Manajà ny rainao sy ny reninao mba hahaela velona anao

1. xxx ( 27/04/2007 08:16)
Ialako tsiny fa nanokafako dinika manokana io, mba tsy hifangaro @ ilay resaka hafa atsy.

Raha toa aza ve ilay ray ka mampirafy ny reninao, mamono ny reninao, tsy manome hanina anao dia mbola mendrika fanajana iany ve? atao izany hoe tsy najnary ny fiainany tany, dia niverina izy, ilay zanaka tsy nanao fo lentika fa nandray tsara iany, toy izany koa ilay vady nilaozana fa nandray tsara daolo, fa ny toetrandrangahy tsy miova, mbola fandaingalainga, mbola mampirafy sns iany, d mbola tokony hiantrana sy hajaina sy hotiavina foana iany ve? cas mitranga aminay mantsy io zavatra io, hatr@fahakely dia fampijaliana maro isankarazany no niainanay, anisan'nizany ny tsy fihinanankanina, ny dadanay nefa mamo sy mamono ny reninay saika isanandro mintsy :cry: @izao fotoana izao anefa izy dia miarampietraka @ vhv hafa, nefa dia tanàna iray no misy anay, mifankahita lava ao tsy tahotra tsy henatra... dia eo no mipetraka io fanontaniako io. Misaotra mialoha @ valiny.
novalian'i xxx ny 09/05/2007 14:42
2. Rasiligaoma ( 27/04/2007 08:20)
hajaina amin'ny maha dada azy izy..
omena ny toerany!
3. salmo1 ( 27/04/2007 09:24)
Fiffi: de ho esorina ve ity dinika tsara be ity:?::?
;-)
4. simplex ( 27/04/2007 09:30)
tsara mintsy ny dinika toy izao ry xxx a. Izany hoe le cas pratika no tiako lazaina hoe mafinaritra.

Efa nisy tranga otran'io nitranga teo @ fianakaviako tantaraiko kely d avy eo lazaiko ny fananarana azoko:
Ralahin'ny dadabeako avy @ reniko le izy. Le ranga zany manana vady ara-dalana manana zanaka, asa tsara, tt pour etre heureux koi. Kanefa lery d mamo lava, mpamono vady, ny zanaka moa d tsy hay intsony nandritra ny fotoana maro. Avy eo izy lasa niaraka t@ vadibe hafa tany, ary le izy @ io ol tena tsy fiditra mintsy an. Zany hoe tena fanalikana fara-tampony mintsy no nataony. Tsy nisy tsy nanatra azy mou ny ralahiny fa eeee miverina kely d njao ndray any @ le vadibe... Efa nihalehibe moa ny zanany taty aoriana ary efa nanambady doly ka niarina ny fiainandry zareo. Izy kou efa niteraka hafa tany @ le vadibe-ny tany. D tsy hay alou na vonoiny ireo na ahoana e. Ny zanany mou tsisy nanisy sira azy intsony fa ny reniny no nokarakarainy tsara.

Taty aoriana narary be le ranga, votraky le toaka nga tsy haiko. Tonga d narian'le vadibe le izy satria elabe teny @ hopitaly. Ny zanany rehetra indray no nifarimbona nikarakara azy (nande namangy tany zay no nitantaran'ny dadako an'le tantara). Sitrana tsara le ranga avy eo, tsy nisaotra izy tsy nanin tsy nanin fa tonga d lasa izy niverina tany @ vadibe izay nanary azy :{:{:{ Tena faran'ze tezitra ny zanany rehetra.

Narary fanindroany indray nefa le ranga afaka kelikely ary d mbola narian'le ramatoa ihany fa saingy ny zanany tsisy nirara azy tsony afatsy ilay 1 faralahy, izay atao hoe tsy tafita indrindra @ izy rehetra. Maty aza le ranga. Le vadibe efa tsy nirara azy ny zanany kou tsy nanisy sira d le farilahy irery no nizaka ny mafy rehetra tao. Soa ihany fa mba nifampian'ny fianakaviana...

