Fanjakan'Andriamanitra

1. xxx ( 30/12/2006 21:28)
"Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory."

Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny fidirana ny fanjakan'ny lanitra fa tsy misy ezaka avy aminao.

Vitsy no manaiky toy ny zaza, fa ny maro dia ny miezaka manao zavatra hafa hidirany @ io fanjakan'Andriamanitra io.

warren buffett (faharoa manankarena indrindra eran-tany aorian'i bill gates) milaza fa ny nanomezany $30 billions (na 30 miliara US dollars) @ charity hono no lalana tsara indrindra anakanesana any an-danitra.

"Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra." Matio 19:24

Tsy ny fanomezana ilay vola no ratsy fa ny fiheverany fa misy fomba hafa hidirana io fanjakan'Andrimanitra io ankoatra ny fanekana fotsiny ilay fanomezana avy amin'Andriamanitra.



2. dailynews ( 30/12/2006 21:50)
mampalahelo be izy izany, fa ireo olona nahazo charite kosa ngamba mba faly?
misaotra nizara e, marina izany.
3. Fiffi ( 30/12/2006 22:10)
xxx:
warren buffett (faharoa manankarena indrindra eran-tany aorian'i bill gates) milaza fa ny nanomezany $30 billions (na 30 miliara US dollars) @ charity hono no lalana tsara indrindra anakanesana any an-danitra.
:-w:-w:-w heu...zah kosa aloha de tsy mino an'io an ! na hoe miankina @ fomba nanomezana an'io vola io ....

-Nanomé vola be satria ve hoe manantena fa raha manomé an'io ho an'ny karitasy de zay no tena lalana tsara hidirana any an-danitra ?

-Sa ve nampiseho an'olona hoe zao ry zareo fa raha manomé an'zao vola be zao de ho tafiditra ?

-Sa ve raha ohatra ka olona tsy manambola fa tena nanao zay azony hatao t@ fanampiana ohatra ara-batana , sns.....@ io karitasy io hiany an ! de tsy ho tafiditra ve ?

-De hoy aho hoe "tsy ny vola hiany ange no azo hatao na azo omena mba ahitana sy ahatafidirana any an-danitra eh !


4. ikaretsaka ( 30/12/2006 22:43)
warren buffett (faharoa manankarena indrindra eran-tany aorian'i bill gates) milaza fa ny nanomezany $30 billions (na 30 miliara US dollars) @ charity hono no lalana tsara indrindra anakanesana any an-danitra.


dia tena ho garanti ve fa tafiditra any ve izy.

dia 30 Billion izany raha omena charity ve tsy tena nisy effets be erak'izao tontolo izao.. nefa toa tsy hita ilay izy heo charite naninona sy naninona


hoy i Masera Teresa izay ho e" Tsy ny habean'ny fanomezana no mikanonty, fa ny fo nanome azy"
5. cutie ( 01/01/2007 17:13)
8O8O8O
6. Fiffi ( 01/01/2007 17:31)
mihombon-kevitra @ ikaretsaka aloha zah @ io an ! ny fo hiany no mitondra an'io .....heritrereto hoe hanomé bdb nefa tsy vokan'ny fo fa manantena na miandry fa nanomé bdb de io no hidirana any an-danitra ..heu.......
7. LazaDaddy ( 02/01/2007 00:44)
xxx> Azonao omena ve ny reference azafady fa lasa ohatran'ny hoe ianao no "milaza aminay marina tokoa"? Sa fanahy inianao tsy omena mba tsy ahatafitohina ny "anti-krista"? :)
8. prime ( 02/01/2007 14:23)
xxx> Mitovy ihany amin'ilay miasa be io r'ise a, mba hahatafiditra any an-danitra...
9. Rasiligaoma ( 02/01/2007 15:01)
fa zaho aloha tsy mino hoe manao charity ana 30 miliara de dolara dia hahita an'i Md Piera e
10. Zina ( 02/01/2007 18:18)
ny asa tsisy finoana dia zava-pona...
Mbola asa fotsiny no vitany raha ohatra izy mi-baser an'io charite ataony io
11. prime ( 03/01/2007 10:47)
xxx:
Tsy ny fanomezana ilay vola no ratsy fa ny fiheverany fa misy fomba hafa hidirana io fanjakan'Andrimanitra io ankoatra ny fanekana fotsiny ilay fanomezana avy amin'Andriamanitra.
... dia inona koa ohatra no fiheverana hafa idirana ny fanjakàn'Andriamanitra?...
12. ikaretsaka ( 03/01/2007 15:09)
betsaka... grace ohatra
13. xxx ( 03/01/2007 15:27)
Ikaretsaka> Tokana.. Grace ihany..

Tsy misy mendrika ny hiditra ny fanjakan'Andrimanitra ny olona rehetra amin'ny maha mpanota antsika eo anatrehan'Andrimanitra.

Izay no nahatongavan'i Jesosy ho faty noho ny fahotantsika ka izay mino azy ihany no hovonjena.

Tsy ny fanaovanao asa soa no hidiranao ny lanitra fa ny fanekenao fa tsy mahavonjy tena ianao fa mila ilay famonjena avy amin'Andriamanitra.



14. ikaretsaka ( 03/01/2007 15:29)
izay izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3726