2007 05:21)
Rhf be adin-tsaina ny olona dia be ny volume rà (sang) miakatra @ ny loha ary mihenjana ny ozatra eo @ ny fara-atoka.
Raha efa niezaka ny nandamin-tsaina ianao nefa tsy mety tonga foana ny torimaso dia mbola be foana ny rà miakatra ary mbola mihenjana foana ny ozatra.
hevitra roa no homeo anao :
- mila fanafody mampatory (somnifer na lexomil,..), arao ny toro-hevitry ny Dr.
- mila orina ny fara-atoka indrindra alohan'ny atoriana.
9. karinah ( 06/05/2007 16:09)
Zizi> rehefa misakafo ariva dia na ravitoto na ovy hoanina fa mampatory koa ireo, tsy dia tsara mizatra somnifera, anefa rehefa tena tsy matory ela loatra dia ilaina ny mandray azy satria mila repos ny vatana :wink:, courage!:-*
10. zizi ( 06/05/2007 17:38)
Misaotra anareo rehetra e, izay ny maha-mpinamana, mifanampy e.
11. niryna ( 07/05/2007 03:10)
Ilay fihinana fanafody fampatoriana aloha dia hiezaho tsy atao fa tena dange..be rehefa zatra an'io.Ireo toro-hevitry ny namana ireo arahina.Dia ahoana tokony raha tsy afaka milona ilay olona satria tsy manana baignoire :?:
Afaka mianatra mamoaka sy mampiditra rivotra amin'ny vavanao sy ny oronao koa ianao rehefa eo am-pandriana ary maka aina tsara.Averimbereno matetika io ary manisa fa tsy tadidinao intsony hoe firy izay dia renoka ianao:D
Good night and have a sweet dream! Tafandriamandry ary manofisa mamy !
12. meva2 ( 07/05/2007 07:13)
bjr,
Efa nolazaiko tao anaty sujet hafa ihany izy ity fa averiko eto satria tena efficace ary mety hanampy anao:
Apetraka eo ambony takotra mafana ny vahona dia avy eo sasahana roa, alaina ny dintiny dia ahosotra ny loha iray manontolo sy ny vatana. Tsy mangatsiaka io ary surtout aza matahotra fa tsy madity mihitsy na kely aza, après quelques secondes dia maina ohatry ny tsy nisy inoninona, sady au contraire ny hoditra koa dia mihatsara.Tena matory be mihitsy.
Andramo io fa dokotera no nanoro azy ahy ary tena efficace mihitsy.
13. Zina ( 07/05/2007 20:25)
- ilay mandro alohan'ny atory dia tena tsara mihitsy.
- ny tantely dia manampy ny toromaso mihitsy
- essayeo oe ny tsy misakafo mavesatra ny alina? (vokazo fotsiny hanina) misakafoana be ny maraina sy ny atoandro)
Fadio marina ny fanafody fa manjary lasa zatra an'io dia tsy afaka intsony dia avy eo tsy effet-ny intsony ary ilay izy ny hafarany.
Dia mivavaha ko fa io tena manampy:wink:
14. Mitah ( 07/05/2007 23:22)
Misotroa dite veromanitra mamy tsara sy mahamay izay zaka mialoha ny hatory. Io dite io no tadiavin'ny vadiko rehefa manomboka ny fialan-tsasatra lehibe.Mba te-hatory aloha izy rehefa vita ny fanadinana rehetra kanefa efa tsy zatra intsony. Mijalijaly kely aloha mandritra ny andro vitsy e!
15. niryna ( 09/05/2007 06:19)
Betsaka no milaza fa tsy dia tsara sotroana matetika hono ny dite veromanitra fa lasa malemy hono ilay olona amin'ny farany.Misy fahamarinany ve io?
16. kally ( 09/05/2007 09:48)
Ilay mando alohan'ny hatory tandremo fotsiny fa raha mafana loatra ny rano tsy mety an!

Niryna> Afaka hafiriana izany hoe malemy amin'ny farany izany? Izaho efa hatry ny kely ka hatramin'izao misotro dite veromanitra isan'andro aloha mbola tsy nalemy :roll: asa afaka hafiriana angaha sa rhefa antitrabe aho dia mety halemy:lol: angamba!!
17. ikaretsaka ( 09/05/2007 12:52)
za kao mitifitra dite veromanitra foana hatr@ izao .. fa tsy mbola nalemy, rahoviana ny farany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3583