ny vehivevy sy ny fitondrana vohoka

1. nenipita ( 19/02/2007 09:44)
salut nareo, hono hoy aho, inona avy kay no fantatrareo hoe tokony hatao na tsy tokony hatao rehefa bevoka ny vehivavy,andao mba hifampizara izay hainy isika o,
ohatra hoe tsy mahazo manao sakamalao ao anaty poche hono ny iray trano amin'ilay vehivavy rehefa misy bevoka ao an-trano,
tokony hihinana ravimbomanga matetika mba ahamora ny fivoahan'ny zazakely rehefa teraka,
inona koa no fantatrareo?
2. fanantenana2003 ( 19/02/2007 10:21)
dia nisaotra nizara, ho any ireo vehivavy monina aty ivelany izany dia tsy misy ny ravimbomanga dia inona no atao ahamora fiterahana, mety misy manana soso-kevitra hafa ve ny mpiserasera hafa!
3. Fiffi ( 19/02/2007 10:25)
heu....zay indray zah vao mba naheno an'zany resaka sakamalaho sy ravimbomanga zany .....
dia inona no atao ahamora fiterahana
hatao péridural.....
4. fanantenana2003 ( 19/02/2007 10:31)
ekeko ny peridural fa ho an'ilay vehivavy mitady zavatra naturel fa tsy mila an'izao sy izao, tahakany nataon'ireo bebe sy nenibe fahagola izany eh! ny zavatra fantatro dia manao preparation l'accouchement, fa mety misy akoatr'izay
5. kelly13 ( 19/02/2007 10:43)
marary fôna ankia na misy péridurale aza an, j'en ai fé l'experience fa niantsoantso an'i mamanay mihintsiny za an! asa klou nareo fa za d mahita fa mampijaly fona ny miteraka na nihinana ravimbomanga 10 tonnes aza
6. sakaizakely ( 19/02/2007 11:14)
nena indray klou ty minomino foana ity tsy voako mintsy e ! Inn no idiran'ny sakamalaho @ mahabevohoka ? Ary atao inn any amposy ny sakamalaho fa tsy any anaty sobika ve no fasiana azy rehefa miantsena dia avy eo amirimina any andakozia ?

Aty Frantsa aloha dia ny fifadiana sakafo noho ny bactéries isankarazany mety hifindra any @ placenta no tena arahina tsara

Mifady produits tsy pasteurisés (fromage au lait cru ohatra)
Mila atao masaka tsara ny hena (pas de rosbif na steak saignant...)
Mifady atody manta (oeufs à la coque, mayonnaise) sauf raha tsy tena garanti hoe frais be ilay atody sao voan'ny salmonellose izy mety hitarika malformation ho an'ilay zaza
Tsy mihinana sakafo lany daty na dia 1 jour fotsiny aza
Sasana madio tsara ny crudités
Tsy misotro toaka na 1 goutte fotsiny aza (ho an'ilay tia divay hoatra any io ohatra), sigara fadiana tanteraka
Tsy mihinana fanafody sans autorisation médicale (na dia aspirine na fervex aza)
Tsy mihinana ambintsakafona zazakely, tsy manao bisous @ vava zazakely sao voan'ny CMV (cytomégalovirus)
Mitandrina tsy hifanerasera @ ankizy kely betsaka mba tsy hifindran'ny aretina kely mpahazo azy ireo. Ny olana tsy ianao bevohoka no mety harary, fa misy fiantraikany @ ilay foetus izany.

Izay ihany aloha no tsaroako hatramin'izao
7. fanantenana2003 ( 19/02/2007 11:32)
ka le finononatsika gasy anie io ry sakaizakely fa tsy hoe inona akory eh, indraindray anie mba madaitra ihany HONO eh!
8. ari.malala ( 19/02/2007 11:52)
misy koa ilay hoe tsy mipetraka eo antokonana fa mampitokona ahitra hono io
9. sakaizakely ( 19/02/2007 12:00)
inn le mitokona ahitra ?
10. ari.malala ( 19/02/2007 12:09)
tsy tadidiko na ny ahitra na ny zaza e! fa ra le ahitra de ny placenta, hay, tsy mitanina afo fa mampiraikitra ahitra, zany hoe tsy mety mi decolle hono ny placenta, dia hoe tsy mipetraka ambony laona sy mandika famaky fa mahasima zaza (lasa manao bec de lièvre hono ny zaza)
11. kelly13 ( 19/02/2007 12:53)
d mitombina dol v zany rehetra izany sa d tena oe finoanoampoana?
12. xxx ( 19/02/2007 13:02)
ohatran'ny tena minomino foana tokoa aloha e, aiza no hifandraisan'ny ravim-bomanga sy ny miteraka, lalana 2 samihafa anie izany e :-D?

13. sakaizakely ( 19/02/2007 13:54)
misy koa le hoe tsy azo tairina ny vhv bevohoka fa izay toerana voakasiky ny felatanany dia misy marika amin'iny faritra iny ilay zaza.

Nisy oul fantatro izay, misy naevus somary lehibe ihany ny takolan'ny zanany, dia lazainy fa teo ampanotoana kafé hono izy no nisy nanaitra dia natahotra be dia notakonany ny vavany (ny tanany feno kafé) dia nipetaka tamin'ilay zaza ny tasy. :roll: :roll: :roll:

Ny naevus dia karazana tandra ngezabe. Misy azo esorina (chirurg esthétique na réparatrice, misy mivadika mélanome (cancérigène).

