Vokatry ny Fanahy Masina

1. LazaDaddy ( 28/03/2007 11:16)
Inona avy ny vokatry ny Asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny olombelona?
novalian'i prime ny 03/04/2007 10:51
2. Rasiligaoma ( 28/03/2007 12:14)
Woaaaaah! Niova ny tany! :lol: Niova ny olona! Deo gratias
ny olona farak'izay tsy nampoiziko hilaza izany fanontaniana izany no niteny ity ko!
Niasa tokoa ny fanahy masita tamin'ny olombelona... io ianao io vavolombelona:-*
3. Fiffi ( 28/03/2007 14:09)

Ny Fanahy Masina
amintsika dia mampamokatra antsika "fitiavana, fifaliana, fiadanana,
fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
fahalemem-panahy, fahononam-po" araka ny Gal.5 : 22-23.
4. Fiffi ( 28/03/2007 14:12)

Ny kristiana tsirairay resy lahatra ny amin'izany, noho ny asan'ny Fanahy
ihany koa, dia hikatsaka indrindra ny hiaina izany sy hizara izany amin'ny
manodidina azy : manomboka ao an-tokantrano, ao amin'ny fiangonana
ary eo amin'ny fiaraha-monina manontolo - na amin'ny ady sarotra na
sendra fitsapana, na amin’ny fifaliana, na amin’ny fahasoavana.
Ny fiainana izany vokatry ny Fanahy izany dia mampanakaiky bebe kokoa
ny olony amin'Andriamanitra, eny mampiray azy Aminy tanteraka. Izany
koa no hahatsapany ny hamamin'ny tanam-pitiavan'Andriamanitra
mamonjy sy miaro, mampahery sy mampandresy ny azy - satria ny
Fanahin'ny fandresena nandresen'i Jesosy Kristy ny fahafatesana no
nomeny antsika.
Mandrakizay izany fandresena izany, satria mandrakizay ny fitiavany
antsika, koa mba ho mandrakizay koa anie ny vokatry ny Fanahy
amintsika.
5. kiranil ( 28/03/2007 16:08)
Fiffi>
Ny Fanahy Masina
amintsika dia mampamokatra antsika "fitiavana, fifaliana, fiadanana,
fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
fahalemem-panahy, fahononam-po" araka ny Gal.5 : 22-23.


Mitovy hevitra aminao sy ny Soratra Masina aho..
Ny anampiako azy angamba dia ilay Tenin'Andriamanitra eo alohan'io lazainao io izay milaza ny fitarihin'ny nofo izay mifanohitra tanteraka amin'ny fitarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra::

"Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,

fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,

fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra." Gal 5


Ho an'ireo izay efa nino sy nanaiky an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy ho Mpamonjiny azy ka nandray ny fanomezana avy amin'Andriamanitra dia ny Fanahy Masina, dia izao no Teniny::

"Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.

Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo." Gal 5:16-17


Misaotra.
6. cutie ( 28/03/2007 22:14)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 28-03-2007 13:16:27
Lohateny : Vokatry ny Fanahy Masina
Inona avy ny vokatry ny Asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny olombelona?

miteny @ teny tsy fantatra :-D
7. LazaDaddy ( 29/03/2007 10:57)
cutie:
miteny @ teny tsy fantatra :-D
mampihomehy anao ve izany ry cutie?


8. Rainikarabo ( 29/03/2007 11:18)
LazaDaddy:

Inona avy ny vokatry ny Asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny olombelona?


Fahazavan-tsaina 8) ohatra iray
9. ikaretsaka ( 29/03/2007 11:40)
LazaDaddy:

cutie:
miteny @ teny tsy fantatra :-D
mampihomehy anao ve izany ry cutie?





fahazavan-tsaina tokoa indrindra indrindra:
io ohatra 1
mazava saina be i cutie dia mihomehy izy rehefa misy zavatra mahafaly azy.

