inona no fanafody synezita sy aiza no misy toera-pitsabona

1. xxx ( 16/02/2007 06:22)
Tena mijaly za fa manana aretina synizita ka hatramin'ny asako dia tsy mandeha amin'ny laoniny mitsy , tena sahirana sy matsiaro mijaly mitsy za, Ka mba inona re no fanafodiny sy aiza no mety misy toera-pitsabona manasitrana azy , efa maro ny dokotera nalehako fa dia tsy nahitam-bokany.
2. Fiffi ( 16/02/2007 06:45)
http://www.doctissimo.fr/html/sante/mauxquot/sa_32_sinusite_01.htm
http://www.passeportsante.net/fr/Maux/Problemes/Fiche.aspx?doc=sinusite_pm jereo ireo sao de misy mahasoa anao...
3. titimms ( 17/02/2007 14:55)
ravina jacaranda mainina dia fohana ohatran'ny sigara, somary trohana mihitsy raha zakanao, sinon dorana atao hevoka. Andramo ihany io fa betsaka ihany ny olona mampiasa an'io.
4. Fiffi ( 18/02/2007 11:58)
azo halana koh ange ny sinusite an !
5. niryna ( 20/02/2007 06:20)
Ny synezita dia avy eo amin'ny orona ary misy toerana maro no ahitana azy,eo akaikin'ny maso, ny fiherifana,ny tapo-kandrina ary eo amin'ny manodidina ny orona.Araka ny filazan'ny dokotera dia misy lavaka kely ao anaty loha( holes in the head).Ary matetika dia mandeha tsiroaroa izy io.Misy toerana izay malalaka hidiran'ny rivotra ary didinin'ny taolana kely madinika ,io no manangona ireny karazana nana ireny na karazana nana na toy ny rehoka mavo.Mandalo eo @ny lalan'ny orona ,miakatra eo amin'ny maso, ny andrina ary tonga any amin'ny loha.Izany no mampa-jenjina ny olona voa an'io na miraraka hatramin'ny ranomasony.Ary dia marary an-doha lava vao mifoha na hariva.Matetika dia tsy mitovy ny habehan'ny synezita amin'ny ilany havia sy havanana,mety ho lehibe ny iray ary kely ny iray.Araka ny filazany manampahaizana dia eo amin'ny tampon-kandrina dia misy toy ny habean'ny 31/2 ny sotrokely feno. Mandehana any amin'ny dokotera dia omeny ireny fanafody trohana ireny.Io no mampihena ireo nana na mucus ireo fa ny fanafody ohanina no tena ilaina sy tsara hono sy ny fanarahana ny toro-hevitry ny dokotera,indraindra rehefa asiany miverina dia tokony miverina na tsapa fa toa tsy maninona aza.Ny fampiasana ny fanafody na hohanina indrindra ny trohana mihoatra ny fatra nomen'ny dokotera dia misy fiantraikany eo amin'ny tenda .Ny infection amin'ny orona, ny sery tsy mety afaka ny sarotiny na allergie amin'ny karazana zavatra maro dia mila mitandrina tanteraka fa mampihombo ny aretina toy ny: fifohana sigara na olona ao an-trano mifoka sigara,ny vovoka sy loto,ny setroka, ny ranomanitra,sy ny fampiasana ireo fanafody amin'ny orona ela loatra.Anisany tsy fahazakana zavatra no nitambatra dia nahatonga an'io aretina io.Mety misy fifandraisany amin'io aretina io ny tenda izay mangidihidy tsy mety afaka.
Mety mitranga io aretina io rehefa tsy misy rivotra ao an-trano na mafana ary dia miteraka ilay orona maina.Ny mety ho fanampiana an'io dia manisy rivotra ny trano na ireny machine misy entona ireny(vaporizers or devices which add moisture to overheated dry air).Matory amin'ny ondana avo fa tsy iva koa dia manampy anao mihaina,mila manisin-delo matetika koa no mety hanampy. Mirary fahasalamana feno anao tanteraka aho .
(l)Niryna
6. xxx ( 20/02/2007 10:27)
Ao Andravoahangy ao , ampitan'ny Hotel Gregoire na io akaikin'ny JIRAMA , alohan'ny hiakatra any @ College Rasalama , eo akaikin'ny croisement eo ,dia misy docteur ( Dr ... ) mahay manadio azy io , efa tao mantsy aho .. mandehana any angé fa tena efficace be le izy ... Tena trohany tao mihintsy le nana ao anaty ao , .. fa tsy mba tahaka ny sasany izay miverina in-3 na in-4 nefa tsy dia mamokatra firy ireny ..
Mirary anareo ho salama e
7. xxx ( 23/02/2007 12:30)
Tena misaotra betsaka an'ireo namana izay namaly za ,izaho moa ilay marary ny sunesute.
Tena mahazo zaho daholo ireo voalazan'i Nyrina ambony ary tena tsisy ampiana ary tsy analana fa dia ireo daholo no mahazo ahy ato.Misaotra manokana an'i Nyrina sy xxx zaho ,eny e, tsy latsan-danja amin'izany ihany koa anefa ny hafa izay namaly.
Tena anisan'ny aretina mampijaly be mitsy matsy le izy io fa efa t@2000 zaho no azon'io ; efa nandehanana daholo izao hopitaly lehibe teto andrenivohitra, an'isan'izany HJR, tetsy Analakely , sns, efa nitaratra radio , efa natao daholo ny massage ,tsindrona, le izy aloha dia afaka mandritra ny 3 mois , fa rehefa avy eo dia miverina indray , samy hafa anefa ny voalazan'ireo dokotera izay nandehanako ireo , ka dia mitety etsy sy eroa nefa dia otrany tsy nahitam-bokany ka izao nametraka ny olana ato amin'ny furum izao indray . Efa nandefa nana mitsy ny oroko t@ 2003 teo rehefa nomen'i dokotera anakiray tsindrona zaho , fa nony avy indray dia otrany tsy dia natorony izay tena tokony hataoko zaho fa otrany narebirebiny teny fa tsy tena natondrony ny izay fanafody fa hoy izy hoe efa tsy manahy aminizay hoy izy io , nefa dia izao mbola probleme izao indray no mahazo ahy .
Nyrina an ! raha tsy mahadiso , ianao ve dokotera ? Azafady indrindra amin'ny fanontaniana , tsy izany matsy fa te-hifandray aminao zaho raha azonao atao fa mampijaly ahy loatra ity aretiko ity , satria dia tsy mandeha amin'ny laoniny mihitsy izay rehetra ataoko.
xxx an! sao dia mety hifandraisana toy ny Nyrina ihany koa hianao mikasika an'ile dokotera mpanasitrana an'io izay atondronao eny akaikin'ny hotely Gregoire eny besarety izay , tiko matsy mba hazava amiko mitsy sy tiko ho fatatra bebe kokoa ny hevitranareo 2 mianadahy io. Zaho matsy tsy te-holany andro sy vola toy ireo nataoko teo aloha ireo fa tiko mba ho tena sitrana mitsy ity synezitako ity ka izay no antony mahatonga zaho hanadihady sy hamakafaka tsara aminareo .
Izay fa miala tsiny fa lava loatra ny soratro ka misaotra betsaka anareo ary mirary soa ho anareo ihany koa ny tenako.
8. niryna ( 24/02/2007 05:17)
[quote=xxx]

