Nanambara prophétie hon Mayhol momba ny fifidianana 3 Dec

1. rrgmt ( 26/10/2006 18:43)
Araka ny gazety androan dia hoe hisy korontana aorian'io fa raha mivavaka dia tsy hisy;
tsy faminanian amiko izany théorie de décison.
Raha mihizingizina izy hoe faminaniana dia sandoka ka asakasak'izay mihaino sy manaraka azy. Misy koa ange ireny voyant manambara zavatra ireny ary mety mitranga tokoa kanefa tsy avy @ Andriamanitry ny Baiboly. AOKA HO MAILA
Fa any am-parany any dia hisy ny mpaminany sandoka hoy ny Soratra Masina !
novalian'i prime ny 13/11/2006 08:56
2. kelly13 ( 26/10/2006 19:22)
iza kay zany mayhol azafady?
3. fijo ( 26/10/2006 20:30)
kelly koa ve de tsy mahalala le sandoka iny e.
olona miteniteny foana iny.
4. Fiffi ( 26/10/2006 20:56)
ka raha mpaminany lery , maninona hono no tsy hajanona dien'zao zany korontana zany ?
5. caprio ( 26/10/2006 22:27)
fiffi:Diso kely enao fa ny mpaminany dia maminany izay zavatra mety hitsanga fotsiny fa tsy afaka manajanona an-zany,fa na izany aza dia tsy faminaniana io an'i mayhol io fa tsatoka fotsiny io satria tsy maintsy zavatra roa hiany no hitranga @io fifidianana io dia na hisy korontana na hilamina
6. Fiffi ( 27/10/2006 05:41)
caprio: fa nahoana akia no tsy hafaka hanajanona izy ? raha tena mpaminany marina ary tena marina zany ka hinoan'ny olona de hatao daholo zay tokony hatao mialoha mba tsy hisian'zany zavatra zany sa ahoana ozy enao ?
7. jentilisa ( 27/10/2006 06:14)
Mailhol no fanoratra ny anarany ka! APOKY no solon'anarany ato amin'ny serasera na ny marimarina kokoa angaha napetrak'ilay olona tao ny sarin'i Mailhol fa tsy fantatro na azy tokoa io na tsia!
8. barry ( 27/10/2006 11:18)
:lol:aiza ary zany ;ary ahona tokoa moa no ahafantarana ny olona hoe mpaminany sandoka io na tsia?Raha sandoka moa izy dia problem -ny zany fa raha toa ndray ka tsy sandoka dia ahona:mety mahazo tsiny ve lay tsy mino
9. sonwin ( 27/10/2006 13:23)
fa betsaka ny mpaminany ao amin tanana ao an!
10. kelly13 ( 27/10/2006 14:11)
fijo:

kelly koa ve de tsy mahalala le sandoka iny e.
olona miteniteny foana iny.