Ny open mind, laid back.. izany amiko no tena vokatry ny fanahy masina ary anisan'ny zavatra nataon'i Jesoa sy ny apostoly ...
10. princesseN ( 29/03/2007 12:35)
betsaka no mety ho asan'i Fanahy Msina @ olombelona ,oh fotsiny zao hoe ny fiovan'ny olona iray ,ny ratsy lasa tsara e!:wink:
11. kiranil ( 29/03/2007 16:45)
Ny open mind, laid back.. izany amiko no tena vokatry ny fanahy masina ary anisan'ny zavatra nataon'i Jesoa sy ny apostoly ...


Open mind, laid back??

Jesosy Kristy dia niaraka nipetraka t@ mpanota (mpijangajanga, mpamory hetra, sns...) tokoa tety an-tany. FA SAINGY TSY NANOTA VELIVELY.

"Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.

Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.

Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy: ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.

Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana hianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?

Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;

tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
Lioka 5

Ny antony niarahan'i Jeossy Kristy t@ mpanota dia ny niantsoany azy ireo mba hibebaka @ fahotana izay vitany, hiala @ ratsy fanaony ary hanaraka Azy.

>>> Fa tsy sanatria akory hoe nankasitraka ny fahotana sy nanota koa Izy ka hilazana azy hoe "open mind" sy "laid back".

Misaotra.
12. kelly13 ( 29/03/2007 16:50)
inn zany laid back?
13. Zina ( 29/03/2007 19:08)
relax aky kelly13, tsy mieritreritra zavatra betsaka. Itan'ndry ireny olona mipetraka @ seza ireny dia atosiny @ ny tongony ny seza dia mampiakatra ny tanany roa izy apetrany ao ambadikin'ny lohany hihihihihih

Inona avy ny vokatry ny Asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny olombelona?


Maniry ny te-ahalala betsaka kokoa ny Tenin'Andriamanitra, mitady ny tena fahamarinana en plus izay fantatra,
io ilay lazaina oe mangetaheta ny fahamarinana aho nohon'ny Anarany...
dia iretsy efa nolazain'i Fiffi iretsy koa, ny fisainana niova..

Dia maniry ny hanana an'izany mihitsy :wink:
14. cutie ( 29/03/2007 21:57)
mazava saina be i cutie dia mihomehy izy rehefa misy zavatra mahafaly azy.

:lol::lol::lol::lol:
15. cutie ( 29/03/2007 21:58)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 29-03-2007 12:57:18
Lohateny : Re : Vokatry ny Fanahy Masina
Hoy i cutie:
miteny @ teny tsy fantatra
mampihomehy anao ve izany ry cutie?

oujy , aiza aza nareo zany :-D
16. cutie ( 29/03/2007 22:00)
kiranil [ Valio ] 29-03-2007 18:45:40
Lohateny : Re : Vokatry ny Fanahy Masina
Voalaza teo :
Ny open mind, laid back.. izany amiko no tena vokatry ny fanahy masina ary anisan'ny zavatra nataon'i Jesoa sy ny apostoly ...


Open mind, laid back??

Jesosy Kristy dia niaraka nipetraka t@ mpanota (mpijangajanga, mpamory hetra, sns...) tokoa tety an-tany. FA SAINGY TSY NANOTA VELIVELY.

8:roll::roll::roll::roll::roll:
17. ikaretsaka ( 30/03/2007 02:03)
fa angaha nisy resaka ankanota teo?
18. cutie ( 30/03/2007 02:33)
za mba gaga:lol:
19. boubounezy ( 30/03/2007 10:44)
vokatriny Fanahy Masina @ko alou manokana dé ny fahamasinana, fahendrena, ary ny fitiavana.
dé ny akotrizay alou tsy mbola haiko:)
20. Rasiligaoma ( 30/03/2007 11:26)
ny ahy aloha dia ny fahalalahan-tsaina e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2672