Ahoana ny famelabelaranao an'ity?

1. Rasiligaoma ( 29/11/2006 14:13)
Misy laza adina kely ity izany e:

Nataoko 'compilation' ity de nisy notapahiko kely ny sasany sao de gaga eo indray

hatramin'izay ka hatramin'izao dia tsy mba nianjady tamiko mihitsy ny "miracle" ary tsy hitan'ny masoko na ren'ny sofiko mihitsy.Toy izany koa ireo resaka lolo sy Zombi voatantara.Ny olona foana ,ary tantaran'ny olona foana no reko.
(. . .)
Mino nefa aho fa ny 99% n'ny olona dia ianjadian'ny "témoignage" dia mino,fa mbola tsy niharan'ny "miracle" araka ny voatantara.Izany toe-javatra izany no mahatonga ny tahotra hanjaka ,ny tsy fahalalàna hanjaka ka mahatonga ny olona hifikotra amin'ny "antidote" eritreretiny handaitra dia ny kristianisma izany.Izany no mahavokatra be ny kristianisma any eto Madagasikara.


hadihadio!
novalian'i prime ny 27/12/2006 12:21
2. prime ( 29/11/2006 14:50)
rasiligaoma> omeo aloha ary hoe ny fanadihadiana nataonao...:lol::lol:
3. soanja ( 29/11/2006 14:53)
Rasiligaoma:

Misy laza adina kely ity izany e:

Nataoko 'compilation' ity de nisy notapahiko kely ny sasany sao de gaga eo indray

hatramin'izay ka hatramin'izao dia tsy mba nianjady tamiko mihitsy ny "miracle" ary tsy hitan'ny masoko na ren'ny sofiko mihitsy.Toy izany koa ireo resaka lolo sy Zombi voatantara.Ny olona foana ,ary tantaran'ny olona foana no reko.
(. . .)
Mino nefa aho fa ny 99% n'ny olona dia ianjadian'ny "témoignage" dia mino,fa mbola tsy niharan'ny "miracle" araka ny voatantara.Izany toe-javatra izany no mahatonga ny tahotra hanjaka ,ny tsy fahalalàna hanjaka ka mahatonga ny olona hifikotra amin'ny "antidote" eritreretiny handaitra dia ny kristianisma izany.Izany no mahavokatra be ny kristianisma any eto Madagasikara.


hadihadio!

:-D:-D:-D Mahay izay namorona ny lazaadina ka.


4. prime ( 29/11/2006 15:03)
soanja> mahay inona akia?...:°):-D:-D
5. soanja ( 29/11/2006 15:27)
Mahita zavatra hoadihadihana,Sa ahoana hozy i Prime:-D:-D:°)
6. simplex ( 29/11/2006 16:09)
Rasiligoma:
Mino nefa aho fa ny 99% n'ny olona dia ianjadian'ny "témoignage" dia mino,fa mbola tsy niharan'ny "miracle" araka ny voatantara.Izany toe-javatra izany no mahatonga ny tahotra hanjaka ,ny tsy fahalalàna hanjaka ka mahatonga ny olona hifikotra amin'ny "antidote" eritreretiny handaitra dia ny kristianisma izany.Izany no mahavokatra be ny kristianisma any eto Madagasikara.

Tsy voatery hoe mino foana akory ny olona refa tsy manohitra izay voalaza. Satria mbola tsy manana porofo hanadisoana an'izay izy, d aleo mitandrina. Na izany na tsy izany refa mahay mandresy lahatra kosa ve ny mpanao "temoinage", tsy maintsy hoe miahiahy fara faharatsiny. Tsy "naivete" zany fa mba hoe "averti".

