Mbola misy ny fanamelohana ho faty

21. miarina ( 04/01/2007 09:17)
Caprio->Angamba heveriko fa aza dia ampidirana resaka baiboly loatra ilay izy fa ny hevitrao no anotaniana. Raha mamaky baiboly ianao be dia be ny olona tao novonoina nefa tsy manantsiny. Hanome ohatra vitsy2 aho :
- Ny lahimatoan'ny Egiptiana rehetra
- Ny mponina tao Kanana
- Ny egiptiana maty tao @ ranomasina mena
- .....
22. ikaretsaka ( 05/01/2007 05:50)
mety izay kao ania ny voasoratar ao anatin'ny bokim-piainana'ireny e...

teraka tany @ hopitaly dia maty nahantona na lethal injection na electronic chair

mety ho izay no lahatra sy fandaharan'andriamanitra aminy

io ilay hoe ny fihevitro tsy fihevitrareo
23. mimich ( 05/01/2007 07:42)
tsy tompon\'ny aina isika ka mbola anjaran\'ny zanak\'olombelona ny mitsara amin\'ny alalan\'ny fanamelohana ho faty.oh we lasa maka ny toeran\'Atra izany amiko ny fanaovana io .
24. miarina ( 05/01/2007 09:13)
mimich->Fa raha nandatsak'aina ilay mpamono olona tsisy olana fa zony izany. Mahazo maka toeran'Andriamanitra izy. Matoa amiko izy tsy nanisy vidiny fiainan'olona iray dia tokony ho averina aminy izany (tsy miresaka accident aho fa ireny vonoolona ireny no resahiko).
25. mimich ( 05/01/2007 15:12)
valable am resaka fandatsahan'aina rehetra io nolazaiko io. na ny mpamono olona eny anelakelan-trano aza.
26. miarina ( 05/01/2007 15:42)
ka raha ilay mpamono olona izany no mamono tsy olana (raha azoko tsara, mahazo mandatsak'aina izy) .. sa izy no tompon'ny ain'ireo olona rehetra novonoiny ireo.
Asa ianao raha nahita ilay film hostel raha ny havanao akaiky no niharanjavatra toy ireny dia lba aona hoy ianao
27. nikopol ( 05/01/2007 15:55)
Raha ny fanjakana na ny lalàna no hanameloka ho faty dia TSIA no hamaliako azy.

Fa raha ny fanontaniana mipetraka hoe : azo atao ve ny mamono olona dia : ENY

:-D:-D

misy karazan'olona azo amboarina tsara mihintsy :-D:-D sady tokony amboarina

PS/ tsy dia tsara loatra kalo ilay fomba fijeriko io fa zay ilay izy fa atao ahoana
28. rabaradaka ( 08/01/2007 06:32)
Dia ho voaheloka ho faty izay nanongam-panjakana dia i xxx no iangaviantsika hamatotra ny tady amin'ny tendan'ilay razoky.
29. mimich ( 08/01/2007 06:49)
miarina> ka izay indrindra no tsy mampety an'ilay fanamelohana ho faty. nomelohin'ny fitsarana izy satria namono olona , entina ilazana izany fa tsy mety ny mamono sy mandatsaka ain'oll, koa nahoana no io fomba tsy mety io indray no mbola ampiharina aminy????????? fa tsy fomba hafa no entina anasaziana azy sy ampisehoana aminy fa tsy mety ilay zavatra nataony!!!!, izany hoe tsy dia logique loatra ilay fanapahan-kevitra eee, "saziana satria namono oll , de ilay sazy ampiharina anefa de ilay famonoana lazaina fa tsy mety nataony ary anton'ny fanasaziana ", asa raha azonao ilay tiako hambara. de eo no vao maika mipetraka ilay fanontanianao we: iza no mahazo mamono de iza no tsy mahazo , ary iza no azo vonoina de iza noo tsy azo????
30. naughtyboy ( 15/01/2007 19:44)
mimich ny mamono oul de tsy voarara intsony fa izay mahazo mamono no voafetra ,zay manana fahefana mamono @ io fotoana azony ampiharina ny fahefana ananany no mpamono ratsy indrindra ,raha ity oh. ty no jerena t@ androny i S.H no teo @ toerany mpamono no nisy azy taloha de nataony ny lisitra reo novonoiny nivadika ary ny rasa ka ao anatiny lisitra ny novonoina izy taty aorina,ny fijeriko zany de tsy mety afaka n'aiza2 ny famonoana oul fa zay no nadrafetantsika olombelona ity tany ty fanamparampahefana ngamba?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0955