izay mirevy video gasy

1. zizi ( 03/01/2007 22:36)
Asa rehefa hitanareo fa dia mba ifampizarana ihany e ho an'izay liana. Misy fijerena video malagasy amin'ity site ity
www.dailymotion/tag/madagascar
Afaka mizara amin'ny hafa ny video gasy anananao koa ianao. Dia mazotoa e. Bonne distraction.
novalian'i caprio ny 20/01/2007 13:09
2. zizi ( 03/01/2007 22:39)
Mbola izaho ihany e. Diso ilay site fa
www.dailymotion.com/tag/madagascar
Mazotoa e.
3. xxx ( 03/01/2007 22:46)
Azafady, izaho ihany io xxx io fa tiako ahitsy avy hatrany ny site fa misy diso e
www.dailymotion.com/tag/madagascar
Dia mazotoa e.
4. cutie ( 03/01/2007 23:25)
misaotra e :lol:
5. xxx ( 04/01/2007 10:08)
http://klipgasy.blogspot.com koa aza adino
6. xxx ( 04/01/2007 11:11)
Zizi!!hihihi ngah tsy azo adika ilay izy,ra mety d aona ny atao??
7. zizi ( 04/01/2007 12:59)
Indrisy fa tsy azo adika. Raha manana programme enao mety afaka manao enregistrement. Fa ny téléchargement, tsisy fika. Izaho koa mba naniry fa tsisy fika e. Revy mijery mivantana fotsiny.
8. lemenakely ( 04/01/2007 19:31)
raha teny frantsay aloha io zizi io hafahafa ihany hi hi hi
9. sariaka ( 05/01/2007 22:10)
aza mamadika resaka lemena an, pseudo tahaka ny pseudo rehetra kosa io e. vive la liberté.
Ny video jerena raha te hijery.
10. caprio ( 07/01/2007 10:04)
hiran'ny tanindrana daholo no betsaka ao,fa nga mbola misy hiany ty fanavakavahana ty e
11. xxx ( 07/01/2007 19:00)
caprio: mampidira ko ela raha marary fo,
aza ny an-kafa no asina tsikera ,
ataovy ao ko ny tsy tanindran;ela.
12. caprio ( 08/01/2007 23:22)
xxx:ka zay letsy tsy manavakavaka zany fa lisany no efa diso be fialonana loatra sady raha tsy ao tana koa anie ny artista tanindrana tsy malaza zany e!sady aza manavakavaka zany wa fa efa t@ andron'ny fambanian-tsaina zany
13. xxx ( 12/01/2007 15:17)
tsy hiran'ny tanindrana izany fotsiny ny ao e, jereo daholo ny hira dia ho hita eo, arakarak'ilay olona mampiditra azy io. Mampidira ny hira ao amin'ny kapitaly e. Mba ifalio le site fa aza mitsikera:?:x
14. caprio ( 13/01/2007 00:46)
Tsy mitsikera za fa milaza ny marina,sady ilay hira ao anie tena reveko daolo fa ny atidohan'ilay pampiditra hira mintsy no mba tiako ahitsy kely fa mpanavakavaka de tsy reveko
15. rabilabila ( 17/01/2007 13:09)
Ka rehefa tsy manana hira hafa ampidiriny ary izy inina ny olana ? Ka raha izay hira tiany ary no ampidiriny inona ny olana ? Ireny sites ireny dia atao hizarana amin'ny olon-kafa ka raha manana ianao dia ampidiro amin'izay koa izahay mba mety hahalàla izay tsy fantatray. Tsy hitako izay hidiran'ny fanavakavahana amin'izany ;ny mason'ny olona mijery no matetika manavakavaka ,ary zon'ny tsirairay no mi-zappe izay tsy tiany ka izay manana dia mba zarao e!!:lol:
16. rabilabila ( 17/01/2007 13:14)
Ampiako kely fotsiny : Raha mandefa hiran'olona anakiray ao ianao ka hitan'ilay artista dia afaka miteny ilay mpandefa izy hoe :tsoahy ao ny hirako .Mety mitranga izany zavatra izany .Fa averiko indray fa izay nandefa ny hira tao dia te-hizara izay tiany , te-hanao promotion ny azy (qui sait?) ,ka tsy hitako izay hanomezan-tsiny azy amin'izany ;zarao aminay izay mba tianareo dia samy miala zanako.
17. caprio ( 19/01/2007 23:43)
rabilabila:efa ela razoky no nahafantarako ny tanindrana fa mbola tsy mety miova foana ilay toe-tsainy ka zay no tena olana ,fa amiko na inona fanazavana ataonareo eto dia ny tanindrana mpanavakavaka sady efa hita mazava be io ve dia mbola mahita lazaina foana nareo
18. rabilabila ( 20/01/2007 10:18)
Fa inona kay ry zandry izao discours-nao izao ? Tsy fanavakavahana koa ve ? Raha te-hiady amin'izany ianao dia fomba hafa no tokony atao fa tsy ny fanononana an-dranona sy ranona akory .Ratsy vintana ianao zany fa sendra individu mpanavakavaka ,izaho aloha tsy hanao safobemantsiny ohatran'izao e !
19. caprio ( 20/01/2007 13:09)
rabilabila:tsy fanavakavahana ny ataoko razoky fa matoa za miteny we tsy tiako ny mpanavaka dia tsy mpanavaka za zany fa mba tiako ampitaina fontsiny ny we tsy tokony hisy intsony zany zavatra zany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0104