Eto @ zay le hic: tezitra be doly ny Dadabeako, ny zandriny sy ny havana rehetra t@ nafitsoky ireo zanany.
Tena gaga be ah hoe normal be nge zany e. D ozy dadanay hoe: Na in fahadisoana na in tsy nety nataony d tsarovy fa zanany foana ireo. Tsy nisy izy ireo ra tsy nisy izy, izay le hoe RAD lolohavina antampon'ny loha.
nihaino tsara fotsiny ah, N/A amiko le izy satria dadanay tsy manao an'zany :-P:°);-)

k zay le izy e. Tokony hotiavinao foana ny dadanao fa kosa mba mitady compromis zany nareo e. Ra misy ilany anao ohatra na otr'zany... Ny fanehoanareo fitiavana azy kou no mety hahatongavany saina hoe in ary ity ataoko ity.

mazotoa,
5. Fiffi ( 27/04/2007 09:33)
salmo1:
Fiffi: de ho esorina ve ity dinika tsara be ity:?::?;-)
tsy hesorina ny dinika ry salmo fa tsara be io dinika io......fa efa nazava zao .....


6. Mandefitra ( 27/04/2007 09:42)
Hoy Fifi
sao mba tsy rariny kosa izao ? aiza ny admin am-zao azafady ? fivavahana sy finoana ny eto.......

Ny andrasany aminao ange de torohevitra ara-pinoana tokoa.Hoy ny didim-pitiavana avy @ Kristy :"Tiava ny fahavalonao".Ka fahavalo aza ve tiavina maika fa ny nahitana masoandro?Ekena da diso izy, saingy anjaranao ny mivavaka ho azy mba hiova izy, ary enao koa tokony hamela heloka araky ny vavaka nampianarin'ny Tompo hoe "Mamela ny helokay,tahaka ny amelanay zay nanao heloka taminay"...
7. Fiffi ( 27/04/2007 10:11)
Mandefitra: tsy aiko na hitanao ny nahatonga anaha nilaza an'io fa efa milamina zao an ! ary marina ny anao.....mamelà ny helokay.......namela tokoh zah , fa ny fanajana ity toerana ity zay fivavahana sy finoana no tanjoko aloha tam iny an ! misaotra anao.
8. salmo1 ( 27/04/2007 10:16)
Ny mpijangajanga arakiny lazainy baiboly: de nanoroka ny tongotry Jesoa.
;-)
9. prime ( 27/04/2007 11:57)
Mandefitra:
Ny andrasany aminao ange de torohevitra ara-pinoana tokoa.Hoy ny didim-pitiavana avy @ Kristy :\"Tiava ny fahavalonao\".Ka fahavalo aza ve tiavina maika fa ny nahitana masoandro?Ekena da diso izy, saingy anjaranao ny mivavaka ho azy mba hiova izy, ary enao koa tokony hamela heloka araky ny vavaka nampianarin\'ny Tompo hoe \"Mamela ny helokay,tahaka ny amelanay zay nanao heloka taminay\"...
... Ekena ry mandefitra fa tsy mandeha irery io... ny fampianaran\'i Kristy dia hoe \"15 Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin\'ny tenin\'ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19. 15).17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin\'ny fiangonana*; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana** koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. [* Gr. eklesia] [** Gr. eklesia]\" Matio 18:15- 17
\"21 Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan\'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin\'ny impito va?22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin\'ny impito, fa hatramin\'ny impito amby fito-polo*.[*Na: fito-polo impito]\" Matio 18:22...

Mafy aloha ny tratra ohatr\'io ambaranareo io nefa dia mitombina mihitsy ny fananarana ataon\'ny namana ireo fa ny RAD dia RAD foana... ny hoe haja angaha no tsy hitovy ny degré\'ny raha sanatria misy tranga toy ireo saingy RAD foana izy ireo...
10. johnnyandri ( 27/04/2007 12:31)
Izao toe-javatra izao no ilana ny fampiharana ny traika ara-panahy miaraka amin Ikristy. Didin'Andriamanitra io voasoratra io. Andriamanitra no lehibe indrindra ka raha matoky sy mino azy dia manaraka ny teniny. Mafy amintsika olombelona ny mizaka ny toe-javatra tahak'izao fa rehefa manankina ny fiainana aminy dia mahazo manantena ny fanampiany. Andriamanitra dia ray amandrenintsika satria izy no NAHARY antsika, ny ray aman-drenintsika dia solotenan'Andriamanitra ety ambonin ny tany ka tokony hohajaina mandrakariva satria ireo no NAHITANA masoandro. Tsy dia haiko loatra ny famaritana ny hoe FANAJANA fa raha Chretien ianao ohatra ka miaina any aminy tany Boudhist dia manaja ny finoan ny olona ary izy koa manaja ny finoanao, izany hoe tsy manome fanafintohinana na manisy kisa sy tsikera be fahatany ny hevitry ny sasany. Koa mahereza fa aza kivy e.
11. prime ( 27/04/2007 13:09)
Fa amin'ny tranga toy ireny ihany koa no tena itoloman'ny mpino ka iatrehana ady mafy (ara-panahy io)...

