Miray amin'i Jesosy

1. lapino ( 28/03/2007 14:00)
Eny, tena resaka fitiavana io ! Ary hanatrika ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry isika atsy ho atsy :)

Ozizy Jesosy hoe : "Izaho no voaloboka, hianareo no sampany."

Ahoana tokoa moa izany miray amin'i Jesosy ?
- ranon'aina ("seve" ) avy any Aminy no ivelomana; "tsy ny mofo ihany" manko hoy Izy, fa ny "ny Teny rehetra izay naloaky ny vavan'Andriamanitra"
- mamoa voa avy Aminy, ka raha voaloboka Izy dia mamoa voaloboka izay miray Aminy, satria aina avy Aminy ihany no amoazana. "Ny voany no amantarana ny hazo" hoy koa Izy.
- noho izany, dia manjary mitovy amin'Andriamanitra koa izany izay miray Aminy. Mitovy sitrapo, mitovy fitiavana, mitovy fahasambarana, ...

Hoy Izy manaraka an'izany :
"Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany."

Mbola hoy koa Izy :
"Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ha ho tanteraka ny fifalianareo."

Dia hoy indray aho aminao :
Andeha hanolotra ny tenantsika manontolo (vatana + saina + fanahy) hiray amin'i Jesosy, hampiharany ny Fitiavany. Fa any no misy ny tena fahasambarana, dia fahasambarana ao anatin'ny Fitiavana lehibe indrindra.

Sady izay koa :
ny fitiavan'ny olombelona ety an-tany aza mahasarobidy ny "iray minitra monja", mba azonao an-tsaina ve izany hoe "mandrakizay" ?

Vakio ao amin'ny Jaona.15, ataovy be am-bosika sy ankafizo tsikelikely. :wink:
novalian'i prime ny 06/04/2007 10:31
2. Fiffi ( 28/03/2007 14:18)

" Fa fitiavana mandrakizay no nitiavako anareo ka izany no
nampaharetako ny famindrampoko aminareo "
Jer.31 : 3
3. ikaretsaka ( 28/03/2007 14:40)
ouffff! natahotra be za le nahita ity hafatra ity ni defile tary hoe miray @ jesosy de hoe fitiavana..... hoe "faire l'amour" ahoana koa
hoe resakinona indray ary ty le
4. rakaroka ( 28/03/2007 15:14)
ikaretsaka:

ouffff! natahotra be za le nahita ity hafatra ity ni defile tary hoe miray @ jesosy de hoe fitiavana..... hoe "faire l'amour" ahoana koa
hoe resakinona indray ary ty le


8O:roll::-D:-D:-D:-D:wink:
5. ikaretsaka ( 28/03/2007 15:41)
ko nisy hoe miray e... fitiavana e... ranon'aina ee.....de nisy Jesosy...
"tompoko sy andriamanitro" 8O aloha ny reaction ko voalohany fa tsy hafeniko e
6. lapino ( 28/03/2007 15:45)
Ikaretsaka :)
Izany no lazain'ny Tenin'Andriamanitra.

Tena misy fampitovizana amin'ny fiainan'ny mpivady mihitsy io. Jereo ao amin'ny Tenin'Andriamanitra :

- rehefa miresaka izy hoe fampiakaram-badin'ny Zanak'ondry
- tahaka ny itiavan'i Kristy ny fiangonana no hitiavan'ny lehilahy ny vadiny, tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vehivavy ny vadiny

Ao anatin'ny fitiavana koa ny firaisana. I Kristy miray amin'ny fiangonana. Mety hanao ohatra an'i Nikodemosy isika raha mandre an'izany, hoe ho tonga nofo indray ve Jesosy ka handeha hanaovany firaisana daholo ny fiangonana ? :)

Fa na izany aza, mety mahakasika ny nofo koa io firaisana io. Hoy ohatra i Paoly hoe : "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko" (Jereo ao @ Gal.2:20)
7. ikaretsaka ( 28/03/2007 17:13)
marina dia marina
fa ilay hoe hanao firaisana ara nofo dia nisy resaka jesosy no nanpatahotra ahy.. fa nony azoko ny votoatin-dresaka dia tsy naninona ka
izay no nampisento tokana ahy
8. Stretch ( 28/03/2007 18:02)
nitovy anao ko ah ry karetsaka,
ntaitaina mafy mihintsy ah namaky an'lay lahatsoratra,
noheveriko hilaza loza inn ndray,
ka mahakasika an'i lapino ve izany resaka rehetra zany ?
ty resakin'ny baiboly ty manko matetika mandreraka, fa be sispinsa be loatra.
9. cutie ( 28/03/2007 22:11)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 28-03-2007 16:40:29
Lohateny : Re : Miray amin'i Jesosy
ouffff! natahotra be za le nahita ity hafatra ity ni defile tary hoe miray @ jesosy de hoe fitiavana..... hoe "faire l'amour" ahoana koa
hoe resakinona indray ary ty le

:-D:-D:-D:-D:-D
hita wa
ohtran'ny sarotra be ihany :-D
10. cutie ( 28/03/2007 22:13)
ty resakin'ny baiboly ty manko matetika mandreraka, fa be sispinsa be loatra.

za alou tsy mahazo n'in nin @ izy ty mitsy :-D
11. rakaroka ( 29/03/2007 06:06)
Hatraty io tsy mahazo ny tiany holazaina io fa dia mitazana toa ny omby mijery florè fotsiny e!8O8O8O
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
12. lapino ( 29/03/2007 11:15)
Stretch, mahakasika ny kristiana rehetra io resaka io ka. Ny fiainan'ny kristiana manko dia misy dingana 2 azo tsongaina :
- ny fanapahan-kevitra manaiky ny invitation-n'i Kristy hanaraka Azy, manolotra ny tena (iny no fiandohan'ny maha kristiana). Fanekena sy fanoloran-tena araka ny sitraponao an, tsy noho ny fianakaviana na ny mpiray fiangonana, na ..., fa tena vokatry ny fo
- ny fitoerana ao amin'ny Fitiavan'i Kristy. Io dia amin'ny fiainana iainana isan'andro. Eo no mipetraka ilay firaisana amin'i Kristy. Raha tsy fitiavana vokatry ny fo ny fidirana ho kristiana fa noho ny antony hafa, dia tsy ho tafatoetra eo ianao.

