Nofinofy

1. sakaizakely ( 08/03/2007 18:09)
Izaho rehefa manonofy ka miharatsy ilay izy, ohatran'ny hoe manonofy misy manenjika ohatra, dia fantatro foana hoe nofy io, dia iny aho no manidina mikopakopatsandry hono ary tena lasa eny anabakabaka mitsy, dia indraindray mahatsiaro vizana be le sandry, dia matahotra ny ho latsaka izany, dia manaitra tena hoe "aoka izay, andeha hifoha" dia taitra tokoa.

Izany hoe contrôler-ko tsara ny nofiko raha toa ka mampatahotra izany.

Misy anefa nofy tsy mampatahotra, nefa hitako fa tsy misy hirika ho ahy, nefa tsy tafataitra tena aho fa ohatran'ny mihabahaba izany.

Misy dikany ve izany hoy ianareo ?
2. Fiffi ( 08/03/2007 18:11)
heu....tsy aiko na misy dikany ny nofindry fa ohatran'hoe havizanana no nahatonga an'io nofy io ?
3. sakaizakely ( 08/03/2007 18:21)
Fiffi> ka tsy ny nofy no mahagaga ahy satria normal ilay manonofy rehefa mahazo torimaso lalina iny.

Fa ilay izaho manana total control @ny nofy ratsy no mahavariana ahy.
4. Fiffi ( 08/03/2007 18:24)
heu...zah aloha efa nanofy hoe nisy nanenjika de nitady toerana hihafenana....de kely loatra le toerana de sur zah fa ho tratra..de nivavaka hoe enganié ka tsy ho tratra...de tsy tratra...donky voakontroléko koh le nofy !
5. Lalah ( 08/03/2007 19:19)
Mihomehy rery aho mamaky ny zavatra soratan-dry ry sakaizakely fa za koa de manao an io mihintsy, rehefa tady ho tratra aho dia manaitra tena, ary tena taitra. Ny nofy tena tsy tiako de ity, enjehana na miafina ity.
6. Fiffi ( 08/03/2007 21:47)
mahagaga le nofy an !
7. sakaizakely ( 08/03/2007 22:44)
za aza indraindray lasa invisible :-D :-D :-D
Rehefa tsisy iafenana iny dia miteny hoe tsy hitan'io aho, tsy hitan'io aho (méthode Couet moa izy izay raha tsy diso aho) dia tsy hitany tokoa =)) =)) =))
8. niryna ( 09/03/2007 00:39)
Efa nisy famelabelarana an'io tany aloha tany mikasika ilay hoe "nofy ve sa fahitana".Azonao jerevana ny dikany sy ny antony mahatonga ny olona hanofy.
-misy milaza fa tsy manofy mihitsy,mety manofy fa tsy mahatadidy angamba.
-misy ny manao nofy ririnina:mangatsiaka dia taitra ao anaty torimaso dia mahita karazana nofy maromaro tsy hita fiafara
-misy mahafantatra fa manofy ka na mampatahotra aza ilay izy dia izy tenany ihany no mibaiko hoe mifohaza fa nofy fotsiny io,voabaikon'ilay mpanofy ny sainy.
-misy ny nofy manambara ny ho avy,ny mitranga ary ny hitranga ka io indray dia miankina ny fahalalan'ny olona nomen'Andriamanitra ahalala ny dikany toy ny olona manana fahitana,manana tsindrimandry,omeny hery hivavaka.Nisy io ary mbola misy io hatramin'izao.
9. hr9296 ( 09/03/2007 05:44)
"-misy ny nofy manambara ny ho avy,ny mitranga ary ny hitranga ka io indray dia miankina ny fahalalan'ny olona nomen'Andriamanitra ahalala ny dikany toy ny olona manana fahitana,manana tsindrimandry,omeny hery hivavaka.Nisy io ary mbola misy io hatramin'izao."

==> MITANDREMA FA BE NY FANDRIKA !
10. soanja ( 09/03/2007 05:52)
I Freud izao de mahita horesahina be momba ny nofy. Ny sinoa mahita hafa koa, ny gasy sns koa ny fahitako azy dia miankina amin'ilay culture tianao hidirana no ahitana soritra ny tianao ho heno momba ny nofy. Matetika anefa dia ny mid-life crisis no manjaka mahatonga ny nofy ho mivoitra rehefa tahak'izay. Aza manahy fa mandalo fotsiny iny!
11. niryna ( 09/03/2007 05:57)
Fanitsiana kely "Nofy ve sa tena izy " ilay nosoratan'ilay olona.Miala tsiny fa izay no nahatadiavako azy.Jereo ao anaty vavolombelona fa mbola hita ao
12. niryna ( 09/03/2007 06:20)
hr9296:

"-misy ny nofy manambara ny ho avy,ny mitranga ary ny hitranga ka io indray dia miankina ny fahalalan'ny olona nomen'Andriamanitra ahalala ny dikany toy ny olona manana fahitana,manana tsindrimandry,omeny hery hivavaka.Nisy io ary mbola misy io hatramin'izao."

