Tena solotenan'ny TIM ao Italy i Hery webmaster ,Famintinana

1. DotMG ( 01/12/2006 06:27)
Nisy ity lohahevitra hoe Tena solotenan'ny TIM ao Italy i Hery webmaster http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m456d74498de80 , tao amin'ny dinika politika, dia tiako hofintinina kely ny hevi-dehibe tao fa lava loatra.

ronaldo09: Hitako amin'ny coup de tete nataonao an'i bazylou sy sareraka
>> Nanao COUP DE BOULE tamin'i bazylou sy sareraka hono i Hery. Coup de boule à gauche, coup de boule à droite. Zidane il a frappé, Zidane il a raté

hery: Mbola tsy Tim kalou hatramin'izao fa aza maika... raha vao misy miantso fotsiny aho ka tsaratsara ny saosy dia tonga dia depa
>> Omena yaourt iray hono i Hery dia manohana izay manome yaourt azy! Tena mbola mora vidina marina ny Gasy an! Aiza ary ilay varin'ariary folo!

andrea: fafao ny hafatro fa ny tiako ho lazaina de hoe
>> Fafao hono ny zavatr'i andrea ry hery, Fafana fa tsy ahitsy.

mimich: Izy no vy nahitana..... Marc RAvalomanana
Sady angady nananana..... Marc Ravalomanana

>> Iza no mamafa amin'ny tànana?...

ravatorano: alefako eto ny valim pifidianana
>> Hay izany mpanara-maso ny fifidianana ny sehatra serasera koa.

Fa ity hevitra ity saika hapetrako ao @ lohahevitra politika dé voaompa aho he afaka 36 minitra hono vao afaka mametraka lohahevitra ao fa vao avy nametraka. Hevitra taingina be kosa izay fitsipika izay. Mba fantatrareo ve hoe sanfrà ny minitra raha mora indrindra aty Dago?
novalian'i Simpona ny 03/12/2006 08:56
2. Fiffi ( 01/12/2006 06:58)
fa inona kay ny olona eh ? :roll:
3. booboo ( 01/12/2006 07:26)
:lol:
4. mimich ( 01/12/2006 07:29)
Fa ity hevitra ity saika hapetrako ao @ lohahevitra politika dé voaompa aho he afaka 36 minitra hono vao afaka mametraka lohahevitra ao fa vao avy nametraka. Hevitra taingina be kosa izay fitsipika izay. Mba fantatrareo ve hoe sanfrà ny minitra raha mora indrindra aty Dago?
alohan'ny hametrahana io tsikera io dia http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m456d53343143a dia afaka manohy ny adi-hevitra isika avy eo
5. hery ( 01/12/2006 08:29)
Valiny amin'ireo fanontaniana andrandrain'ny maro :-)

Tim ve i Hery?
Tsia (indrisy), tsy manana carte Tim i Hery. Ataoko fa izay manana carte Tim (satria ny Tim dia antoko politika) no azo atao hoe mpikambana ao amin'ny Tim. Kanefa angamba kisendrasendra fa manana adiresy hoe hery@tim.it aho :-) ( http://www.tim.it ny atao hoe tim aty Italia)

An'ny Tim ve ny Serasera?
Tsia (indrisy), tsy Tim ny mpanorina, tsy Tim ny webmastera, tsy Tim ny admins, tsy Tim ny sponsor (fa afaka miditra an :-)). Noho izany dia tsy an'ny Tim ny serasera. Ny an'ny tim dia http://www.tim-madagascar.net.

Momba ny Tim ve ny Serasera?
Tsia (indrisy), tsy momba antoko ny serasera... raha tsy izany efa voafafa daholo ireo mpanohana atoko hafa tsy tsy mpanohana antoko Tim ireo. http://www.tim-madagascar.net ny site manohana antoko dia andramo ny manaratsy Tim sy Ravalo ao dia hohitanao ny mahasamihafa azy.

Momba an-dRavalo ve ny Serasera?
Raha hozy nareo hoe Serasera = Hery dia azo tsoahina izay :-). Ny iarahamahita anefa dia Serasera = isika rehetra. Momba an-dRavalo ve isika rehetra? :-) http://lisitra.serasera.org/content/view/23/53/lang,mg/

Resaka Yaourt
Ny hevitr'i Hery dia azy irery fa tsy an'ny Malagasy manontolo. Zah dia mi-bizna :-) fa tsy idéalista. Raha omena yaourt aho dia resaka bizna izay fa tsy resaka politika. Ny androatokom-piainako dia aty ivelany. Tsy afaka mifidy akory aho. Raha hifidy an-dRavalo ianareo dia ianareo no mizaka ny vokany. Raha tsy mifidy an-dRavalo ianareo dia ianareo no mizaka ny vokany. Tsy misy vola niditra am-paosiko mihitsy (hozatry ny fiainana) na Ravalo no eo na Tsia. Ary mbola tsy nahazo Yaourt aho na indray mandeha aza. Koa raha toa mahazo Yaourt aho dia miala tsiny fa raisiko soa amantsara. Fa amin'ny maha bizna azy, rehefa hitako fa tsy mamely (tsisy benefisy) na dia misy yaourt aza dia dakaiko indray.