Faharoa, 41% an'ny mponina gasy ihany no kristianina. Betsaka kokoa zany ny tsy kristianina noho ny kristianina :-P. Ary ny ankamaroan'ireo d tsy tahotra ka hoe mila mitady "antidote" velively fa finoana ary indrindra indrindra fanajana ny Ray aman-dReny. RAD lolohavina antapon'ny loha, zay no finoan'i Dada, zay no hafatr'i Neny,... Aza manao tsinotsinona ny ao am-pasana, mbola tsy nandre an'zany v toi :°)

Farany, ny maha kristianina dia safidy. Eny fa na heverinao fa "antidote" @ hoe kely endaka aza. "sambatra izay mino", nampatsiahivan'le namana 1 zay. I Kristy le inoana eo :°). Mety hoe tsy adalana koa ny an'ny olona mino. Ataoko fa samy manana ny fahalemeny, na inona io na inona, fa iza no hiaro anao iza ? Matahotra izy, matahotra an'A/tra. Hadalana ve sa tsia :roll::-*
7. Rasiligaoma ( 29/11/2006 20:29)
ny maha kristianina dia safidy.


Angaha tsy voasoratra indray hoe tsy ianao nifidy fa Andriamanitra no nifidy???:roll:

. Na izany na tsy izany refa mahay mandresy lahatra kosa ve ny mpanao "temoinage", tsy maintsy hoe miahiahy fara faharatsiny. Tsy "naivete" zany fa mba hoe "averti".


Io kosa aloha tena hain'ny gasy an.. sady ny gasy mora voaratika ara panahy izay
8. Zina ( 29/11/2006 20:54)
Angaha tsy voasoratra indray hoe tsy ianao nifidy fa Andriamanitra no nifidy???


aiza no misy an'izany????
9. kelly13 ( 29/11/2006 21:06)
teny :miam: entimatory rahalina
10. ikaretsaka ( 30/11/2006 04:42)
misy mahamarina ny an-drasiligaoma raha jerena toko @ fo tsy miangatra sy fo tsy mandainga ilay izy..
tsy azo iadian-kevitra fa ny 99% ny kristianina dia saika temoinage daholo no niainanysy nahatong aazy ho izy fa tsy de tena miracle loatra amiko..
11. eprom ( 30/11/2006 07:44)
Rasiligaoma>
Inona moa le "miracle" andrasana? Hoe tafasaraka ve ny ranon'ikopa sa divay no avoaky ny paompin'i Jirama? Raha izay de marina fa 99,99% ny kristiana tsy nahita fahagagana. Fa raha mahita olona iray aho, biby fihetsika taloha, nefa ankehitriny ikoizana amin'ny halemem-panahiny, vokatry ny fivavahana, tsy fahagagana ve izany? raha amin'izao, mbola misy olona tsy mety handray kolikoly, tsy efa fahagagana ve izany? Hevero fa na de ny fanaovan'ny dokoteram-panjakana iray ny asany ara-dalana, tsy ilana risoriso aza de efa "fahagagana" raha ny karama raisiny no heverina. Ary mahafantatra kristiana aho anatin'ireo : tsy mila "temoignage" fa ny masoko no nahita.
12. Mandefitra ( 30/11/2006 12:12)
Za aloha mbola tsisy miracle de efa kristianina aho, satria vita batisa ho @ anaran i Kristy.Notezaina hanaradia an i Kristy.ARy nanolo-tena ho an 'i Kristy (vita konfirmasiona).Na izany aza,misy zavamisy 2 ireto natrehiko :
1/voan ny parasylafirika ny zokiko, ary nanrimo ny fery.Sitrana ilay ratra,fa ilay atody tarimo tavela nivongana teo.Ny tonton mpianatra dokotera nilaza fa didina @ hopitaly vo afaka.Nametrahan ilay zokiny lahimatoa (fifohazana) tanana t@ anaran i Jesosy nefa ilay izy de afaka.
2/Nianjera fony kely ny rafozambaviko ka ny lohany no nitsatoka ary efa saika maty.Tsy nisy fitsaboana t@ zany fa nandeha ho azy.Nony efa lehibe izy,2 anaka,nihetsika ny epilepsie (androbe).Ary nivadika ho zavatra hafa mitsy fa lasa nivazavaza toy ny adala izy(efa maty ela ny vadiny).Raikitra ny adihevitra:ny zaodahiny nanao hoe ento any anjanamasina,ny hafa nanao hoe andao gasiana.Za sy ny zanany vavy no nanankevitra haka mpiandry.Sitrana izy noho ny fitiavan i Jesosy, mampianatra sekoly alahady izy zao, ary tsy niverina ntsony ny epilepsie mandrak ty ny androany,efa 3 taona zay.
Misaotra anareo namaky.Isaorana ny Tompo
13. prime ( 30/11/2006 12:13)
Ny fahagagàna raha ara-tsoratra masina dia tsy nataon'Andriamanitra ho an'ny tsy mino fa ho an'ny mino... ny tena mpino tena mahita fahagagàna isanandro isanandro... fa raha mbola tsy nahita an'izany mihitsy nefa milaza ho mpino toa mahagaga ihany...
14. Achia ( 30/11/2006 15:24)
za aloha Kristiana fa tsy mba toa io nolazaindrasiligaoma io no ninoako an'i Kristy , fa marina ihany koa aloha fa na samy Kristiana aza dia samy manana ny tanjony ol tsirairay
15. Zina ( 30/11/2006 21:08)
ikaretsaka [ Valio ] 30-11-2006 05:42:31
Lohateny : Re : Ahoana ny famelabelaranao an'ity?
misy mahamarina ny an-drasiligaoma raha jerena toko @ fo tsy miangatra sy fo tsy mandainga ilay izy..
tsy azo iadian-kevitra fa ny 99% ny kristianina dia saika temoinage daholo no niainanysy nahatong aazy ho izy fa tsy de tena miracle loatra amiko..


