prolongement visa

1. maintsokely ( 29/03/2007 10:09)
Manao ahoana daholo,
Saika mba hila hevitra amin'ny namana amin'ity situation ity !

Tonga aty izany ny mamanay nampiteraka ny zandriko vavy,
ahoana ny hevitra mba hanalavana ny séjour ny satria mbola sahirankirana ilay zandriko ?

Ny visa-ny dia Visa tourisme !

Mila mandeha préfecture ve ? manao ahoana ny chance ? inona no tsy tokony hatao (tsy azo lazalazaina) na inona no tokony hanao.

Misaotra mialoha

novalian'i Fiffi ny 19/05/2007 10:54
2. Ralay ( 29/03/2007 10:14)
Mila mandeha any @ prefecture tokoa fa ny chance aloha dia kely dia kely ihany e. Afaka mangataka prolongation de visa raha ohatra ka marary milamitsabo tena ilay olona. Indrisy mantsy ry maitsokely
3. maintsokely ( 29/03/2007 10:28)
Ka ny olana tsy marary ilay mamanay, sady mbola te hijanonjanona izy satria sady malahelo ny zafikeliny (zafikeliny voalohany mantsy io) no sady mbola sahirana ilay zandriko.
Prolongement 1 mois na 3 mois



4. Ralay ( 29/03/2007 10:42)
Andramo foana fa tsy misy mangataka voa tehimaina hono.
5. maintsokely ( 29/03/2007 10:45)
marina izany ! manontany mantsy aho sao dia mba efa nisy nanao dia mba mifampizara experience !
6. kelly13 ( 29/03/2007 11:08)
ra efa nahazo 3mois izy niala tany mada d mety tsy ahazo intsony fa ra 1 mois no azony niala tany mada d mety ahazo izy! ny visa tourisme mantsy tsy mahazo mihoatra ny 3 mois :)
7. miarina ( 29/03/2007 14:31)
Raha mavokely rangaha de mety ho nahazo angambany ko lol
mba mandala ny ol e
8. Bita ( 29/03/2007 16:36)
Mety ho sarotsarotra no ahazoany prolog visa saingy ny mora indrindra dia mamerina manao fanasana azy indray na lazaina mihintsy yn antony hitazonana azy raha any @ faritany ohatra hoe any Bordeaux na any @ sisiny rehetra any misy ireo consulat malagasy dia azo atao ny tena misolelaka kely e ka andramo fa raha ao ampovoany aloha dia mangamba tsy misy hevitra. Hirariako ary ny hahitana valiny mahafa-po....
9. Fiffi ( 29/03/2007 17:57)
heu......indrisy...tsy hoe te hi-demoralisé anao zah @ io fa tena efa nisy cas ohatran'zao de tsy nahazo....visas de tourisme nahazo 3 volana le olona de lasa tsy tourisme intsony zany fa zavatra hafa ....ka hanahirana be ny ahazahoana an'zany..saingy....qui ne risque rien , n'a rien
10. maintsokely ( 29/03/2007 21:46)
Misaotra betsaka anareo namaly,

Hono ho aho ry Bita, Tsy azoko ilay tianao hotenenina ilay hoe "averina ny fanasana azy" sy hoe "mandeha any amin'ny consulat " ?

Maintsokely

11. fijo ( 29/03/2007 22:02)
andramo aloha de raha toa ka tsy mahazo ,de avy dia asaivo mijanon afotsiny izy fa ny billet no amboaro.
12. Fiffi ( 30/03/2007 05:37)
fijo: ka tsy hanahirana be ve zany akia ? de raha misy fisavana paps de ahoana ? de tsy ara-dalàna de .....:roll:
13. kally ( 30/03/2007 07:45)
Tsy haiko aloha ny any aminareo, fa raha vao mijanona manalava ohatran'io anie ka tsy omen'ny zareo visa intsony amin'ny manaraka raha mbola mikasa handeha e!Na dia nihoatra iray andro fotsiny aza.Ny any Frantsa ho'a tsy haiko raha ohatr'izay koa an!
14. Fiffi ( 30/03/2007 08:41)
ny zavatra fantako fotsiny de zao:

-Raha manana nationalité vazaha enao de tsy misy olana ny fangatahana prolongation satria mamanao io...

-Raha carte de sjour indray....:-w:-w:-w ho sarotra zany an ! bref....andramo hiany sao mba....
15. xxx ( 30/03/2007 09:33)
raha io lazain'i fijo io dia azo atao ihany , dia maka laisser-passer any @ ambassade gasy rehefa hody FA tsy hahazo visa hiverina aty intsony intsony izy

Fiffi >>> ohatran'ny tsy marina ilay hoe manana nationalité vazaha ny ankizy dia mahazo mangataka ny hijanona kely ilay mamany, nisy olona hitako efa nifampivazavaza t@ mpiasan'ny prefecture t@ io mihintsy mantsy

16. Fiffi ( 30/03/2007 09:36)
xxx:
Fiffi >>> ohatran'ny tsy marina ilay hoe manana nationalité vazaha ny ankizy dia mahazo mangataka ny hijanona kely ilay mamany, nisy olona hitako efa nifampivazavaza t@ mpiasan'ny prefecture t@ io mihintsy mantsy
xxx: de miankina am le prefecture zany.....satria tena efa nahita an'io zah an ! de nahazo 1 volana le mamany...saongy..@ zao fihovan'le lalàna zao de asa aloha an ! efa tena henjana be manko zao io...


17. kally ( 30/03/2007 10:22)
Ny hahazo anie homeny hoe mahazo mijanona, fa ataon'ny ambasady maivana rehefa haka visa manaraka.Angaha izy te -hahalala hoe taratasy vazaha ny zanakao sa tsia fa ny taratasin'ny reninao no ho jereny. Averiko ihany fa ATY io fa tsy any Frantsa ka tsy haiko.
18. Fiffi ( 30/03/2007 19:44)
maintsokely: andramo hiany fa mety mianjera @ olona tsara toetra enao....
19. maintsokely ( 30/03/2007 23:09)
Fijo >>> Izy ange afaka mijanona fotsiny e! sady mety ho kely dia kely ny probabilité hisian'ny fisavana paps satria aty amin'ny province fa ny olana dia tsy mahazo visa intsony refaveo.


Fiffi >>> Izahay aloha mbola carte de sejour e! mety ho sarotsarotra ihany.


Hi tenter ihany angamba izahay na handeha any amin'ny assistante sociale étranger dia hita eo. Efa mionona fa kely dia kely ny chance.


Misaotra anareo

Maintsokely
20. Fiffi ( 31/03/2007 06:59)
maintsokely:

Fijo >>> Izy ange afaka mijanona fotsiny e! sady mety ho kely dia kely ny probabilité hisian'ny fisavana paps satria aty amin'ny province fa ny olana dia tsy mahazo visa intsony refaveo.


Fiffi >>> Izahay aloha mbola carte de sejour e! mety ho sarotsarotra ihany.
hummmm.....mety tena ho sarotra zany carte de séjour zany an !

hummmm......tandremo hiany le hoe mijanona fotsiny na hoe matoky fa any @ province de kely ny fisavana an ! aleo mailo satria efa henjana be zao ny fisavana paps....


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5666