Ny tena kristiana authentic io, fa tsy izay mitondra anarana ho kristiana fotsiny.

cutie, rakaroka, marina fa misy zavatra sarotra raisina ny Tenin'Andriamanitra ... raha sainina araka ny nofo. Kanefa dia izay no fisainantsika olombelona "par defaut".
13. ikaretsaka ( 29/03/2007 11:45)
lapino> hanaraka azy kosa angamba fa tsy hanao firaisana"ara nofo" aminy:-D
tany no nampisahotaka ireto vahoaka anie.
le filazanao azy teo koa anie ka lalina e!
14. lapino ( 29/03/2007 12:21)
Ka izay no nataoko teo hoe :
Mety hanao ohatra an'i Nikodemosy isika raha mandre an'izany, hoe ho tonga nofo indray ve Jesosy ka handeha hanaovany firaisana daholo ny fiangonana ?
15. princesseN ( 29/03/2007 12:28)
fa nareo ve mananiany e!fivavahana ange io e!
Jesosy ange ka tsy azo vazivaziana e!
16. ikaretsaka ( 29/03/2007 13:43)
princesseN:

fa nareo ve mananiany e!fivavahana ange io e!
Jesosy ange ka tsy azo vazivaziana e!



tsy mananihany izahay fa miteny sy milaza mazava ny voamarika voalohany fotsiny, izay mihafara amin'ny hoe rehefa tena tsy mazava sy mivantana anie ny tian'ny mpanoratra lazaina, tena hafahafa ihany ny fandraisan'ny olona azy e!
io resaka miolaka io anie...
17. rakaroka ( 29/03/2007 14:50)

cutie, rakaroka, marina fa misy zavatra sarotra raisina ny Tenin'Andriamanitra ... raha sainina araka ny nofo. Kanefa dia izay no fisainantsika olombelona "par defaut".


Ka fidiny ho anay aza v ny tsy maharakatra lé izy :?:
:roll::roll: Marina mafy mbô miezaka ihany hoe inn marina aza ny tiany ambara? Koa sady mifangaro resaka corps vatana saina fanahy mifangaro izany koa 'ngé lé izy e...'zaho izao vao fanina ilay nazavaina hoe ny "mazava" dia tsy ilay "eritreretinareo" fa "Kristy" no ilay "Mazava"
(bien que voasoratra mazava ao @ Genesisy hoe nantsoiny hoe andro ny "mazava" ...dia avy eo lé izy mivadibadika toa ny mena mahazo...dé very ny saina sy ny fanahy ko! Dia lazainareo mananihany indray @ny tsy faharahana:roll::roll::-D:-D:-D
18. Zina ( 29/03/2007 19:00)
princesseN [ Valio ] 29-03-2007 14:28:49
Lohateny : Re : Miray amin'i Jesosy
fa nareo ve mananiany e!fivavahana ange io e!
Jesosy ange ka tsy azo vazivaziana e!

:-*

lapino [ Valio ] 29-03-2007 13:15:14
Lohateny : Re : Miray amin'i Jesosy
Stretch, mahakasika ny kristiana rehetra io resaka io ka. Ny fiainan'ny kristiana manko dia misy dingana 2 azo tsongaina :
- ny fanapahan-kevitra manaiky ny invitation-n'i Kristy hanaraka Azy, manolotra ny tena (iny no fiandohan'ny maha kristiana). Fanekena sy fanoloran-tena araka ny sitraponao an, tsy noho ny fianakaviana na ny mpiray fiangonana, na ..., fa tena vokatry ny fo
- ny fitoerana ao amin'ny Fitiavan'i Kristy. Io dia amin'ny fiainana iainana isan'andro. Eo no mipetraka ilay firaisana amin'i Kristy. Raha tsy fitiavana vokatry ny fo ny fidirana ho kristiana fa noho ny antony hafa, dia tsy ho tafatoetra eo ianao.

Ny tena kristiana authentic io, fa tsy izay mitondra anarana ho kristiana fotsiny


Tena marina ny anao ry lapino:wink:
19. cutie ( 29/03/2007 21:56)
Ka fidiny ho anay aza v ny tsy maharakatra lé izy
Marina mafy mbô miezaka ihany hoe inn marina aza ny tiany ambara? Koa sady mifangaro resaka corps vatana saina fanahy mifangaro izany koa 'ngé lé izy e...'zaho izao vao fanina ilay nazavaina hoe ny "mazava" dia tsy ilay "eritreretinareo" fa "Kristy" no ilay "Mazava"
(bien que voasoratra mazava ao @ Genesisy hoe nantsoiny hoe andro ny "mazava" ...dia avy eo lé izy mivadibadika toa ny mena mahazo...dé very ny saina sy ny fanahy ko! Dia lazainareo mananihany indray @ny tsy faharahana

mety mila latsahan'ny FM vo hahazo a :-D
20. rakaroka ( 30/03/2007 06:18)

mety mila latsahan'ny FM vo hahazo a :-D


Hiara hivavaka isika hangataka ny filatsahan'ny Fanahy masina aloha....
Ry Fanahy ô avia. Amen!
:roll::roll::roll:
Dé ahoana @ 'zay ary?....8O8O8O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0622