Ny toa izao no ilana ny vavaka

1. hery ( 28/02/2007 10:29)
Tadidiko ny tenin'ilay mpampianatra anay izay P. Gabriele Navone (sady navoakany boky) hoe Ny vavaka dia Tolona fa tsy Sento. Ny finoana dia tsy resabe hoe tena nisy ve Adama sy Eva, na hoe firy ny fantsika namantsihana an'i Jesoa, na hoe malama volo ve i Masina Maria... fa zavatra ambonin'izany rehetra izany.

Fampidirana fotsiny iny :-)

Fa namaky ny blaogin'i Jentilisa aho dia nahita hoe izao tokoa no tena ilaina ny fivavahana. Zavatra tsy eritreretinao akory ny mety ho vokany... zavatra mety tsy inoan'ny olona akory na dia holazainao aza... kanefa inoanao fa vokatry ny fitiavan'Andriamanitra.

http://jentilisa.blaogy.org/2007/02/28/gamede-ny-herinny-vavaka/

Jentilisa:
Amin’ny olona tsy mino dia « kisendrasendra » fotsiny ihany ny nahatonga ilay rivo-doza hivily lalana tampoka nandritra iny alina iny. Ny mino sy ny nivavaka kosa tamin’ny alin’ny alatsinainy sy ny talohany aza dia resy lahatra tany anaty tany fa niasa tokoa Andriamanitra ary namaly ny vavaka natao Taminy Izy
novalian'i cutie ny 04/03/2007 23:11
2. Fiffi ( 28/02/2007 11:08)
Fehiny : Amin’ny olona tsy mino dia « kisendrasendra » fotsiny ihany ny nahatonga ilay rivo-doza hivily lalana tampoka nandritra iny alina iny. Ny mino sy ny nivavaka kosa tamin’ny alin’ny alatsinainy sy ny talohany aza dia resy lahatra tany anaty tany fa niasa tokoa Andriamanitra ary namaly ny vavaka natao Taminy Izy.
Satria tena mamaly vavaka tokoa Andriamanitra......

Misaotra anao ry Hery sy Jentilisa fa misy hisainana bdb tokoa ireo voalaza ao ireo.....
3. kelly13 ( 28/02/2007 11:22)
(kay i hery mpianatr'i gabriele navone? tsetsatsetsa kely fotsiny iny)
4. hery ( 28/02/2007 11:29)
kelly13> ieuh. :-) t@ 1995
5. kelly13 ( 28/02/2007 11:32)
tany roma sa milano?
6. xxx ( 28/02/2007 13:44)
Raha ekena fa avy amin'ny fitahian'Andriamanitra ary no nihodinan'i Gameda, ahoana ny an'ireo traboina izay tsy nierendoza rehetra hatramin'izay ?
7. hery ( 28/02/2007 14:07)
kelly13> tany Dago kah.

xxx> ny an'ny hafa indray aloha mbola hitadiavana antony :-) ny ahy no fantatro hoe vokatry ny fitiavan'Andriamanitra ahy.
8. sakaizakely ( 28/02/2007 14:20)
hery> tsy resaka ny hafa, resaka madagasikara ihany vao tsy ela akory
9. ikaretsaka ( 28/02/2007 14:57)
mpamaky an'io an'i jentilisa io aho ary efa mba nampianarin'i P Navone koa:^) fony mbola anona.. fa tena :-*
mitoraka sali fito e!
10. jentilisa ( 28/02/2007 16:06)
HItako ity ka dia valiako!
Ny zavatra fantatsika aloha dia tsy mbola misy fahalalan'olombelona afaka mamily na mamotika loatra izany rivo-doza izany mandraka androany. Noho izany eritrereto hoe tena kisendrasendra ve ny nampivily lalana ny zotrany?

Manaraka izany indray ny amin'ny tra-boina! Isika olombelona dia efa nomena fahalalana kosa. Atao hoe blasfemia amin'ny fanomezan'Andriamanitra raha efa nomena fahaizana ianao nefa dia tsy raharahanao kosa ny vokatry ny asa saina.

Ny olona amin'ny ankapobeny no zatra ny sitrany ahay ka manorina zavatra mora potika hatrany. Eritereto hoe orana tsotra ve dia efa mahatonga tra-boina? inona no antony? Any amin'ny toerana tsy tokony hanorenana trano izy no manorina koa aiza no tsy vao miakatra kely ny rano dia ny tranony no feno voalohany. Rindran-damin'olombelona io...

Ohatra: Iza no tsy mahalala fa misy mahery hatrany ary mamotika zavatra maro ny horohorontany any Japon? nefa izao noho ny fiezahan'olombelona dia mihamihena ny maratra na ny maty...eny na dia ny zavatra potiky ny horohorontany aza. Nahoana izay fahalalana efa azo izay no tsy ampiasaina hiarovana ny olomblona ary. Io dia tahaka ilay hoe efa ela no nisy ny savony fa mbola misy hatrany ny olona voretra na maloto tsy mahalala izany savony izany. Ala-olana ny hoe tsy mahatakatra e!

Ny loza tampoka koa naie tsy fidiny ka ny loza fantatra fa ho avy kosa ve dia mbola tsy handray "andraikitra" ihany? Eriteritra ny ahy aloha!
11. dailynews ( 28/02/2007 21:31)
[quote=hery]
Tadidiko ny tenin'ilay mpampianatra anay izay P. Gabriele Navone (sady navoakany boky) hoe Ny vavaka dia Tolona fa tsy Sento. Ny finoana dia tsy resabe hoe tena nisy ve Adama sy Eva, na hoe firy ny fantsika namantsihana an'i Jesoa, na hoe malama volo ve i Masina Maria... fa zavatra ambonin'izany rehetra izany.

marina izany.
12. fijo ( 28/02/2007 22:03)
ny fitsokan'ny rivotra anie manaraka ny lalan'ny anticyklony sy ny depresio e.ka raha miova ireo miova koa le zotran'ilay rivotra.fa tsy hoe mivavaka ny any mada de alefany any la reunion ny loza.
13. cutie ( 28/02/2007 22:32)
kamo be za hamaky any , fa mba fintino kely we in no tao :lol::lol::lol::lol:
14. fijo ( 28/02/2007 22:35)
hoe nivily lalana hono le rivodoza tsy nankany mada de,satria hono vokatry ny vavaka nataon'ny mpino??????
15. cutie ( 28/02/2007 22:36)
:-D:-D:-D:-D:-D
16. fijo ( 28/02/2007 22:38)
mbola nanana fotoan anivavahana aza ko
17. cutie ( 28/02/2007 22:42)
tapak ny tsinaiko :-D:-D:-D:-D:-D
18. fijo ( 28/02/2007 23:08)
ka efa be ny trano nianjera ko.
19. cutie ( 28/02/2007 23:25)
:-D:-D:-D:-D:-D
20. fijo ( 01/03/2007 00:09)
marina izany ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3725