Manajà ny rainao sy ny reninao mba hahaela velona anao

21. salmo1 ( 28/04/2007 18:03)
Fiffi: sôde efa voafafa kosa ny dinika sasantsasany napetraka teto:?:
;-)
22. rush ( 28/04/2007 18:28)
salmo1:
Fiffi: sôde efa voafafa kosa ny dinika sasantsasany napetraka teto:?:;-)
rehefa valiny mirediredy ve tsy ho voafafa rasalmo a!


23. xxx ( 02/05/2007 12:53)
Miala tsiny fa zao ndray vao tafandalo tato. Misaotra betsaka anareo alo @ fanmpaherezana sy ny torohevitra fa dia tena manankavana toko misy anareo.

Misy fanontaniana mipetraka ao ambony ao hoe miaina ny lalampinoana ve aho, eny tompoko, kristianina Katolika nandray ny Batemy sy nandray ny Fankaherezana ny tenako ary active ao @ Fiangonana misy ahy! Ekeko anie hoe misy an'zany hoe izay tian'ny Tompo no faiziny sy anariny e! fa maninona no izaho no voakapoka raha ohatra ka ny lehibe tany aloha tany no nanao ny tsy mety? Ny mamela sy manaja azy aloha, mamela azy aho, ary manaja azy noho izy olondehibe, fa raha ilay fitiavana aloha rey olona dia aleo tsorina fa efa maty! tsisy fanafany intsony mintsy! mafy loatra raha ny fampijaliana niainanay nandritra izay fotoana izay, tsy za tsy ny zandriko tsy ny reniko, efa nandeferana izy, manao ny ataony iany...
24. booboo ( 02/05/2007 14:15)
xxx > tsy haiko mamaly ny fanontanianao fa ny toro-hevitro fotsiny dia hoe :
-miresaha @ Atra dia atotony any Aminy aby aby zay mameno ny fo : ny hatezerana, ny alahelo, ny tsy fitiavana sns an'i dadanao, reo fanontanianao reo sns.
-mangataha Aminy hampianatra anao hanana faharetana mandra-paha azonao ny antony handalovanao zao raha zao.


Tsy mitovy ny raha ianantsika fa zà kounkou nametraka ireo fanontaniana reo ary nahatsapa koa io tsapanao hoe "tsy hahavita hitia tsony fa manaja fotsiny satria olon-dehibe". Namana iraika tato no nanoro ahy ireo dia atoroko anao kounkou....Rehefa afaka ny hatezerana sns nameno hatrizay dia malalaka kokoa ny sofina hihaino Azy, ny maso hijery zay tokony ho hitanao, ny vatana hahatsapa zay tiany ho tsapanao, sns...
25. hasinando ( 03/05/2007 10:07)

Hoan'ny xxx matoa niseho teo @fianam_pianakavianao izany rehetra izany dia efa plane nataon'A/tra.Mety hiteny ianao hoe A/tra tsy manisy ratsy fa hoy izy hoe:" Izaho mahalala ny hevitra hieverana anareo".

Ekeo fa lalana efa voasoritra teo @tokan-tranon'ireo Rar izany.Dia ankino @Izy Ray fa hainy ny zavatra rehetra.Ny alahelom-ponao ento eo Aminy,fitsapana ny finoana koa ny toy izany miseho eo @nareo izany.Ny famaliana an'izay heverinao ratsy vitany t@nareo sy ny Mamanao an'A/tra ny mamaly azy.

Mahereza dia manana finoana.Mivavaha hoan'ny fianankavianao.Raha mahatsiaro ho reraka ara-panahy miresaha @ireny mpitondra fiangonana ireny hampahery anao!.Aza misaraka @A/tra fa Izy ilay tena Rainao koa!
26. xxx ( 08/05/2007 14:07)
Misaotra betsaka amin'ny fampaherezana sy nytorohevitra rehetra e!
27. niryna ( 09/05/2007 05:33)
Izaho koa mitovy hevitra amin' i boubou sy hasinando.Maro ny zavatra efa nandalo tamin'ny fiainan'ny olona indrindra ireo tanora no fantatro ary tena mijaly toa anao izany ry zareo.Ny fanafody nomeko azy ireo dia ny miresaka izay tena mankarary ny fony sy ny zavatra tsy tiany ary madratra azy.Avelako hitomany ry zareo ary dia tena misy maha -maivana azy tanteraka tokony.Mila olona hiresahana izany no tena zavatra lehibe.Ny firesahanao ho an'ny namana rehetra ato ny fahoriana manjo anao dia efa ezaka iray lehibe ary dia midera anao manokana aho ry xxx.Maro dia maro ny olona indrindra ny tanora no mianjady ny mahazo toa anao izao hoy aho,ka aza kivy ,mitraka,mangataha amin'Atra mba hanana fo hamela ny tenanao aloha ianao voalohany ary dia mianara mamela ny dadanao.Mivavaha ho azy mba ho voavonjy ny fanahiny.Vavaka tsotra no resahinao ny Tompo dia ny hiverenany na ny hitodiany any amin'ny Tompo.Izay ihany ary tena mandaitra io fa andramo.Aza mangataka zavatra hafa na betsaka fa efa fantany ny mahazo anao.
Mahereza ary manana finoana fa hainy foana ny manova ny rehetra.Izay a courage ary jereo ny zavatra tsara nomeny anao dia hianatra hifaly koa ianao.:D
28. hasinando ( 09/05/2007 12:45)


Ho an'ny Niryna afaka mifandray manokana aminao ve aho?.afaka manome adresse mail ahy ianao.MIsaotra mialoha !
29. xxx ( 09/05/2007 14:42)
Niryna, misaotra indrindra! tsy manana teny hotenenina intsony aho fa dia misaotra betsaka e! dia misaotra ny namana rehetra iany koa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6322