andao hianatra hivavaka

1. LazaDaddy ( 03/01/2007 09:52)
Mamaly vavaka Andriamanitra.

Inona no antony mety tsy maha resy lahatra ny olona amin'izany?
novalian'i niryna ny 26/01/2007 17:45
2. Fiffi ( 03/01/2007 10:04)
satria mety tsy ampy finoana izy ka tena mila mianatra mivavaka marina......sy hampitombo ny finoany....Fa Andriamanitra tena mamaly vavaka.
3. prime ( 03/01/2007 10:43)
Ampianaro mivavaka aza izahay e...:D
4. LazaDaddy ( 03/01/2007 10:51)
prime> andao tokoa hiaraka hianatra ilay vavaka nampianarin'ny Tompo:)
5. Fiffi ( 03/01/2007 12:06)
zah koh hiaraka @ nareo hianatra....:)
6. prime ( 03/01/2007 14:07)
LD> tariho fa manaraka ny tenanay...
7. Ruby ( 03/01/2007 14:44)
LazaDaddy:

Mamaly vavaka Andriamanitra.

Inona no antony mety tsy maha resy lahatra ny olona amin'izany?

ny tsy maharesy lahatra ana dia satria tsy mety mivaly mihitsy ny vavaka rehetra izay ataoko de indraindray ahomieritreritra oe angamba izy tsy mamaly vavaka intsony am zao vaninandro mpianana izao?

8. ikaretsaka ( 03/01/2007 14:59)
ammaly vavaka andriamanitra fa tsy voetery izay sitraponao no ataony tanteraka fa izay sitrapony

io le fiat voluntas tua,
9. prime ( 03/01/2007 15:44)
Ruby> mamaly vavaka mihitsy Andriamanitra fa misy antony vitsy2 tsy ahafahany mamaly ilay vavaka na ihany koa aza ilay vavaka efa valiany fa tsy takatrao hoe efa ilay valim-bavaka izany omeny izany...
10. ikaretsaka ( 03/01/2007 16:10)
ruby> io ilay hoe "izay mahasoa ataon'andriamanitra"
tsy mahasoa anao ilay izy matoa tsy nataony izany
11. simplex ( 03/01/2007 17:00)
Ruby: A/tra no role ;-) mi-insiste no azonao atao :P

d aleo taritiko refa tsy sahy doly lisany e :°)

A/tra o, mba ataovy tanteraka ny nofinofiko. Misaotra mialoha :-*
12. bilakarenjy ( 03/01/2007 17:50)
Napetrako sy nentiko teo am-pelatanany ny fiainako manontolo nandritra izay 1/2 siecle izay fa ny tsapako dia mavesa-danja be lavitra mihitsy ny fahoriako sy ny fijaliako ary ny fahasahiranako sy ny fangirifiriako .
ka tsy haiko intsony ry zareo na mamaly vavaka Andriamanitra na tsy mamaly ,fa ny fiainako izao dia toy ny lakana eny anivon'ny ranomasim-be mangeniheny tsy hita fetra ,ka sao dia tsy vavaka intsony no tokony hataoko fa zavatra hafa indray mba ahitany ahy ,fa hatramin'izao dia tsy mbola tanteraka amiko ilay vavako hoe : " hampahirato ny masoko ahitako ny zava-mahagaga eo @ lalanao ".
Dia hamaly ianareo hoe :miandry ny sitra-pon'Andriamanitra sy ny famindram-pony e!.
Dia aleo miandry izany ,fa tsy anareo ny lelo ka ahisina .
13. soanja ( 03/01/2007 21:02)
bilakarenjy:

Napetrako sy nentiko teo am-pelatanany ny fiainako manontolo nandritra izay 1/2 siecle izay fa ny tsapako dia mavesa-danja be lavitra mihitsy ny fahoriako sy ny fijaliako ary ny fahasahiranako sy ny fangirifiriako .
ka tsy haiko intsony ry zareo na mamaly vavaka Andriamanitra na tsy mamaly ,fa ny fiainako izao dia toy ny lakana eny anivon'ny ranomasim-be mangeniheny tsy hita fetra ,ka sao dia tsy vavaka intsony no tokony hataoko fa zavatra hafa indray mba ahitany ahy ,fa hatramin'izao dia tsy mbola tanteraka amiko ilay vavako hoe : " hampahirato ny masoko ahitako ny zava-mahagaga eo @ lalanao ".
Dia hamaly ianareo hoe :miandry ny sitra-pon'Andriamanitra sy ny famindram-pony e!.
Dia aleo miandry izany ,fa tsy anareo ny lelo ka ahisina .


Bilakarenjy> Malahelo aho mamaky ity hevitrao ity. Raha tianao dia afaka manampy anao aho hijery amin'ny fomba lalindalina ny atao hoe "fiainana miaraka amin'Atra." Mino aho fa mandalo an'ilay "dia amin'ny alimbe ampovoan'ny ranomasimbe" na "the night sea journey" hozy Carl Jung.
Nefa miankina aminao ihany izany. Manorata manokana any amiko raha manaiky ianao. hany an. Mivavaka ho anao. Soanja.


