Vehivavy milalao ody Fitia

1. patrick2002 ( 19/01/2007 21:58)
Hono aho ry andriambavi-lanitra isany mba inona ny hevitrareo @ vehivavy milalao ody fitia
2. unjila ( 19/01/2007 22:16)
tratra anga iaanao ,tiavo izy fa mampalahelo é
3. patrick2002 ( 19/01/2007 22:23)
Marihina aloha fa hita @ fiaraha-monina eny ambanivohitra any Madagasikara izy ity ,Ny vehivavy mpi-forum eto angamba tsy misy tambanivohitra ,nefa mba hiezao valina ny loha -hevitra.
Fa ny ahy ny fihevitro dia antony 2No manosika ny vehivavy hanao anio.
- Raha mbola tsy manana dia tsy fahatokisa-tena .
- Rehefa manana indray dia : manjakazaka loatra ra lehilahy (mamono ,mampirafy,Tsy mampiditra vola ao antrano, tsy miraharaha vady aman-janaka)Ka aleo maka ody satria ny fanjakana malemy any Madagasikara.
Vaha-olana ve ny filalaovana ody?
4. zandikely ( 19/01/2007 23:24)
Avy indray ilay resaka angano angano sy arira arira!
5. jhouhlambout ( 20/01/2007 00:07)
Dia efficace ve ilay ody?
6. soanja ( 20/01/2007 05:22)
patrick2002:

Hono aho ry andriambavi-lanitra isany mba inona ny hevitrareo @ vehivavy milalao ody fitia


Asa re ra-Pat.
Ilazao aho raha tratra ianao fa zah mahalala ny fanalana ody fitia. :D
Betsaka tokoa ny vehivavy manao an'io saingy tsy fantatro izay mitranga any anaty atidohany any. Tsy ampy self esteem angambany no valiny. Io mantsy toa tsy de voizina loatra amin'ny kolontsaina gasy. De any ry zareo manampatra azy.


7. fasaly ( 20/01/2007 07:32)
amiko alou dia tsy mino ny herin'ireny ody ody ireny zà ka adalàna be sy heri-po fotsiny ho an'ny mpilalao azy ireny:roll::-D:-D:-D:-D:-D
8. Fiffi ( 20/01/2007 07:36)
zah aloha de tsy mino an'zany eh !
9. HESHA ( 20/01/2007 08:51)
haratsiantoetra zany e, vody sobika aza manan-tandrify kou inn no hiasana saina am reny hono ? tsy azoko mihitsy.
Fa ireny ody ody ireny anie hono toa tsy mandaitra raha tsy olona mino azy koa le voany e, asa alou ....
10. pissoa ( 20/01/2007 09:07)
Amin'ny maha-olona tsotra eo anivon'ny fiaraha-monina : amiko dia toy ny vehivavy tsy mampiasa ody fitia ihany izy ireny.
Ny vehivavy sasany ny vody no ampiasainy hitazomany ny lehilahiny satria io no talentany.
Ny an'ny sasany ny fanovaovana ny fanaka ao an-trano no hitazomany azy satria io no hainy.
Ny an'ny hafa ny sakafo no hamelezany azy satria ao izy no manana inspiraka.
Ny an'ny hafa vavaka lavareny no hitazomany azy.
...
Ka raha milalao ody no hitazomany ny lehilahiny satria izay no hainy sy heveriny hoe mahomby, dia toy ny voatanisa etsy ambony ihany izy.

Hafa indray rehefa hoe Kristianina na tsia ... :wink:
11. dongadonga ( 20/01/2007 13:06)
marina mahintsiny ny any pissoa ,ny fikarakaran'ilay vehivavy @lehilahy no mahatamana ny bandy de lazaina fa azony ody fitia
12. booboo ( 20/01/2007 13:45)
Pissoa > eka ouz !
13. fasaly ( 20/01/2007 14:09)
amiko ny fitambaran'ny voalzan'ny pissoa no fitazomana lehialahy ankoatra ny filalaovana ody:wink: tsy izy io ody ody io! misy ny vehivavy feno ny ilàna azy dia nyfitambaranreo voalazan'i pissoa:°)
14. patrick2002 ( 20/01/2007 16:28)
Izaho aloha mino fa izaho tsy hanao anio.
Ny antony inoako dia vao mandeha ianao miala 15 km an\'i Antananarivo dia efa Mpamisavy fotsiny no mivoaka @ alina jereo Sabotsy -Namehana ,Ambohidratrimo ,Ambatofotsy, any Arivonimamo izany dia mihidy an-trano mihitsy ianao fa ,maheno olona mihazakazaka eo @ lavarangana andro @ 2 maraina .
Ary faharoa dia maro ny tanana efa nopetrahiko fa na aty ampita aza dia misy voyante.
Misy client izy ireny matoa ,mavita manao pub mihintsy
15. fasaly ( 20/01/2007 16:32)
efa< nahita mpmas nivoaka ngah i pat...? zà mbola tsy nahita kalou fa ny mpams zà mino ny fisiny fa lay ody fitia tssss nada...:-D
16. diamondra27 ( 20/01/2007 16:34)
ny ody fitia de misy any dago

ny mahatonga ny olona manao an'io de izao:

ohatra we: nisy vhv iray izao manana sipa, de sendra nandeha tany @ olonkafa tany le bandy de sendra le sipa tia azy. De eo no manomboka le ody fitia satria tian'ilay 2ème tazomina le bandy.Tsy tatin'ilay faharoa manko ny nahenoany we efa manana tompo le lhl, de inona hoy nareo no nataony? Nataony ody fitia le bandy an! de ny anaran'ilay ody de we: sady atao tsy azy no tsy an'ilay tompony(vhv1°), de niafaran'ilay bandy maty.

17. fasaly ( 20/01/2007 16:37)
misy io ka! misy ny milalao azy fa ny heriny sy ny asa vitany no nada:wink::-D:-D oul manaoanao foana sy minomino foana no mino anreny:{
18. diamondra27 ( 20/01/2007 16:42)
Ny faharoa indray de zao:
misy lhl mampirafy, de le ramatoa vadin'ilay olona io izany mitady ody mba tsy handehandehanan'ny vadiny any ivelany, de raikitra ny evoka, ny ody kely isan-karazany ... asa na azo lazaina we ody fitia zany na tsia e!(olona manodidina ahy no nahitako an'io)
de indraindray le izy mande fa lany vola be ihany aloha le ramatoa
19. diamondra27 ( 20/01/2007 16:50)
fa zao ihany :aleo mino an'Andriamanitra sy mametraka ny fiainana @ Atra.

Indraindray dia mivadika ireny fanafody ireny.

Ny finoana an'Andriamanitra tsy midika akory hoe: tsy misy ny ody ataon'ny olona.
Amiko fotsiny ny finoako dia tsy misy mahery noho Atra ary izany no iantsoana azy hoe: Dieu tout Puissant.

Rehefa mifandray sy mandehandeha mifandray @ olona ianao dia mahalala ireo zavatra ireo.Ahitànao zavatra maro isan-karazany.

Tsy resabe izany fa tena zava-misy.



20. xxx ( 20/01/2007 21:29)
hay hay marary izany ry patric :za zo avy eny sabnam tambawax ,de zay koa avy ao ambohidrtrimo ery @ 18 .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8737