Tsara Zanahary.......

1. Fiffi ( 20/04/2007 10:30)
Gaga zah raha nahita an'ity lahatsoratra tao am gazety ity hoe "Tsara zanahary izy enina ka avotra"

Botry iray antsoina hoe "Fitahiantsoa" no rendrika, teo anelanelan'ny tanàna atao hoe Anosindia sy Anosihao, ao anatin'ny distrikan'Analalava, ny 12 Aprily lasa teo.Olona enina no voalaza, araka ny vaovao azo avy any an-toerana, ho indray tao anatin'ity botry ity.
Ary nisy fahasimbana tanteraka moa no nahatonga izao faharendrehana izao, satria dia niongotra tsy hita ny hazo fisaka iray tamin'ny fanambanin'ilay botry.
Noho izany dia tafiditry ny rano tanteraka ny tao anatiny, ary izay nitarika ny filentehana tsikelikely. Nisy sambokely vahiny nandalo anefa tamin'ny faritra izay nisehoan'ny loza, ka avy hatrany dia namonjy azy ireo, tany afovoan-drano.

Zack Tovoson L'Express de Madagascar

-Ka ny fanontaniana tiako hapetraka de zao : Moa ve misy ny hatao hoe "Tsara Zanahary sy ny ratsy Zanahary" ?

-Moa ve raha sanatria ka tsy avotra ireo olona ireo de lazaina hoe "ratsy Zanahary" ?
novalian'i Fiffi ny 26/04/2007 15:52
2. pimaso ( 20/04/2007 11:34)
"Mbola tsy tapitr'andro izy ireo"
misy adidy mbola tsy vita tety antany,
;-)
3. ikaretsaka ( 20/04/2007 12:45)
Tsy mbola t@ io fotoana iony "convocation" ny :wink:
arak'i io tenin'ny pimaso io

fa rehefa tena tonga ny convocation de na eo ambony fandriana miadana be eo aza ianao... lasa!
4. Fiffi ( 20/04/2007 14:20)
ka raha hoe efa tonga zany ny convocation-ny de atao hoe 'ratsy Zanahary" ?
5. ikaretsaka ( 20/04/2007 19:23)
tsy izany ka..
asiana hoe "sitrak'Andriamanitra ny niantso ny mpanompony"
any anaty ferapara!
6. Fiffi ( 20/04/2007 19:44)
satria tsy maintsy io no atao ao ......fa raha azon'ny fahatezerana de zavatra hafa no avoakan'ny vava....non ?
7. ikaretsaka ( 20/04/2007 19:47)
arakarak'ilay olona kosa e..
8. Fiffi ( 20/04/2007 19:48)
ka zay indrindra no tsy azoko.....satria amiko Zanahary de Tokana ary Tsara foana ..
9. ikaretsaka ( 20/04/2007 23:15)
le eo @ ilay "almighty" (tsy taka pesipesenina sy tsy taka-polopolorina azy) no bedebe no mbola mijanona eo..
10. Rojo ( 21/04/2007 00:05)
Ny Zanahary kosa angamba tsara foana fa ny antsika olombelona rehefa tsy metimety amin'ny sitrapon-tsika dia Zanahary no omena tsiny.
11. ikaretsaka ( 21/04/2007 03:32)
mampatsiaro ahy ny famaranan'ny Jesuites vavaka rehefa mivavaka izy ity (izay mpianany angamba mety mahatadidy na nahatadidy ary mbola manao )

"Tompo o tsy izay tiako foana anefa no aoka ho tanteraka , fa izay fantatrao fa hahasoa ahy" SFX
12. Fiffi ( 21/04/2007 06:55)
Rojo:
Ny Zanahary kosa angamba tsara foana fa ny antsika olombelona rehefa tsy metimety amin'ny sitrapon-tsika dia Zanahary no omena tsiny.
justement.....io indrindra no tiako lazaina...


13. tywa68 ( 21/04/2007 07:18)
Ikaretsaka : misaotra nizara.

Rojo : marina mihitsy zany !
14. booboo ( 21/04/2007 07:28)
Ilay hoe raha sanatria niharam-boina ve dia "ratsy zanahary". tsy dia any loatra no tokony hijerena ilay raha fa @ faritra sasany tsy tam-povoan-tany ny hoe "tsara Zanahary" = notahian'Atra. Fomba fiteny ilay izy...
15. tywa68 ( 21/04/2007 08:07)
booboo : ie azo raisina ohatran'izay koa !
16. piste ( 22/04/2007 23:22)
Manamafy izay voalaza tetsy ambony.Amin'ny finoantsika Malagasy dia mitahy ny razana ka matoa no ianao avotra t@ loza anankiray nananontanona dia noheverina fa mahery (na tsara) ilay razana mpitahy anao. Any avaratry ny Nosy iny no tena mampiasa io fiteny io. Somary mifangaro ny fiheverany zanahary( #Zanahary) sy ny razana.
17. pimaso ( 23/04/2007 11:09)
piste > tsisy razana mitahy izany
Andriamanitra no mitahy, fa
kosa rehefa tapitra andro ny olona dia maty;
Izay ny fahafatesana tsisy fanafodiny:
"Tsy ny marary mafy no mety ho faty hoy isika fa ny tapitr'andro"
Misitery io zanako;
ny Ody varatr'i mompera : "Ny Aza Voany Ihany"
Anareo indray :
18. piste ( 23/04/2007 20:46)
O Rakoto ò, resaka finoana izy ity ka tsy hitako izay hiadian-kevitra @ izany. Ka aleo samy mitazona ny azy. Raha mitady fanazavana fanampiny moa dia milazà.
19. niryna ( 24/04/2007 13:32)
piste:

Manamafy izay voalaza tetsy ambony.Amin'ny finoantsika Malagasy dia mitahy ny razana ka matoa no ianao avotra t@ loza anankiray nananontanona dia noheverina fa mahery (na tsara) ilay razana mpitahy anao. Any avaratry ny Nosy iny no tena mampiasa io fiteny io. Somary mifangaro ny fiheverany zanahary( #Zanahary) sy ny razana.

Mitombona io filazanao io satria ataon'ny olona ho zanahary daholo na Atra na ny razana izay hivavahany.

20. Fiffi ( 24/04/2007 14:28)
pimaso:
piste > tsisy razana mitahy izany
Andriamanitra no mitahy,
amiko aloha de tsy misy afatsy Andriamanitra hiany no mitahy....saingy tsy hiady hevitra @ fomban'ny olona zah hoe "ny razana" no mitahy azy.....fa manaja ny azy....


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081