ny maha kristiana an'ny olona iray dia SAFIDY... na ho Kristiana izy satria nisy nilaza azy sy nampiseho azy ny baiboly na tsy ho Kristiana.. na dia nisy miracle ary tao @ fihainan'ny sasany dia tsy mbola mampihova azy ho Kristiana..
16. besoiiin ( 30/11/2006 22:11)
prime:

Ny fahagagàna raha ara-tsoratra masina dia tsy nataon'Andriamanitra ho an'ny tsy mino fa ho an'ny mino... ny tena mpino tena mahita fahagagàna isanandro isanandro... fa raha mbola tsy nahita an'izany mihitsy nefa milaza ho mpino toa mahagaga ihany...


marina tanteraka io ary misy koa anefa ny cas we ampisehoan'Atra fahagagana @ olona iray mba hiovany fo,


17. besoiiin ( 30/11/2006 22:47)
prime:

Ny fahagagàna raha ara-tsoratra masina dia tsy nataon'Andriamanitra ho an'ny tsy mino fa ho an'ny mino... ny tena mpino tena mahita fahagagàna isanandro isanandro... fa raha mbola tsy nahita an'izany mihitsy nefa milaza ho mpino toa mahagaga ihany...


tantara iray teo @ fiainako indray ity hanamporofoko fa misy Andriamanitra, mamaly vavaka izy ary mahita moyen foana izy hanampiana anao eny fa na dia @ fahagagana aza.
nisy echek b teo @ fiainan'ny Ray Amandreniko ka nisy fotoana tena fadiranovana izahay, mou ny fiainana kou tena henjana t@zany fotoana izany, tsisy hatokona intsony izahay tao antrano, tapidalankaleha, efa tsy nihinana maraina tsy hisakafo atoandro ary efa hiomana ny handry fotsy. niainga tao antrano teny itaosy aho handefa taratasy eny @ poste tsaralalana ho an'ny zokiko any prague we mba andefaso vola zay fa mijaly. nivavaka alou izahay sy ny reniko ary nangataka t@ Jesosy mba homeny sakafo, nandeha tongotra aho, tena reraka aho satria tsy nisakafo kanefa ny lalana lavitra, tsy nitsahatra nivavaka tao ampoko anefa aho teny andalana, tao @ poste @zay, nividy timbre aho toa 600 fmg teo ngamba no nandefa taratasy tany tchecoslovaki t@zany. izaho irery no teo @lay table lavab fanoratana iny, napetako ilay timbre dia somary nototoko t@ vohotanana mba hiraikitra tsara, gaga anefa aho fa raha vao midona @ lay table ny tanako dia maheno vola mikorintsana aho, nodomiko ihany ilay table ka injao henoko iany, nojereko tao @lay casier fa indreo nisy vola 7000fmg taratasy sy volamajinika vitsivitsy. nalaikoilay izy faly ery aho nody nitondra mofodipaina sy akondro ho an'ny tao antrano sady nisaotra an'Atra, coincidence v hoy ianao??? tsia miracle, tolotr'Andriamanitra, valimbavaka, tsy indray mandeha na indroa fa matetika aho anehoan'Atra ny voninahiny toa izany eo @ fiainana, izaho tsy mpanana fa milamintsaina lalandava kosa, lasa manana habitude za raha vao misy olana eo anatrehako, mino izany foana aho hoe voavaha foana io satria manampy ahy Jesosy,
Andramo ka zahao fa tsara Jehovah, tsara tokoa izy ary rehefa tena miray aminy ianao an, dia toa ireny firesahanao @ dadanao reny mintsy ny fiarahanao aminy, azo iantahantana izy, azo hangatahanjavatra izy,etc ary tena mamaly izy raha mino azy sy miray aminy ianao.
tena marina ilay teny hoe minoa fotsiny ihany, miracle no ao ambadikio, fahagagana sy fitahiana no ao ambadiky ny finoanao an'Atra, mahagaga anefa fa dia maro tokoa ireo sany hanimbazimba sy nanao hesonteny momba io tenin'Atra io

