namana mangalatra sipa

1. xxx ( 23/11/2006 22:39)
ahoana ny fahitanareo anzao zavatra zao manana namana vehivavy zay zah de mifampitantara ny zavatra rehetra nefa ny sipanay roa mpinamana koa de aveo ny rezsakay roa kay tantarainy amin'ny lay sipako daholo hoe enao otrizao de otrizao de ny tena marina kay izy ity tena mola tam lay sipako ary tsy namelany raha tsy azony nefa de tena manotra noho ny tena tsy haiko mangataka zavatra izy de omeko retra retra manana probleme de manampy aho nefa zaho mbola tsy nangataka service taminy na indray mandeha aza de zany no nataony de inona no tokony ataoko satri zay sy lay ray koa nisy moment niady de nararaotiny kala tsivanona de mba toroy hevitra ry zareo fa zah ndray aloha de tsy maintsy hanao vengeance eh sa ahoan hoy nareo
novalian'i tywa68 ny 29/11/2006 08:20
2. soanja ( 24/11/2006 01:53)
Ka raha tena tia anao koa le sipanao de tsy nihaino azy mihitsy e. Fifampitokisana ny fiarahana. Raha peziny ny sipanao de le sipanao koa zany mora ambakaina na efa nireitreritra exit. De mety tsara aminao ihany ny tsy miaraka aminy.
Ireny fanampina olona ireny a tsy mba tsara hantenaina hoe hataony aminao koa, fa olon-kafa no mety hamaly azy aminao na Andriamaniatra koa. Aza mba manantena an'ireny mihitsy hoe ametrahana fahatokisana. Ary ny valifaty koa dia tsy tsara fa rehfa vita iny fiarahana iny dia raha izaho indry dia mieritreritra zava-baovao indray fa naman'ny lesona zany iny hitsinjovana ny manaraka. Mahereza hatrany.
3. Lalah ( 24/11/2006 03:35)
Tsy hoe mandatsa aloha aho an! fa ilay namanao aloha dia maivan-doha, fa ilay sipanao koa no tena maivandoha kokoa. Ka marina ny tenin i soanja hoe soit izy efa nieritreritra exit, avelao hoany fa tsy maintsy mbola hijinja izy eh! aza manao veangence zany, aza tairina fa aleo hiverina hoazy ny sainy e! ataovy mamay raha vao mitady anao avy eo
4. oniarilala ( 24/11/2006 05:31)
miarahaba anao ny tenako
araka ny hevitro de tsy nety ny zavatra nataon ny namanao ary raha tena tia anao ilay sipanao dia tsy nihaino ny zavatra notantarain ny namanao!aza manao valy faty fa tsy dia tsara izany, fantatro fa tsy mora ny tsy manao valy faty fa na ny tenako aza mba manaoihany rehefa tsy zakako saingy raha valy faty momba lehilahy aza atao raha mbola azo fadiana!
raha iray no lasa de 10 manantona fa aza kivy ,mino aho fa tovovavy tsara tarehy ianao ary mety mialona anao ity namanao!
amiko tsy azo atao hoe namana intsony ity ankizy vavy ity

dinio ny fihainanao dia fantaro ny zavatrra tianao atao sy ny tanjonao eto @ fiainana mandalo ity

gros bisous à toi
courage et bonne continuation
oni

5. pimaso ( 24/11/2006 07:51)
Mankahery e,
Izay ilay hoe tiavo ny namanao hinananao ny.....
Tena voa roa ohatrin'ny akoho ianao :
Ny namana very , ny sakaiza nafoy
Za mba miezaka foana mananatra eto @ ity serasera ity fa enjika indray no azoko avy eo,
Raha mila toro-hevitra manokana ianao dia manorata amiko tsy ampihambahambana,¨

Pimaso
6. nikopol ( 24/11/2006 08:55)
xxx a tapahan'i pimaso any ny klitanao a :lol:

toy izao manko ny torohevitr'i pimaso :

Voalaza teo :
pimaso [ Valio ] 23-11-2006 11:45:48
Lohateny : Re : lasa hendry hono izy
tapao ny clitoris dia vita



