Te ahalala ny tena andro naterahan\' i Jesosy ? Jereo eto

1. niryna ( 20/12/2006 17:09)
Maro ihany izay resaka Noely sy mitady ny tena andro nahaterahan\'i Jesosy.Kanefa tsy dia mazava hoe oviana marina.Mba afaka milaza amin\'ireo namana maro ve ianao?
novalian'i niryna ny 08/01/2007 05:32
2. Fiffi ( 20/12/2006 17:51)
http://books.google.fr/books?q=date+de+naissance+de+J%C3%A9sus&ots=-2892Bh2Zo&sa=X&oi=print&ct=title
http://www.catecatho.com/jesus/noel.htm
http://perso.orange.fr/hlybk/jesus/christ/naissance.htm
http://mb-soft.com/believe/tfn/birth.htm

3. ikaretsaka ( 20/12/2006 18:26)
merci fiffi!
za vo saika hizara kay nendry no lasa aloha:-*
4. Fiffi ( 20/12/2006 18:50)
:):-*:-*
5. niryna ( 22/12/2006 06:53)
Nahita boky aho misy sary ny toerana nahaterahany ,izay lasa nasiana fiangonana eo amboniny ary fitaratra boribory hitazanana ilay tranon\'omby niterahany, toerana nandevenany, toerana nivavahany ary hatramin\'izao dia mbola misy ilay hazo oliva toerana nivavahany, fa ahoana no tsy misy daty feno no nahaterahany
6. niryna ( 23/12/2006 02:36)
Izay fotoana nanomboka nomenao azy manontolo ny fiainanao(being born again) eo no fotoana nahaterahany aminao.Koa samy manana an\'io andro samihafa io ny tsirairay.
7. ikaretsaka ( 23/12/2006 02:44)
ho an'ny born again dia izay ny ..
fa tsy haiko intsony hoe ianao no born sa jesoa @ io born again io
8. niryna ( 23/12/2006 03:10)
Amin\'ny fotoana iray izay nanomezanao an\'i Jesosy ny tenenao manontolo io no andro nahaterahan\'i Jesosy aminao.Io izy no nanomboka teraka tao am-ponao.
9. ikaretsaka ( 23/12/2006 03:13)
fa tsy ianoa ve no teraka ao am-pony?

tsy haiko intsony ange ry niryna fa mba azavao aho e.. ianoa miteny an'izany .. de i pasteranao hafa no lazainy!
10. niryna ( 23/12/2006 03:22)
Izy no teraka ao am-po-tsika.Izany no mahatonga ny olona manontany hoe hoviana ianao no nanolotra ny fonao ho an\'i Jesosy.
11. ikaretsaka ( 23/12/2006 03:25)
ka jesosy ange efa born efa ela e e.. tsy mety AGAIN izy fa izy vo born efa 2000 taona mahery izay de efa pure
izy tsy mila renaissance intsony
12. niryna ( 23/12/2006 03:29)
Izay no mahatonga ny hoe raha tsy ateraka toy ny zaza indray ianareo
13. ikaretsaka ( 23/12/2006 03:36)
ianareo fa tsy i jesosy...... ooooops nuances!
14. Fiffi ( 23/12/2006 21:24)
15. niryna ( 26/12/2006 03:25)
Izay no mahatonga antsika hoe amin'ny andro omenao ny tenanao ho an'i jesosy io no andro ahaterahany ao am-ponao.Mbola tsy niforona izao tontolo izao dia efa nisy izy.
16. ikaretsaka ( 26/12/2006 04:08)
efa nisy "hono" izy fa tsy mbola concu sy teraka sy lasa olona nitovy amintsika an....
noely izy vao teraka ..rehefa avy naterak'ilay virijiny
17. prime ( 26/12/2006 11:07)
Mitovy hevitra amin'i ikaretsaka aho eto... tsy i Jesosy no nateraka indray fa ny olona izay mibebaka ka miverina ao Aminy ka mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy azy... i Nikôdemôsy (fariseo) no nampianarin'i Kristy ny amin'ny fahateraham-baovao ka nanambaran'i Kristy fa tsy maintsy ateraka indray aloha ny olona... fa tsy Izy Kristy akory...

Ny amin'ny andro tena nahaterahan'i Kristy dia tena adihevitra be tokoa satria ilay kalendrie resahina tany am-piaingàna dia nandringa teo amin'ny "précision"... hany ka noraisina araka ny referansa tantara no nentina nanomezana tondro akaikikaiky kokoa ny tena marina...
18. niryna ( 08/01/2007 05:32)
Raha tsy miverina toy ny zaza isika,izany hoe ateraka indray,maty dia lasa nitsangana niova ho olombaovao satria nandray an\'i Kristy tao am-pontsika isika.Ao am-pontsika izany izy fa tsy isika no any am-pony.Sa ahoana ry Ika:?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0783