Tena mahazo zaho daholo ireo voalazan'i Nyrina ambony ary tena tsisy ampiana ary tsy analana fa dia ireo daholo no mahazo ahy ato.Misaotra manokana an'i Nyrina sy xxx zaho

Tsy misy fisaorana ry xxx a. .
Nyrina an ! raha tsy mahadiso , ianao ve dokotera ? Azafady indrindra amin'ny fanontaniana , tsy izany matsy fa te-hifandray aminao zaho raha azonao atao fa mampijaly ahy loatra ity aretiko ity , satria dia tsy mandeha amin'ny laoniny mihitsy izay rehetra ataoko.

Tsy maninona mihitsy fa mandefasa hafatra aty amiko raha misy fanontaniana hafa ka izay fantatro momban'ny fahasalamana dia omeko anao.Alefaso any amin'ny serasera dia mahazo ny e-mail-ko ianao.Avy eo isika mifanoratra.Miampy izay fahalalana kely ananako dia mivavaka foana koa fa io no tena manampy ahy sy azoko tsapain-tanana ny vokany ,fa na misy aza ny aretina dia misy fotoana lefy ilay izy na tsy mahatsiaro marary izany fa variana amin'ny zavatra hafa, tsy mahatadidy mihitsy.Tahaka ahy izao misy marary ahy saingy ao am-piasana aho mihaino hira-masina sy tori-teny ary hirahira ary mifampianatra soratra masina ny mpiara-miasa8/5/40 ary tafiditra ao ny fotoana fakan'aina..Misy fotoana tena-tsy mahatsiaro marary mihitsy aho.
xxx an! sao dia mety hifandraisana toy ny Nyrina ihany koa hianao mikasika an'ile dokotera mpanasitrana an'io izay atondronao eny akaikin'ny hotely Gregoire eny besarety izay , tiko matsy mba hazava amiko mitsy sy tiko ho fatatra bebe kokoa ny hevitranareo 2 mianadahy io.

xxx a mba hampio izy raha mahalala koa ianao.Tsara mihitsy ny mamonjy olona ary hitanao ny fifalianao rehefa manampy olona ianao.(l) niryna
Misaotra antsika isika e :D:D
misaotra betsaka anareo ary mirary soa ho anareo ihany koa ny tenako.

Izaho koa dia mirary fahasalamana feno anao.



9. niryna ( 27/02/2007 07:31)
Rehefa mihomby ilay aretina dia maka vahona ary teneho,hampangotray ary iny no ataovy hevoka fa tsara-be io:lol:
10. linarako2 ( 02/03/2007 23:02)
Misaotra anao koa aho fa namaky ny sujet-nao foana fa misy azo raisina ary manana toetra positif sy manampy ny namana ato foana ianao.
11. niryna ( 07/03/2007 06:49)
linarako2:

Misaotra anao koa aho fa namaky ny sujet-nao foana fa misy azo raisina ary manana toetra positif sy manampy ny namana ato foana ianao.

Tsy misy fisaorana,rehefa manana zavatra na fahalalana dia tsara ny mizara.

12. diamondra27 ( 07/03/2007 07:49)
ny RAD refa mahita fa voan'ny sery lava le zaza de tokony karakarainy fa tsy endrasana ho lasa sunisite vao hijery specialiste fa trop tard ( bon tsy tara ahoana akory fa mora kokoa ny manao prévention noho ny mitsabo)

mankanesa any @ ORL de ry zareo mahita oe inona no tokony hatao, arakaraka ny niveau an'ilay sinusite ihany io

raha sery de tokony mila nievoka aloha
rehefa tsy vita fa miverina matetika de tokony mi se poser des questions we tokony hiakatra niveau 2 zany ny démarches
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1807