Losogno anao

1. Geomer ( 13/11/2006 10:19)
Miarahaba anareo ary misaotra anareo sahady.
Mba miangavy anareo mba handefa aty amiko ity tononkira ity : Losogno anao
Hira efa elaela izio ary i Jhon Betoto no nihira azy.
Dia misaotra sy manantena anareo e ! Geomer.
novalian'i Lejim ny 15/11/2006 00:16
2. chipie1 ( 13/11/2006 11:06)
mba miangavy anao ijery ao aminy tononkira ny serasera
misaotra !
3. Fiffi ( 13/11/2006 13:41)
tsy misy an'io ao @ tononkira fa efa nojereko...
4. Lejim ( 13/11/2006 13:42)
Losogno anao,
Nandeha tsy nimpody e
Zaho raika foagna ato ie
Tsy tafandry e isan'aligna e
Mahatsiaro ny fotoagna a
Niarahagna tato e
Kao nisy notiaviko e
Donko ana

Ny elanelan-tany
Aza atao mahaketraka e
Aminao lalan-dava
Ny eritreritry e
Aza adigno fa ato e
Misy olo tianao o o
Farahafaharatsiny e,
Taratasy alefaso o

Fagnenjehagna atao atsika aro
Tsy ahoako o
Malaigna ny malaigna e
Tsy mampagnino o
Ny losogno zahavo
Niarahantsika igny e
Kao nisy tsy foiky e
Donko ana

(Mety misy diso ireo satria izay tao aneritreritro tao no nadikako ho anao)
5. Geomer ( 14/11/2006 21:40)
Misaotra anao betsaka nandefa ny tonon'ny hira Losogno anao. Mirary soa be dia be ho anao.
6. Lejim ( 15/11/2006 00:16)
Sure lesy e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0067