:-D:-D:-D:-D
7. nikopol ( 24/11/2006 09:05)
xxx mitovy hevitra amin'i soanja za
8. diamondra27 ( 24/11/2006 11:58)
xxx: resaka vageance: tsy tsara fa matoa ianao mitady hanao an'io dia mampiseho izany fa victime sy voadona ny hambomponao. Avelao fotsiny iny ho any.
Manaraka izany dia: ny secret aza mba tantaraina izany surtout resaka intimité na dia namanao aza ilay olona.Misy ny zavatra azo tantaraina misy resaka tsy azo avoaka fa tazomina ho anareo 2 ihany , izany no atao hoe: tsiambaratelo:oops::oops:.
Amin'ny manaraka dia fidio tsara ny namana.
Ny hamantarana fa namana tsara ilay olona dia tsy hanontany ny fiainanao izy fa rehefa miaraka eny ianareo dia hahita ny fombanao sy ny momba anao izy dia manome fampaherezana sy manampy anao na ara-bola na ara-pitaovana etc.
Ny fanaon'ny sasany matetika tsapako dia manantona anao ilay vhv, te-haka namana anao, nefa ny ao ambadik'izay misy zavatra kendreny ao. Araka io miseho @ i xxx io. Efa tratra ny tenanay ka mahay azy tsara. Maka relation tsara aminao ilay vhv, dia rehefa miaraka @ sipanao ianao dia iny @izay izy mampiasa ilay tetikany. Toetsaina fony tany @ lycée izany nefa mety valable ihany koa zany hatr@izao tsy haiko.
Tsarovy lalandava fa raha misy olona te-hiditra lalina @ fiainanao dia olona tsy mazava izay fa misy tanjony ao
9. diamondra27 ( 24/11/2006 12:06)
xxx: raha za no eo @ toeranao dia zarako aza nisy izany mampiseho amiko fa tsy natao ho ahy iny lhl iny satria mora tairina.
Renseignements azony taminao no nentin'ilay namanao ni-seduire ilay sipanao.
Aza kivy @izany fa mbola hahazo tsara noho iny ianao.
Tandremo fotsiny tonga dia miaraka@ izay 1er venu mikoty anao eo. Makà aina tsara dia diniho ny zava-nisy sy tsy nety dia tandremo sy hatsarao izany @manaraka.
10. booboo ( 24/11/2006 12:22)
xxx > ny vengeance tsara ndrindra dia ny ignorance :°)...sarotra klou @ voalohany e ...fa tsisy mangidy tsy andramana oun ;-)
11. xxx ( 24/11/2006 12:53)
niko"pô"l a, aza afangaro ny akoho sy ny vorona
sao ny "pô" lasa "jôgy"
12. ikaretsaka ( 25/11/2006 14:07)
fiainana daholo zany e
13. Aino ( 25/11/2006 15:09)
izay bandy iray ve anky hatao ankarary fo fa raha iny no tsy ariny dia homeo azy hatr@ hatiny any ah!!
izaho aloha somary mahery fiteny, fa ny ahy koa tena tsy reveko ny namana manao tahaka hireny.na tsy mangalatra az aizy fa ilay mihatsaravelatsy sy manao tohetra tahaka izany tena tsy manja mihintsy!!!
dia raha toaka koa ilay sipanjy miaraka aminy nefa efa fatatra ny sutoition ka nefa izy mbola miaraka any ilay namanjy tonga dia adinoy any ny @izy roa.
ary raha bandy ray koa tsy hitomaniany izany fa na tiana aza, mety mbola hisy tsara sy mendrika anjy kokoa any ho any!!
14. MTN ( 25/11/2006 21:46)
voaloha
Aza miverina miaraka aminy intsony fa rano raraka tsy azo raofina iny
faharoa
Ampahafantaro azy roa hoe tsy nety ny nataony dia aleo izy ho enjehin'ny eritreriny any
fahatelo
raha mpino ianao dia aza mamaly ratsy ny ratsy
fa raha tsy mpino ianao dia vengeance
:-*
15. degree ( 25/11/2006 22:35)
ny ahy dia teny tsotra no omeko anao"aza maahelo voalavo maty fa mbola be ny any an-tsaha "tsofy rano izy fa noho io fitsofanao rano azy no ahatonga saina azy any aoriana any ka mety hifona aminao ihany izy noho ny heloka nataony,omeo azy hatrany ny:D
16. xxx ( 25/11/2006 23:48)
misaotra betsaka ho anireo namaly de MANKAHERY TOKOA aloha ny zanatra soratanareo fa marina daholo ny teninareo fa efa nieritreritra ahi ca sert a rien na ny handany rora momba zareo fa aleo ignorer de samy miala nefa amin maha olombelona de tsy mety saina ndraindray fa aleo ho an'ny ao ambony ny famalina de mbola mamerina fisaorana ho anreo rehetra efa matoa nitranga le zavatra amin ny teninin diamondra de efa mety tsy natao ho ahy zany izy na de betsaka ary ny zavatra nerahana sy vita tsy maninona fa le tsodrano ho anzareo angamba ry zareo aloha sarotra ny handainga fa mbola tsy ho vitako fa mbola ao lay cicatrice lay fery mbola tsy mikatona tsara zah koa moa mbola tsisy ol miaraka amiko detena mbola tsy ho vitako e srotra ny handainga ok de mbola mamerina faisaorana fa matsiaro tsy irery eh
17. Zina ( 26/11/2006 01:05)
Ampahafantaro azy roa hoe tsy nety ny nataony dia aleo izy ho enjehin'ny eritreriny any

ity no tena solution
ny tody tsy misy fa ny atao no miverina (mbola hiverina @-ny)
18. antsafa ( 26/11/2006 04:15)
tsy vahaholana ny hanaovanao valifaty @ holana mandalo aminao izao . Raha tena tian'ny ianao tsy ny namanao no niharahany, izay dia milaza mivan-tana fa efa leo anao izy. Na dia mbola tia azy ianao dia manaova ezaka mafy ny hialanao azy fa efa tsy tia anao intsony io sipanao io.
19. degree ( 26/11/2006 11:23)
antsafa:

tsy vahaholana ny hanaovanao valifaty @ holana mandalo aminao izao . Raha tena tian'ny ianao tsy ny namanao no niharahany, izay dia milaza mivan-tana fa efa leo anao izy. Na dia mbola tia azy ianao dia manaova ezaka mafy ny hialanao azy fa efa tsy tia anao intsony io sipanao io.


ie marina io fa omeo tso-drano izy mba ahaleo ahalasa e.............


20. andry08 ( 26/11/2006 13:20)
Tsy tena namana ilay namanao io raha nahavita izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0844