Ho any ve ?

1. xxx ( 11/04/2007 21:14)
Noho ny antony maromaro ihany, azoko omena ankapobeny raha tena ilaina, dia noroahina hiala ny tranony ny namako iray any Mada. Tsy nisy nanohitra io koa moa ny manodidina azy, ka hatramin'izao dia tsy misy mifanerasera aminy ny fianankaviany, na avy amin'ny Rainy na avy amin'ny Reniny. Efa ela no nifaneraserana tamin'ny fianankaviany ka samy akaiky be ahy na ireo nandroka na ilay noroahina. Noho izany dia nifandray tamin'ny roa tonta foana ah indrindra ao amin'ny skype fa za moa tsy any Mada. Amin'izao nefa ah mikasa hody ah hanao vakansy. Efa noteneniko an'zareo io, ka samy misisika ny handalovako any aminy izy ireo, normal be. Ny olako dia efa nisy indroa, niady izy mivady ary nifandroaka mihitsy fa nisy namana hafa nandeha tany amin'io namako io ary mifanendrikendrika izy mivady hoe ilay iray no naniraka azy ho any. Ny ilako hevitra aminareo dia izao.
Tokony mande any amin'ilay zanaka ve za ? Sa mba mandefitra kely aloha izahay fa mifandray tsara ihany tsinona amin'ny internet na tsy mifanatrika maso aza.
Raha mande dia inona ny fepetra mba tokony raisiko, sao hiteraka loza be amin'izy mivady indray. Ny fandalovako any tsy maitsy fantany satria misy havany mifanakaiky amin'ilay namako ihany, nefa tsy miresaka aminy.
Ny raiamandreniko aloha tsy mety ny handehanako any aminy, ary niteny fa tokony tsisy nilazako zarep hoe handalo any Mada aho. Marina fa zareo no mahita ny situation any, nefa za te hande mafy fa tian'ilay namako hiresaka mifanatrika ny zavatra misy izahay ary te hifandray amin'ny havany izy. dia tsy hitako izay mety.
novalian'i Bita ny 17/04/2007 17:46
2. ravakamalala ( 11/04/2007 23:12)
Inona moa no tokony idiranao amin ny adin zareo tany? f'angaha fahadisoanao? Raha izaho ianao dia ataoko ohatran ny tsy misy fa d "la bie est velle" foana!
3. xxx ( 12/04/2007 06:50)
Raha tsy fahadisoko ve dia tsy mahazo manao zavatra mihitsy ah. Ary raha te hiezaka hifandray ny iray, dia tsy azoko ampina mihitsy ve ?
4. Fiffi ( 12/04/2007 06:59)
xxx: raha zah no teo am toeranao de ataoko ohatran'ny tsy mahafantatra na inona na inona zah....mandeha any zah de ohatran'ny rehetra hoe mamaangy ny havana sy ny namana ....
5. meva2 ( 12/04/2007 07:35)
bjr, izao no lazaiko anao:
Tsy anjaran'ny olona mihitsy no mibaiko hoe iza na iza no tokony hovangianao na tokony horesahanao. Tsy tokony hampidiriny ao anatin'ny adiny mihitsy ianao na kely aza. Ary ianao raha te hihaona @ andaniny na @ ankilany dia zonao izany ary tsy tokony hihafy amin'izany ianao.
Tadidio fa ny fiainana dia mandalo ary tsy fantatra izay hitranga. Aleo tsy asarotina fa raisina amin'ny fomba tsotra indrindra.
6. tynah ( 12/04/2007 19:52)
Mamagy ve moa tsy hatao eh! vangio doly zay namana rehetra any ary aza miditra am olan dry zareo satria tsy hainao zay tena antony niadivan dry zareo fa samy mahay milaza doly ary samy mahay manatsara tena doly ka tandremo sao enao indray no hifoteran'ny rambony eo.Aza mipetraka any aminy na ny andaniny na ny ankilany fa sao manahirana ny tiko lazaina d hoe aza matory any .Mpiavana ireo ka na ho ela na ho aingana d mpiavana fona ka aza miditra mintsy na kely aza.
7. Fiffi ( 12/04/2007 20:08)
sa ahoana ny hevitr'i xxx @ reo voalaza rehetra reo ?
8. sakaizakely ( 13/04/2007 08:45)
Fa ny tsy azoko mits wà

Maninn kay rehefa hoe aty andafindafy aty dia manjary raisin'ny olona ho arbitra foana ? De resahina aminao daholo ny olana rehetra. Na zandriolona aza dia mahazo confidences @ zao sy zao ary indrindra le tena mahakamo de le mahazo an'le hoe anaro na teneno i anona. Lasa manana alalana hiditra @ fiainan'ny olona. Ny aza mety fotsiny

Raha za enao dia mankany ihany fa raha vao mitady hibolila any @ le resaka dia borker-o avy hatrany hoe "an an an, tsy te hahafantatra aho satria tsy aferako izany. Aza simbana @ zany resaka izany ny feeling !" Dia aza miditra @le resaka mits na dia i aza fa ahodino foana ny resaka tsy andehanany any @ilay olana.
9. xxx ( 13/04/2007 17:14)
Misaotra ny namaly rehetra.
Fiffi, ny hevitra angamba dia hoe hohita eo e. Ny marina kokoa dia te hahita izay hevitrareo ah amin'ny tokony atao. fa tsy dia tena hoe hiady hevitra na hifandresy lahatra loatra, fa misaotra betsaka anareo fa misy hafatra hobabena mandeha any :-*
10. Fiffi ( 13/04/2007 17:42)
xxx: de mandehana am saina milamina..de ataovy ny adidinao....de sady afaka adidy enao no ho faly koh fa nataonaoam-po ny zava-drehetra...:-*:-*
11. Bita ( 16/04/2007 10:46)
Izay tenenin'ilay conscience tsara anao no araho ary izao koa mba andefaso saina: mivavaha alohan'ny handehananao any @ rehetra fa Izy efa mialoha lalana alohanao any. Ary ireo toro-hevitra ery aloha dia samy misy fahamarinany daholo: fa hoy ny Ntaolo: "IZAY MAHAVANGIVANGY TIAN-KAVANA" Tena fahendrena io ary ny fanomezana kely aza adino lesy an!
12. Fiffi ( 16/04/2007 11:11)
^:^^:^
13. xxx ( 16/04/2007 17:36)
:-*:-*:-*
14. simplex ( 16/04/2007 19:42)

xxx,
tsy voatery any antranony enao no mihaona aminy k :) Mety tsy ho olana be ngamba izany.
Azonao atao tsara ny mihaona @ izy 2 tonta. De tte facon visite de courtoisie no ataonao fa tsy hoe d hanao bizna akory. Enao kou tsy voatery manazava izay zavatra ataonao rehetra akory. Sahia, d mba responsable fotsiny avy eo, ;-)
15. Fiffi ( 16/04/2007 20:35)
manao ohatran'ny tsy nisy na inn na inn zany kah ! ié mety tsara io lazain'i simplex io....
16. Bita ( 17/04/2007 17:46)
Anjaranao no sisa fa mandalo ty fiainana ity e! :-$
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6768