Colis Dago

1. azzaro ( 10/04/2007 12:59)
Manahoana,

Sao mba misy mahafantatra ny N° tél n'ilay hoe ROJO mpandefa entana any Dago (eto Paris no misy azy)?

Misaotra mialoha
novalian'i vale ny 13/04/2007 21:39
2. Fiffi ( 10/04/2007 16:02)
hummm......tandremo hiany fa nisy olana goavana be tam zah nandefa entana farany teo .....
3. karinah ( 10/04/2007 20:26)
Azzaro: ity ary (dom)01.43.81.31.26
na kou 06.74.39.04.99 , zah alou tsy mbola sendra olana hoatran'i Fiffi izany fa tsy haiko, fa reo an!!:wink:
4. bazylou ( 10/04/2007 22:49)
izaho manoratra aloha dia tsary mbola nanana olana na 1 aza, sao dia mba olon kafa na tia hanaratsy fotsiny ary fiffi io.
Ity ny siteny ary misy forum ao raha tia hanoratra ianao.
www.riemessagerie.com
Misaotra e:wink::wink:
5. Fiffi ( 10/04/2007 22:56)
bazylou:
sao dia mba olon kafa na tia hanaratsy fotsiny ary fiffi io.
bazylou: heu.....zah tsy ohatranao mpanaratsy olona an ! zany ny fombanao ka aza ahilika aty amiko aty ! :evil::evil:


6. bazylou ( 10/04/2007 23:06)
asa koa, ny olona rehetra tsy nisy nanana olana hafa tsy ianao irery, mba azonao lazaina ve inona ilay olana??
7. Fiffi ( 10/04/2007 23:12)
de midika ve zany hoe manaratsy olona zah ? :roll::roll:
8. lost ( 11/04/2007 09:55)
Fiffi
9. Fiffi ( 11/04/2007 10:40)
:-w:-w:-w lost: zany an ! ny olana fotsiny de tsy tonga ny entana tam fotoana nolazaina fa voatery nanao intervention .....mazava kosa angamba zay sa ahoana ?
10. booboo ( 11/04/2007 11:29)
Fiffi > tena tsy tonga mihitsy ilay izy ve dia zay no nanaovana "intervention" dia tonga ihany na tara aza sa tara fotsiny dia nanao reclamation ? tsy mazava amiko rangah lé izy fa mba omeo infos bebe kokoa a :°)...sao mihitsoka any kounkou manko lé vao nalefako vao haingana ....:-w:-w
11. Fiffi ( 11/04/2007 11:46)
booboo: non seulement tsytonga tam le date nomeny ny entana....nanaovana intervention kay io entana io lasan'olon-kafa....après maintes interventions efa nahatratra 1 volana vao tonga le izy ! de imaginéo raha ohatra hoe portable na caméra no halefa de mety hoe innn no nihafarany ? fa juste akanjo sy kiraro le izy...(tsy olana be ve zany ?):roll: bref....
12. booboo ( 11/04/2007 12:04)
ah ! zay vao mazava tsara ny tena fandehany ...
13. bazylou ( 11/04/2007 14:11)
tsy marina kosa izany e; koa maninona ianao no tsy mankao amin'ny forumny e?? dia afaka 1 mopis ve vao azonao ny entanao ?? tsy marina io e
14. bazylou ( 11/04/2007 14:14)
andraso fa antsoikoledala dia asaiko miditra eto aminn'y forum e!! fa izaho aloha tena tsy mino an'io e!
15. Fiffi ( 11/04/2007 14:21)
bazylou: ka raha tsy mino aza enao de azoko hatao ahoana ? :roll: ary fa nga ny zavatra rehetra tsy maintsy parfait daholo ? ny olona nga tsy afaka manao erreur ? :roll:
16. rush ( 11/04/2007 14:40)
ka ry bazylou angamba anisan'ireny olona tonga lafatra ireny dia tsy manaiky fa na ny mihinam-bary aza mety misy milatsaka!
17. xxx ( 11/04/2007 15:34)
bazylou nge fantatray fa akaman'io eh, efa nanaovan'i bazylou pub teto mihitsy io. Dia raha vao miteny zavatra tsy mety momba azy i fiffi tonga dia tezitra bazylou.
Kay mila gasy ihany fa eo fotsiny ny mody manambanimbany eo.
18. andrea ( 11/04/2007 16:12)
bazylou:

andraso fa antsoikoledala dia asaiko miditra eto aminn'y forum e!! fa izaho aloha tena tsy mino an'io e!


Miandry azy izany hanazava...

Tsy manaratsy an'i Rojo i Fiffi fa mampilaza hoe tandremo fa nisy olona tamin'izy nampiasa ilay service.. Zavatra marina nandalovan'i Fiffi, niteraka olona lehibe ho azy fa tsy hoe fanaratsiana olona tsy misy dikany, fitiavana daholo izany, jerevo ange fa mety manatsara ny businessn'i Rojo e !
De amin'izay tsy miverina intsony ny olona

Ilaina ihany ny tsikera ry Bazylou .. tsy misakana ny olona tsy hiantso an'i Rojo hangataka fanazavana akory fa aza masiaka loatra .. :D :D...


19. andrea ( 11/04/2007 16:33)
De amin'izay tsy miverina intsony ny olana
20. rrichara ( 11/04/2007 23:45)
Manao ahoana daholo isika tompoko.
Ny tenako dia faly mahita anareo manome lanjany ny fandefasana entana mankany Madagasikara.
Izaho manokana aloha dia tsy mahafantatra an'i Fiffi, asa mety clientko angamba ianao ka tsy tadididko, na mety olona hafa , tsy fantatro.
Ny hany mba hiangaviako anao raha azo atao dia ny manome ahy ny anaranao sy ny daty nandefsana ny entanao ary ny destinataire io entanao io.misy koa ny forum ao amin'ny riemessagerie.com, (eo amin'ny page voalohany io) afaka hifampiresahatsika rehetra ny fandefasana io entana io , afaka ilazanao ny hetahetanao koa ao . Ka manasa antsika rehetra raha misy fanontaniana manitikitika.

Amin'izao isika manoratra izao dia tsorina mazava fa misavoritaka ambony ambany ivato aeroport sy ireo mpandraharaha rehetra ao aminy satria niova anio alarobia maraina ny procédure de deouanement rehetra,indrindra fa ny avy aty ivelany.Ilaina amin'izay izany izao ny fanomezana facture na ticket de caisse ny zavtra rehetra nalefanao,na inona iona inona ary na entana inona io na inona, eny fa na dia ba kiraro iray aza.mihasarotra atrany ary miha-mavesatra hatrany ny fidedouanena entana, ary plus nomena fitaovana ny douane syny tariny rehetra dia plus nikatso sy nihaela ilay organisation sy procedure douaniere.
NY hany valin teny azo any am bavany dia tsotra ihany, "" tsy manam bola hono ny fanjakana ka aty amin'ny importation rehetra izy no manenjika ny lavaka ara bola rehetra "" ( inspecteur douane iray io)
Ary manomboka izao koa dia tsy maintsy misoratra
anarana izay rehetra mandefa sy mandray entana mankany sy avyany Madagasikara, ary izay tsy manao an'io dia tsy mahazo miditra an'ny Madagasikara ny entany. Ity ny site fanaovana io
www.bscmg.sgs.com
RAh misy fanontanianao di atongava ao amin'ny forum riemessagerie na manorata mail, iemessagerie@yahoo.fr na miantsoa fa efa misy olona mahafatra-po nanome ny numeroko etsy ambony.
Misaotra tompoko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1124