Fiainana andavanandro mety hanampy antsika

1. niryna ( 14/01/2007 20:55)
Be ny zavatra izay mety ho kely kanefa manampy antsika.
Akanjo voan'ny siligaoma na dovay,rarahan'ny menaka.
Trano feno moka ka tsy tiana ho kakerin'ny moka ianao,inona no tokony atao.
Zavatra hiainantsika andavan'andro mihitsy izany no tiako ho resahina sy mangataka ny namana sao mba mahita zava-baovao ambara eto.
Ohatra: Akanjo voan'ny siligoma = asiana glasy eo amin'ilay akanjo misy siligoma dia miala ho azy io.
Akanjo norarahin'ny menaka..?
Fomba atao dia tsy manaikitra ny moka.
Fomba fanadiovana volamena na volafotsy?
Fanalana tasy amin'ny akanjo,na zavatra hafa
Malalaka be eto ny dinika koa manasa ny rehetra mba hizara
Niryna:D:D
novalian'i niryna ny 19/01/2007 20:29
2. lemenakely ( 14/01/2007 21:33)
maka cyprés efa maimaina dia dorana avela hanetroka tsara io dia mahomby tokoa @ moka
3. niryna ( 15/01/2007 03:41)
lemenakely:

maka cyprés efa maimaina dia dorana avela hanetroka tsara io dia mahomby tokoa @ moka

Misaotra lemenakely a :lol:
Ravina voatabia vao avy notohazana koa atao isaky ny efitrano rehefa hatory dia tsy manaikitra ny moka:P
4. kitjo ( 15/01/2007 07:02)
ie io voatabia io no tena mandaitra be.

Rehefa misakafo dia asiana labozia mirehitra ambony latabatra fa tsy tian' ny lalitra..

akanjo voan'ny divay?: asio sira eo @ ilay faritra misy divay..na alonay @ rano be sira mihitsy aloha, zay vao sasana.

raha kamo mipasoka: ny ahy aloha ataoko an' ilay manobana "Rinse" fts ny machine raha mampiasa machine...dia refa vita dia fihipihazina kely fts fa tsy aolana, na mbola misy rano aza d velarina manahy azy...arahina kely @fera fts fa tsy mila pasohina be aveo...
io zao no mba tena ilaiko raha misy manana hevitra hafa fa za kamo be mipasoka..hahaha
5. vale ( 15/01/2007 09:52)
ny ankanjo rarahan'ny menaka de ohatran'izao ny fanaovako azy (afaka, fa tsy tena afaka tanteraka fa mila sasaina avy eo mba hiala tsara mihintsy!)
> alaina ny ravina taratasy iray de velarina eo ambonin'ny tasy menaka iny, de pasohina @ fera mamay, de afindrafindra toerana (zany hoe ilay ttasy akisaka de averina pasohina indray mandram-panjavonjavona azy, de sasaina avy eo!:wink:

ny fanadiovana ny volafotsy na ny volamena indray de maka bicarbonate de sodium de ampangotrahina anaty casserole kely (tokony 1 sotro lehibe) de atao ao ny firavaka, de avela hangotraka 20 à 30 mn, de kobanina rano mangatsika madio avy eo, tena mamiratra be!:wink:
6. kelly13 ( 15/01/2007 13:21)
ny fanaoko ndray @ akanjo voan'ny menaka d izy vao voan'ny menaka iny d kosehina tsara @ liquide vaisselle, d sasana aveo!

ny akanjo voan'y siligaona indray d nasiko petrole fa niala ho azy le siligaoman-doza nifotetaka b!

fa ny tena tsy haiko d ahona ny fanalàna ny menaka @ sisin'ny lapoaly anti andhérente? lasa mainty b le izy aveo mahakamo b na ny mijery azy aza

7. sitlo ( 15/01/2007 17:03)
Fanalana tainify: alaina ny borosy nify dia asiana dentifrisy dia kosehana amin'iny ireo nify mbola tavela. Dia avy eo kobanina.
Madio tsara izy avy eo.
8. kelly13 ( 15/01/2007 19:11)
:-D
9. tslem ( 15/01/2007 19:39)
saika mba hantany ndray zah oe aôna ny fanalàna ranomaintina sitlo raraka am lamba :-D:-D:-D
10. vale ( 16/01/2007 10:07)
hihihihi:-D:-D:-D
11. niryna ( 18/01/2007 17:29)
kitjo:

ie io voatabia io no tena mandaitra be.

Rehefa misakafo dia asiana labozia mirehitra ambony latabatra fa tsy tian' ny lalitra..

akanjo voan'ny divay?: asio sira eo @ ilay faritra misy divay..na alonay @ rano be sira mihitsy aloha, zay vao sasana.

raha kamo mipasoka: ny ahy aloha ataoko an' ilay manobana "Rinse" fts ny machine raha mampiasa machine...dia refa vita dia fihipihazina kely fts fa tsy aolana, na mbola misy rano aza d velarina manahy azy...arahina kely @fera fts fa tsy mila pasohina be aveo...
io zao no mba tena ilaiko raha misy manana hevitra hafa fa za kamo be mipasoka..hahaha



Raha vao maina ny lamba ao anaty machine tonga dia pasohana tanana eo ambony latabatra ary dia avalona ,vita ny pasoka:lol:
12. niryna ( 19/01/2007 20:29)
Raha ohatra ka akanjo tsy azo sasana ka tsy te andany vola any amin'ny fanasana azy ianao inona no ataonareo?
Ila ranomaity aloha dia savony fanasana vilia ihany no kosehina azy ary tsy maitsy misy faritra maity tavela
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1501