Vokatry ny Fanahy Masina

21. prime ( 30/03/2007 12:23)
LD,kiranil> Mankasitraka hatrany amin'ilay fampatsiahivana...=D Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra...^:^^:^

Ireo efa notanisain'i Fiffi ireo no tena vokatry ny Fanahy Masina raha ny tenin'Andriamanitra... fa mitombina koa nefa ny fampitandremana ampatsiahivin'i kiranil fa ny nofo sy ny fanahy dia tena mifandrafy mihitsy... tsy "possible" mihitsy ny hoe hiarahan'ireo monina ka ahazoana vokatra iray ankasitrahan'Andriamanitra... Tsy afaka mifanaraka ireo no sady tsy afaka mifampi"comprendre" ka hananana fahalalahan-tsaina loatra...
22. ikaretsaka ( 30/03/2007 12:57)
fa raha ao anaty sahan'ahi-dratsy ve no misy voambary 1 ry prime..
tsy maintsy hivelatra sy hifandray ary hiara hiaina amin'ny ahi-dratsy izy, fa izany akory tsy hanakana azy ho Voam-bary!
Izay no tena asan'ny Fanahy masina . . .
23. cutie ( 31/03/2007 00:18)
... fa mitombina koa nefa ny fampitandremana ampatsiahivin'i kiranil fa ny nofo sy ny fanahy dia tena mifandrafy mihitsy... tsy "possible" mihitsy ny hoe hiarahan'ireo monina ka ahazoana vokatra iray ankasitrahan'Andriamanitra... Tsy afaka mifanaraka ireo no sady tsy afaka mifampi"comprendre" ka hananana fahalalahan-tsaina loatra...

tsy afaka mandeha rery reo e
tsy maintsy miaraka fona vo feno
fa lasa resaka lalina njay ty raha hitarina:-D
24. rabilabila ( 31/03/2007 01:16)
tsetsatsetsa tsy haritra kely fotsiny:


Jesosy Kristy dia niaraka nipetraka t@ mpanota (mpijangajanga, mpamory hetra, sns...) tokoa tety an-tany. FA SAINGY TSY NANOTA VELIVELY.



Raha ny bokinareo no jerena dia mety tsy nanota tokoa izy fa kosa nanosika ary indraindray aza mibaiko ny olona hanota:

Ao amin'ny Lioka toko faha-19 andininy faha-27: Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento aty, ka vonoy eto anatrehako .

Ary tandremo sao tezitra fa:

Joba toko faha-19andininy faha-29: Dia matahora ny sabatra hianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, Mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.

25. prime ( 03/04/2007 10:51)
ikaretsaka:
fa raha ao anaty sahan'ahi-dratsy ve no misy voambary 1 ry prime..
tsy maintsy hivelatra sy hifandray ary hiara hiaina amin'ny ahi-dratsy izy, fa izany akory tsy hanakana azy ho Voam-bary!
Izay no tena asan'ny Fanahy masina . . .
...:-D:-D Tsy mazava ny tianao ahatongavana...

Ny tenin'Andriamanitra mikasika izay lazainao izay dia ilay fanoharana mikasika ny fanjakàn'Andriamanitra noharina tamin'ny lehilahy iray namafy voa tsara tao an-tanimbolony... ny tsy anasarahana azy dia tsy resaka hoe tsy maninona ireo raha miara-monina na koa hoe natao ireo hiara-monina fa ny voambara dia raha ongotana mialoha ny fotoana (andro fitsaràna) ny ahidratsy (na tsiparifary) dia sao voahongotra tsinahy hanaraka azy ny vary... izay no antony fa tsy resaka hoe Fanahy Masina na koa hoe fivelaran-tsaina...

Hoy ny tenin'Andriamanitra mikasika izany amin'ny anaran'i Jesosy :

"24 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:28 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?29 Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro." Matio 13:24-30
cutie:
tsy afaka mandeha rery reo e
tsy maintsy miaraka fona vo feno
fa lasa resaka lalina njay ty raha hitarina
... Ny resaka anie tsy hoe miaraka ireo sa tsia fa hoe "mifandrafy" ireo... izany no midika fa ady mandrakariva ny fiarahan'ireo monina ao amin'ny olona iray, ary amin'ny ady ny iray tsy maintsy mandresy ary ny iray tsy maintsy resy fa tsy ho sahala mihitsy... na ny fanahy mandresy dia ireo voatanisa ireo ny vokany (vokatry ny asan'ny Fanahy Gal.5:22-23), na ny nofo no mandresy dia ireo voatanisa ireo koa ny vokany (vokatry ny asan'ny nofo Gal.5:19-21) fa tsy hoe mahay miara-monina akory ireo ka dia milamina tsy misy rahoraho... raha izany no misy (fiarahan'ireo tsy misy rahoraho) dia mila mandinin-tena mafy izay mpino mitoetra amin'izany fa ndrao ny nofo no mbola manjaka...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0817