Izay sy izay ny momba an'i Hery nandritra iny propagandy iny.

Fidio izay tianao fidiana... fa aza mimenomenona amiko fotsiny rehefa avy eo.
6. ravatorano ( 01/12/2006 08:34)
DotMG < mba vakio tsara izay teny nalefako sy nosoratako
tsisy mihitsy ao hoe valimpifidianana iray manontolo fa ny birao misy ahy ihany ary ny serasera tsy mpanara maso na obsevateur electoral !
mba mahaiza wa mamaky tsara d mba jereo koa ny teo aloha nahatonga ilay resaka fa aza d mijery anjambany fotsiny ihany
:D
:wink:
7. andrea ( 01/12/2006 08:36)
DotMG> lazaina fa tianao hofintinina kely ny hevi-dehibe tao fa lava loatra :
- ny dinika politika.
- ny ady hevitra momba an'i Hery, Webmastera, misy namana milaza hoe solotenan'ny TIM Hery.
- ny resaka nosoratako tsy mandeha amin'izay izy akory : tsy resaka politika, tsy resaka tsikera, tsy hitako izay zava-dehibe amin'izany, mbo te hanoratra ary diso frappy ( tokony nojereko aloha izay nosoratako..) ary fangatahana tsotra hoe mba fafao ny zavatra nosoratako fa diso frappy ....

Dia tena izaho mihintsy angamba no tsy mahazo an'ity dinika nosoratanao ity, na koa hoe tsy mahay mamaky ny resakao, (za tsy hiditra forum politika instony...)fa mankaleo be, manorisory, maha-diso fanatenana: mba hoe hamaky ny resaka fa hoe mamintina ny ZAVA-DEHIBE nefa ireo singan-kevitra tsy misy hidirana politika nosoratako tafiditra ao amin'ny voafintina ..Nefa zambo te hamaky ny hevitra mivaingana lazain'ny namana rehetra ( na iza na iza no tohanana mbo ahafahana hisafidy farany (mety efa tara loatra fa tsy naharaka propagandy .....)
Mialatsiny mialoha raha tohana ianao.
Raha hitanao fa diso izaho dia ahitsio.Izany no atao hoe ady hevitra ...
8. Fiffi ( 01/12/2006 08:55)
fa hono hoa an ? fa aiza kay ny olona na TIM na tsy TIM i Hery ?
Raha Tim zao i DotMG na .....tsy hitako zay olana ! fa maninona no hasiana resabe tahak'zao ? I Hery ange ka olona tahaka ny rehetra hiany eh ! Ohatran'rehetra hiany fa tsy andeha hanao dinika foana hoe i anona TIM na i anona .....tsy azoko an !
9. aigredoux ( 01/12/2006 09:01)
Sady tsy mampilalao no tsy mampiomehy le resaka ka tsy hitako zay ambara:evil:
10. Fiffi ( 01/12/2006 09:49)
f'ita hoa eh !
11. mimich ( 01/12/2006 11:36)
mimich: Izy no vy nahitana..... Marc RAvalomanana
Sady angady nananana..... Marc Ravalomanana
>> Iza no mamafa amin'ny tànana?...


ouuhhh aiza ary ianao zany hira anie io averiko eo io ee, dia inona no tokony hametrahana ady hevitra be amin'izay resaka mamafa tanana amin'izany. aza mora entim-po hoy aho fa sao tapaka lalan-dra amin'ny tsy misy dikany . hafa no mifaninana amin'ny fifidianna ka ianao no ho fatifaty foana amin'ny resaka mandeha.
Sady zao eee, ataoko angamba fa ny hevitra no miady fa tsy ny olona eee. Ampy izay angamba ny fanohanana ny kandidà tian'ny tsirairay hotohanana.Ny ahy hoa dia ny hoe aleo hifarana anio ity resaka ity fa tapitra rahateo koa ny fotoana fanehoan-kevitra mialohan'ny fifidianana.araka ity voalazako eto ity.
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m456fd39fd1b49
12. kitjo ( 01/12/2006 11:48)
marina zany mimich an!

Dotmg> aza marary fo amzany re fa efa akaiky ny fotoana...samy mahalala izay mahasoa ny tenany io fa refa misy filoha lany eo dia Filohan'i Madagasikara ray manontolo ary an'ny malagasy rehetra...

Raha mbola tsy tapa-kevitra ny fianakavianao d asaivo mifidy an Ravalo amzay mba mifaly fa naharesy..hihhihihi....