14. ikaretsaka ( 03/01/2007 22:07)
bilakarenjy> ny tiako amin'ilay fiananao dia ianao tsy kivy aloha.. io dia efa tsara matoa mbola tonga ilay 1/2 siecle... mbola nino ianao aloha hareo.

dia izay mihitsy ny vavaka tokony ataonao .. ianoa ihany kay dia mahatsapa azy hhoe
sao dia tsy vavaka intsony no tokony hataoko fa zavatra hafa indray mba ahitany ahy ,fa hatramin'izao dia tsy mbola tanteraka amiko ilay vavako hoe : " hampahirato ny masoko ahitako ny zava-mahagaga eo @ lalanao ".

tohizo foana... ny vavaka=tolona fa tsy sento
15. soanja ( 04/01/2007 04:17)
Mamaly vavaka Andriamanitra raha MINO ny hafahafahany manao izany ianao ary afantokao aminy ny herimponao rehetra amin'ny fiainanao andavanandro. Mamaly vavaka Izy raha sitrany ny hananao izany vavakao izany. Mahereza hatrany mikatsaka azy fa tsara Izy.
16. LazaDaddy ( 04/01/2007 04:38)
Tsy afaka hitanisa olon-kafa aho fa ny efa niainako no ho tantaraiko.:) Nisy fotoana aho fahiny nisalasala hoe "mety tsy mamaly vavaka" Andriamanitra (izany hoe mamaly vavaka Izy fa TSIA ny valiny). Ny antony rehefa nojereko akaiky dia matetika ireto:

- fo maloto, heloka tsy nifonana na fitazomana alahelo @ olon-kafa
- tsy "vahaolana vonjimaika" Andriamanitra fa Fiainana
- fitiavan-tena
- fisalasalana
- tsy fahamarinana
17. niryna ( 10/01/2007 17:20)
Mitombona io tenenin\'i Laza io ary matoa isika tsy mbola mahazo vavaka dia:
Mbola mitsapa ny halalin\'ny finoana anao Atra
Miandry anao hanankina ny fonao, ny fiainanao Aminy

Misy zavatra tiany hiova ao aminao ary anjaranao io
Manome hery sy tanjaka ho anao ny fitadiavana azy
Tsy hanome zavatra tsy ho zakanao izy
Fanontaniana
Moa ve tia Azy ianao? Mametraka ny fiainanao eo aminy?Matoky fa izy dia tsy miova,omaly sy anio ary mandrakizay? Mino ianao fa maty noho ny fahotanao izy ka manaiky ianao fa izy no mpanavotra anao.Raha ENY no valiny dia matokia ianao fa ho vonjeny ianao sy ny ankohonanao
HO AZY IRERY IHANY ANIE NY VONINAHITRA ^:^^:^
Mpijoro ho vavolombelona Niryna8)8)8)
18. xxx ( 16/01/2007 10:16)
raha ny fahafantarako azy indray ry ld sy niryna dia izao :
1°-Tsy hamaly vavaka mihitsy Andriamanitra raha tsy avelany hijaly tanteraka ianao ary efa tena mivoaka sempotra mihitsy vao valiany ny vavakao raha ho valiany .Aiza intsony no hanànana hery @ izany .
2°-Ipetraho ilay toeran'ilay olona mila ilay hoe :valiana vavaka raha ho zakanao io ,fa matoa mila valim-bavaka izay dia misy vavaka natao sy nangatahana ary tao anatin'ny fahoriana sy fijaliana izany vavaka izany .
3°-Raha nataoko ny fandinihana dia mijalijaly ianao mandritra ny 2 taona na miampy aza fa faly kosa ianao mandritra ny 1 andro raha be indrindra .Tsy misy fifaliana sy fahasoavana sy zavatra mahafinaritra lava be sy ela be izany eto ambonin'ity tany ity .Tsy maintsy fijaliana sy fahoriana ary fahasahiranana sy korontana sy ady lava sy ny zavatra mahatsiravina rehetra io no iainanao isan'andro sy isa-minitra .
Hany ka ny finoana tokony hitombo lasa mihena satria tsy ilay lafim-piainana mivantana sy iainana no voavaha sy niova ho tsara ary sitrana fa vao maika azy mitombo lasa goavana be ilay blem .
Raha mangataka bonbon @ rainy ve ny zaza dia sady tsy valiana no tsy henoina ,fa avela aloha hipitrapitra tanteraka eo .
Na raha ianao io izao no tena reraky ny hanohanana tanteraka ka mangataka sakafo @ olona dia tsy tonga dia hanome avy hatrany tsy misy hatak'andro ilay olona satria tao anatin'ny fijalianao ilay hanohanana be ,fa avela ve aloha tena ho honaky ny harerahana sy hanohanana tanteraka koa .
19. niryna ( 26/01/2007 17:45)
bilakarenjy:


ka tsy haiko intsony ry zareo na mamaly vavaka Andriamanitra na tsy mamaly ,fa ny fiainako izao dia toy ny lakana eny anivon'ny ranomasim-be mangeniheny tsy hita fetra ,ka sao dia tsy vavaka intsony no tokony hataoko fa zavatra hafa indray mba ahitany ahy ,fa hatramin'izao dia tsy mbola tanteraka amiko ilay vavako hoe : " hampahirato ny masoko ahitako ny zava-mahagaga eo @ lalanao ".


Salut Bila ! Samy nomen'Atra fisaidrana daholo isika rehetra,asio mijoro eo na iray aza ka tsy nahita fisedrana.ENY MAMALY VAVAKA ATRA ARAKA NY SITRAPONY.Io matetika dia ataon'ny olona hoe lavage de cerveau,kanefa misy antony matoa mbola tsy mivaly ny vavakao.TSY AMELA ANAO IRERY AHO HOY IZY.
Mitadiava namana miaraka mivavaka aminao,ary aza mangataka zavatra fa katsaho aloha ny fanjakany,izany hoe mitadiava AZY ary atolory azy tanteraka ny fiainanao.Misy toetra ratsy ao, mety misy zavatra nataonao tsy nangatahanao fifonana? Asa aloha fa ianao irery ihany no mahalala azy ary ianao irery ihany no mitondra azy eo aminy.ITY AHO TOMPO O INONA NO TIANAO HATAOKO HANOMPOKO ANAO^:^^:^^:^

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.152