Izay anie ilay nolazaiko tatsy amin'ny lohahevitra iray hoe ny ady amin'izao tontolo izao sy ny filàny (ara-nofo) ka tsy moramora mihitsy e...
12. xxx ( 27/04/2007 13:46)
manindry mafy dia mafy ianareo ny tokony mbola hanajanay azy, nefa ksoa adinonareo v fa voalaza koa hoe "ianareo Ray aza mampahasosotra ny zanakareo fandrao mamoy fo izy" any @ Efazianina any angamba izany, misy recommandation bdb ao, hoan'ny lhl, hoan'ny vhv, hoan'ny zanaka, fa indrindra koa hoan'ny ray, nefa dia io ray io indrindra no resaka eto, ray tsy mahavita adidy fa ilaozana mamelona vehivavy, ny vady nahitana ny zanaka vonoina, ampidirina amponja, eh oui, izy mampirafy indray tompoko no nanao izay nigadran'ny reninay, t@ 2janvier 1997 dia mba rariny ve izany? mbola mendrika famelana ve izany? efa namela hoa izahay, nisy problema izy nanomboka 2002, 2003 izy nanomboka nivezivezy tao antrano, tsy nisy nanosibohontanana azy fa nandray azy tsara na izahay na ny reninay, ary vokatr'izany dia nahazo aretina tsy fidiny ny reninay, satria nanaraka antsakany sy andavany ilay hoe ianareo vehivavy maneke ny vadinareo, dia izao, nahazo aretina MST! mba rariny ve izany? izy tsy nijanga indray no nahazo aretina ary mbola tsy sitrana hatr@ izao! ankoatr'izany ny fisandohana ao antrano hoe misy izao sy iazo ilako vola ary, nefa avy eo any d tsy mody na any d mamo be vao tafody, annkoantr'iany ny fanodinana ny vola tokony andoavana JIRAMA an'ny fianakaviana, lasa izahay no nandoa sy namerina ilay izy, nefa tsy nohaninay... santionany fts ireo, sanatria tsy fanalako baràka na famoahako secret familial fa hahitanareo hoe tokony mbola hahazo haja sy fitiavana iany v ny olona toy izany!!! tafaverina ny volan'olona, ny tena indray no voahitsaka antampondoha! hitsaka antampondoha anie rireto izany hoe tanàna iray, izahay sy ry neninay ary @ trano ilany, izy sy ny vadikeliny ao @ trano ilany e! na ny mason'ny manodidina aza efa mahamenatra fa izany hoe atao ahoana moa! mbola tsy mahita trano ny tena dia maritra, fa ny mitadi trano koa tsy mora!
13. Rasiligaoma ( 27/04/2007 14:01)
ka i dadanareo ry xxx mety tsy niangona sy nyvavaka intsony fa ianao mbola.
dia na inona na inona anefa ataonao dia dadanao foana izy.
ohatran'ilay hiran'i dadah an'i mahaleo hoe andeha re anaka...
saingy ny anao dada fotsiny
14. prime ( 27/04/2007 16:15)
Nefa ve i xxx mino an'Andriamanitra sy mbola mivelona tsara manaraka ny fiainam-pinoana?...