Marihina fa tsy mitombina mihintsy ilay finoanoampoana eto
14. fanantenana2003 ( 19/02/2007 15:08)
efa henoko io ry sakaizakely fa dia isika aloha minomino fona eh, nefa asa idnraidnray anie misy fifandrifirany izany le izy dia mino isika eh! honohono daholo izany eh!
15. Fiffi ( 19/02/2007 15:11)
sakaizakely:
nena indray klou ty minomino foana ity tsy voako mintsy e ! Inn no idiran'ny sakamalaho @ mahabevohoka ? Ary atao inn any amposy ny sakamalaho fa tsy any anaty sobika ve no fasiana azy rehefa miantsena dia avy eo amirimina any andakozia ?

Aty Frantsa aloha dia ny fifadiana sakafo noho ny bactéries isankarazany mety hifindra any @ placenta no tena arahina tsara
zah akia mba gaga an ! heu...ny salmonelle etsy an-daniny.....


16. tisera ( 19/02/2007 17:47)
tsy manao vizana ,tsy mitondra entana mavesatra, mandeha tongotra 30mn isan'andro raha afaka manao izany , misotro rano betsaka , matory mihorirana (tsy tadidiko na havia na havanana) ho an'ny veine saphène ,manao exercices -na respiration isa-maraina , manao falifaly dia miezaka ny ho zen attitude mba tsy ho kizitina .
17. Fiffi ( 19/02/2007 17:55)
de manao manjamanja ...humm....:)
18. loula ( 20/02/2007 08:30)
Tsy hoe minomino foana kosa, fa zava_nisy niainan'ireo zokibe teo aloha dia mba arahina e! Marina daholo ny torohevitr'ireo namana: sakaizakely, ari.malala, tisera ireo ka!!
Dia manao manjamanja hozy fiffi e!
19. latina ( 20/02/2007 11:02)
Be dia be ny finoana malagasy teo amin\'ny vehivavy bevohoka, misy amin\'izy ireo dia tena hita finoanoam-poana, misy koa anefa dia hita fa mandaitra, saingy tsy hain\'ireo olona taloha no nanazava azy ara-tsiantifika. Ireto misy finoana maromaro narahan\'ny vehivavy bevohoka taloha, mbola misy manaraka ihany ny sasany amin\'izao fotoana:

- Mihinana ravim-bomanga mba haha mora ny fiterahana: ny antony, mampalama ny lalan-jaza ilay element malamalama ao amin\'ny ravim-bomanga iny. haingana kokoa ny fivoahan\'ny zaza ka mampihena ny fotoana hanaintainana.

- Mifady sira, 1 volana alohan\'ny hiterahana: aha mora ny fisokafan\'ny lalan-jaza, ary mba tsy hampivonto azy rehefa tonga ny fotoana tokony hanenàna. Mbola betsaka koa ny mampiasa an\'io aty, ary voamarina fa haingam-piterahana kokoa, sady tsy tataka, ny vehivavy manaraka an\'io fomban\'ny nenibe io, noho ireo manaraka ny lazain\'ny dr dia mihinana. Miaro @ albumine mety hiseho tampoka amin\'ny vehivavy miteraka koa io.

- Mihinana anan-tsinaha rehefa manomboka miandry andro: mampifintina zaza, ka manamora sy haingana ny fiterahana. Mihena izany ny fotoana hanaintainana, tsy mihena akory ny lanjany, fa mifintina izy, vetivety avy eo izy dia mahazo ny lanjany ara-dalàna.

- tsy dia mihinana akondro, indrindra rehefa 1 volana tsy hiterahana fa maha be zaza,
- Mihinana akondro betsaka kosa raha fantatra fa lahy ny zaza fa mety hahatsara ny taovam-pananahany.

- Tsy mitanin\'afo: rehefa mitanin\'afo ny vehivavy dia mahazo hafanana ny kibo, dia miraikitra ny ahitra. rehefa latsaka ny zaza, dia tsy mivoaka moramora ao an-kibo ny ahitra fa mila sokirina amin\'ny tanan\'ny dr na rasazy, marary an,

- Tsy manao akanjo mainty rehefa manomboka hita be ny kibo fa manamaloka ny hazavana hoan\'ny zazakely hono.

- Halavirina ny saka sy ny alika sao mahavoa ny toxoplasmose ka ho sampona ny zaza ao am-bohoka

- Tsy matory lava fa mihetsiketsika manao zavatra tsy dia mahavizana loatra fa manjary kamo velona ny zaza mivoaka ao.

- Tsy dia mihinanana gouter loatra fa sao dia maha saro-piterahana \"bevohoka tia tsakotsako ka ny andro iray no tsy zaka\", hoy ny ohabolana malagasy izay.

- Tsy mandingana famaky, tsy manao atody am-paosy, tsy manao sakamalaho am-paosy aloha dia tena tsy fantatro ny antony.

- Amin\'izao fotoana dia efa manomboka mampihaino mozika ny zanany ao an-kibo ny reny, miezaka mianatra ihany koa rehefa manomboka 5 volana ny zaza mba haranitra ny sainy, satria izay ataon\'ny reniny no ataon\'ny zanany ao an-kibo.

Ireo aloha no fantatro amin\'izao fotoana. Betsaka no mbola mampihatra ny sasany amin\'ireo eto Dago, misy koa no tsy mino, fa anjaranao no mandinika izay mety aminao.

20. HESHA ( 20/02/2007 11:16)
efa bedebe ireo, efa ampy angamba zay, fa aleo mba le tokony atao no lazaina betsaka noho le fady fa ra ny fady no betsaka toa hitoka-monina ny bevohoka kle.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2697