oniversite antananarivo

1. Ruby ( 29/12/2006 00:50)
efa mba nihatsara ny siten ny oniverite. sa ahoana. mbola misy tokony hampiana ve?
http://www.univ-antananarivo.mg/
novalian'i niryna ny 26/01/2007 07:21
2. pissoa ( 29/12/2006 08:28)
Ie - efa tena mihatsara, na ny endriny na ny zavatra raiketiny.

Ny resaka Alumni izao no tena tsy hitako ao, nefa mba tsara apetraka izay azo apetraka mba ho hitan'ny zandry kely manaraka hoe izao no azo atao avy eo. Mifandray amin'io ihany ny valim-panadinana. Mety ho azo apetraka ao otran'ny valin'ny Bacc. Raha be loatra ny afaka (:-P) dia azo atao hoe ny valiny amin'ny faran'ny cycle iray no apetraka. :-D:-D:-D
3. lapino ( 29/12/2006 08:53)
Tena nihatsara ilay izy aloha e =D=D=D

Fa misy zavatra tsy mbola azo ampiana angamba :
- teny hafa noho ny teny frantsay fa voafetra loatra amin'ny fifandraisana isika noho io teny io. Ohatra hoe teny gasy sy anglisy ary japoney :wink:
- dia miandry ny fibre optique amin'ny mi-2008 izany dia mba ho maivamaivana mi-load an'ilay pejy :)
4. pissoa ( 29/12/2006 09:11)
lap:
Fa misy zavatra tsy mbola azo ampiana angamba :

Tena "tsy mbola" ve sa "mbola" no tian'lah nambara ? :roll:
5. exdadabe ( 29/12/2006 09:24)
dia tokony asina teny sinoa koa
6. lapino ( 29/12/2006 09:42)
ie, maninona moa raha asiana teny sinoa ?

pissoa > nifangaro ny "tsy ampy" sy ny "mbola azo ampiana" dia lasa ohatra an'io :-D:-D:-D
Misaotra am'le fanitsiana e ;)
7. xxx ( 29/12/2006 10:41)
pissoa:

Ie - efa tena mihatsara, na ny endriny na ny zavatra raiketiny.

Ny resaka Alumni izao no tena tsy hitako ao, nefa mba tsara apetraka izay azo apetraka mba ho hitan'ny zandry kely manaraka hoe izao no azo atao avy eo. Mifandray amin'io ihany ny valim-panadinana. Mety ho azo apetraka ao otran'ny valin'ny Bacc. Raha be loatra ny afaka (:-P) dia azo atao hoe ny valiny amin'ny faran'ny cycle iray no apetraka. :-D:-D:-D



Apetrany ao foana ny valin'ny BACC rehefa @ fotoanany ka

ny annuaire des compétences no hitako tsy à jour teo aloha, toa tsy napetany aza ilay lien izao fa angamba eo am-pikarakarana izy
8. pissoa ( 29/12/2006 10:56)
lap : hita hoe miketriketrika be elah ka ny tanana indray no tsy maharaka :-D:-D:-D

xxx:
Apetrany ao foana ny valin'ny BACC rehefa @ fotoanany ka

Tsy azonao ny tiako nambara. Ny valin'ny fanadinana eny Ankatso no tiako apetrany ao koa, toy ny ataony rehefa mivaly ny bacc. Ohatra hoe Ireto avy ny DEA 2006 tao @ Departement ... :°)
9. LazaDaddy ( 29/12/2006 14:52)
ny ahy tsy ny valim-panadinana no hitako tokony apetrany ao fa ny fitantanam-bola.
10. Ruby ( 29/12/2006 18:44)
-ny departemanta ihany koa tokony hapetraka ao isaky ny rohy. dia raha manindry francais ohatra dia mankany @ departemanta ny frantsay sns....
-ny tsy haiko hoe maninona no asiana teny anglisy sy sinoa ary japoney..ny fianarana dia ho @ teny frantsay ihany koa tsy dia hitako loatra hoe maninona no asiana izany.
-de inona koa?
11. pissoa ( 29/12/2006 18:53)
Ruby, Fifandraisana amin'ny olona ivelan'ny Univ akia no ilana ny tenim-pirenena hafa an ! fa tsy dia natao ho an'ny ao anatiny loatra. Raha ny olona eny Ankatso ihany no cible dia tsy ilaina ny site toy iren fa ny Notice board dia efa ampy.

Ny fampahafantarana ny mpampianatra, indrindra ny zavatra ataony koa no hitako tsy ampy. Misy miresaka kely fotsiny.
12. Ruby ( 29/12/2006 19:01)
-de teny anglisy kosa angamba de ampy ra izany.
fa hono hoa e: nareo ve tsy mihevitra fa tokony ho 4 taona ny license? fa rehefa mankany ivelany dia sahirana be @ ilay bachelor hoe 3 taona fotsiny anefa ny an olona 4 taona dia voatery ny maitrise no atao hoe bachelor....sa?
13. pissoa ( 30/12/2006 16:05)
Ie - za koa mihevitra fa ampy :wink:

Tsy fantatro ilay hoe sahirana amin'ny bachelor/maitrise, fa raha tsy diso aho dia efa havadika tsikelikely hanaraka LMD ny rafi-pampianarana eny Ankatso/Mada. Tsy mba hampiova zavatra ve izany ?
14. dailynews ( 30/12/2006 20:40)
izaho koa dia mahita fa nihatsara ilay site.
dia fanampiny ihany koa:
- ny toerana hanaovana fanatanjahantena sy ny sarin ny toerana ampidirina ao sy ny hoe ahoana ny fidirana @ izany taranja izany , inona avy no tokony atao, iza no tokony horesahina( ny tennis, ny volley, ny lomano, sns....)
- ny toerana hipetrahan ny mpianatra sy ny fomba hahazoana mamandrika izany ary ny modely ny trano.
-ny toerana hisakafoanana ny mpianatra asiana sary ao sy fanazavana fohy hoe aiza daholo izy ireo.
-
15. ikaretsaka ( 30/12/2006 20:47)
LazaDaddy:

ny ahy tsy ny valim-panadinana no hitako tokony apetrany ao fa ny fitantanam-bola.



vola foana fola foana =))
16. Lalah ( 12/01/2007 18:50)
Ny ahy zao no mba tiako ny hanaovana fanagasiana ny fampianarana, jereo ny vazaha mianatra @ fiteniny tafavoaka tsara.
17. xxx ( 16/01/2007 08:54)
Lalah:

Ny ahy zao no mba tiako ny hanaovana fanagasiana ny fampianarana, jereo ny vazaha mianatra @ fiteniny tafavoaka tsara.


C'est bien beau mais c'est pratiquement impossible pour l'instant :
- ny boky fianarana @ teny malagasy zara raha misy ,
- be dia be ny voambolana tsy ananana @ teny gasy ,
- raha toa ka hifandray @ any ivelany dia voatery hitady ny voambolana mifanaraka @ ilay nianarana t@ teny malagasy indray . Isika tsy afaka ny hikatona irery eto M/car

izany hoe mila manenjika lavitra be isika . Mbola voatery hijanona @ ilay hoe "andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko " angamba
18. niryna ( 26/01/2007 07:21)
Ruby:

efa mba nihatsara ny siten ny oniverite. sa ahoana. mbola misy tokony hampiana ve?
http://www.univ-antananarivo.mg/

Ny gestion no misy dange be ao amin'ny admnistration ao,hovainy foana ny anaran'ny ankizy afaka fanadinana, voavidy vola ny lisitra ka tavela ny ankizy.Ela vao tonga saina dia miova zavatra hafa indray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5977