loll ra fantatro v hanontany za ry se a? d inn no teniteny fôna ataony hono?
tena serieux nge za fa tsy fantatro izany mayhol zany e?
11. voanjobory ( 27/10/2006 15:36)
Angaha vendrana ny gasy amin'ny Mayol ka hoe hiaino izay teneniny eo. Raha olona misaina izy na kely fotsiny tokony hampiasa ny tenany ho an'ny firenena toa izay mirediredy isan'andro tsy mitondra lavitra akory. Na ny adala ary misy saina mihoatra azy:-D.
12. bonazy ( 27/10/2006 17:13)
tsy hilaza izaho hoe\"marina na tsia \"ny faminanian\'ny Mailhol,fa matoa izy milaza izany dia mety efa misy hirika hitany any ambadimbadika any mety manoman-komana izany ,satria sao ianareo mihevitra fa tsy manaraka ny revy politika akaiky ao amin\'ny tanana toy ny olon-drehetra sy ireo mifanjevo hiady hitondra izy,koa matoa izy mitaona ny olona hivavaka dia ny mba tsy hisian\'izany korontana izany,dia anisan\'ny fitaomana ny olona sy ny mpanao politika handinika sy hiomana tsara,fa izay resy ahalala resy ary izay mpandresy tokony hanaja ny resy,tokony ahay hifanaja izany ny Malagasy,ary satria ny fivavahana no isan\'ny mampiray ny olona na dia samy hafa firehana ara politika aza,ka misy ho dinihan\'ny tsirairay sy ny mpanao politika izany,ka amiko dia tsy rediredy na miteniteny foana i Mailhol,
13. ratafika ( 27/10/2006 20:44)
Mba milaza hoe ianareo zavatra anakiray positif (iray fotsiny) nataon'i Maihol ho an'i firenena? Mino aho fa tsy misy izany,ankoatra ny blablabla... sy ny fiheverany ny tenany fa Andriamanitra.
Fantatro fa maro tokoa ny gasy no mino an'Andriamanitra ary tsy miandry an'i Maihol hiteny hoe mivavaha ianareo vao mivavakva ny gasy. Ka tsy tokony hirefarefa mihintsy ny toe-tsain-tsika amin'izay tenen'i Maihol.
Ary ny tena mahagaga ahy raha tsy politika foana i Maihol vao miteniteny foana. Ramin'ny ho viana ary izy iny vao mba ho tonga saina hoe ny gasy anie ka misy saina fa tsy gidro akoryé^^.
14. Achia ( 28/10/2006 07:01)
enao zany kosa ratafika fa reo olona mivavaka ao @ reo nga de ol efa tena mpivavaka be daholo hoy ianao fa ao ny mpanendaka ao ny mpangalatra , mpijanga , mpisotro , ny mpomono ol koa aza , fa noho njy asa fitoriana nataony de mba efa nihena kely aloha reo ary adinoko koa ny mpamosavy , sy ny mpanao ody
15. rrgmt ( 28/10/2006 16:31)
Efa manomana ny terrain hilatsahany ho président @ 2013 izy ary tsy dia hoe tsisy positif aloha ny nataony fa saingy misy famitahana koa ê. Izay le hoe TOA MARINA Kanjo:twisted:
16. ratafika ( 28/10/2006 21:14)
achia :
Misy ny olona izay manaraka an'i Mayhol satria olona homena vary 1 kapoka. Olona vao karama daholo fotsiny. Io système io dia tsy misy hafa amin'ny fomban-dRatsiraka mihintsy hisariana ny olona.
Hitan'i Mayhol tsara hoe ny malagasy anie ka manana finoana ary sensible ary amin'iny mihintsy no handrebirebena ny olona.











17. Achia ( 29/10/2006 06:12)
Hay ve misy fizarana vary ao e ! zany zany no tena hiazakazahan'ny ol ao o !?
18. xxx ( 29/10/2006 16:49)
mailhol mivady hitako niantsena indray mandeha taty an-dafy??
19. ratafika ( 29/10/2006 17:54)
Jereo izany izy, tsy minetra akory miantsena aty andafy anefa ny malagasy mivavaka ao aminy maro no misakafo ambany fotra8O.Mivelona amin'ny rakitra fotsiny angamba iny razoky iny. Satria tsy dia hitako loatra izay tena asa hataony any Mcar.
20. prime ( 30/10/2006 10:25)
ratafika> Izaho sady tsy ao amin'ny fikambanana apokalipsy no tsy mpanara-dia azy fa mba iangaviana ianao tsy hanao famingavingàna olona raha mety...

Miresaka ny hoe vitany t@ firenena dia angamba tsy dia misy mivaingana na tsy misy mihitsy araka ny fahitanao azy... fa na izany aza, aza miteny ratsy ny asan'Andriamanitra fa nisy olona nohafahan'Andriamanitra ihany kosa noho filazantsara notorian'i mailhol...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8563