Mba faradoboka zay fa manaraka ndray e!
afaka 5taona ndray vo hanao propagandy.
Mety Hery mitsy no milatsaka amzaye !
13. HESHA ( 01/12/2006 12:45)
Mahita fanazavana kosa ato zany kle.
Inn kou mou ny olana ra misy milaza ato am serasera ny vokam pifidianana, tsika retra am zay mba afaka mahita valiny ato de vita??????????
14. DotMG ( 01/12/2006 13:51)
Za angaha mbô tezitra izany? Mba mandika vilana ilay lohahevitra fotsiny aho eeeeeeeeeee! Sa tsy izany ôôôôôôôôôôôôôôôôôô?

Fa na izany aza miala tsiny raha nahasosotra ny sasany ilay resaka mamafa @ tànana sy yaourt sy etsetra eeeeeeeeeee!

Fa ity no zavatra lazaiko anareo an: Izaho @ity fifidianana ity Centriste Mysogyne. Tsy resaka fanavakavahana ara-poko sy ara-pananahana fa @ ireo kandida milatsaka ireo, rehefa mamany mitsangana no lany ka avy eto @ Hauts Plateaux dia reveko foana, na ra8 na asterix na obelix na i hasina. Ireo hitako fa tsy manavakavaka fiaviana raha lany eo! Mba mafy tamiko mantsy ny nitondran'i Z.A. teto izay. Farafaharatsiny mba izay.

(ra8: Ravalomanana, Astérix: Ratsirahonana, Obélix: Razafimahaleo).
15. DotMG ( 01/12/2006 14:28)
aigredoux:
Sady tsy mampilalao no tsy mampiomehy le resaka ka tsy hitako zay ambara

Tsy ampy vinaingitra ve? Mbô nampihomehy ahy mpandefa kosa anefa ilay coup de boule. Imagineko hoe tena manome coup de boule an'i bazylou sy sareraka tokoa i Hery.

hery:
Momba an-dRavalo ve isika rehetra? Jereo eto

Raha ilay jereo ato aloha, PTDV eeeeeeee!

kitjo:
Raha mbola tsy tapa-kevitra ny fianakavianao d asaivo mifidy an Ravalo amzay mba mifaly fa naharesy

Ny fianakams-ko efa tapa-kevitra ary efa samy mahalala izay hofidiany. Ao aminay malalaka ny adihevitra sy ny fanaratsiana ny mpifaninana fa tsy misy taitra. Fa ny tena milay izao dia ilay any am-panisana vato ao @ biraom-pifidianana rehefa alahady hariva:

- Ravalomanana . Ouuuuuueeeeeeeeeeeeee
- Ravalomanana . Ouuuuuueeeeeeeeeeeeee
- Ratsiraka . Ouououououououououou
- Rakotoniaina . Ououououououo
- Ravalomanana . Ouuuuuueeeeeeeeeeeeeeee.

Izay vitsy an'isa ao dia mangasihasy.
16. Samoana ( 01/12/2006 14:37)
DotMGTsy resaka fanavakavahana ara-poko sy ara-pananahana fa @ ireo kandida milatsaka ireo, rehefa mamany mitsangana no lany ka avy eto @ Hauts Plateaux dia reveko foana

sady miteniteny foana anie ianareo izany no mpanavakavaka gaigilà e :twisted:?!!...(sa izaho no tsy mahay mamaky ?)
17. Fiffi ( 01/12/2006 14:40)
DotMG:
Za angaha mbô tezitra izany? Mba mandika vilana ilay lohahevitra fotsiny aho eeeeeeeeeee!
hitako no mirediredy ....shhhh


18. xxx ( 01/12/2006 15:23)
DotMG:

Za angaha mbô tezitra izany? Mba mandika vilana ilay lohahevitra fotsiny aho eeeeeeeeeee! Sa tsy izany ôôôôôôôôôôôôôôôôôô?

Fa na izany aza miala tsiny raha nahasosotra ny sasany ilay resaka mamafa @ tànana sy yaourt sy etsetra eeeeeeeeeee!

Fa ity no zavatra lazaiko anareo an: Izaho @ity fifidianana ity Centriste Mysogyne. Tsy resaka fanavakavahana ara-poko sy ara-pananahana fa @ ireo kandida milatsaka ireo, rehefa mamany mitsangana no lany ka avy eto @ Hauts Plateaux dia reveko foana, na ra8 na asterix na obelix na i hasina. Ireo hitako fa tsy manavakavaka fiaviana raha lany eo! Mba mafy tamiko mantsy ny nitondran'i Z.A. teto izay. Farafaharatsiny mba izay.

(ra8: Ravalomanana, Astérix: Ratsirahonana, Obélix: Razafimahaleo).


mampiresaka injay rakala an ! any dago injay izany refa avy atsy Russie ary ny @ manaraka de avy aiza koa US ? sy Espagne ? etsetra....:-D
mandalo Ramaka may ny tanàna
:-D:-D

adala misaina sambany vao nahita net ka loza :-D:-D
19. Fiffi ( 01/12/2006 15:59)
:-D:-D:-D:-D
20. MTN ( 01/12/2006 16:17)
DotMG> andana any amin'ny lohahevitra hafa any itony apetraka fa raharahinay inona raha TIM izy na tsia?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1801