Mbola misy ny fanamelohana ho faty

1. rabaradaka ( 30/12/2006 11:13)
Etritreritra mandalo ity ry zareo hoe dia ny zanakolombelona miaina amin'izao taon-jato izao dia mbola misy manameloka ho faty toa ny nahazo an'i Sadam Houssein. Aminao mety ve ny fanamelohana ho faty ?
2. xxx ( 30/12/2006 11:40)
Eny !
3. xxx ( 30/12/2006 13:41)
TSIA
4. jhouhlambout ( 30/12/2006 13:54)
Tsy mety satria manjary lasa midina @ niveau ny ilay mpanao asa ratsy ihany...
5. kelly13 ( 30/12/2006 13:59)
TSIA satria lasa en position de victime lery zao!! hidina mandrakaizay iany no hitako fa mety @ olona toy ireny!
6. bemalaza ( 30/12/2006 16:28)
mety , mba hampihena ny asa ratsy sy ny heloka bevava,sns.satria arakarakan'ny sazy no mety hampihena sy hampatahotra ny olona tsy hanao izany.
7. soanja ( 30/12/2006 18:38)
Tsia tsy tsara io. Tsy ny fanalana ny ainy no hampihena ny fanaovan-dratsy.
8. ikaretsaka ( 30/12/2006 20:16)
na eny n a tsia.. efa maty izy ko
9. dailynews ( 30/12/2006 20:31)
tsia. fifidianana moa izy ity?
10. ikaretsaka ( 30/12/2006 20:40)
efa maty izy hoa ...
sa hamerin'aina indray ny atao?
11. Fiffi ( 30/12/2006 21:19)
nga azo haverina ?
12. dailynews ( 30/12/2006 22:03)
Ikaretsaka> ka na efa lasa aza i sadam anie ilay lalana mbola velona e. ary tsy any Iraka ihany fa @ firenena maro ary koa io firenena hipetrahanao io.
13. dailynews ( 30/12/2006 22:07)
eto akaikikaikinay eto izao dia hisy indray ny olona ho voa executer ny 6 janoary ho avy izao ary efa manomboka mitana pankarta sy mitana labozia ny olona vitsivitsy manameloka izany tranga izany eo anoloan n ilay prison.:(
14. ikaretsaka ( 30/12/2006 22:59)
daily> ny ahy ny principe ko dia rehefa tsy te hiharany dia tsy manao gaffe fotsiny e..
mety izay koa angamba ny voasoratr'Andriamanitra ho azy e? hoe ho tapitr'andro by hangin!
15. soanja ( 31/12/2006 04:26)
Ny fanamelohana ho faty angamba ny resaka eto hoe OK sa tsia amintsika fa i SH efa lasa tokoa.
Amiko dia toetsaina somary mampihemotra antsika olombelona ihany izany satria ny ain'olombelona akory tsy tokony hampitoviana amin'ny biby. Ka rehefa tokony vitaina dia vitaina, eny fa na dia manana ny antony mahalaza ny tokony hamonoana azy aza ny olona iray na ny fanjakana na iza. Andrimanitra ihany amiko no tokony hanana izany fahefana izany ary izy mahalala izay mifandanja amin'ilay olona. Ary tsy ny famitana na fanafainganana ny androny akory no ahatsapany fa sazy mifanentana aminy fa vao maika ary izany manamaivana ny saziny. Satria rehefa lasa izy dia milamina izy izay.
Ny hitako anisan'ny tena mahatonga ny fanekena an'io famonoana olona io tokoa mantsy aty US dia ny fieretreretana fa lany hanomezana sakafo sy ikarakarana an'ireo gadra ny volanao amin'ny tax , ka io ihany ny fomba ahafahana manamaivana izany fijaliana'ny sain'ny mpandoa tax hoe nanalana aina iray ny volako.
Asa anefa fa fomba fijery daholo izany fa rehefa mandinika ny habibina nisy anefa dia tsy mora ny mody tsy mahita ny efa hita ny ao anatin'ny fontsika.
16. vahiny2004 ( 03/01/2007 08:30)
dailynews:

eto akaikikaikinay eto izao dia hisy indray ny olona ho voa executer ny 6 janoary ho avy izao ary efa manomboka mitana pankarta sy mitana labozia ny olona vitsivitsy manameloka izany tranga izany eo anoloan n ilay prison.:(



Tratry ny taona daholo (ilay ranamana iry izany tsy tratra fa nalefan-drizalahy mialoha)

Somary nanaitra ahy ilay remarque nataonao : olona vitsivitsy ! Izany hoe vitsy ve ny manameloka ny fanamelohana ho faty sa vitsy no sahy mijoro ho vavolombelona raha ny fiheveranao azy ?
17. miarina ( 03/01/2007 09:55)
Amiko dia eny. Mety be dia be ny olona tsy itovy saina amiko. Betsaka ny olona miresaka amiko ary tsy mitovy hevitra amiko momba izany (asa izaho angamba no tsy misaina nefa omeko ohatra kely ianareo)
- Dadafarako nisy namono taona vitsy2 lasa izay. Novelezin'ilay olona ny lohany ary vaky nivoaka ny tao anatiny. Mbola voavely ko tratrany ary tena potika mihitsy. Tapabolana izy nijaly teny @ hopitaly dans le comas mandrapahafatiny. Nanotany tena aho hoe ol ve no nahavita izao ... mendrika ny ho velona. Raha ny havanao akaiky no voa toy izany inona no tao antsainao
- Heveriko fa betsaka ianareo no maheno ireny serial killer ireny. Metza ianaroe eo @ toeran'ny famille ny olona maty.
- Amiko raha tena tsy manisy vidiny ainaolona ilay mpamono olona dia nahoana koa izy no asiana vidiny aza.
18. Fiffi ( 03/01/2007 10:01)
miarina: tena mampalahelo be zany zavatra nahazo ny havanao zany ....:(

Fa hoy aho hoe: marina fa tsy t@ tena ny nitrangan'zany fahoriana be zany ary marina koa ny lazainao hoe tokony vonohina ireny olon-dratsy ireny ...saingy hoy aho hoe...... @ maha-Kristiana ahy no hilazako an'zany an ! tsy anjaran'ny olombelona no hitsara sy hamono ny olona zay nanao ratsy fa ao Andriamanitra hitsara azy.

Miheritreritra hiany aho hoe de mba ahoana aza ny consciencen'ireo olona mpanatanteraka an'ireny ?
19. caprio ( 03/01/2007 23:11)
Miha mazava amintsika tsikelikely @izay angamba zao ny mampiavaka ny baibolista na ny kristiana @hafa ny antony dia raha mbola kristinina dia hinoako fa tsy misy mankasitraka an'io
20. cutie ( 03/01/2007 23:32)
ohateny : Mbola misy ny fanamelohana ho faty
Etritreritra mandalo ity ry zareo hoe dia ny zanakolombelona miaina amin'izao taon-jato izao dia mbola misy manameloka ho faty toa ny nahazo an'i Sadam Houssein. Aminao mety ve ny fanamelohana ho faty ?

Eny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9308