Dia ny tena foana ve no ampirina an'io

1. niryna ( 13/02/2007 08:03)
Misy olona tsy mba mamerin-javatra na tsy mba mahatsapa tena ny hanao zavatra fa dia miandry foana.
Ohatra raha maka zavatra ao anaty boaty izy dia avelany eo iny fa tsy averiny,misy tapitra ny ttsy ao an-kabone dia tsy mba maka fa miandry ny hafa.Misy manao zavatra dia avelany eo fa ny tena foana no mampirina.Tena tsy miraharaha ve ny olona sa dia miandry ny tena hanao foana kanefa mba leony ihany ny tena amin'ny farany
novalian'i niryna ny 18/02/2007 07:38
2. rush ( 13/02/2007 08:12)
hafahafa koa zany any @ nao zany an ! hampianaro ry zareo hoe "chaque chose a sa place"
3. Fiffi ( 13/02/2007 08:38)
hummm....mahagaga marina .....
4. Rafotsy ( 13/02/2007 09:10)
Io araka ny éducation nomenao azy ireo :
- ny vady dia ampianarina ny fomba izay hitiavanao azy : atao anaty panier ny lamba maloto , sasana ny baignoire na lavabo rehefa avy ampiasaina , ny évier koa toraky izany , ny Pq rehefa lany dia soloina ary arina ny rouleau vidy etc...
- ny zaza indray dia tahaka izany koa , azony avoaka daholo ny kilalao mameno ny trana fa rehefa vita dia asaina hampirimony , ny voalohany ianao no manao betsaka fa eo @ 2 taona eo izy dia efa mahay mampirina tsara raha nizarinao hatramin'ny fahakely !
Question d'éducation daholo io fa rehefa nizarinao izy dia tokony tsy dia hisy probléme mavesatra ka tsy ho zakanao ka entinao eto @ sehatra ! Na izany na tsy izany , ny toetra ratsy azo hovaina foana , izaho indray moa ve no hampianatra anao izany !
5. Fiffi ( 13/02/2007 13:25)
de zany no halehany rehefa tsy nisy le education....
6. andry08 ( 13/02/2007 15:21)
ié dia lasa "bordel" avy eo!hi!hi!hi!
7. niryna ( 14/02/2007 06:05)
Fiffi:

de zany no halehany rehefa tsy nisy le education....

=))=))=))=))
8. niryna ( 14/02/2007 06:06)
andry08:

ié dia lasa "bordel" avy eo!hi!hi!hi!

=))=))=))=))
9. tisera ( 14/02/2007 20:02)
izao no mba naverimberin'ineniko anay zanany t@ fahakely : "ny tsy manana sy ny tsy mahay mampirina rankizy dia mitovy ihany " ; dia io foana koa no lazaiko an-janako @ fampiriman-javatra sns... sendra nandalo tany dago ary izahay t@ 2005 dia naniraka ankizy nividy zavatra ny reniko dia nisy famerim-bola nentin'ilay ankizy fa tsy tsaroany ny nampirimany azy na avy hatrany na dia nataony tany am-paosy na tany anaty paoketra na taiza dia teo izy nihodikondina eraky ny trano hoe aiza ary ilay famerim-bola : dia hoy ilay zanako hoe ; "bebe kosa ange tsy nampirina é! ny tsy manana sy ny tsy mahay mampirina mitovy ihany " - dia ^^ gagagaga ny neniko niteny an-janako : hay tonga nay @ ialahy koa izany ! ka io ilay éducation é! miampita @ taranaka fara-mandimby ka afaka hatsaraina nefa mety ho simba ihany koa raha tsy voatazona , sa ahoana?
10. niryna ( 15/02/2007 06:28)
tisera:

Mahafatifaty kely ery izany zaza izany.Io ilay hoe zaro amin'ny alehany ny ankizy.
11. tisera ( 15/02/2007 17:50)
hoy i rafotsy :
Na izany na tsy izany , ny toetra ratsy azo hovaina foana , izaho indray moa ve no hampianatra anao izany !

fa amin'izao fandrosoana izao ange rafotsy dia be dia ny manova ny toetra ratsy indray no tena sarotra na tsy mety mihitsy aza rehefa tena raiki-tapisaka fa ny tarehy ratsy izao mora mihitsy ny manova azy :-/
12. niryna ( 15/02/2007 19:06)

Efa misy fanovana ny orona raha-petakorona ohatra ,ny tava raha mikentrona,snsn

13. Herimiafina ( 15/02/2007 23:23)
niryna:

Misy olona tsy mba mamerin-javatra na tsy mba mahatsapa tena ny hanao zavatra fa dia miandry foana.
Ohatra raha maka zavatra ao anaty boaty izy dia avelany eo iny fa tsy averiny,misy tapitra ny ttsy ao an-kabone dia tsy mba maka fa miandry ny hafa.Misy manao zavatra dia avelany eo fa ny tena foana no mampirina.Tena tsy miraharaha ve ny olona sa dia miandry ny tena hanao foana kanefa mba leony ihany ny tena amin'ny farany

Mahasosostra dia mahasosotra tokoa ny toa ireny. Efa teo no niala ny tenanany.

Saingy izao no lesona mba azoko noraisina tamin'izay: "Izaho no antony lehibe nahatonga ireo olona tsy niraharaha zavatra toa izany"

Satria nony leo aho ka niala teo tsy niara-monina tamin'izy ireo intsony dia toa lasa manolo ny papié hygienique ry zareo, toa lasa mampirina hoazy ny zavatra avy nalainy ry zareo, sns....
14. Rafotsy ( 16/02/2007 08:08)
tisera:

hoy i rafotsy :
Na izany na tsy izany , ny toetra ratsy azo hovaina foana , izaho indray moa ve no hampianatra anao izany !

fa amin'izao fandrosoana izao ange rafotsy dia be dia ny manova ny toetra ratsy indray no tena sarotra na tsy mety mihitsy aza rehefa tena raiki-tapisaka fa ny tarehy ratsy izao mora mihitsy ny manova azy :-/

Marina daholo izany , fa izaho ange miresaka ny olona milaza mitoetra amin'Andriamanitra e , manana toetra ratsy ary Izy no manova raha mangataka isika sady mahatsapa fa tena ratsy ny toetra ! Sady tsy mandany vola io fa gratis !
Bonne journée daholo e !:-*:-*:-*

15. niryna ( 18/02/2007 07:38)
Misaotra betsaka rafotsy a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6642