==> MITANDREMA FA BE NY FANDRIKA !

Marina tanteraka izany kanefa ao anaty baiboly koa io milaza fa omeny fahitana na nofy ,na hanasitrana ny marary ,na handroaka demony sns.ireo izay mino ny anarany.
Mizara roa ny fiaina misy antsika ny ratsy ary ny tsara no fahalalako azy. Ny herin'ny mazava ary ny herin'ny maizina.Izay zavatra nataon'i Jesosy tety an-tany dia mbola afaka mananao an'ireo ihany koa ny olona voatendriny. Afaka manao fahagaga amin'ny olona ihany koa izay manana ny herin'ny maizina dia ireny mamaky karatra,manome ody,manao magie sns.Ary dia mila mitandrina tokoa isika satria efa mahafantatra
13. Fiffi ( 09/03/2007 07:53)
soanja:
Aza manahy fa mandalo fotsiny iny!
de zay no hilazana azy hoe "ce n'était qu'un rêve"

14. sakaizakely ( 09/03/2007 10:18)
Ny fantatro moa, dia hoe misy phases 3 ny torimaso, ka ao @ny phase faha-3 ilay sommeil profond misy ny nofy. Midika fa hoe miala sasatra tsara ny cerveau amin'io fotoana io.

Ka raha toa mi contrôle ny nofy ve dia midika izany fa marivo torimaso ilay olona, dia tsy miala sasatra tsara izany ny atidoha. ?

Mety koa ve io hidika fa mahay manao self défense izany, sa ahoana marina ?

Tsy dia hoe vital ny fahalalana ny valiny akory fa faniriana te hahafantatra fotsiny, sao mba misy mahay mamantatra nofy eto @ serasera.
15. linarako2 ( 09/03/2007 10:23)
sakaizakely:

Dia tapitra miala ho azy ny nofy ratsy raha izany
16. linarako2 ( 09/03/2007 10:25)
soanja:

I Freud izao de mahita horesahina be momba ny nofy. Ny sinoa mahita hafa koa, ny gasy sns koa ny fahitako azy dia miankina amin'ilay culture tianao hidirana no ahitana soritra ny tianao ho heno momba ny nofy. Matetika anefa dia ny mid-life crisis no manjaka mahatonga ny nofy ho mivoitra rehefa tahak'izay. Aza manahy fa mandalo fotsiny iny!

Mandalo izy raha tsy ampy torimaso ilay olona.Marina ny avoakany indraindray fa mety tsy mahay ny dikany izy

17. soanja ( 09/03/2007 17:32)
linarako2:

An an efa misy taona mihitsy hitan'ny manampahaizana momban'ny psy fa mivoitra ny nofy. zany hoe matetika ary miharihary manjaka ao anaty torimaso.
Io de amin'ny taona zaza 2 sy sasany-4 taoan eo no ho eo. Ny taona 30 ans- 45 ans eo. Misy ifandraisany tsara amin'ny subconscient le izy ary misy ifandraisany amin'ilay fiainan'ilay olona. Zany hoe phase mandalo no tiako resahina ny taona/ ny etat psy. ary mihamalefaka izany rehefa tonga ilay fotoana miala amin'io taona io.

Ny hoe mahay mamaky dia interpretation daholo no atao, zany hoe tsy misy mahalala izay tena izy fa dia tsatotsatoka aby.

Izaho zao dia anisan'ny olona mamaky Nofy ary afaka miteny fa betsaka ny nofy efa novakiako ary 60% mitranga tokoa amin'ny fiainan'ilay olona. Ny tiako resahina dia gift nomen'Andriamanitra koa ilay izy fa anjaranao na hino na tsy hino. Tsy mamakimaky foana anefa aho fa mila concentration vao mahamarina. Noho izany dia mila hitako ilay olona ary mihaino sy mamantatra ny fiainany aho vao misy izany famakiana izany. Zany hoe mifangaro ny fahafantarana ny omaly, ny anio ary ny ho avy tsy fantatra no vinavinaina eo.

18. sitlo ( 09/03/2007 21:32)
za zao nanonofy hoe lasa bogany be. Mety ho marina ve izany sa mijanona ho nofy ihany?
19. sakaizakely ( 09/03/2007 21:50)
Soanja ito zalahy tena mahavariana sy mahatalanjona ahy mintsy fa mahay ary mahafantatra zavatra bediabe. Mahaliana ianao ry Soanja :-*
20. sakaizakely ( 09/03/2007 21:52)
sitlo:

za zao nanonofy hoe lasa bogany be. Mety ho marina ve izany sa mijanona ho nofy ihany?

fa tsy efa ve ry sitlo mbola mitady inn njay a ! :-P

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2368