Tsara Zanahary.......

21. fijo ( 25/04/2007 05:13)
de hoavy ko any sasany hilaza hoe "tsy ny soa ihany no azo avy aminy sns..."fa izao,rehefa misy loza dia na avotra na vita ny aminy.teto izany dia avotra,dia izay.fa tsy misy zanahary sy inona akory
22. majesty ( 25/04/2007 05:41)
Zanahary tsara foana ka,fa ny olona no mieritreritra azy ho ratsy rehefa misy fahavoazana manjo na dia noho ny tsy fitandreman'ilay olona ihany aza no nahavoa azy,ntsika olombelona ange mora entaninakafanam-po loatra e,raha vao misy zavatra midona mafimafy dia na tsy fahombiazana dia ilay nahary foana no omena tsiny,raha mahazo fifaliana indray dia adino ilay Nahary dia zay foana no fiainantsika
23. Fiffi ( 25/04/2007 07:16)
majesty: ka izay indrindra manko....
"majesty":
Zanahary tsara foana ka,fa ny olona no mieritreritra azy ho ratsy rehefa misy fahavoazana manjo na dia noho ny tsy fitandreman'ilay olona ihany aza no nahavoa azy
24. Mandefitra ( 25/04/2007 09:59)
Raha Zanahary = Andriamanitra de tsara foana Izy.Ny olona no be siasia.Ahoana mo le zanaka adala?tao antranondrainy izy,nahazo ze ilaina saingy de hanana ny fahafahany ka de nandeha, haninkisoa no nohanina ny farany.Refa zanak'Andriamanitra ianao,nanomboka t@ Batisa,Izy no miandraikitra anao sy miaro anao,fa hadalanao ny te hisintaka.Zany tsy midika fa tsy ho azompahoriana ianao,fa ireny fitsapana natao hanitsiana ny dia,ary maika hanantonanao bebe kokoa ilay Tompo sy Mpamonjy.Hoy i Kristy:"eto @ zao tontolo zao no ahitanareo fahoriana,nefa matokia Zaho efa naharesy zao tontolo zao"
25. Fiffi ( 25/04/2007 11:50)
Mandefitra:
Raha Zanahary = Andriamanitra de tsara foana Izy.Ny olona no be siasia.
fa nga misy Zanahary hafa afatsy Andriamanitra ?


26. prime ( 25/04/2007 13:17)
Raha finoana malagasy no itondràna ny resaka dia hafa mihitsy ny zanahary resahina...
Tena mitahy mihitsy ny fanahy hafa ankoatry ny Fanahy Masin'Andriamanitra fa sao diso hevitra isika... tsy hadalàn'ny olona velively ny mamonjy doany satria mahita fahasoavana ny amin'izany izy...
27. piste ( 25/04/2007 20:06)
Ary mitady hiverina @ izay voalazako ihany ange nareo izany rakoto ò.
28. Fiffi ( 25/04/2007 21:32)
prime:
Tena mitahy mihitsy ny fanahy hafa ankoatry ny Fanahy Masin'Andriamanitra
heu....fanahy inona io mitahy io ? sa fanahy an'iza ?


29. fijo ( 25/04/2007 22:53)
majesty;"zanahary tsara foan an.."eka ozy.
misy vy valanaretina;sy ny tsunamy.voalza ny "mpino fa zanahary koa no mandefa ireny.tsara foana lery an.na dia mandripaka olona sy mamono tsy ankifidy ny zaza aza
30. Rasiligaoma ( 25/04/2007 23:20)
fa iza no miteny an'i fijo fa ratsy ny valan'aretina sy ny tsunami?
Misy antony mahatsara azy koa ao matoa nitranga
31. niryna ( 26/04/2007 05:42)
fijo:

majesty;"zanahary tsara foan an.."eka ozy.
misy vy valanaretina;sy ny tsunamy.voalza ny "mpino fa zanahary koa no mandefa ireny.tsara foana lery an.na dia mandripaka olona sy mamono tsy ankifidy ny zaza aza

Satria tsy ny soa ihany no azo avy aminy ry fijo a.Ianao izany dia hanantena fa tsy ho solafaka na tsy hisy ahanjo anao mihitsy rehefa mino azy?Ho an'ny kristiana dia ao anaty fahoriana no ahitana ny tena fisian'Atra satria tsy hamela ahy sy ianao ho irery izy

32. majesty ( 26/04/2007 05:57)
Hoy fijo:

majesty;"zanahary tsara foan an.."eka ozy.
misy vy valanaretina;sy ny tsunamy.voalza ny "mpino fa zanahary koa no mandefa ireny.tsara foana lery an.na dia mandripaka olona sy mamono tsy ankifidy ny zaza aza



hoy ny voasoratra hoe "fa tsy sitrako ny ahafatesan'ny ratsy fanahy fa ny mba hialany amin'ny lalany ka ho velona izy".

Adinon'i fijo ny fisian'ilay hery iray na fahefana iray izay niteraka faharavana hatrizay teto amin'ity planeta misy antsika ity,nanomboka tao Edena ka mandraka androany,ary ny tena mampatahotra ahy sao dia sanatria ka tena hiasa tanteraka ao amin'isé izy no mahatonga an'ise hanana fomba fijery hafa io ka hanohitra an'ilay fahefana iray izay fitiavana,ka te hampody amin'ny laoniny izao tontolo efa hadiva ho rava izao:D:D:D
33. Fiffi ( 26/04/2007 15:52)
majesty:
ka te hampody amin'ny laoniny izao tontolo efa hadiva ho rava izao:D:D:D
:-w:-w


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0117