18. dailynews ( 01/12/2006 00:49)
mino ny tantaranao aho kah. voninahitra ho an Atra be izany.
19. ikaretsaka ( 01/12/2006 01:48)
tsy azoko intsony!8):roll: SAFIDY sa VOAANTSO sa LAHATRA
no mahatonga anao hifefy ao @ ilay finoana iray?

Raha silamo ianao ohatra ve dia safidinao ny ho silamo sa nantsoin'i Allah ianao sa lahatra hoe lasa tany @ tany tsy nisy afa tsy silamo na silamo ny ray amandreny na tsy haiko...

Raha kristianina ve dia safidinao ny lasa kristianina (azo atao eto koa ilay antokompinoana hoe katolika, protestant, vavolombelon'i jehovah, born again....) sa nantsoin'i Jesoa (jesosy) ianao sa lahatra satria tsy nisy fiangonana tany de nisy probleme ianao dia nitontona t@ fotoana tsara ny nahatongavan'ilay mpitory teny mandeha tsiroaroa ireny tao an-tranonao?

Raha Baha'i ve ianao dia lahatra sa safidy sa antson'i Baha'ullah ny nahatonga anao hanao Ruhi tampoka ?
20. besoiiin ( 01/12/2006 05:47)
ikaretsaka> tsotrab io,ny ahy izao ny Atra inoako no no inoako fa Andriamanitry ny Atra rehetra ary mifehy ny hery rehetra erakizao tontoloizao, voalohany vao notorotoronona tao ankibo ianao dia efa fantatr'Atra ny existance nao, LAHATRA ho anao ny hiterahanao any @zay tany misy anao na chine io na irak io na Mkar io, en generale eo @ fiainanao no hisian'ny ANTSO ka hipoiran'ny SAFIDY, @zay tany misy anao, hitan'Atra foana ny hampitana ny hafany any aminao na any irak aza ianao no mitoetra (ankehitriny efa samy mahalala an'i Jesosy Kristy daholo ny silamo rehetra) koa dia eo no mipetraka ny SAFIDINAO na hanaraka ny finoana silamo ianao na kristianina, ary tsarovy fa Atra dia niteny fikasana we, tsy ho avy ny fitsarana lehibe na ny rarandro raha tsy tapitra efa mahafantatra azy daholo ny olona sy ny firenena rehetra manerana ny vazatany 4.(Atra dia fitiavana, hitanao @zany fa tsy misy foiny ho very na dia iray aza ny olona)
mety hanontany angamba ianao we d ahoana izany ny momba ireo ankizy dia maty ka tsy mba afaka ny naneho ny SAFIDINY akoury? manana ny fitsarany Atra @io ary ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy izy, ka aza dia miahiahy sy b fanahiana fa isika tsy mba naman'izay mihemotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0585