Ekena ary tsy lavina velively izany famoizam-po mahazo anao sy ny fianakaviana izany noho ity Ray diso lalana ity ary azo ambara aza fa tena mafy izany fizahan-toetra mahazo anareo izany... tsarovy nefa fa ny olona tian'Andriamanitra indrindra no izahàny toetra mafy indrindra araka ny voasoratra hoe

"Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay]" Apokalypsy 3:19... ary tsy manadino anareo Andriamanitra fa mijery akaiky izany fa tiany hisy hanatona Azy ao aminareo, hibebaka, tena hiaiky heloka ka hampitodika ny fianakaviana amin'Izy Andriamanitra aloha, hoy mantsy ny tenin'Andriamanitra

"raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny." II Tantara 7:14... aza adino koa ny mifampitondra amim-bavaka anareo samy ianareo, ny mpiray tampo ny reny... fa raha ny tenin'Andriamanitra no zohina dia tsara lavitra ny mamela azy... marina fa tsy ho voaverina tsara intsony ny fifandraisana fa mba ny itodihany sy ihaonany amin'i Kristy no anisan'ny zavadehibe...
15. Zina ( 27/04/2007 17:06)
xxx [ Valio ] 27-04-2007 10:16:13
Lohateny : Manajà ny rainao sy ny reninao mba hahaela velona anao
Ialako tsiny fa nanokafako dinika manokana io, mba tsy hifangaro @ ilay resaka hafa atsy.

Raha toa aza ve ilay ray ka mampirafy ny reninao, mamono ny reninao, tsy manome hanina anao dia mbola mendrika fanajana iany ve? atao izany hoe tsy najnary ny fiainany tany, dia niverina izy, ilay zanaka tsy nanao fo lentika fa nandray tsara iany, toy izany koa ilay vady nilaozana fa nandray tsara daolo, fa ny toetrandrangahy tsy miova, mbola fandaingalainga, mbola mampirafy sns iany, d mbola tokony hiantrana sy hajaina sy hotiavina foana iany ve? cas mitranga aminay mantsy io zavatra io, hatr@fahakely dia fampijaliana maro isankarazany no niainanay, anisan'nizany ny tsy fihinanankanina, ny dadanay nefa mamo sy mamono ny reninay saika isanandro mintsy @izao fotoana izao anefa izy dia miarampietraka @ vhv hafa, nefa dia tanàna iray no misy anay, mifankahita lava ao tsy tahotra tsy henatra... dia eo no mipetraka io fanontaniako io. Misaotra mialoha @ valiny


Izao ny hevitro amin'io cas-nao io.
Ny dikan'ny fanajana ny RAD eto tsy milaza oe tsy maintsy ho tiavina sy manaiky izay lazain-dry zareo foana na dia efa nampijaly ary. Juste manaja fotsiny accepter tel qu'ils sont fa RAD. Tsy midika izany oe mila tiavina sy henona. Fa ilay oe tena "Halako mainty ny raiko" aza manao an'izany, mbola ray-nao foana io.

16. tynah ( 27/04/2007 19:46)
mivavaha ho azy d mivavaha mafy ho an'i mamanao. Zay angamba no azoko hanampiana anao. D mahereza an!:-*
17. fijo ( 27/04/2007 21:49)
simplex,za koa dia momba io hevitr'i dadanareo io.ny aferan'izy sy mama an,afera hafa.ny maha zanany anay an,afera hafa,ka na tiako aza i mama ary mampalahelo ahy,i dada koa dadako ka tsy hoariako.de izay io amiko.
18. johnnyandri ( 28/04/2007 10:11)
Mino aho fa olona manana finoana sy mahatoky ianao matoa mamelatra ilay hevitra hitadiavana vahaolana eto. Efa mazava daholo ireo sakafom-panahy ireo saingy anao ny safidy. Mbola misy hetaheta teHANAJA ray aman-dreny ao aminao matoa ianao mila fanohanana avy eto amin ity takelaka ity. TANO ny azo fa sarotra ny mila, aza kivy fa tazony foana ilay fisainana tsara ao aminao izay te-hanana Ray mendrika ny hohajaina ary minoa sy mivavaha fa ny finoana tsy arahin asa dia zava-poana ihany. Mahaiza fotsiny mijanona amin ny fisainana tsara sy mendrika fa tsy hanenenanao izany na izao na ho mandrakizay fa izay manetry tena no hoasandratra ary izay manandra-tena no hoahetry. Eto amin ity fiainana ity dia mbola misy olona mizaka ny mafimafy kokoa ka aza kivy fa mahereza hatrany.
19. Fiffi ( 28/04/2007 16:16)
salmo1:
Ny mpijangajanga arakiny lazainy baiboly: de nanoroka ny tongotry Jesoa.
;-)
tsy hitako zay hidiran'io voalaza io am sujet....


20. ikaretsaka ( 28/04/2007 17:06)
salmo anie io e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.475